FANAZAVANA MAHALIANA
Safodrano Tamin’ny Andron’i Noa
TANTARAIN’NY Baiboly fa nisokatra ny vavahadin-dranon’ny lanitra ka safotry ny rano ny tany, 4 370 taona mahery lasa izay. Ringana ny olona ratsy fanahy sy nahery setra ary ireo tsy niraharaha ny fampitandreman’Andriamanitra. Ry Noa valo mianaka sy ny vitsivitsy tamin’ny karazam-biby rehetra ihany sisa no tsy maty, satria tao anatin’ny vata goavam-be nampanaovin’Andriamanitra an’i Noa.—Ge 7:1-24.
Tena nisy ny Safodrano, araka ny tenin’ny olona maromaro nanoratra Baiboly (Is 54:9; 2Pe 3:5, 6; He 11:7), indrindra fa ny tenin’i Jesosy Kristy, izay nahita an’ilay Safodrano tamin’izy tany an-danitra. (Ampit. Jn 8:58.) Hoy izy: ‘Tamin’ny andron’i Noa, dia tonga ny safodrano ka nandringana azy rehetra.’—Lk 17:26, 27.
Tsy hoe tantara efa nivalona ny Safodrano. Niresaka momba ny “andron’i Noa” i Jesosy Kristy, ao amin’ny faminaniany momba “ny fifaranan’ny rafitr’ity tontolo ity.” Nampitandrina izy fa hisy fandringanana lehibe noho ny Safodrano, mandritra “ny fanatrehan’ny Zanak’olona.”—Mt 24:3, 37-39.