Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Sipra

Sipra

(Sìpra).

Nosy eo amin’ny zorony avaratratsinanan’ny Ranomasina Mediterane, tokotokony ho 70 km avy eo amin’ny morontsirak’i Kilikia, any Azia Minora, ary 100 km eo ho eo avy eo amin’ny morontsirak’i Syria. I Sipra no nosy lehibe fahatelo any amin’ny faritr’i Mediterane aorian’i Sisila sy Sardaigne. Tokotokony ho 160 km ny lavan’i Sipra, saingy misy tohiny lavalava tokotokony ho 72 km eo amin’ny zorony avaratratsinanana. Mirefy 97 km ny sakan’ilay nosy eo amin’izay lehibe indrindra. Any amin’ny ilany atsimoandrefana no misy ny tandavan-tendrombohitra Troodos, ka ny Tendrombohitra Olympe no avo indrindra amin’izy io (1951 m). Misy tandavan-tendrombohitra koa any amin’ny morontsiraka avaratra. Eo anelanelan’ireo tandavan-tendrombohitra roa ireo no misy ny lemaka afovoan-tany. Rakotra lanezy ny tampon-tendrombohitra rehefa ririnina, fa mafana sy maina kosa ireo lemaka rehefa tonga ny vanin-taona mafana. Be varahina ilay nosy, ka efa hatramin’ny ela izany no nampahalaza azy io. Lasa nentina nilazana varahina àry ny hoe Sipra.

SARITANY: Sipra

Porofoin’ny tantara fa i Sipra ilay “Kitima” resahin’ny Soratra Hebreo. (Is 23:1, 12; Da 11:30) Tsy ny varahina fotsiny no nampahalaza an’ilay nosy, fa ireo hazony koa, indrindra fa ny hazo siprey, izay toa naondrana nankany Tyro, any amin’ny morontsirak’i Fenisia, mba hanaovana sambo.​—Ezk 27:2, 6.

Azo inoana fa nisy rohim-pihavanana ny mponina voalohany tao Sipra sy ny mponina tany Gresy, satria misy ifandraisany i Sipra sy ilay Kitima resahin’ny Baiboly. (Jereo Ge 10:4; Javana no razamben’ny Ionianina na Grika tany am-boalohany.) Miresaka momba izany ny lahatsoratra KITIMA.

Teo ambany fahefan’ny Grika ireo mpanjaka nitondra an’ireo tanàna fanjakana tany Sipra, taorian’ny nandresen’i Aleksandra Lehibe tamin’ilay Ady tao Issus tamin’ny taona 333 T.K. Taorian’ny nahafatesan’i Aleksandra, dia ny tarana-mpanjaka avy amin’i Ptolémée tany Ejipta no nitondra an’i Sipra. Teo ambany fahefan’i Ejipta foana i Sipra hatramin’ny taona 58 T.K., taona nahazoan’ny Roma azy io. Azo inoana hoe nisy Jiosy avy tany Sipra tonga tany Jerosalema mba hankalaza ny fetin’ny Pentekosta tamin’ny taona 33, na tsy voalaza mivantana aza izany. Tany Sipra no teraka i Josefa, Levita fantatra kokoa tamin’ny anarana hoe Barnabasy.​—As 4:36.

Fivavahana Kristianina. Niharam-panenjehana ny Kristianina taorian’ny namonoana an’i Stefana ho maritiora. Niparitaka àry ny mpianatra, ka nisy tonga tany Sipra, ary nitory tamin’ny Jiosy nonina tany. Nisy tamin’ireo Kristianina tany Sipra, nankany Antiokia, tanàna teo amoron-tsirak’i Syria, mifanatrika amin’i Sipra. Nitory tamin’ireo mponina niteny grika tany izy ireo, ka maro no nandray tsara ny hafatra. (As 11:19, 20) Tany Sipra, nosy niavian’i Barnabasy, no nitory voalohany i Paoly sy Barnabasy, tamin’izy ireo nirahina avy tao Antiokia mba hanao dia misionera voalohany (t. taona 47-48). Niaraka tamin’izy ireo i Jaona Marka. Rehefa tonga tao Salamisy izy ireo, dia nahita synagoga maro tao. Asehon’izany fa be Jiosy nonina tao amin’io tanàna be mpivarotra teo amoron-tsiraka atsinanan’i Sipra io. Nitory ny tenin’Andriamanitra tao Salamisy aloha izy ireo, ary namakivaky an’ilay nosy manontolo, ka tonga hatrany amin’ny morontsiraka andrefana tany Pafo, izay renivohitr’ilay faritany romanina. Nihaona tamin’i Sergio Paolo governoram-paritra izy ireo tao, ary nahaliana azy ny zavatra notorin’izy ireo taminy. Nanohitra azy ireo kosa i Elyma (Barjesosy) mpilalao ody.​—As 13:1-12.

Marina ny filazan’i Lioka mpahay tantara hoe governoram-paritra no nitondra an’i Sipra. Ny Antenimieran-doholona Romanina mantsy no lasa nitondra an’i Sipra tamin’ny taona 22 T.K., ka governoram-paritra no nisolo tena an’ilay antenimiera.

Niala tao amin’ny seranan’i Pafo i Paoly sy ireo namany ary nandeha sambo nankany Pamfylia, any amoron-tsirak’i Azia Minora. (As 13:13) Roa taona teo ho eo tatỳ aoriana, dia niverina tany amin’ny tany niaviany i Barnabasy niaraka tamin’i Jaona Marka, mba hampianatra olona maro kokoa. I Paoly kosa nanomboka ny dia misionera faharoa nataony nanerana an’i Azia Minora (t. 49). (As 15:36-41) Tamin’ny faran’ny dia misionera fahatelo nataon’i Paoly (t. 56), dia voalaza fa ‘tazana teo ankavian’izy ireo’ ny nosy Sipra ary ‘nolalovany’, tamin’izy ireo nandeha sambo avy tao Patara, teo amin’ny morontsiraka atsimoandrefan’i Azia Minora, mba hankany Fenisia. Azo inoana hoe nandalo ny tendrony atsimoandrefan’ilay nosy ilay sambo tamin’izy io ho any Tyro. (As 21:1-3) Tonga tao Jerosalema i Paoly taorian’izay, ary nampiantrano azy i Menasona, izay avy any Sipra toa an’i Barnabasy ihany. (As 21:15, 16) Tamin’i Paoly ho any Roma, dia “nanaraka ny morony tsy azon-drivotra amin’i Sipra” ny sambo nandehanany “satria notoherin’ny rivotra.” Mitsoka avy any andrefana sy avaratrandrefana ny rivotra amin’io vanin-taona io, ka tsy afaka nanivaka teo amin’ilay ranomasimbe izy ireo. Mety ho izany no nahatonga an’ilay sambo hiodina ny tendrony atsinanana amin’i Sipra, ary hanaraka ny morontsirak’i Azia Minora, ka rivotra avy any an-tanety no hanosika azy io hiankandrefana.​—As 27:4, 5, 9, 12.