Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Rahona

Rahona

Fitambarana piti-javatra (matetika no piti-drano na pitika gilasy) hita mihevaheva eny amin’ny lanitra. ʽAnan no teny hebreo fampiasa ho an’ny “rahona”, ary ilay andry “rahona” nitari-dalana an’ireo Israelita tany an-tany efitra no tena nampiasana azy. (Ek 13:21) Adika hoe “rahona”, “vovoka manify”, “lanitra feno rahona”, ary “lanitra” koa indraindray ny teny hebreo hoe shahak, izay avy amin’ny fototeny midika hoe ‘manorotoro, mikiky.’ (Is 40:15; Sl 36:5; Je 51:9; Sl 89:37; 18:42; Jb 14:19) Nefôs sy nefele no teny grika midika hoe “rahona”, fa “rahona mainty” kosa no dikan’ny hoe gnôfôs.​—He 12:1; Mt 17:5; He 12:18.

Matetika no tsy misy rahona ny lanitra any Israely, manomboka amin’ny tapaky ny volana Jona ka hatramin’ny tapaky ny Septambra. Rahom-bovoka avy any an-tany efitra fotsiny no misy, indrindra fa rehefa hifarana ny main-tany. Entin’ny rivotra mahamay avy any atsinanana mantsy izy io. Misy rahona manify tsy mitondra orana koa indraindray avy any andrefana, indrindra fa amin’ny Aogositra. Mahafaly an’ireo mponina ihany anefa ireny rahona ireny, satria mampisy alokaloka kely, ary mba ahazoana aina amin’ny andro mafana be. (Is 25:5; ampit. Jb 7:2.) Matetika kokoa no misy rahona eny amin’ny faravodilanitra andrefana, eo ambonin’ny Ranomasina Mediterane, manomboka amin’ny Septambra na Oktobra. Matetika anefa no tsy tena manomboka ny fotoanan’ny orana, raha tsy rehefa misasaka ny Oktobra. Rehefa fahavaratra kosa, dia rahon-javona no miseho amin’ny maraina, any amin’ny faritra sasany. Mora levona anefa izy ireny raha vao miposaka ny masoandro.​—Ho 6:4.

Mety hisy oram-baratra tampoka amin’ny fotoanan’ny orana, na dia rahona kely fotsiny aza no miforona eny andrefana. (1Mp 18:44, 45) Faly ny tantsaha raha vao mahita rahona miakatra eny andrefana. (Lk 12:54) Misy kosa matahotra orana ka tsy mijinja. Ho voa mafy anefa izy satria tsy fantatra akory ilay rahona na hitondra orana na tsia. Inona no lesona avy amin’izany? Tsy tokony hamela na inona na inona hampitsahatra azy amin’ny asany ny mpanompon’Andriamanitra.​—Mpto 11:4.

Tena hendry sy mahery i Jehovah Andriamanitra Mpamorona, ary manaporofo izany ny fahaizany mifehy ny rahona. Antsoiny hoe ‘sinin-drano’ izy ireny, ary lazainy fa mitongilana ka mandraraka ny ao anatiny eny amin’ny tany. Hoy izy: “Iza no manam-pahendrena ka mahay tsara ny isan’ny rahona? Ary iza no mahatongilana ny sinin-dranon’ny lanitra?” (Jb 38:37) Toy izao no hanazavan’ny Baiboly ny fiovan’ny rano ho etona sy ny fiovan’ny etona ho rano: ‘Ampiakarin’Andriamanitra ireo piti-drano, ary mirotsaka ho orana sy zavona ireny. Koa mitete ny rahona, ka mifafy be dia be amin’ny olombelona. Iza no mahafantatra ny fivelaran’ny rahona, sy ny kotroka avy amin’ny trano rantsankazon’Andriamanitra?’​—Jb 36:27-29.

Ampiasaina an’ohatra. Rahona no ampiasain’i Jehovah mba hampahafantarana ny fanatrehany, satria tsy misy olona afaka mahita azy ka mbola ho velona ihany. Nisy rahona mainty àry nanarona ny Tendrombohitra Sinay, tamin’ny fotoana nanomezana ny Lalàna ho an’ny Israely. Nisy tselatra sy kotroka sy feon-trompetra ary feo mafy avy tao amin’ilay rahona. (Ek 19:16-19; 24:15; He 12:18, 19) Nohazavain’i Jehovah tamin’i Mosesy fa nanao izany izy mba hahafahany hiresaka aminy, ka rehefa mandre izany ny vahoaka dia hino fa i Mosesy no solontenan’Andriamanitra.​—Ek 19:9.

Nandefa anjely iray i Jehovah mba ho “iraka manokana” hitarika ny Israely hivoaka avy tany Ejipta sy hamakivaky ny tany efitra. (Is 63:9) Tao anatin’ny andry rahona ilay anjely, ary nampiasain’i Jehovah rehefa nijery avy tao amin’ilay andry rahona izy ka nampifanaritaka ny tobin’ny Ejipsianina. (Ek 13:21, 22; 14:19, 24, 25) Nampiasa an’ilay rahona koa i Jehovah mba hanaovana batisa ny Israely ho lasa firenena tafaray amin’i Mosesy. Voalaza fa ‘natao batisa izy rehetra ka tafaray tamin’i Mosesy, fony teo anatrehan’ny rahona sy namakivaky ny ranomasina.’ Teo ankaviany sy teo ankavanany mantsy ny rano tamin’izay, ary ilay rahona no teo amboniny sy teo aoriany.​—1Ko 10:2; jereo koa No 14:14.

Nijanona teo ambonin’ilay tranolay masina ilay rahona rehefa natsangana tany an-tany efitra ilay tranolay. “Feno ny voninahitr’i Jehovah” izy io, ka tsy afaka niditra tao i Mosesy. (Ek 40:34, 35; ampit. 1Mp 8:10-12; Ap 15:8.) Tsy nihetsika teo ambonin’ny Masina Indrindra, izay nisy ny Vata misy ny fifanekena, ilay rahona, avy eo, ary lasa andry afo rehefa alina. Azo inoana fa tazana eran’ny toby ilay andry rahona, ary marika nahafantarana ny afovoan’ilay toby. Niomana ny hiainga ny Israely, rehefa niakatra ilay izy. Nanaraka an’ilay rahona izy ireo, avy eo, ka teo amin’izay nijanonan’ilay rahona no nilasy. Taiza ho aiza teo amin’izany toerana izany àry no natsangana ny toby? Mety ho i Hobaba no nifidy izany satria nahay tsara an’ilay tany izy, ka fantany hoe taiza no nisy rano ary taiza no nety tsara hitobian’io vahoaka be io.​—Ek 40:34-38; No 10:29-32.

Nisy rahona hafa namirapiratra be teo ambonin’ilay Vata misy ny fifanekena, tao amin’ny Masina Indrindra. Io rahona io no hany nanazava an’ilay efitra. (Le 16:2) Sekinà no niantsoana azy io tamin’ny teny hebreo fampiasa taorian’ny nanoratana ny Baiboly. Toy ny hoe nifanatrika tamin’i Jehovah ny mpisoronabe rehefa niditra tao amin’ny Masina Indrindra, tamin’ny Andro Fandrakofam-pahotana, mba hitondra ny ran’ny biby natao sorona. Noheverina hoe nijoro teo anatrehan’i Jehovah fotsiny kosa izy, tamin’ny fotoana hafa, rehefa tsy niditra tao amin’ny Masina Indrindra, fa nijoro teo amin’ny ridao fotsiny mba hanontany an’i Jehovah momba ny raharaha lehibe iray.​—No 27:21.

Niteny avy tao anaty rahona namirapiratra i Jehovah, indray mandeha, ary re ny feony nilaza fa nankasitrahany ilay Zanany lahitokana. Teo amin’ilay tendrombohitra nitrangan’ny fiovan-tarehy izany no nitranga. Io rahona io no nanaloka an’i Jesosy sy izy telo lahy apostoliny, izany hoe i Petera sy Jakoba ary Jaona.​—Mt 17:5.

Rehefa niakatra tany an-danitra i Jesosy, dia “nisy rahona nanarona azy ka tsy hitan’ireo [mpianany] intsony izy.” (As 1:9) Araka izany, dia tsy teo ambonin’ny rahona i Jesosy, rehefa niakatra tany an-danitra. Nanakona azy kosa ilay rahona, ka tsy hitan’ireo mpianany intsony izy. Hoy anefa i Jesosy momba ny fanatrehany: “Ny olona hahita ny Zanak’olona ho avy amin-kery sy voninahitra lehibe, ao amin’ny rahona.” Hoy koa ny Apokalypsy: “Ho avy izy, eny amin’ny rahona. Ary hahita azy ny maso rehetra.” (Lk 21:27; Mt 24:30; Ap 1:7) Inona àry no dikan’izany? Efa talohan’izay no misy tantara mampiseho fa midika koa hoe fanatrehana amin’ny fomba tsy hita maso ny rahona. Tsy nahita an’ilay nanatrika ireo mpitazana, nefa nahatakatra fa teo izy na dia tsy hita maso aza. Toy izany koa fa rehefa mahita an’ireo zava-mitranga eto an-tany ireo olona mandinika, dia hanjary “hahita” na hahatakatra fa efa manatrika i Kristy, na dia tsy hita maso aza.​—Jereo koa Mt 24; Mr 13; Ap 14:14.

Tsy nanaiky an’i Jesosy ny Jiosy, na dia hita tamin’i Jesosy daholo aza ireo famantarana ny Mesia. Nasain’izy ireo notanterahiny ara-bakiteny ilay fahitana ao amin’ny Daniela 7:13, 14 mba hanaporofoany fa izy tokoa ilay Mesia. Hitan’i Daniela tao amin’ilay fahitana ny Zanak’olona, teny amin’ny rahon’ny lanitra, nanatona an’ilay Efa Nisy Hatry ny Ela Be, izany hoe i Jehovah Andriamanitra, mba handray ny fanjakana. Tsy hain’ireo Jiosy ireo ny nanavaka ny fanatrehan’i Jesosy efa lasa Mpanjaka sy ny fahatongavany voalohany tamin’ny naha Mesia azy. Nanazava anefa i Jesosy fa tsy omena an’ilay famantarana nangatahiny izy ireo.​—Lk 11:29.

Fankasitrahana na tsy fankasitrahana. Tsara ny dikan’ny hoe “rahona” rehefa ampiasaina amin’ireo olona mampifaly an’Andriamanitra. Voalaza, ohatra, fa “toy ny rahona mitondra oran-dohataona” ny fankasitrahan’ny mpanjaka. (Oh 16:15) Rehefa takon’ny rahona ny zavatra iray dia voasarona ka tsy hita. Mampiasa an’io sarin-teny io ny Baiboly rehefa manazava izay ataon’i Jehovah amin’ny fahotan’ny vahoakany. Kosehiny ny fahadisoan’izy ireo, ka ‘toy ny hoe saronana rahona.’ (Is 44:22) Ahoana kosa ny amin’ireo mpikomy? Rahona matevina no ataony sakana tsy ahafahan’izy ireo manatona azy, mba ho voasakana ny vavak’izy ireo.​—Ft 3:44.

Mihelina sy tsy azo antoka. Misy rahon-javona mora levona any Israely amin’ny maraina, ary nampitovina tamin’izany ny fitiavan’i Efraima sy Joda an’Andriamanitra, satria niovaova sy nihelina. Nampitovina tamin’izany koa i Efraima noho izy tsy haharitra eo amin’ny taniny satria nanaraka fivavahan-diso.​—Ho 6:4; 13:3.

Mandiso fanantenana toy ny rahona tsy mitondra orana, ny olona mirehareha hoe hanome zavatra nefa tsy manome akory. (Oh 25:14) Ampitovina amin’ny rahona tsy mitondra orana sady avezivezin’ny rivotra ny olona milaza hoe Kristianina nefa maloto fitondran-tena sy zatra manao ratsy ary mitaona ny fiangonana hanao toy izany. Tsy mieritreritra afa-tsy ny hanome fahafaham-po ny fanirian’ny nofony ireny olona ireny.​—Jd 12; jereo ZAVONA.