Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Saron-doha

Saron-doha

Lamba andrakofana ny loha. Ny lamba fitafy indraindray no nandrakofan’ny olon-tsotra hebreo ny lohany. Matetika kosa ny lehilahy nanam-pahefana no nanarona ny lohany rehefa nihaingo, ary ny lehilahy sy vehivavy rehefa fety na fotoan-dehibe hafa.​—Jereo FITAFIANA; SATROBONINAHITRA.

Fanaon’ny Hebreo fahiny ny nisaron-doha, indrindra rehefa nalahelo sy nisaona. (2Sa 15:30; Je 14:3) Nisaron-doha koa ny vehivavy, ho mariky ny fanetren-tena.

Ao amin’ny Soratra Hebreo. Ilay nanaovan’i Rebeka tamin’izy hihaona tamin’i Isaka no saron-doha voalohany resahin’ny Baiboly. (Ge 24:65) Izy io dia avy amin’ny teny hebreo hoe tsaʽif, izay nadika koa hoe ‘lamba nisaronana.’ (Ge 38:14, 19) Ho faneken’i Rebeka ny fahefan’i Isaka fofombadiny no nanaovany an’ilay “saron-doha.”

Fahiny sy ankehitriny. Mety ho nitovitovy tamin’ny keffieh na ilay saron-doha fanaon’ny Arabo mpifindrafindra monina any atsinanan’ny Ranomasina Mediterane, ny saron-dohan’ny Hebreo fahiny. Lamba efamira aforitra izy io, ary mikiraviravy ao andamosina sy eo an-tsoroka ny zorony telo. Misy tady amatorana azy manodidina ny loha. Tsy takona àry ny tarehy, nefa voaro amin’ny hainandro sy rivotra ny loha sy hatoka.

Porofon’ny faneken’ny vehivavy fahefana. Ho fanajana ny fahefan’ny lehilahy koa anefa no antony anaovan’ny mpanompon’Andriamanitra azy io. Toy izao ny toro lalana momba ny fahefana eo anivon’ny fiangonana kristianina: “I Kristy no lohan’ny lehilahy rehetra, ny lehilahy no lohan’ny vehivavy, ary Andriamanitra kosa no lohan’i Kristy.” (1Ko 11:3) “Mariky ny fanajana fahefana” ny saron-doha, hoy ny apostoly Paoly. Tokony hanao saron-doha àry ny vehivavy rehefa mivavaka na maminany eo anivon’ny fiangonana, ho fanekena ny fahefan’ny lehilahy araka ny lamina napetrak’Andriamanitra.​—1Ko 11:4-6, 10.

Tsy tokony hisaron-doha kosa ny lehilahy rehefa mitarika eo anivon’ny fiangonana na mivavaka na maminany, hoy i Paoly, satria efa izay no andraikitra ankinin’Andriamanitra aminy. Mampahamenatra ny lohany ny lehilahy misaron-doha. Tsy manaja an’i Jesosy Kristy lohany sy Jehovah Andriamanitra, Fahefana Fara Tampony, koa izy, nefa “endrika sy voninahitr’Andriamanitra” izy satria noforonina hisolo tena azy eto an-tany. Ho takona izany fahamarinana izany raha misaron-doha ny lehilahy. Ny lehilahy no noforonina voalohany vao ny vehivavy, ka “avy amin’ny lehilahy” ny vehivavy ary noforonina “ho an’ny lehilahy.” Mahazo haja amam-boninahitra Andriamanitra noho ny toetra tsaran’ny lehilahy, ary toy izany koa ny lehilahy noho ny toetra tsaran’ny vehivavy. Tokony hahafaly ny vehivavy kristianina àry ny manetry tena sy manaiky fahefana, ka manao saron-doha na zavatra hafa anaronana ny lohany. Tsy tokony haka ny toeran’ny lehilahy izy fa tokony hanaja ny fahefany kosa.​—1Ko 11:4, 7-10.

Nomena ny vehivavy “ho saron-doha” ny volony lava, hoy i Paoly tamin’izy nanoratra ho an’ny Kristianina tany Korinto, izay nisy Eoropeanina sy Semita (taranak’i Sema). Ny halavan’ny volo tokoa no nampiavaka ny vehivavy tamin’ny lehilahy tany. Nokakasana kosa ny lohan’ny vehivavy andevo sy ny an’ireo tratra nijangajanga na nanitsakitsa-bady. Nasongadin’i Paoly fa porofon’ny faneken’ny vehivavy ny fahefan’ny lehilahy ny fananany volo lava. Tian’Andriamanitra hotsaroany foana hoe tokony hanaiky ny lehilahy izy, rehefa manao zavatra tokony hataon’ny lehilahy eo anivon’ny fiangonana, ohatra hoe mivavaka sy maminany. Tokony hisaron-doha àry izy na dia efa lava volo aza, ho fanekena ny fahefana napetrak’Andriamanitra. Asehony koa amin’izay fa tsy fanaony andavanandro ilay zavatra ataony fa zavatra manokana eo anivon’ny fiangonana, satria angamba tsy misy lehilahy mahafeno fepetra hanao an’ilay izy eo, na mampianatra Baiboly eo anatrehan’ny vadiny na ny lehilahy kristianina iray izy.​—1Ko 11:5, 11-15.

Manaraka an’io toro lalana io ny fiangonan’Andriamanitra noho ny amin’ny anjely, izay “irahina hikarakara an’ireo handova famonjena.” (He 1:13, 14) Tian’ireny anjely mahery ireny hanaraka ny lamina napetrak’Andriamanitra ny Kristianina, mba hilamina sy hadio foana ny fanompoana an’Andriamanitra.​—1Ko 11:10.

Nanome an’ilay torohevitra ho an’ny fiangonana tany Korinto fahiny i Paoly satria fanaon’ny vehivavy tany ny nisaron-doha rehefa nivoaka ny trano, fa ireo ratsy fitondran-tena ihany no tsy nisaron-doha. Ny vehivavy mpisorona nanompo sampy tao amin’ny tempoly koa tsy nisaron-doha fa nisarakorako volo, rehefa nahazo hafatra avy tamin’andriamanitra, hono. Ho nahamenatra sady tsy nanaja ny fahefana napetrak’i Jehovah Andriamanitra àry izay tsy nisaron-doha toy izany teo anivon’ny fiangonana. Raha nisy anefa te hifanditra mba hanarahana fanao hafa, dia ny torohevitr’i Paoly ihany no tokony harahin’ny fiangonana. Mihatra eo anivon’ny fiangonana rehetra àry ilay torohevitra, na rahoviana na rahoviana. (1Ko 11:16) Fanaon’ny mpaminanivavy fahiny, toa an’i Debora (Mpts 4:4) sy Ana (Lk 2:36-38), ny nisaron-doha rehefa naminany.​—Jereo FAHEFANA No. 1; VOLO.