Samaritanina
(Samaritànina) [mety hidika hoe An’i Samaria].
Miseho voalohany ao amin’ny Baiboly ny teny hoe “Samaritanina”, rehefa resy ny fanjakan’ny foko folo tany Samaria, tamin’ny 740 T.K. Tatỳ aoriana, dia niantsoana an’ireo nonina tany amin’ny fanjakana tany avaratra talohan’io faharesena io ilay anarana, mba hanavahana azy ireo tamin’ireo vahiny namponenin’i Asyria tany. (2Mp 17:29) Toa tsy nesorin’ny Asyrianina daholo ny Israelita nonina tao amin’ilay tany, satria lazain’ny 2 Tantara 34:6-9 (ampit. 2Mp 23:19, 20) fa mbola nisy Israelita tany, tamin’ny andron’i Josia mpanjakan’ny Joda. Tatỳ aoriana, dia lasa nantsoina hoe “Samaritanina” ny taranak’ireo tavela tany Samaria sy ny taranak’ireo vahiny namponenin’ny Asyrianina tany. Tsy maintsy nisy nifanambady anefa ireo, ka nantsoina hoe “Samaritanina” koa ny taranany. Nanjary niantsoana antokon’olona nanaraka fivavahana iray tany akaikin’i Sekema sy Samaria fahiny koa tatỳ aoriana ny hoe “Samaritanina.” Nisy tamin’ny fampianaran’io sekta io tsy nitovy mihitsy tamin’ny an’ny Fivavahana Jiosy.—Jn 4:9.
Fivavahana Samaritanina. Anisan’ny namolavola ny Fivavahana Samaritanina i Jeroboama, izay niezaka nisakana an’ireo anisan’ny foko folo tsy hivavaka tamin’i Jehovah tany Jerosalema. Nandritra ny 250 taona teo ho eo taorian’ny nizaran’ilay firenena ho fanjakana roa, dia nesorin’ny fanjakan’ny Israely ireo Levita mpisorona notendren’i Jehovah, ka nosoloany mpisorona notendren’olona. Izany no nampisy an’ilay fanompoan-tsampy nampisafotofoto ny olona tany. (1Mp 12:28-33; 2Mp 17:7-17; 2Ta 11:13-15; 13:8, 9) Rehefa resy ny fanjakana tany avaratra, tatỳ aoriana, dia nafindra tany ireo mpanompo sampy avy tany Babylona sy Kota, Ava, Hamata, ary Sefarvaima. Anisan’ny andriamanitr’izy ireo i Sokota-benota, Nergala, Asima, Nibaza, Tartaka, Adrameleka, ary Anameleka. Nahalala zavatra sasany momba an’i Jehovah ihany izy ireo satria nampianatra azy ireo ny mpisoron’ny zanak’omby volamena nataon’i Jeroboama. Mbola nivavaka foana tamin’ireo andriamani-disony anefa izy ireo, toy ny nataon’i Samaria tamin’ireo zanak’omby volamena ihany. (2Mp 17:24-41) Efa ho 100 taona taorian’ny naharesy an’i Samaria, dia niezahan’i Josia nofoanana ny fanompoan-tsampy tany avaratra, sy tao amin’ny fanjakan’ny Joda tany atsimo. Tsy naharitra ela anefa ny vokatr’izany, na tany avaratra, na tany atsimo.—2Mp 23:4-20; 2Ta 34:6, 7.
Nody avy tany an-tsesitany tany Babylona ny sisa tamin’ireo foko 12, tamin’ny 537 T.K., ary niomana hanorina indray ny tempoly tany Jerosalema. (Ezr 1:3; 2:1, 70) Efa tao amin’ilay tany ny “Samaritanina” tamin’izay, ary voalaza fa “fahavalon’i Joda sy Benjamina” izy ireo. Hoy izy ireo tamin’i Zerobabela sy ny anti-panahy: “Avelao izahay hiara-manorina aminareo, fa mitady ny Andriamanitrareo tahaka anareo ihany izahay, ary izy no efa nanoloranay sorona, hatramin’ny andron’i Esara-hadona mpanjakan’i Asyria, izay nitondra anay niakatra nankatỳ.” (Ezr 4:1, 2) An-tendro-molotra fotsiny anefa izany toa fitiavana an’i Jehovah izany, satria rehefa tsy nanaiky i Zerobabela, dia nanao izay ho afany izy ireo mba tsy ho voaorina ilay tempoly. Rehefa tsy nahomby ny hasomparana sy fandrahonana, dia nanoratra taratasy fanendrikendrehana tany amin’ny mpanjaka persianina izy ireo, ka nomena alalana hampijanona ny asa fanorenana nandritra ny taona maromaro.—Ezr 4:3-24.
Tany antenatenan’ny taonjato fahadimy T.K. i Nehemia no nanomboka nanorina indray ny mandan’i Jerosalema. Nanandrana nampijanona an’ilay asa imbetsaka i Sanbala (governoran’i Samaria, araka ny voalazan’ny iray amin’ireo Horonana Papyrus tao Éléphantine). Tsy nahomby anefa izy. (Ne 2:19, 20; 4:1-12; 6:1-15) Rehefa tsy teo elaela i Nehemia ka niverina, dia hitany fa nanambady ny zanakavavin’i Sanbala ny zafikelin’i Eliasiba Mpisoronabe. Noroahiny avy hatrany io zafikelin’i Eliasiba io.—Ne 13:6, 7, 28.
Mety ho tamin’ny taonjato fahefatra T.K., no nanorina tempoly teo amin’ny Tendrombohitra Gerizima ny Samaritanina, mba hifaninanana tamin’ny tempoly tany Jerosalema. Misy mihevitra fa tamin’izay no nisaraka tanteraka ny Jiosy sy ny Samaritanina. Misy koa anefa mihevitra fa 100 taona mahery taorian’izay vao tapaka ilay fifandraisana. Mbola tsy niravona ny disadisa teo amin’ny roa tonta tamin’i Jesosy nanomboka ny fanompoany, na dia efa 150 taona teo ho eo aza no rava ilay tempoly tao Gerizima. (Jn 4:9) Mbola nivavaka tany amin’ny Tendrombohitra Gerizima ny Samaritanina (Jn 4:20-23), ary nanambany azy ireo ny Jiosy. (Jn 8:48) Io fanamavoana io no nampiasain’i Jesosy mba hampisongadinana ilay hevi-dehibe tao amin’ny fanoharany momba ilay Samaritanina tsara fanahy.—Lk 10:29-37.
Boky Dimy Voalohany amin’ny teny samaritanina. Efa ela be ny Samaritanina no tsy nanana afa-tsy ireo boky dimy voalohany ao amin’ny Baiboly, saingy efa nasiany fanitsiana ny azy, sady nosoratany tamin’ireo litera samaritanina, ka nantsoina hoe Boky Dimy Voalohany amin’ny teny samaritanina. Tsy neken’izy ireo ny Soratra Hebreo ambiny, afa-tsy ny bokin’i Josoa. Misy 6000 eo ho eo ny tsy fitoviana eo amin’ny soratra nataon’ny Masoreta sy ny Boky Dimy Voalohany amin’ny teny samaritanina. Tsy fitoviana madinidinika ny ankamaroan’ireo, fa misy koa fanovana lehibe, toy ilay ao amin’ny Deoteronomia 27:4: Nosoloan’izy ireo hoe Gerizima ny hoe Ebala izay toerana nanoratana ny lalàn’i Mosesy teo amin’ny vato voalalotra sokay. (De 27:8) Mazava ny anton’izany: Te hanaporofo izy ireo fa marina ilay finoany hoe i Gerizima no tendrombohitra masin’Andriamanitra.
Nanaiky ny Boky Dimy Voalohany ao amin’ny Baiboly ny Samaritanina ka izany no nanampy azy ireo hino fa hisy mpaminany lehibe noho i Mosesy ho avy. (De 18:18, 19) Efa niandriandry ny fahatongavan’i Kristy na Mesia ny Samaritanina tamin’ny taonjato voalohany, ka nisy nanaiky azy, fa nisy kosa nanda azy. (Lk 17:16-19; Jn 4:9-43; Lk 9:52-56) Maro ny Samaritanina faly nanaiky ny Fivavahana Kristianina tatỳ aoriana, rehefa nitory taminy ireo Kristianina voalohany.—As 8:1-17, 25; 9:31; 15:3.