Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Solomona

Solomona

(Sôlômôna) [avy amin’ny fototeny midika hoe “fiadanana”].

Zanakalahin’i Davida Mpanjaka avy amin’ny fokon’i Joda. Mpanjakan’ny Israely i Solomona, nanomboka tamin’ny 1037 ka hatramin’ny 998 T.K. Rehefa maty ilay zanaka azon’i Davida tamin’izy nijangajanga tamin’i Batseba, dia “nampionona an’i Batseba vadiny i Davida. Ary nankao aminy izy ka nanao firaisana taminy. Rehefa nandeha ny fotoana, dia tera-dahy ravehivavy, ary natao hoe Solomona ny anarany. Ary tia an’ilay zaza i Jehovah. Koa nandefa hafatra tamin’ny alalan’i Natana mpaminany izy, ka nataony hoe Jedidia ny anaran’ilay zaza, noho ny amin’i Jehovah.” (2Sa 12:24, 25) Niteraka an’i Simea sy Sobaba ary Natana i Davida sy Batseba taorian’izay. Iray tam-po tamin’i Solomona àry izy telo lahy ireo.​—1Ta 3:5.

Fampanantenan’i Jehovah tamin’i Davida. Nilazan’i Jehovah i Davida fa hiteraka zazalahy hatao hoe Solomona izy, ary io no hanao trano ho an’ny anarany. Nantsoina hoe Jedidia (midika hoe “Malalan’i Jah”) ilay zaza, angamba mba hahalalan’i Davida fa notahin’i Jehovah amin’izay ny tokantranon’izy sy Batseba, ary nankasitrahany izay haterak’izy ireo. Tsy Jedidia anefa no tena niantsoana an’ilay zaza, fa Solomona (avy amin’ny fototeny midika hoe “fiadanana”). Nahoana? Azo antoka fa noho ilay fifanekena nataon’i Jehovah ka nilazany tamin’i Davida hoe be dia be ny ady nataon’i Davida sy ny ra nalatsany, ka tsy hanao trano ho an’i Jehovah izy na dia nirin’ny fony aza izany. (1Ta 22:6-10) Niady ho an’ny Israely tokoa i Davida. Fiadanana anefa no tena nampiavaka ny fanjakan’i Jehovah sy tena tanjon’izy io. Ary matoa izy io niady dia mba hanesorana ny ratsy sy ny mpanohitra an’i Jehovah, sy mba hanitarana ny faritanin’ny Israely hatrany amin’izay efa nofaritan’Andriamanitra, ary mba hampisy fahamarinana sy fiadanana. Tsy hoe tsy nankasitrahan’i Jehovah àry ireny ady nataon’i Davida ireny. Ny fanjakan’i Solomona anefa no tena nanjakan’ny fiadanana.

Nitady handrombaka fahefana i Adonia. Mitantara momba ny nahaterahan’i Solomona ny Baiboly, ary tsy miresaka momba azy indray raha tsy efa antitra i Davida. Azo antoka fa efa nianiana tamin’i Batseba i Davida hoe i Solomona no hanjaka handimby azy, araka ny efa nampanantenain’i Jehovah. Nahalala izany i Natana mpaminany. (1Mp 1:11-13, 17) Tsy voalaza kosa raha fantatr’i Adonia ilay fianianan’i Davida sy izay tiany hatao. Rahalahin’i Solomona hafa reny i Adonia. Nanandrana nandrombaka ny fanjakana izy, ary toy ny nataon’i Absaloma ihany no nataony. Nino izy fa hahomby, angamba satria hitany hoe tsy hentitra i Davida Mpanjaka ary nanohana azy i Joaba lehiben’ny tafika sy Abiatara mpisorona. Fivadihana anefa izany! I Davida mantsy mbola velona nefa efa nalain’i Adonia ny fanjakana, sady izay tsy neken’i Davida na i Jehovah akory izany. Niharihary ny teti-dratsiny tamin’izy nampanao sorona tany En-rogela, izay toerana tiany hanambarana azy ho mpanjaka. Nasainy daholo mantsy ny rahalahiny zanaky ny mpanjaka, sy ny lehilahy rehetra anisan’ny fokon’i Joda sady mpanompon’ny mpanjaka. Tsy nasainy kosa i Solomona, Natana mpaminany, Zadoka mpisorona, ary ireo lehilahy mahery niara-niady tamin’i Davida, anisan’izany i Benaia lehiben’izy ireo. Hita amin’izany fa nihevitra an’i Solomona ho fahavalo sy sakana tsy ahazoany fahefana izy.​—1Mp 1:5-10.

Lasa mpanjaka i Solomona. Taitra i Natana rehefa nandre ny fikomian’i Adonia. Mpaminany tsy nivadika tamin’i Jehovah sy tamin’i Davida i Natana. Nasainy nankao amin’ny mpanjaka i Batseba mba hilaza an’ilay vaovao. Niditra tao amin’ny mpanjaka izy, taorian’izay, ary nanontany raha alalana avy tamin’i Davida no nanambarana an’i Adonia ho mpanjaka. Tonga dia nampiantso an’i Zadoka mpisorona sy Natana i Davida, raha vao nandre izany. Nasainy nentin’izy ireo tany Gihona i Solomona, ka i Benaia sy ny olony no hiaro azy. Nasainy nampitaingenina ny ramolevavin’ny mpanjaka koa i Solomona (voninahitra lehibe izany, ary midika fa izy no handimby ny mpanjaka). (Ampit. Es 6:8, 9.) Notanterahina ny baikon’i Davida ka nohosorana i Solomona ary nambara ho mpanjaka.​—1Mp 1:11-40.

Ren’i Adonia sy ireo mpikomy niaraka taminy ny mozika tany Gihona, tsy lavitra teo. Ren’izy ireo koa ny vahoaka niredona hoe: “Ho ela velona anie i Solomona Mpanjaka!” Natahotra sy nisahotaka izy ireo ka nandositra. Tsy namaly faty i Solomona satria tsy tiany ho ratsy fiandohana ny fanjakany. Nasehony tamin’izany fa fiadanana no hampiavaka ny fanjakany. Azo inoana fa raha i Solomona no mpikomy dia ho efa novonoin’i Adonia ho faty izy. Nandositra tany amin’ny toerana masina i Adonia. Nasain’i Solomona nalaina tany sy nentina teo anatrehany anefa izy. Nilazany i Adonia fa tsy hovonoina ho faty izy raha tsy misy ratsy hataony. Nasainy nody izy avy eo.​—1Mp 1:41-53.

Hafatrafatr’i Davida tamin’i Solomona. Efa ho faty i Davida, ka nandidy an’i Solomona hoe: “Ankatoavy i Jehovah Andriamanitrao ka mandehana amin’ny lalana atorony, ary tandremo ny lalàny sy ny didiny sy ny didim-pitsarany ary ny fampahatsiahivany.” Izao koa no hafany momba an’i Joaba sy Simey: “Aza avela hidina amim-piadanana any amin’ny Fasana ny volofotsiny.” Nasainy naneho hatsaram-panahy feno fitiavana tamin’ireo zanakalahin’i Barzilay Gileadita koa i Solomona. (1Mp 2:1-9) Talohan’izay angamba i Davida no nanazava momba ny fanorenana an’ilay tempoly, sy nanome azy ny planin’ny zava-drehetra “azony teo ambany herin’ny fanahy masina.” (1Ta 28:11, 12, 19) Nandidy an’ireo andrianan’ny Israely nanatrika teo izy, mba hanampy an’i Solomona zanany sy handray anjara rehefa haorina ny toerana masin’i Jehovah. Nanosotra an’i Solomona ho mpanjaka indray ny olona, ary nohosorana ho mpisorona indray i Zadoka. (1Ta 22:6-19; toko 28; 29:1-22) Hita fa notahin’Andriamanitra i Solomona teo am-piandohan’ny fanjakany. Voalaza mantsy fa “nipetraka teo amin’ny seza fiandrianan’i Jehovah i Solomona ho mpanjaka handimby an’i Davida rainy, ary nahomby izay nataony” sady nihanatanjaka ny fanjakany.​—1Ta 29:23; 2Ta 1:1.

Ilay fangatahan’i Adonia. Tsy ela akory dia voatery nanao zavatra i Solomona, mba hanatanterahana ny hafatr’i Davida momba an’i Joaba. Ny zavatra nangatahan’i Adonia no nitarika ho amin’izany, satria mbola te hahazo ny fanjakana izy, na dia efa namindra fo taminy aza i Solomona. Nankany amin’ny renin’i Solomona mantsy izy, ka niteny hoe: “Fantatrao tsara fa tokony ho ahy ny fanjakana, ary izaho no nandrandrain’ny Israely rehetra ho lasa mpanjaka, kanjo nifindra ny fanjakana ka lasan’ny rahalahiko, fa avy tamin’i Jehovah no nahazoany izany.” Niaiky i Adonia teo fa i Jehovah no nahatonga an’i Solomona ho mpanjaka. Hita anefa hoe mbola te handrombaka ny fanjakana izy, rehefa jerena izay nangatahiny taorian’izay. Hoy izy tamin’i Batseba: ‘Mba mitenena re, azafady, amin’i Solomona Mpanjaka e! Mba asaivo homeny ho vadiko i Abisaga Sonemita.’ Nieritreritra angamba i Adonia fa betsaka ny mpomba azy, ary teo koa i Joaba sy Abiatara, ka afaka nikomy mba hanonganana an’i Solomona izy raha naka vady an’i Abisaga. Mpikarakara an’i Davida mantsy i Abisaga ary noheverina ho vadikeliny, na dia tsy nanao firaisana taminy aza i Davida. Izay olona nandimby ara-dalàna ny mpanjaka ihany no afaka naka ny vady sy vadikeliny. Nilaza ny tenany ho mpanjaka koa àry izay naka an’ireo vehivavy ireo. (Ampit. 2Sa 16:21, 22.) Tsy takatr’i Batseba ny hafetsen’i Adonia, ka nampitainy tany amin’i Solomona ilay fangatahana. Fitakiana ny fanjakana anefa izany, tamin’i Solomona. Tonga dia nasainy novonoin’i Benaia ho faty i Adonia.​—1Mp 2:13-25.

Naongana i Abiatara, ary novonoina i Joaba. Nifantoka tamin’ireo niara-nikomy tamin’i Adonia i Solomona taorian’izay. Nesoriny tsy ho mpisorona i Abiatara, mba hanatanterahana ny tenin’i Jehovah nanameloka ny ankohonan’i Ely. (1Sa 2:30-36) Tsy novonoina anefa izy satria nitondra ny Vata masina teo anatrehan’i Davida, ary niara-nizaka fahoriana taminy. I Zadoka no nasolo an’i Abiatara. Ren’i Joaba izay nataon’i Solomona ka nandositra tao amin’ny tranolay masina izy, mba hihazona mafy ny tandroky ny alitara. Nasain’i Solomona novonoin’i Benaia teo anefa izy.​—1Mp 2:26-35.

Novonoina i Simey. Nanozona an’i Davida rain’i Solomona i Simey taloha, ka nasain’i Solomona nianiana fa tsy hiala tao Jerosalema. Nandika an’ilay fianianana anefa i Simey, telo taona teo ho eo taorian’izay, ka voatery nampamono azy i Solomona. Nanaraka tsara ny baikon’i Davida izy tamin’izany.​—1Mp 2:36-46.

Nangataka fahendrena i Solomona. Mbola tany Gibeona ny tranolay masina, ary tao amin’ny tranolay iray tany Ziona ilay Vata masina, raha vao nanomboka nanjaka i Solomona. Mbola tsy nisy trano naorina ho an’i Jehovah tamin’izany, ka nanao sorona teny amin’ny “toerana avo” maro ny olona. Azo inoana fa noleferin’i Jehovah izany mandra-panorina ny tempoly, na dia efa nilaza aza izy fa i Jerosalema no toerana nofidiny hametrahana ny anarany. (1Mp 3:2, 3) Nanolotra sorona dorana niisa arivo tany Gibeona, ilay “toerana avo nanana ny naha izy azy”, i Solomona. Niseho taminy tao amin’ny nofy i Jehovah tany, ka nilaza hoe: “Angataho izay tianao homeko anao.” Tsy nangataka harena sy voninahitra ary fandresena izy, fa fo hendry sy mahiratra ary mankatò kosa no nangatahiny mba hahaizany hitsara ny Israely. Nanetry tena izy, ka nahafaly an’i Jehovah izany. Hoy àry i Jehovah: “Homeko anao koa izay tsy nangatahinao, dia harena sy voninahitra, ka tsy hisy mpanjaka ho tahaka anao, amin’ny andro rehetra iainanao.” Hoy ihany anefa izy: “Raha mandeha amin’ny lalako ianao ka hitandrina ny fitsipiko sy ny didiko tahaka ny nataon’i Davida rainao, dia hohalavaiko ny andro iainanao.”​—1Mp 3:4-14.

Nisy vehivavy mpivaro-tena anankiroa tonga teo amin’i Solomona, tsy ela taorian’izay. Niady izay ho renin’ny zaza iray izy roa ireo, ary sarotra ny namantatra ny marina. Hita tamin’ny didim-pitsarana navoakan’i Solomona tamin’izay, fa nomen’Andriamanitra fahendrena hoenti-mitsara tokoa izy. Vao mainka natoky ny fahefany ny vahoaka, vokatr’izany.​—1Mp 3:16-28.

Asa fanorenana maro. (SARY, Boky 1, p. 748, 750, 751) Nanomboka nanorina ny tranon’i Jehovah teo amin’ny Tendrombohitra Moria i Solomona, tamin’ny volana faharoa (Ziva [Aprily-Mey]), tamin’ny taona fahefatra nanjakany, izany hoe tamin’ny 1034 T.K. (1Mp 6:1) Tsy nisy feo nitabataba tamin’ny nanorenana ny tempoly, satria vato efa voapaika no nentina teo amin’ny toeram-panorenana, hany ka tsy nandrenesana marotoa na famaky na izay mety ho vy fiasana teo amin’ilay toerana. (1Mp 6:7) Namatsy hazo sedera sy zenevrie i Hirama mpanjakan’i Tyro, ho takalon’ny varimbazaha sy menaka. (1Mp 5:10-12; 2Ta 2:11-16) Nanome mpiasa maro koa izy, anisan’izany ilay mpanao asa tanana tena nahay nantsoina hoe Hirama, zanaky ny lehilahy iray avy any Tyro sy ny vehivavy hebreo iray. (1Mp 7:13, 14) Nampiantso lehilahy israelita 30 000 i Solomona mba hifandimby hanao fanompoana, ka 10 000 no niara-nalefany hiasa iray volana tany Libanona. Nody kosa izy ireo avy eo mba hijanona tany an-tranony roa volana, ary toy izany hatrany. Nampiantso lehilahy 70 000 mpitondra entana sy 80 000 mpipai-bato koa izy, ary samy tsy Israelita ireo.​—1Mp 5:13-18; 2Ta 2:17, 18.

Notokanana ny tempoly. Vita ilay asa fanorenana lehibe, fito taona sy tapany tatỳ aoriana, izany hoe tamin’ny volana fahavalo (volana Bola) tamin’ny taona 1027 T.K. (1Mp 6:37, 38) Toa mbola elaela taorian’izay vao tafafindra tao amin’ilay tempoly ny fitaovana rehetra, ary voalamina ny zava-drehetra. Tamin’ny volana fahafito (Etanima), tamin’ny Fetin’ny Trano Rantsankazo, mantsy vao nanamasina an’ilay tempoly sy nitokana azy io i Solomona. (1Mp 8:2; 2Ta 7:8-10) Tsy maintsy ho tamin’ny volana fahafito tamin’ny taona 1026 T.K. izany, na 11 volana taorian’ny nahavitan’ilay fanorenana, fa tsy iray volana talohan’ny nahavitan’izy io (tamin’ny 1027 T.K.), araka ny fiheveran’ny sasany azy.

Misy koa mihevitra fa tamin’ny taona faha-24 nanjakan’i Solomona (1014 T.K.) no notokanana ny tempoly, rehefa avy nanorina ny tranony sy ny tranom-panjakana hafa izy. Nila 13 taona fanampiny ny nanorenana an’ireo trano ireo, ka lasa 20 taona ny fitambarany raha miaraka amin’ny fanorenana ny tempoly. Manamarina ny hevitr’ireo olona ireo ny Fandikan-teny Grikan’ny Fitopolo izay nanatsofoka teny vitsivitsy tsy hita ao amin’ny soratra nataon’ny Masoreta, ao amin’ny 1 Mpanjaka 8:1 (3 Mpanjaka 8:1, ao amin’ny LXX, Bagster), ka lasa hoe: “Ary rehefa vitan’i Solomona ny tranon’ny Tompo sy ny tranony, rehefa afaka roapolo taona, dia nangonin’i Solomona mpanjaka tany Siona ny anti-panahy rehetran’ny Israely mba hitondra an’ilay vata misy ny fifanekena nataon’ny Tompo, avy tany amin’ny tanànan’i Davida, izany hoe Siona, tamin’ny volana Atanina.” Hita hoe diso anefa izany hevitra izany rehefa ampitahaina ny fitantarana ao amin’ny Mpanjaka sy Tantara.

Milahatra toy izao ny zava-nitranga, raha ny 1 Mpanjaka toko faha-6 ka hatramin’ny faha-8 no jerena: Ny nanorenana ny tempoly mandra-pahavitany, ny nanorenan’i Solomona an’ireo tranom-panjakana nandritra ny 13 taona, ny fitantarana fanindroany sy amin’ny an-tsipiriany momba ny fanorenana ny tempoly sy ny fampidirana an’ireo “zavatra efa nohamasinin’i Davida rainy”, ary ny nitokanana an’ilay tempoly. Hita eo fa hoatran’ny nampidirina teo anelanelany teo fotsiny ilay fitantarana momba ny nanorenana an’ireo tranom-panjakana (1Mp 7:1-8), toy ny hoe tiana hiaraka daholo izay fitantarana rehetra momba ny asa fanorenana. Ny 2 Tantara 5:1-3 kosa toa mampiseho fa notokanana ny tempoly, raha vao vita izy io sady tafiditra ny fanaka rehetra tao anatiny. Izao no voalazan’io andininy io: “Farany, dia vita ny asa rehetra nataon’i Solomona momba ny tranon’i Jehovah, ka nampidiriny tao ireo zavatra efa nohamasinin’i Davida rainy. Ary nataony tao amin’ny fitehirizana zava-tsarobidy tao an-tranon’Andriamanitra ny volafotsy sy ny volamena ary ny fitaovana rehetra. Dia novorin’i Solomona tany Jerosalema daholo ny anti-panahin’ny Israely sy ny lehibem-poko rehetra.” Milaza amin’ny an-tsipiriany ny nametrahan’ny mpisorona an’ilay Vata misy ny fifanekena tao amin’ny tempoly ilay fitantarana, avy eo. Izy ireo no nampiakatra azy io avy tao amin’ny Tanànan’i Davida ho eo amin’ilay havoana nisy ny tempoly. Natao amin’izay ilay fitokanana.​—2Ta 5:4-14; toko faha​-6, 7.

Hita amin’izany fa notokanana ny tempoly ny taona nanaraka ny fahavitan’izy io. Misy anefa tsy manaiky izany. Nahoana? Mitantara mantsy ny 1 Mpanjaka 9:1-9 fa niseho tamin’i Solomona i Jehovah raha vao vita “ny tranon’ny mpanjaka”, sady nilaza fa efa reny ny vavaka nataony. (Ampit. 2Ta 7:11-22.) Tamin’ny taona faha-24 nanjakan’i Solomona izany no nitranga, izany hoe taorian’ny 20 taona nanaovany ny fanorenana. Midika ve izany fa niandry 12 taona Andriamanitra vao namaly an’ilay vavaka nataon’i Solomona tamin’izy nitokana ny tempoly? Tsia. Voalaza mantsy fa vao vita ny vavak’i Solomona, dia “nisy afo nilatsaka avy tany an-danitra nandevona ny fanatitra dorana sy ny sorona. Ary nameno an’ilay trano ny voninahitr’i Jehovah.” Porofo hita maso izany fa nandre an’ilay vavaka i Jehovah ary nanao zavatra ho valiny izy. Niaiky an’izany ny vahoaka. (2Ta 7:1-3) Rehefa niseho fanindroany tamin’i Solomona àry Andriamanitra, araka ny 1 Mpanjaka 9:1-9, dia mba hampisehoana fa tsy hadinony ilay vavaka natao 12 taona talohan’izay, ka niteny izy sady nanamafy taminy fa efa nohenoiny ilay izy. Mbola nananatra an’i Solomona koa izy tamin’io, mba hanahafany an’i Davida rainy ka tsy hivadihany amin’Andriamanitra mihitsy.

Ny vavak’i Solomona. Inona no nolazain’i Solomona rehefa nivavaka izy tamin’ny fitokanana ny tempoly? Nolazainy fa tsy misy Andriamanitra ambony noho i Jehovah, ary Andriamanitra maneho hatsaram-panahy feno fitiavana izy sady tsy mivadika. Manatanteraka ny fampanantenany izy. Marina fa trano ho an’i Jehovah ilay tempoly, nefa niaiky i Solomona fa “ny lanitra, eny, ny lanitry ny lanitra aza” tsy omby Azy. Mpihaino vavaka izy sady Mpamaly vavaka. Andriamanitra manao ny rariny izy, ka manome valisoa ho an’ny olo-marina fa manasazy an’ireo ratsy fanahy kosa. Mamela heloka koa izy rehefa misy mpanota mibebaka ka miverina aminy. Tsy andriamanitra rivotra na varatra na ny toy izany izy, fa izy no mifehy ny herin’ny natiora, ny biby, ary ireo firenena eto an-tany mihitsy aza. Tsy Andriamanitry ny Hebreo fotsiny koa izy, fa Andriamanitr’izay rehetra mitady azy. Nolazain’i Solomona fa tiany halaza eran-tany ny anaran’i Jehovah. Nilaza koa izy fa tiany ny fahamarinana sy ny rariny ary ny Israely vahoakan’Andriamanitra sy ny vahiny izay mitady an’i Jehovah.​—1Mp 8:22-53; 2Ta 6:12-42.

Ny mpisorona rehetra no nanao fisoronana tamin’ilay fitokanana, fa tsy narahina ireo fizarana nataon’i Davida. (2Ta 5:11) Izany no natao satria omby 22 000 sy ondry 120 000 no natao fanatitra dorana sy sorona iombonana, ankoatra ny fanatitra varimbazaha. Naharitra fito andro ilay fetin’ny fitokanana, ary nofaranana tamin’ny fivoriambe nanetriketrika tamin’ny andro fahavalo. Be dia be ny sorona natao, ka voatery nanamasina ampahany tamin’ny tokotanin’ny tempoly i Solomona, satria kely loatra ilay alitara varahina (na dia lehibe ihany aza izy io) ka tsy antonona teo ny sorona rehetra.​—1Mp 8:63, 64; 2Ta 7:5, 7.

Taorian’izay, dia nalamin’i Solomona araka ny fizarana sy ny toromarika efa nomen’i Davida, ny fanompoan’ny mpisorona sy ny andraikitry ny Levita. Lasa toerana nivorian’ny Israelita rehetra mba hankalazana an’ireo fety nandidian’i Jehovah sy hanolorana sorona notakiny ilay tempoly, nanomboka tamin’izay.

Ireo tranom-panjakana. Nanorina lapam-panjakana vaovao teo amin’ny Tendrombohitra Moria i Solomona, nandritra ny 13 taona, rehefa vita ilay tempoly. Nataony teo atsimon’ny tempoly ilay izy. Teo akaikin’ny tokotany ivelany tamin’ny tempoly àry ilay izy, saingy teo ambany kokoa. Teo akaikin’ilay lapam-panjakana no nanorenany ny Lala-mitafon’ny Seza Fiandrianana, sy ny Lala-mitafo Maro Andry, ary ny Trano Alan’i Libanona. Nisy fidinana teo anelanelan’ny tampon’ilay havoana nisy ny tempoly sy ny faritra iva nisy ny Tanànan’i Davida, ary teo no nanaovan’i Solomona an’ireo trano rehetra ireo. Nanao trano ho an’ilay vadiny ejipsianina koa izy. Tsy nahazo ‘nipetraka tao an-tranon’i Davida mpanjakan’ny Israely’ mantsy ilay vehivavy, satria “masina ny toerana nidiran’ny Vata masin’i Jehovah”, araka ny tenin’i Solomona.​—1Mp 7:1-8; 3:1; 9:24; 11:1; 2Ta 8:11.

Nanao fanorenana eran’ny fanjakany. Nanorina zavatra hafa eran’ny fanjakany i Solomona, rehefa vita ireo tranom-panjakana ireo, ka nampanaoviny asa an-terivozona ny taranak’ireo Kananita izay tsy voaringan’ny Israelita tamin’izy ireo niady mba hahazoana an’i Kanana. Ny Israelita kosa tsy nataony andevo. (1Mp 9:20-22; 2Ta 8:7-10) Nanorina tanàna maro koa izy, sady nataony voaro mafy ireny. Anisan’ireny i Gazera (izay nalain’i Farao teo am-pelatanan’ny Kananita ary nataony fanomezana ho an’ilay zanany vavy, vadin’i Solomona), Beti-horona Ambony, Beti-horona Ambany, Baleta, ary Tamara. Nanorina tanàna fitehirizana entana sy vokatra, tanàna fanatobiana kalesy, ary tanàna ho an’ny mpitaingin-tsoavaly koa izy. Nanao fanorenana eran’ny fanjakany izy, hatrany atsinanan’i Jordana. Nataony lasa toerana voaro mafy ny Dongon-tany. “Notampenany ny banga teo amin’ny Tanànan’i Davida.” (1Mp 11:27) Mety ho tamin’izay izy no nanorina na nanitatra “ny manda manodidina an’i Jerosalema.” (1Mp 3:1) Nataony lasa tanàna voaro mafy koa i Hazora sy Megido. Efa rava ireo tanàna ireo ankehitriny. Nahita manda mafy sy vavahady voaro mafy efa silatsilaka tao anefa ny mpikaroka, ary mino izy ireo fa sisa tavela tamin’ireo zava-bitan’i Solomona tao amin’ireo tanàna ireo izany.​—1Mp 9:15-19; 2Ta 8:1-6.

Nanan-karena sady be voninahitra izy. Nanao raharaham-barotra isan-karazany i Solomona. Nanana sambo maromaro izy, ary ireny sy ny andian-tsambon’i Hirama no nampiasainy rehefa nanafatra volamena be dia be avy tany Ofira, sy “hazo algoma”, ary vatosoa izy. (1Mp 9:26-28; 10:11; 2Ta 8:17, 18; 9:10, 11) Nanafatra soavaly sy kalesy avy tany Ejipta koa izy, ary tonga tany aminy ny mpivaro-mandeha teto an-tany mba hitondra entana be dia be. Ny lanjan’ny volamena tonga tany amin’i Solomona tao anatin’ny herintaona dia talenta 666 (256 643 000 dolara eo ho eo), ankoatra ny volafotsy sy volamena ary zavatra hafa nentin’ny mpivaro-mandeha. (1Mp 10:14, 15; 2Ta 9:13, 14) Tonga tany aminy isan-taona koa “ny mpanjaka rehetra teto an-tany” mba hitondra fanomezana avy tany amin’ny tanin’izy ireo: Zavatra vita tamin’ny volamena sy volafotsy, menaka balsama, fitaovam-piadiana fiarovana, soavaly, ramole, ary zava-tsarobidy hafa. (1Mp 10:24, 25, 28, 29; 2Ta 9:23-28) Nanafatra rajako sy vorombola koa izy, ary ireo sambon’i Tarsisy no nitondra izany tany aminy. (1Mp 10:22; 2Ta 9:21) Nanjary nanana tranon-tsoavaly 4000, sy kalesy (1400, araka ny 1Mp 10:26), ary soavaly fitondra miady (mety ho mpitaingin-tsoavaly) 12 000 i Solomona.​—2Ta 9:25.

Tsy nisy mpanjaka nanan-karena toa an’i Solomona teto an-tany. (1Mp 10:23; 2Ta 9:22) Tsy nisy fanjakana nanana seza fiandrianana toy ny azy mihitsy. Faran’izay tsara koa ny faritra teo anoloan’izy io. Ivoara nopetahana takela-bolamena ilay seza fiandrianana, ary nisy tafokely boribory nitatao tao aorian’izy io. Zanatohatra enina no nankeo amin’izy io. Nisy liona enina teo amin’ny andaniny sy ny ankilany tamin’ilay tohatra. Nisy liona iray avy nitsangana teo anilan’ny fitoeran-tanana roa. (1Mp 10:18-20; 2Ta 9:17-19) Volamena daholo ny kaopin’i Solomona. Voalaza fa “tsy nisy mihitsy zavatra vita tamin’ny volafotsy, satria noheverina ho tsinontsinona ny volafotsy tamin’ny andron’i Solomona.” (2Ta 9:20) Nisy harpa sy lokanga vita tamin’ny hazo algoma tao an-dapan’i Solomona sy tao amin’ny tempoly. Mbola tsy nahitana hazo algoma toy izany mihitsy tany Joda hatramin’izay.​—1Mp 10:12; 2Ta 9:11.

Ny sakafo tao an-dapany. Ny sakafo nilain’i Solomona, isan’andro, ho an’izay tao an-dapany dia “lafarinina tsara toto telopolo kora [6600 L] sy lafarinina tsotra enimpolo kora [13 200 L], sy omby matavy folo sy omby roapolo mpankeny an-kijana ary ondry zato, ankoatra ny serfa sy ny gazela sy ny serfa kely ary ny taontaonkafa nafahy.” (1Mp 4:22, 23) Nisy lehibem-paritra 12 niandraikitra ny famatsiana sakafo, ary iray volana isan-taona no anjaran’ny tsirairay. Samy niandraikitra ampahany tamin’ilay tany izy ireo, ka tsy nozaraina araka ny faritanin’ny foko tsirairay ilay tany fa araka ny faritra namokatra. Namatsy sakafo ho an’ireo soavaly maro be an’i Solomona koa izy ireo.​—1Mp 4:1-19, 27, 28.

Nitsidika an’i Solomona ny mpanjakavavin’i Sheba. Izy io no anisan’ireo vahiny nanan-kaja indrindra tonga mba hijery ny voninahitra sy ny harenan’i Solomona. Ren’ny “olona rehetra teto an-tany” ny lazan’i Solomona, ary izany no nahatonga an’ilay mpanjakavavy hanao ilay dia lavitra mba “hitsapa azy tamin’ny fanontaniana saro-baliana.” Nolazainy taminy “izay rehetra tao am-pony”, ary “tsy nisy tsy voavalin’ny mpanjaka izany, satria tsy nisy niafina taminy ny zava-drehetra.”​—1Mp 10:1-3, 24; 2Ta 9:1, 2.

Hitan’ilay mpanjakavavy fa tena kanto ilay tempoly sy ny lapan’i Solomona. “Tena talanjona izy” nahita izany sy ny fomba fiasan’ireo mpandroso sakafo sy ireo mpandroso zava-pisotro ary ny fitafian’ireo, sy ny sorona dorana izay natolotra tsy tapaka tao amin’ny tempoly. Hoy izy: “Hay na ny antsasany aza tsy nolazaina tamiko! Fa mihoatra lavitra noho ny zavatra reko tamin’ny olona ny fahendrenao sy ny harenanao.” Nilaza izy avy eo fa sambatra izay manompo mpanjaka toy izany. Nanjary nidera sy nisaotra an’i Jehovah Andriamanitra izy, noho i Jehovah tia ny Israely ka nanendry an’i Solomona ho mpanjaka hitsara araka ny marina.​—1Mp 10:4-9; 2Ta 9:3-8.

Nomen’ilay mpanjakavavy talenta volamena 120 (46 242 000 dolara) be izao i Solomona, ary vatosoa sy menaka balsama tena be dia be. Nomen’i Solomona an’ilay mpanjakavavy koa izay rehetra nangatahiny, ankoatra an’izay efa nomeny azy satria nalala-tanana taminy izy. Mety ho betsaka noho izay nomen’ilay mpanjakavavy no nomeny azy.​—1Mp 10:10, 13; 2Ta 9:9, 12.

Nahomby ny fitondrany. Raha mbola tsy niala tamin’ny fivavahana marina i Solomona, dia notahin’i Jehovah ka nomeny fahendrena sy voninahitra ary harena, sady nankasitrahany koa ny firenen’Israely. I Davida no nampiasain’Andriamanitra mba handresy an’ireo firenena fahavalon’ny Israely, sy hahatonga ny fanjakan’ny Israely ho mafy orina tao anatin’ny sisin-taniny. Hoy ny Baiboly: “Ary i Solomona no nitondra ny fanjakana rehetra nanomboka tany amin’ny Renirano [Eofrata] ka hatrany amin’ny tanin’ny Filistinina sy ny sisin-tanin’i Ejipta. Nitondra fanomezana ireny sady nanompo an’i Solomona nandritra ny androm-piainany.” (1Mp 4:21) Niadana sy nilamina ny olona nandritra ny fanjakan’i Solomona, ary “maro be toy ny fasika eny amoron-dranomasina ny Joda sy ny Israely, sady nihinana sy nisotro ary nifaly.” “Dia nonina tsy amin’ahiahy ny Joda sy ny Israely tamin’ny andro rehetra nanjakan’i Solomona, ka samy teny ambanin’ny voalobony sy ny aviaviny ny olona rehetra, hatrany Dana ka hatrany Beri-sheba.”​—1Mp 4:20, 25; SARINTANY, Boky 1, p. 748.

Mpanjaka hendry i Solomona. “Nomen’Andriamanitra fahendrena sy fahiratan-tsaina tsy nisy hoatr’izany i Solomona, sady nomeny fo tena mahay manavaka, ka be dia be tahaka ny fasika eny amoron-dranomasina no nomeny azy. Ary ny fahendren’i Solomona dia nihoatra noho ny fahendren’ny Tatsinanana rehetra sy ny fahendrena rehetra nananan’ny Ejipsianina.” Nisy lehilahy hafa koa nanana fahendrena niavaka, anisan’izany i Etana Ezrahita (toa mpihira tamin’ny andron’i Davida izy ary mpanoratra ny Salamo 89), sy olon-kendry telo hafa teo amin’ny Israely. Fa i Solomona mbola hendry kokoa noho izy ireo. “Nalaza tany amin’ny firenena rehetra nanodidina” mihitsy aza izy. “Nahavita nilaza ohabolana telo arivo izy, ary nahatratra dimy sy arivo ny hirany.” Nanam-pahalalana momba ny zavamaniry sy biby teto an-tany izy, ary hita tamin’ireo ohabolana nataony sy ireo boky nosoratany (Mpitoriteny sy Tononkiran’i Solomona), fa hainy tsara ny toetran’ny olombelona. (1Mp 4:29-34) Voalaza fa nandinika lalina izy mba hahitany “teny mahafinaritra”, sy hanoratany “tenim-pahamarinana tsy misy diso.” (Mpto 12:10) Efa nahita fiainana izy, satria niaraka tamin’ny olona ambany sy ny olona ambony, ary nandinika tsara ny fiainan’ireny, ny asany, ny zavatra nantenainy, ny tanjony, ary ny fivadibadihan’ny fiainany. Nilaza izy fa sarobidy ny fahalalana an’Andriamanitra sy ny lalàny. Nasongadiny fa “ny fahatahorana an’i Jehovah no fiandoham-pahalalana” sy “fiandoham-pahendrena”, ary ny adidy tokony hataon’ny olombelona dia ny ‘matahotra an’Andriamanitra sy mitandrina ny didiny.’​—Oh 1:7; 9:10; Mpto 12:13; jereo MPITORITENY.

Niala tamin’ny fahamarinana izy. Nandeha tsara ny fiainan’i Solomona, raha mbola nanompo an’i Jehovah izy. Azo inoana fa tamin’izy tsy nivadika tamin’i Jehovah no nilazany an’ireo ohabolana nataony sy nanoratany ny bokin’ny Mpitoriteny sy Tononkiran’i Solomona ary Salamo iray, fara fahakeliny (Sl 127). Lasa tsy niraharaha ny lalàn’Andriamanitra anefa izy. Voalaza fa “tia vady maro hafa firenena i Solomona Mpanjaka, ankoatra an’ilay zanakavavin’i Farao, dia vehivavy moabita sy amonita sy edomita sy sidonianina ary hetita, avy tamin’ireo firenena nolazain’i Jehovah tamin’ny zanak’Israely hoe: ‘Aza mankany amin’ireny ianareo, ary ireny koa tsy tokony hankany aminareo, fa tena ho voatariny hanaraka ny andriamaniny ny fonareo.’ Ireny anefa no niraiketan’ny fitiavan’i Solomona. Ary nanjary nanana vady andriambavy fitonjato izy, ary vadikely telonjato, ka voatarik’ireny tsikelikely ny fony. Rehefa antitra i Solomona, dia voatarik’ireny vadiny ireny hanaraka andriamani-kafa ny fony. Ary tsy nifikitra tanteraka tamin’i Jehovah Andriamaniny ny fony, tsy mba hoatran’ny fon’i Davida rainy. Fa nanaraka an’i Astarta, andriamanibavin’ny Sidonianina i Solomona, sady nanaraka an’i Milkoma, zava-maharikoriko notompoin’ny Amonita. Ary nanao izay ratsy teo imason’i Jehovah i Solomona, ka tsy nanaraka an’i Jehovah tamin’ny fony manontolo, tsy mba hoatran’i Davida rainy. Tamin’izay i Solomona no nanorina toerana avo teo amin’ilay tendrombohitra nanandrify an’i Jerosalema, ho an’i Kemosy, zava-maharikoriko notompoin’i Moaba, sy ho an’i Moleka, zava-maharikoriko notompoin’ny taranak’i Amona. Ary toy izany no nataony ho an’ny vadiny rehetra hafa firenena, izay nanolotra setroka ho sorona sady nanao sorona ho an’ny andriamanitr’izy ireo.”​—1Mp 11:1-8.

Voalaza fa niala tamin’i Jehovah i Solomona “rehefa antitra.” Tsy midika izany hoe ny fahavoazan’ny saina vokatry ny fahanterana no nahatonga azy hanao izany. Mbola tanora ihany mantsy izy no lasa mpanjaka ary 40 taona no nanjakany. (1Ta 29:1; 2Ta 9:30) Tsy voalaza hoe nialan’i Solomona tanteraka ny fanompoana tao amin’ny tempoly na tsy nanolotra sorona tao intsony izy. Toa saika hampifangaro fivavahana samihafa anefa izy mba hampifaliana an’ireo vadiny hafa firenena. “Dia tezitra mafy tamin’i Solomona i Jehovah, satria ny fony niala tamin’i Jehovah Andriamanitry ny Israely, izay niseho taminy indroa.” Nilazan’Andriamanitra izy fa hesoriny aminy ny fanjakana, saingy tsy amin’ny androny no hanaovan’Andriamanitra izany, noho ny fanajany an’i Davida sy noho ny amin’i Jerosalema. Amin’ny andron’ny zanak’i Solomona kosa izany no hataony, ka foko iray (ankoatra ny fokon’i Joda) sisa no havelany hanjakan’izy io. Tsy iza izany fa ny fokon’i Benjamina.​—1Mp 11:9-13.

Mpanohitra an’i Solomona. Nataon’i Jehovah izay hisian’ny mpanohitra an’i Solomona, nanomboka tamin’izay, ka i Jeroboama Efraimita no nalaza indrindra tamin’ireny. Vitan’i Jeroboama mihitsy, tatỳ aoriana, ny nitaona foko folo mba hivadika tamin’i Rehoboama Mpanjaka, zanak’i Solomona. Nanangana an’ilay fanjakana tany avaratra izay nanjary nantsoina hoe Israely izy. Tia niasa mafy i Jeroboama tamin’ny mbola tanora, ka notendren’i Solomona ho mpiandraikitra ny fanompoana rehetra tsy maintsy nataon’ny taranak’i Josefa. Anisan’ny mpanohitra an’i Solomona koa i Hadada Edomita, ary i Rezona ilay fahavalon’i Davida, izay lasa mpanjakan’i Syria.​—1Mp 11:14-40; 12:12-15.

Nisy vokany teo amin’ny fitondran’i Solomona ny nialany tamin’Andriamanitra. Lasa nampahory vahoaka ilay fanjakana. Azo antoka mantsy fa nanjary nitotongana ny toe-karena, satria nandany vola be ny fitondrana ary tsy maintsy ho tafahoatra izany tamin’ny farany. Nisy tsy faly koa ireo voantso hanao fanompoana, ary azo antoka fa toy izany koa ireo Israelita niandraikitra azy ireo. Tsy tamin’ny fony manontolo intsony no nanompoan’i Solomona an’Andriamanitra, ka tsy notahiny intsony izy sady tsy nampiany hahomby. Tsy nahazo intsony an’ilay fahendrena nanampy azy hanao ny rariny sy ny hitsiny ary hahita vahaolana koa izy. Izy ihany mantsy talohan’izay no niteny hoe: “Faly ny vahoaka rehefa mihamaro ny olo-marina, fa misento kosa izy raha ny ratsy fanahy no mitondra.”​—Oh 29:2.

Izany tokoa no nitranga, ary manamarina izany ny zava-niseho taoriana kelin’ny nahafatesan’i Solomona, tamin’i Rehoboama nanjaka. Naniraka an’i Ahia mpisorona Andriamanitra mba hilaza tamin’i Jeroboama hoe homeny foko folo izy, ary hampaharitra ny taranany izy, toy ny nataony tamin’i Davida, raha mitandrina ny lalàny izy. Nitady hamono an’i Jeroboama i Solomona, taorian’izay, ka lasa nandositra tany Ejipta izy. Ny mpandimby ny rain’ilay Ejipsianina, vadin’i Solomona, no nitondra an’i Ejipta tamin’izay. Rehefa maty i Solomona vao niala tany i Jeroboama, ary nitarika ny vahoaka hitaraina tamin’i Rehoboama sy hikomy taminy.​—1Mp 11:26-40; 12:12-20.

Na dia niala tamin’i Jehovah aza i Solomona, dia “nalevina tao amin’ny Tanànan’i Davida rainy” rehefa ‘nodimandry tany amin’ny razany.’​—1Mp 11:43; 2Ta 9:31.

Mpandova ara-dalàna an’i Solomona i Jesosy. Notanisain’i Matio hatrany amin’i Josefa, ray nitaiza an’i Jesosy, ny taranak’i Solomona. Hita amin’izany fa mpandova ara-dalàna ny seza fiandrianan’i Davida i Jesosy, satria tarana-mpanjaka avy taminy. (Mt 1:7, 16) I Lioka koa nitanisa an’ireo razamben’i Jesosy, saingy avy any amin’i Natana no nitondrany azy ary notohizany hatrany amin’i Hely (azo inoana fa rain’i Maria). Zanakalahin’i Davida sy Batseba i Natana ka rahalahin’i Solomona, iray tam-po taminy. (Lk 3:23, 31) Rehefa ampitahaina ireo lisitra roa ireo, dia eo amin’i Zerobabela sy Sealtiela izy ireo no mitovy ary lasa samy hafa indray avy eo. (Mt 1:12, 13; Lk 3:27) Taranak’i Natana i Maria renin’i Jesosy, ary taranak’i Solomona i Josefa ray nitaiza azy. Hita amin’izany fa taranak’i Davida sady mpandova ara-dalàna azy i Jesosy, ka manana zo feno handova ny seza fiandrianana.​—Jereo TETIRAZAN’I JESOSY KRISTY.

Tokony harovana ny fo. Nankasitrahan’i Jehovah sy nahomby foana i Solomona raha mbola niezaka hanana “fo mankatò”, toy ny tamin’ny voalohany. Ratsy fiafara anefa ny fiainany, ka hita amin’izany fa na eo aza ny fahalalana, fahaizana be, fahefana, harena sy laza, dia tsy ireo no zava-dehibe indrindra. Hita koa fa tsy manana fahendrena intsony izay olona miala amin’i Jehovah. I Solomona ihany no niteny hoe: “Arovy ny fonao, mihoatra noho izay rehetra tokony harovana, fa avy ao aminy ny loharanon’aina.” (1Mp 3:9; Oh 4:23) Marina mihitsy ny teniny. Tena mamitaka sy sarotra fehezina tokoa ny fon’olombelona mpanota, raha izay nitranga tamin’i Solomona no jerena. Tsy izay ihany anefa! Hita tamin’izany koa fa mety ho voatarika hanao ratsy na ny olona manana fo tsara indrindra aza, raha tsy mitandrina foana. Azo antoka fa tsy ho voatarika hiala amin’i Jehovah isika, raha tia an’izay tiany, mankahala an’izay halany, mitady ny tari-dalany foana, ary mampifaly azy.​—Je 17:9; Oh 8:13; He 1:9; Jn 8:29.

Faminaniana momba ny Mesia. Asehon’ny faminaniana fa misy zavatra maro itovian’ny fanjakan’i Solomona sy ny fanjakan’i Jesosy Kristy Mpanjaka. Azo lazaina àry hoe ny fanjakan’i Solomona, tamin’izy mbola nankatò an’i Jehovah, no nahitana kely hoe hoatran’ny ahoana ny Fanjakan’ny Mesia. “Lehibe noho i Solomona” i Jesosy Kristy. Olona tia fiadanana izy, ary toa nanao asa fanorenana koa, saingy tsy trano ara-bakiteny no naoriny, fa ny fivavahana marina no naveriny teo amin’ireo mpianany voahosotra, izay nanompo tao amin’ny tempoly ara-panahy lehibe an’i Jehovah. (Mt 12:42; 2Ko 6:16; Jn 14:27; 16:33; Ro 14:17; Jk 3:18) Taranak’i Davida i Solomona, ary toy izany koa i Jesosy. Mety tsara amin’i Jesosy Kristy nomem-boninahitra ilay anaran’i Solomona (avy amin’ny fototeny midika hoe “fiadanana”), satria “Andrianan’ny Fiadanana” izy. (Is 9:6) Nantsoina koa hoe Jedidia (midika hoe “Malalan’i Jah”) i Solomona, ary mifanaraka amin’ilay tenin’Andriamanitra tamin’i Jesosy Zanany vao natao batisa izany. Hoy mantsy Andriamanitra: “Io no Zanako malalako, izay sitrako.”​—Mt 3:17.

Vavaka ho an’ny fanjakan’i Solomona no hita ao amin’ny Salamo faha-72, manao hoe: “Hitondra fiadanana ho an’ny olona anie ny tendrombohitra ... Amin’ny andro anjakany, dia hiroborobo ny olo-marina, ary ho be ny fiadanana raha mbola misy koa ny volana. Hisy olom-peheziny hatrany amin’ny ranomasina ka hatrany amin’ny ranomasina [toa ny Ranomasina Mediterane sy ny Ranomasina Mena (Ek 23:31)], ary hatrany amin’ny Renirano [Eofrata] ka hatrany amin’ny faran’ny tany.”​—Sl 72:3-8.

Manazava an’ilay hoe “raha mbola misy koa ny volana” (Sl 72:7) i Cook ao amin’ny Fanazavana Hevi-teny. Hoy izy: “Tena zava-dehibe io teny io, satria io no ahitana fa Mpanjaka hitondra mandrakizay no tao an-tsain’ny Mpanao Salamo. Io koa no ahalalana fa miresaka momba ny Fanjakan’ny Mesia ilay salamo manontolo.” Hoy koa izy momba ny andininy faha-8: “Tokony ho fanjakana iray hanjaka eran-tany, izany hoe hatrany amin’ny farany lavitra indrindra amin’ny tany, izy io. Nitatra lavitra ny faritanin’ny Israely nandritra ny fanjakan’i Davida sy Solomona. Izay fotsiny dia toa manome toky fa hanjaka eran-tany tokoa ilay fanjakana, ary nanome antoka an’ilay Mpanao Salamo izany. Hita hoe tsy miresaka afa-tsy ny Fanjakan’ny Mesia ihany ilay andininy, raha jerena ireo andininy eo aloha.”

Toy izao ny fiainana tamin’ny andro nanjakan’i Solomona: “Nonina tsy amin’ahiahy ny Joda sy ny Israely tamin’ny andro rehetra nanjakan’i Solomona, ka samy teny ambanin’ny voalobony sy ny aviaviny ny olona rehetra.” Izany zava-nisy izany no resahin’i Mika, ao amin’ny faminaniana iray eken’ny ankamaroan’ny olona hoe momba ny Fanjakan’ny Mesia. (1Mp 4:25; Mi 4:4) Nanonona ny Salamo 72:8 i Zakaria mpaminany (Za 9:9, 10), ary nilaza i Matio fa nihatra tamin’i Jesosy Kristy ilay faminanian’i Zakaria.​—Mt 21:4, 5.