Tady Fandrefesana
Tady na kofehy natao handrefesana (1Mp 7:15, 23; Am 7:17; Za 2:1, 2), ary toa hakiho no refy nampiasaina tamin’ny sasany. (2Ta 4:2) Nohenjanina teo ambonin’izay velaran-tany nila norefesina ilay tady. (Ampit. Jb 38:4, 5; Sl 78:55; Mi 2:4, 5.) Nampiasa azy io ny mpanorina tanàna (Je 31:38, 39; Za 1:16), sy ny mpanao sokitra rehefa nandrefy ny zavatra namboariny. (Is 44:13) Toa norefesin’i Davida Mpanjaka tamin’ny tady koa ireo Moabita resiny, mba hamaritana hoe iza no hovonoina ary iza no hotsimbinina.—2Sa 8:2.
Heviny an’ohatra. Ilazana fitsipika tsy maintsy arahina ny hoe “tady fandrefesana.” (Is 28:10, 13, f.a.p.) “Ny rariny”, ohatra, ‘no nataon’i Jehovah tady fandrefesana’ rehefa nivadika taminy ny vahoakany. (Is 28:17) Ny tady nampiasainy tamin’i Samaria ihany no nandrefesany an’i Jerosalema, ka ho lao koa i Jerosalema. (2Mp 21:13; Ft 2:8) Hohenjaniny eo amin’i Edoma koa “ny tady andrefesana ny fahafoanana”, ka ho ringana ny mponina ao. Hampiasaina ilay tady satria hotsinjaraina ho fonenan’ny biby ilay tany lao.—Is 34:5-17.
Nilaza i Davida fa ny fifandraisany tamin’i Jehovah no anjara nomena azy. Tena tiany ilay lovany, ka hoy izy: “Toerana mahafinaritra no voafaritra ho ahy tamin’ny tady fandrefesana.”—Sl 16:5, 6; ampit. No 18:20.
Ahariharin’ny zavatra eny amin’ny lanitra fa noforonin’Andriamanitra izy ireny. Re eran-tany ny fanambarana ataony na dia tsy miteny aza ireny, ka hoy ny mpanao salamo: ‘Efa nivoaka eran-tany ny tady fandrefesany.’—Sl 19:1-4; Ro 1:20.
Jereo BARARATA.