Sahisahy Ratsy
Ilazana toetran’olona minia manao zavatra tsy ananany zo na fahefana, na tsy nahazoany alalana; tsy misy atahorany mihitsy, ary hita amin’ny fitondran-tenany na ny toe-tsainy izany; olona tsy miahotra manao zavatra tsy azony atao; tsy matahotra manao zavatra ho filana ady. Misy ifandraisany amin’ny fireharehana, fanambonian-tena, ary fizahozahoana ny hoe “sahisahy ratsy.” Fandeferana sy fanetren-tena kosa no mifanohitra aminy.
Vokatry ny fireharehana sy ny fahatezerana. Zadôhn no teny hebreo nadika hoe “sahisahy ratsy.” Avy amin’ny matoanteny hoe zid izy io, ary ny zid kosa midika hoe “mangotraka, lasa mahamay.” Rehefa tezitra mafy na mirehareha ny olona, dia mety ho maimaika hanao zavatra, ho sahy hanao zavatra tsy amin’antony, ary hanitsakitsaka ny zon’ny hafa. Voalaza mantsy fa “olona sahisahy ratsy sy mpirehareha mizahozaho no iantsoana an’izay sahisahy manao zavatra rehefa tezitra.” (Oh 21:24) Zid no ampiasaina ao amin’ny Deoteronomia 1:43 mba hilazana izay nataon’ny Israelita be di-doha, tamin’izy ireo tsy nankatò an’Andriamanitra ka tonga dia nanao zavatra nefa tsy nahazo alalana. Hoy i Mosesy tamin’izy ireo: “Dia niteny taminareo aho, nefa tsy nihaino ianareo, fa nikomy tsy nanaraka ny tenin’i Jehovah sady mbola be di-doha, ka nitady hiakatra tany an-tendrombohitra ihany.” Teny hebreo hafa hoe ʽafal no ampiasaina ao amin’ny Nomery 14:40-44, rehefa milaza an’io tantara io ihany. Hoy i Mosesy: “Aza miakatra any fa tsy eo aminareo i Jehovah.” “Mbola sahisahy ratsy niakatra teo an-tampon-tendrombohitra ihany anefa izy ireo”, ka resin’ny tompon-tany. ‘Nirehareha’ mantsy ny Israelita ary natoky tena.—Ampit. Ha 2:4.
Mahatonga ny olona ho sahisahy ratsy sy handika ny lalàn’Andriamanitra ny fahatezerana. Ahitana izany izao didin’Andriamanitra ho an’ny Israely izao: “Raha tezitra [endriny hafa amin’ny hoe zid] amin’ny namany ny olona iray, ka manao hafetsena ary mamono azy, dia hosamborinao ilay olona na dia eo amin’ny alitarako aza, ary hovonoina ho faty.”—Ek 21:14.
Tena ilaina ny mitandrina. Fantatr’i Davida Mpanjaka fa mety ho lasa sahisahy ratsy izy, noho izy nomen’Andriamanitra tombontsoa maro sy fahefana lehibe. Nivavaka àry izy hoe: “Iza no mahatsapa ny fahadisoana ataon’ny tenany? Mamelà ahy amin’izay fahotana tsy fantatro akory. Arovy koa ny mpanomponao mba tsy ho sahisahy hanao izay tsy tokony hatao, ary aza avela hifehy ahy izany toe-tsaina izany. Amin’izay dia tsy hanan-tsiny aho, ary tsy ho meloka ho nanao fahadisoana maro.” (Sl 19:12, 13) Mila mitandrina àry isika satria tena mety ho lasa sahisahy ratsy. Tsy hoe manao fahadisoana fotsiny izay sahisahy ratsy, fa tena manao fahotana lehibe. Tena halan’Andriamanitra ny olona tsy miahotra manao zavatra tsy azony atao, ary izany foana no izy na mitana toerana ambony ilay olona na tsia. Mpanjaka nahery, ohatra, i Ozia ary nitahy azy Andriamanitra. Nanjary sahisahy ratsy nanao ny asan’ny mpisorona anefa izy ka lasa boka. (2Ta 26:16-21) Sahisahy ratsy koa i Saoly Mpanjaka ka nikomy tamin’i Jehovah. Izy no nanolotra sorona fa tsy nahandry an’i Samoela izy. (1Sa 13:8-14) Nanapa-kevitra koa izy fa hitsimbina ny ain’i Agaga mpanjakan’ny Amalekita sy ny zavatra tsara azo babo, nefa i Jehovah efa nandidy ny handringanana ny Amalekita. Nesorina tsy ho mpanjaka izy noho izany.—1Sa 15:8, 9, 11, 18, 19.
Raha Israelita tsotra fa tsy mpanjaka no resahina, dia i Oza no olona sahisahy ratsy niavaka. Nentina 2Sa 6:6, 7.
tany Jerosalema tamin’ny saretin’omby ny Vata misy ny fifanekena tamin’izay, nefa tsy izany no nolazain’Andriamanitra hoe tokony hitondrana azy io. Saika nazeran’ny omby ilay Vata ka nanatsotra ny tanany i Oza mba hihazona an’ilay izy tsy hianjera. Tsy naneho fanajana izy ary sahisahy ratsy, ka novonoin’i Jehovah.—Raha tsy azon’ny olona iray antoka hoe inona no tokony hataony, na tsy fantany hoe ananany fahefana sa tsia ny zavatra iray, dia tokony hanontany an’izay mahalala sy mahafantatra tsara momba izany aloha izy. Hoy ny Soratra Masina: “Miteraka ady fotsiny ny fiheveran-tena ho ambony, fa hendry kosa izay mila hevitra amin’ny hafa.” (Oh 13:10) Hahita loza izay sahisahy ratsy, fa ho avotra kosa izay manetry tena. Hoy ilay lehilahy hendry: “Ho afa-baraka izay manambony tena, fa izay manetry tena kosa no hendry.”—Oh 11:2.
Tsy manaja ny zon’i Jehovah hitondra. Tsy manaja ny zon’i Jehovah hitondra sady tsy manaiky azy ho Andriamanitra ny olona iray, raha sahisahy ratsy amin’Andriamanitra. Ireo milaza ho mpanompony nefa milaza zavatra diso momba azy no tena meloka. Hoy i Jehovah tamin’ireo mpaminany sandoka: “Hovonoina ho faty ny mpaminany izay sahisahy ratsy miteny amin’ny anarako ka milaza zavatra tsy nasaiko nolazainy ... Raha miteny amin’ny anaran’i Jehovah ilay mpaminany, nefa tsy tanteraka na tsy marina ilay teny ... [dia] sahisahy ratsy ilay mpaminany nilaza izany.”—De 18:20-22.
Mety tsy hanaja an’ireo voatendrin’i Jehovah ny olona sahisahy ratsy. Tsy manaja an’i Jehovah koa izy raha tsy manaja an’ireo voatendriny. Mampiseho izany ny lalàna: Nentina hotsaraina tany amin’izay ‘toerana nofidin’i Jehovah’ ny raharaha sarotra teo amin’ny Israely. Jerosalema izany toerana izany, nanomboka tamin’ny andron’i Davida. Rehefa nivoaka àry ny didim-pitsarana ka nisy olona nanao tsinontsinona izany, dia novonoina ho faty izy io satria toy ny hoe nila ady tamin’Andriamanitra rehefa nanohitra an’ireo solontenany. Hoy ny lalàna: “Izay lalàna hasehony anao sy izay didim-pitsarana hambarany aminao no hataonao. ... Fa hovonoina ho faty ny olona sahisahy ratsy tsy mihaino an’ilay mpisorona izay mitsangana eo mba hanompo an’i Jehovah Andriamanitrao, na tsy mihaino ny mpitsara. Esory tsy ho eo amin’ny Israely ny ratsy. Dia handre izany ny olona rehetra ka hatahotra, ary tsy ho sahisahy ratsy intsony.” (De 17:8-13; ampit. No 15:30.) Hoy i Petera momba ny olona sasany tena tsy nanaja an’Andriamanitra sy ny mpanompony voahosotra: “Sahisahy [avy amin’ny teny grika hoe tôlmetes] sy be di-doha izy ireo ka tsy mangovitra eo anoloan’ireo manana voninahitra, fa manevateva kosa.” Hoy koa izy: “Ho ringana izy ireo satria lalana mitarika ho amin’ny fandringanana no narahiny.”—2Pe 2:10, 12.
Mety hahatonga ny olona ho be hambo ka ho sahisahy ratsy ny fananany rohim-pihavanana amin’ny olona tia an’Andriamanitra. Voamarik’i Jaona Mpanao Batisa fa nanana izany toe-tsaina izany ny Jiosy nanatona azy, ka hoy izy tamin’izy ireo: “Aza mihambo anakampo hoe: ‘Manana an’i Abrahama ho rainay izahay.’ Lazaiko aminareo fa hain’Andriamanitra ny manova ireto vato ireto ho lasa zanak’i Abrahama.” (Mt 3:9) Dôksete no teny grika nadika hoe “mihambo” eto. Avy amin’ny hoe dôkeô izy io, ary matetika no midika hoe “mihevitra; manana eritreritra (tsara na ratsy).”
Ho ringana izay sahisahy ratsy. Tena mampiseho ny fanaon’ny olona sahisahy ratsy ny nataon’i Babylona fahiny. Nirehareha nanohitra an’Andriamanitra izy io ka lasa fahavalon’Andriamanitra foana. Niantso azy io hoe “Rafireharehana” i Jeremia mpaminany, ary nampita an’izao tenin’i Jehovah izao: ‘“Hifanandrina aminao aho, Rafireharehana ô”, hoy i Jehovah Tompo Fara Tampony. Ho tafintohina sy ho lavo Rafireharehana.’ (Je 50:29, 31, 32) Tanàna an’ohatra i Babylona Lehibe, ary izy no fahavalo sahisahy ratsy indrindra manohitra an’Andriamanitra. Nataony mamon’ny “divain’ny fijangajangany” ny mponina eto an-tany. Tompon’andraikitra koa izy amin’ny “ran’ny mpaminany sy ny olona masina sy izay rehetra naripaka teny ambonin’ny tany.” Haringana mandrakizay àry izy. (Ap 17:2, 5; 18:7, 8, 20, 24) Efa nampanantena tokoa i Jehovah fa handringana an’izay sahisahy ratsy toa an’i Babylona: “Hatsahatro koa ny fireharehan’izay sahisahy ratsy, ary haetriko ny fiandranandran’ny mpitondra jadona.”—Is 13:11.