Satroboninahitra
Zavatra tsotra na misy haingony atao eo amin’ny lohan’ny olona ambony, toy ny mpanjaka (lahy na vavy), mpitondra, mpisorona, ary izay omena voninahitra na valisoa manokana. Olona nanana fahefana sy hery sy voninahitra ary nahazo valisoa no nanao satroboninahitra, taorian’ny Safodrano.
Fehiloha tsotra ny satroboninahitra voalohany, ary toa nihazonana ny volo lava fotsiny. Lasa nanao azy io koa anefa ny mpanjakan’ny firenena fohy volo, araka ny asehon’ny sary sokitra any Ejipta, Ninive, ary Persepolisy. Ny lokony sy ny tenony na ny endriny no nanavahana ny fehiloha na diadema (heb.: nezer) nanaovan’ny olona ambony, tatỳ aoriana. Nisy vita tamin’ny lamba rongony, landy, na volafotsy sy volamena mihitsy aza, ary nirefy 5 sm teo ho eo ny sakany. Natao teo ambony satroka lamba ilay izy indraindray. Nisy koa diadema maro rantsana (toy ny tara-masoandro ireo rantsany), na noravahana vatosoa.
Ilay teny hebreo hoe nezer (“diadema”; 2Ta 23:11) koa no ilazana an’izay nosinganina, tafasaraka, na natokana, toy ny mpisoronabe nisy an’ilay “famantarana hoe voatokana izy, dia ilay menaka fanosorana avy amin’Andriamaniny.” (Le 21:10-12; ampit. De 33:16.) Mety àry raha nadikan’ny Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao hoe ‘famantarana hoe voatokana’ ny hoe nezer indraindray. Izy io ilay takela-bolamena nisy soratra hoe “An’i Jehovah ny fahamasinana” natao teo anoloana tamin’ny satroka lamban’ny mpisoronaben’ny Israely.—Ek 29:6; 39:30, f.a.p.; Le 8:9.
Nanao diadema ny mpanjaka hebreo, toa an’i Saoly. (2Sa 1:10) ʽAtarah anefa ny teny hebreo ilazana ny “satroboninahitra” mahazatra. Avy amin’ny hoe ʽatar (“mahasarona”) io teny io, ary tsy voatery hidika hoe diadema. (Ampit. Sl 5:12.) Nalain’i Davida tamin’ny Amonita resiny tao Raba ilay satroboninahitra (ʽatarah) teo amin’ny lohan’ilay sampy atao hoe Malkama. Tsy fantatra ny bikabikany, saingy “nilanja talenta volamena iray [34 kg teo ho eo] ilay izy, sady nisy vatosoa.” “Natao teo amin’ny lohan’i Davida ilay izy”, angamba napetraka teo vetivety fotsiny, ho mariky ny fandreseny an’ilay andriamani-diso.—1Ta 20:2; jereo MOLEKA.
Vita tamin’ny volamena voadio ny satroboninahitra sasany (Sl 21:3), sady noravahana vatosoa. (2Sa 12:30) Toa fehiloha na diadema maromaro nampiarahina ilay hoe “satroboninahitra lehibe.” (Jb 31:36) Midika ara-bakiteny hoe “satroboninahitra maro” amin’ny teny hebreo ilay hoe “satroboninahitra tsara tarehy” resahin’ny Zakaria 6:14. Amin’ny endriny milaza tokana anefa ny matoanteny eo, ka toa ilazana fahatsarana na fahalehibeazana ilay izy.
Hoy i Jehovah momba an’i Zedekia, mpanjaka farany tao Joda izay nivadika taminy: “Esory ny fehilohan’ny mpanjaka, ary tsoahy ny satroboninahitra.” Mety ho nanao fehiloha izy, ary nasiany satroboninahitra volamena teo amboniny. (Ampit. Sl 21:3; Is 62:3.) Samy nesorina anefa ireo, ary tsy hisy mpanjaka intsony eo amin’ny “seza fiandrianan’i Jehovah” (1Ta 29:23), mandra-pahatongan’ilay Mesia Mpanjaka.—Ezk 21:25-27; Ge 49:10.
Avy amin’ny hoe katar (mihodidina) (ampit. Mpts 20:43) ny teny hebreo (keter) ilazana ny “diadema” na ‘satroboninahitry’ ny mpitondra persianina. (Es 1:11; 2:17; 6:6-10) Tsy resahin’ny Baiboly ny bikabikan’ilay izy, fa matetika no satroka lamba (na volonondry) henjana nisy fehiloha na diadema manga sy fotsy manodidina no nanaovan’ny mpanjaka persianina.
Nanao satroboninahitra roa ny mpanjaka nifehy an’i Ejipta Ambony sy Ejipta Ambany. Nanaovany ny an’i Ejipta Ambony (fotsy boribory, avoavo, ary mihatery ny lohany) ary natsofoka teo ambony ny an’i Ejipta Ambany (mena, fisaka ary avo lavalava ny eo aoriana, fa eo aloha kosa misy tendrony lava mifaingoka). Nisy sarina kôbrà masina teo anoloana tamin’ilay satroboninahitra. Avoavo matsoko loha ny satroboninahitry ny mpanjakan’i Asyria, ary matetika no noravahana sarim-boninkazo sy fehiloha lamba landy na rongony. Tsotra kokoa ny satroboninahitry ny Grika sy Romanina,
ary indraindray diadema nisy rantsany ilay izy na toy ny voninkazo natohitohy.Nasian’ny lehilahy brasele ny tanan’i Ohola sy Oholiaba ary nasiany “diadema tsara tarehy” ny lohan’izy roa vavy, hoy i Jehovah. (Ezk 23:36, 42) Manao diadema volamena misy haingony (eo ambony satroka boribory) ny vehivavy arabo manan-kaja sy manan-karena, tato anatin’ny taonjato vitsivitsy. Mety ho hoatran’izany no nanaovan’ny vehivavy sasany fahiny.
Nadika hoe “satroboninahitra” ny teny grika hoe stefanôs. Naneso an’i Kristy (noho izy nilaza tena ho mpanjaka) sy te hampijaly azy bebe kokoa angamba ny miaramila romanina, ka nataony satroboninahitra teo amin’ny lohan’i Kristy ilay fehiloha tsilo narandrany. (Mt 27:29; Mr 15:17; Jn 19:2) Samy manana ny heviny momba ilay tsilo ny olona. Ny Filazantsara kosa tsy milaza hoe inona ilay izy.
Ravinkazo na voninkazo natohitohy no satroboninahitra nomena an’izay nandresy tamin’ny lalao fifaninanana. (2Ti 2:5) Ravinkazo noravahana voninkazo ilay izy tany Gresy fahiny. Ravina lorie natohitohy, ohatra, no nomena an’ireo nandresy tamin’ny Lalao Pytika, ravina olivadia ny tamin’ny Lalao Olympika, ary ravina kesika ny tamin’ny Lalao Ismika (tany akaikin’i Korinto).
Heviny an’ohatra. “Satroboninahitry ny vadiny” ny vehivavy tsara toetra, satria manome voninahitra an’ilay vadiny sy mahatonga azy io hohajain’ny olona ny ataony. (Oh 12:4) “Satroboninahitra tsara tarehy” teo an-tanan’i Jehovah i Ziona oharina amin’ny vehivavy, angamba noho izy io asan-tanany sady toy ny hoe teo am-pelatanany ka azon’ny rehetra nojerena ny hatsaran-tarehiny.—Is 62:1-3.
Nitory tao Tesalonika i Paoly sy ireo niara-dia taminy ka lasa nisy fiangonana tao. ‘Satroboninahitra niravoravoan’i’ Paoly ilay fiangonana, satria anisan’ny tena nahafaly azy.—1Te 2:19, 20; ampit. Fi 4:1.
Toy ny “satroboninahitra tsara tarehy” ny volo fotsy, “raha ao amin’ny lalan’ny fahamarinana no ahazoana azy.” Tsara tarehy eo imason’i Jehovah mantsy ny olona matahotra Azy mandritra ny androm-piainany, ka tokony hohajain’ny rehetra satria modely tsara. (Oh 16:31; jereo Le 19:32.) Toy ny satroboninahitra ny fahendrena, satria hisandratra sy hohajaina izay olona manana azy. (Oh 4:7-9) Natao “ambany kely noho ny anjely” i Jesosy Kristy, nefa “misatroka voninahitra sy haja [nasandratra ho ambony noho ny anjely any an-danitra] noho izy efa nandia fahafatesana.” (He 2:5-9; Fi 2:5-11) “Satroboninahitra tsy mety malazo” sy “tsy mety lo” no ho valisoan’ny Kristianina voahosotra rehefa any an-danitra. (1Pe 5:4; 1Ko 9:24-27; 2Ti 4:7, 8; Ap 2:10) Raha manao tsirambina ny andraikiny mifandray amin’ny asan’ilay Fanjakana anefa izy ireo eto an-tany, dia tsy hahazo an’ilay satroboninahitra. Hoy àry i Jesosy Kristy nomem-boninahitra: “Tano mafy foana izay anananao, mba tsy hisy haka ny satroboninahitrao.”—Ap 3:11.
Nadikan’ny Baiboly maoderina hoe “diadema” ny teny grika hoe diadema ao amin’ny Soratra Grika Kristianina. Mpanjaka na izay mihambo ho mpanjaka no manao azy io. Samy misy diadema ny loha fiton’ilay “dragona lehibe mena toy ny afo” (Satana Devoly) (Ap 12:3, 9), sy ny tandroka folon’ny “bibidia” (manan-doha fito) miakatra avy ao amin’ny “ranomasina.” (Ap 13:1) Misy “diadema maro” eo amin’ny lohan’ilay antsoina hoe Mendri-pitokisana sy Marina, dia i Jesosy Kristy. I Jehovah, ilay tena Tompon’ny fahefana sy hery, no nanome azy izany. (Ap 19:11-13; 12:5, 10) Manana satroboninahitra (stefanôs) koa i Jesosy Kristy.—Ap 6:2; 14:14.