Tetirazana
Tantaran’ny niandohan’ny razana niavian’ny olombelona. I Jehovah Andriamanitra no Mpitahiry ny tantaran’ny famoronana sy ny niandohan’ny olombelona ary ny taranaka nifandimby. Izy ilay “Ray, izay ahazoan’ny fianakaviana rehetra any an-danitra sy eto an-tany anarana.” (Ef 3:14, 15) Marina tsara ny tetirazana ao amin’ny Teniny, ary tena ilaina satria misy ifandraisany amin’ny fikasany.
Voajanahary amin’ny olona ny te hahalala ny razambeny sy hamelo-maso ny anaram-pianakaviany. Firenena maro fahiny, toy ny Ejipsianina sy ny Arabo, no nitahiry tetirazana lava be, indrindra fa ny tetirazan’ny mpisorony sy ny mpanjakany. Hita teo amin’ny takelaka tanimanga misy soratra miendri-pantsika koa ny tetirazan’ny mpanjakan’i Babylona sy Asyria. Nanana tetirazana koa ny firenena tatỳ aoriana, toy ny Grika, ny Selta, ny mponin’i Saxe, ary ny Romanina.
Ny matoanteny hebreo hoe yahas, izay nadika hoe ‘voasoratra ao amin’ny tetirazana’ (1Ta 5:17), no ilazana ny fanoratana anarana an’ireo zanaka tsy zazasary. Nadika hoe ‘tetirazana’ kosa ny anarana azo avy amin’io matoanteny io. (Ne 7:5) Genealôgia no teny grika nadika hoe “tetirazana.”—1Ti 1:4; Tit 3:9.
Izao no teny fampidirana ny Filazantsaran’i Matio: “Ny bokin’ny tantaran’i [geneseôs, endriny hafa amin’ny hoe genesis] Jesosy Kristy, zanak’i Davida, zanak’i Abrahama.” (Mt 1:1) Midika ara-bakiteny hoe “razambe, fiandohana” ny teny grika hoe genesis. Io no nandikan’ny Fandikan-teny Grikan’ny Fitopolo ny teny hebreo hoe tôhledôht, ary mitovy ihany ny hevitr’ireo teny hebreo sy grika ireo. Saika nadika foana hoe ‘tantara’ io teny hebreo io ao amin’ny Genesisy.—Ampit. Ge 2:4.
Tsy ny tetirazan’i Kristy ihany anefa no noresahin’i Matio, fa ny nahaterahany, ny fanompoany, ny nahafatesany, ary ny nitsanganany tamin’ny maty koa. Tsy naningana akory ny nataon’i Matio. Na ny tantara grika fahiny koa aza mantsy nahitana tetirazana, ary ny olona voatonona tao amin’izy ireny no resahina betsaka ao amin’ilay tantara. Tapany lehibe tamin’ilay tantara àry ny tetirazana, izay matetika no natao teny fampidirana.—Jereo 1Ta 1-9.
Nampanantena Andriamanitra tany Edena fa hanorotoro ny lohan’ilay Menarana ny Taranak’ilay “vehivavy.” (Ge 3:15) Mety ho efa nisy nieritreritra tamin’izay fa olombelona ny razamben’ilay Taranaka. Rehefa nilazana anefa i Abrahama hoe amin’ny alalan’ny taranany no hitahiana ny firenena rehetra, vao tena takatra hoe olombelona ny razamben’ilay Taranaka. (Ge 22:17, 18) Nanjary tena zava-dehibe àry ny tetirazan’i Abrahama. Ny Baiboly ihany no miresaka momba ny razamben’i Abrahama sy ny niandohan’ireo firenena avy tamin’i Sema sy Hama ary Jafeta, zanak’i Noa.—Ge 10:32.
Hoy i E. Hamlin momba ny lisitr’ireo firenena ao amin’ny Genesisy: “Asa soratra fahiny tsy
manan-tsahala [izy io]. ... Mitana toerana lehibe ao amin’izy io ny tantara, tsy hoatran’ny hita ao amin’ny asa soratra masina hafa eran-tany.”—Ny Diksionera Ara-baibolin’ireo Mpanazava Teny, nataon’i G. Buttrick, 1962, Boky Faha-3, p. 515.Ny zava-kendreny. Efa hitantsika fa tian’ny olona ny mirakitra an-tsoratra an’ireo zaza teraka sy ny rohim-pihavanana. Ilaina amin’ny fanisan-taona koa anefa ny tetirazana, indrindra tany am-piandohan’ny tantaran’olombelona. Tena ilaina koa ny tetirazana sasany noho ny fampanantenan’Andriamanitra sy ny faminaniany ary ny fifandraisany tamin’ny olona.
Hita tamin’ny tsodranon’i Noa taorian’ny Safodrano, fa hahazo sitraka amin’Andriamanitra ny taranak’i Sema. (Ge 9:26, 27) Nampahafantarin’Andriamanitra tamin’i Abrahama tatỳ aoriana, fa ho avy amin’i Isaka ilay ‘taranaka.’ (Ge 17:19; Ro 9:7) Tsy maintsy noraketina an-tsoratra tsara àry ny tetirazana, mba hahalalana hoe iza ilay Taranaka. Tsy maintsy natao toy izany ny tetirazan’ny fokon’i Joda izay hiavian’ireo mpitondra (Ge 49:10), ary indrindra fa ny an’ny tarana-mpanjaka avy tamin’i Davida. (2Sa 7:12-16) Avy amin’izany no ahazoana an’ilay tetirazana sarobidy indrindra, dia ny tetirazan’ny Mesia na ilay Taranaka.—Jn 7:42.
Noraketina an-tsoratra tsara koa ny tetirazan’ny fokon’i Levy, indrindra fa ny an’ny fianakavian’i Arona mpisorona.—Ek 28:1-3; No 3:5-10.
Nilaina ny tetirazan’ny Israelita teo ambanin’ny Lalàna, mba hahafahana hitsinjara an’ireo foko rehefa nozaraina ilay tany, na hahafantarana hoe iza avy no fianakavian’ny olona iray afaka mandova ny taniny. Ny tetirazana koa no nahalalana hoe iza no gôʼel na havana akaiky indrindran’ny olona iray, ka nahazo nitondra loloha (De 25:5, 6), nividy indray ny havany (Le 25:47-49), na afaka ny ho mpamaly ra (No 35:19). Voararan’ny Lalàna ny fanambadiana havana akaiky, ka nilaina ny nahalala tetirazana.—Le 18:6-18.
Tena sarotiny tamin’ny resaka tetirazana ny Israelita. Nisy tamin’ireo nody avy tany Babylona, ohatra, nilaza fa taranaka mpisorona izy ireo nefa tsy hitany ny lisitra tokony hisy ny anarany. Nilaza àry i Zerobabela fa tsy nahazo nihinana ny zavatra masina indrindra natokana ho an’ny mpisorona izy ireo, raha tsy voamarina ny razana niaviany. (Ne 7:63-65) Nampidirina tao anaty lisitry ny vahoaka ny Netinima na dia tsy Israelita aza, satria nanompo tao amin’ny tempoly.—Ne 7:46-56.
Tsy ahitana ny tsipiriany rehetra momba ny fotoana ny ankamaroan’ny tetirazana. Manampy ihany anefa izy ireny satria ahafahana manamarina daty sasany, na ahalalana tsipirian-javatra lehibe. Tsy natao hahalalana ny fitomboan’ny isan’ny mponina anefa izy ireny, satria matetika no tsy voasoratra ao ny anarana sasany izay tsy dia tena ilaina amin’ilay tetirazana. Tsy nosoratana tao amin’ny tetirazana mazàna ny anaran’ny vehivavy, ka tsy hita ao ny anaran’ireo vady sy vadikelin’ny lehilahy iray. Tsy voatery ho ao koa ny anaran’ny zanany lahy rehetra. Na ny anaran’ny zanakalahin’ilay vadiny voalohany aza tsy hita ao indraindray.
Nanomboka tamin’i Adama ka hatramin’ny Safodrano. Resahin’ny Baiboly hoe iza avy no zanaky ny lehilahy voalohany. Hoy i Eva rehefa teraka i Seta: “Andriamanitra efa nanome ahy zanaka hafa ho solon’i Abela, satria novonoin’i Kaina izy.” (Ge 4:25) Nisy tamin’ny taranak’i Seta tafavoaka velona tamin’ny Safodrano.—Ge 5:3-29, 32; 8:18; 1Pe 3:19, 20.
Nanomboka tamin’ny Safodrano ka hatramin’i Abrahama. Nahazo tsodrano avy tamin’i Noa i Sema zanany lahy, ary taranak’i Sema i Abrama (Abrahama) “naman’i Jehovah.” (Jk 2:23) Ny tetirazan’i Sema sy ny an’i Seta no hany ahafantarana hoe nisy firy taona nanomboka tamin’ny namoronana ny olona ka hatramin’i Abrahama. Ny taranak’i Seta no ao amin’ilay tetirazana talohan’ny Safodrano, ary ny taranak’i Sema no ao amin’ilay taorian’ny Safodrano. Voaresaka ao hoe firy taona taorian’ny nahaterahan’ny lehilahy iray no teraka ny zanany lahy. (Ge 11:10-24, 32; 12:4) Tsy misy tetirazana hafa ankoatra an’ireo, nandritra iny vanim-potoana iny. Nampiasaina ho fanisan-taona koa àry ireo tetirazana ireo. Izay voalaza ao amin’ny tetirazana indraindray no ahalalana hoe oviana no nitranga ny zavatra iray voafaritra tsara.—Jereo FANISAN-TAONA (Tamin’ny 2370 T.K. ka hatramin’ny fifanekena tamin’i Abrahama).
Nanomboka tamin’i Abrahama ka hatramin’i Kristy. Niteraka an’i Isaka i Abrahama sy Saraha, noho ny fahagagana nataon’Andriamanitra. Avy tamin’izy io ilay Taranaka nampanantenaina. (Ge 21:1-7; He 11:11, 12) Avy tamin’i Jakoba (Israely) zanak’i Isaka indray ireo foko 12. (Ge 35:22-26; No 1:20-50) Nipoitra avy tamin’ny fokon’i Joda ireo mpanjaka teo amin’ny Israely, ary avy tamin’ny fianakavian’i Davida tatỳ aoriana. Ny taranak’i Levy kosa no nanao ny asa fisoronana, fa ny taranak’i Arona ihany no mpisorona. Tokony ho azo hamarinina fa avy tamin’ny fianakavian’i Davida sy ny fokon’i Joda i Jesosy Kristy, mba hahafahany hanan-jo ho Mpanjaka. Ho mpisoronabe koa i Jesosy. Tsy voatery ho taranak’i Levy anefa izy, satria nianiana Andriamanitra fa ho mpisoronabe tahaka an’i Melkizedeka izy.—Sl 110:1, 4; He 7:11-14.
Tetirazana hafa niavaka. Ankoatra ny tetirazan’i Jesosy Kristy izay nanomboka tamin’i Adama, sy ny an’ireo zanakalahin’i Jakoba 12, dia nisy koa ny tetirazan’ireo firenena nifandray tamin’ny Israely. Anisan’izany ny an’ny rahalahin’i Abrahama (Ge 11:27-29; 22:20-24); ny zanakalahin’i Ismaela (Ge 25:13-18); i Moaba sy Amona, zanak’i Lota zana-drahalahin’i Abrahama (Ge 19:33-38); ny zanakalahin’i Abrahama avy tamin’i Ketora izay niavian’ny Midianina sy ny foko hafa (Ge 25:1-4); ary ny taranak’i Esao (Edoma) (Ge 36:1-19, 40-43).
Voaresaka ireo firenena ireo satria mpihavana tamin’ny Israely vahoaka nofidin’Andriamanitra. Avy tamin’ny fianakavian’ny rahalahin’i Abrahama, ohatra, ny vadin’i Isaka sy Jakoba. (Ge 22:20-23; 24:4, 67; 28:1-4; 29:21-28) Nomen’Andriamanitra an’i Moaba sy Amona ary Edoma ny faritra manodidina an’i Israely. Nodidiany àry ny Israelita mba tsy haka ny tanin’izy ireo na hiady aminy.—De 2:4, 5, 9, 19.
Arisiva ofisialy. Toa nisy tetirazana notehirizina tao amin’ny arisivam-pirenena, ankoatra ny notehirizin’ny fianakaviambe. Ny Genesisy toko faha-46, ohatra, mitanisa an’ireo efa teraka tao amin’ny ankohonan’i Jakoba tamin’izy tonga tany Ejipta ka mandra-pahafatiny. Ahitana ny tetirazan’ny taranak’i Levy ilay ao amin’ny Eksodosy 6:14-25, ary toa nadika avy tamin’ny tetirazana efa nisy taloha izy io. Nisaina voalohany ny firenen’Israely tany an-tany efitr’i Sinay tamin’ny 1512 T.K. (taona faharoa nivoahany avy tany Ejipta), mba ho fantatra mazava tsara ny razana nipoirany, “eny, ny fianakaviany, araka ny fianakaviambe avy amin’ireo rainy.” (No 1:1, 18; jereo koa No toko 3.) Nisaina indray ny Israely tao amin’ny Lemak’i Moaba, 39 taona teo ho eo tatỳ aoriana. Ireo roa ireo ihany no fanisam-bahoaka nampanaovin’Andriamanitra ny Israely, talohan’ny nanaovana azy sesitany.—No 26.
Ireto avy no nirakitra an-tsoratra tetirazana ankoatra an’i Mosesy: I Samoela izay nanoratra ny bokin’ny Mpitsara, Rota, ary ampahany amin’ny Samoela Voalohany; i Ezra izay nanoratra ny Tantara Voalohany sy Faharoa ary ny bokin’i Ezra; ary i Nehemia izay nanoratra ny boky mitondra ny anarany. Nisy olon-kafa koa resahin’ireo boky ireo fa nanoratra tetirazana: I Ido (2Ta 12:15) sy Zerobabela izay nampanoratra ny tetirazan’ireo Israelita niverina an-tanindrazana. (Ezr 2) Nosoratana koa ny tetirazan’ireo fokon’ny Israely nipetraka tany Gileada, tamin’ny andron’i Jotama, mpanjaka tsara.—1Ta 5:1-17.
Mbola voatahiry tsara ireny tetirazana ireny hatramin’ny taonjato voalohany. Porofon’izany ny nahafahan’ny fianakaviana israelita tsirairay nankany amin’ny tanàna niaviany mba hosoratana anarana, ho fankatoavana ny didin’i Aogosto Kaisara, taoriana kelin’ny nahaterahan’i Jesosy. (Lk 2:1-5) Fantatra koa fa mpisorona tao amin’ny fizarana nisy an’i Abia i Zakaria, rain’i Jaona Mpanao Batisa, ary avy tamin’ny taranak’i Arona i Elizabeta reniny. (Lk 1:5) Avy tamin’ny “fokon’i Asera” kosa i Ana mpaminanivavy. (Lk 2:36) Lava be ny tetirazan’i Jesosy ao amin’ny Matio toko 1 sy Lioka toko faha-3, ka azo inoana fa voatahiry tao amin’ny arisivam-pirenena ilay izy ary azon’ny rehetra nojerena.
Nohamafisin’i Josèphe, mpahay tantara, fa nanana tetirazana ofisialy tokoa ny Jiosy. Hoy izy: “Avo razana ny fianakavianay satria mpisorona ny razambenay. ... Tsy hoe mpisorona fotsiny anefa ny razambenay, fa ny voalohany tamin’ireo fizarana 24 mihitsy (tena miavaka izany), sady ilay nohajaina indrindra tao amin’ny foko nisy azy.” Hoy izy rehefa avy nilaza fa taranak’i Asamonaeus ny reniny: “Izany no tetirazanay rehefa nijery ny arisivam-panjakana aho, ka tsy ahoako intsony izay lazain’ireo mpanakiana ny fianakavianay.”—Ny Fiainana, 1, 2, 6 (1).
Nopotehin’i Heroda Lehibe ny tetirazana ofisialin’ny Jiosy, hoy i Africanus, mpahay tantara tany am-piandohan’ny taonjato fahatelo. Tsy io mpanjaka io anefa no namotika azy, fa ny Romanina nandrava an’i Jerosalema tamin’ny taona 70. (Diso Hevitra i Apion, nataon’i F. Josèphe, I, 30-38 [7]; Ny Adin’ny Jiosy, II, 426-428 [xvii, 6]; VI, 354 [vi, 3]) Tsy afaka nanamarina ny tetirazany intsony ny Jiosy taorian’izay, na dia ny taranaka roa lehibe indrindra aza, dia ny an’i Davida sy Levy.
Hevi-teny. Ilaina matetika ny mandinika ny teny manodidina sy mampitaha tetirazana na andininy samy hafa ao amin’ny Baiboly, mba hahalalana ny hevitry ny teny sasany ao amin’ny tetirazana. Mety hidika hoe zafikely na taranaka, ohatra, ny hoe ‘zanaka.’ (Mt 1:1) Mety ho toa mpirahalahy, na zanaky ny lehilahy iray, koa ny olona maromaro tanisaina miaraka. Rehefa dinihina akaiky sy ampitahaina amin’ny andininy hafa anefa ilay tetirazana, dia hita fa hay zanaka sy zafikely ary taranaka hafa no resahiny. Zanaka sy zafikelin’i Benjamina, ohatra, ireo ‘zanakalahiny’ ao amin’ny Genesisy 46:21, rehefa jerena ny Nomery 26:38-40.
Ny hoe ‘ray’ kosa mety hidika hoe ‘raibe’ na mpanjaka nodimbiasana. (Da 5:11, 18) Midika hoe ‘razana’ na ‘razambe’ ny teny hebreo hoe ʼav (ray) ao amin’ny andininy maro, toy ny Deoteronomia 26:5 sy 1 Mpanjaka 15:11, 24 ary 2 Mpanjaka 15:38. Ilazana ‘renibe’ koa indraindray ny teny hebreo hoe ʼem (reny) ary ‘zafikely’ ny hoe bat (zanakavavy).—1Mp 15:10, 13.
Tanàna sy anarana. Lazain’ny tetirazana sasany fa ‘rain’ny’ tanàna iray ny lehilahy iray. Voalazan’ny 1 Tantara 2:50-54, ohatra, fa “rain’i Betlehema” i Salma ary “rain’i Kiriata-jearima” i Sobala. Midika izany fa nanorina an’i Betlehema sy Kiriata-jearima ireo lehilahy ireo, na ny taranany no nonina tao. Hoy ny andininy faha-54: “Ny zanakalahin’i Salma dia i Betlehema sy ny Netofatita, sy i Atrota-beti-joaba sy ny antsasaky ny Manahatita ary ny Zorita.” Azo inoana fa fianakaviambe ireo Netofatita sy Manahatita ary Zorita.
Toa amin’ny endriny milaza maro ny anaran’ny taranak’i Mizraima ao amin’ny Genesisy 10:13, 14. Misy àry milaza fa anarana fianakaviambe na foko izy ireo. Tsara hotadidina anefa fa ilazana olona iray monja ny anarana hafa amin’ny endriny milaza maro, toy ny hoe Efraima, Apaima, Diblaima, ary Mizraima, zanak’i Hama, ilay voaresaka etsy aloha.—Ge 41:52; 1Ta 2:30, 31; Ho 1:3.
Lisitra nohafohezina. Nohafohezin’ny mpanoratra Baiboly ireo tetirazana matetika, ka ny anaran’ny lohan’ny fianakaviambe tena niavaka ihany no noresahiny, na ny anaran’olo-malaza, na ny anaran’izay olona tena nisongadina tao amin’ilay tantara. Te hampahafantatra fotsiny angamba izy indraindray hoe iza no razamben’ilay olona noresahiny, ka tsy notononiny ny anaran’ireo razambe hafa.
Nohafohezin’i Ezra, ohatra, ny tetirazany. (Ezr 7:1-5) Nilaza izy fa taranak’i Arona mpisoronabe ny tenany. Misy anarana maromaro tsy noresahiny ao amin’ny Ezra 7:3, nefa hita ao amin’ny andininy faha-7-10 amin’ny 1 Tantara 6:3-14. Tsy te hamerimberina anarana angamba i Ezra na te hanafohy. Ampy tsara anefa ilay lisitra nomeny mba hanaporofoana fa mpisorona ny razambeny. Nilaza i Ezra fa “zanak’i” Seraia izy, izany hoe taranany, satria zafiafin’i Seraia izy na zafindohaliny mihitsy aza angamba. Mpisoronabe novonoin’i Nebokadnezara i Seraia rehefa natao sesitany tany Babylona (607 T.K.) ny Israelita, ary anisan’izy ireny i Jozadaka zanak’i Seraia. (2Mp 25:18-21; 1Ta 6:14, 15) Zafikelin’i Seraia i Josoa (Jesoa), ilay mpisoronabe niara-nody tamin’i Zerobabela, 70 taona tatỳ aoriana. (Ezr 5:2; Hg 1:1) Efa 69 taona taorian’izay i Ezra vao nankany Jerosalema. Sady tsy zanaka naterak’i Seraia àry izy no tsy rahalahin’i Jozadaka.
Ianarantsika avy amin’ireo tetirazana roa ireo koa fa tsy taranak’i Seraia mpisoronabe avy tamin’i Jozadaka i Ezra, na dia taranak’i Arona avy tamin’i Seraia aza. Nifandovana mantsy ny asan’ny mpisoronabe, ka ireto avy no mpisoronabe nifandimby taorian’i Seraia: Josoa (Jesoa), Joiakima, ary Eliasiba tamin’ny andron’i Nehemia Governora. Voaporofon’i Ezra àry fa taranak’i Arona izy, na dia nohafoheziny aza ny tetirazany.—Ne 3:1; 12:10.
Antony sasany tsy itovizan’ireo tetirazana. Matetika no tsy notononina ny anaran’ny zanakalahy maty tsy niteraka. Mety ho niteraka ihany ny lehilahy iray saingy vavy fotsiny ny zanany, ka mety ho lasan’ny lohan’ny fianakaviambe hafa tao amin’ny fokony ny lovan’ilay vehivavy rehefa nanambady izy. (No 36:7, 8) Tsy notononina koa indraindray ny anaran’ny fianakaviana tsy dia nalaza, fa natambatra tamin’ny anaran’ny lohan’ny fianakaviambe hafa. Mety ho tsy notononina tao amin’ny tetirazana àry ny anaran’olona sasany raha maty tsy niteraka izy, na nifindra ny lovany rehefa nanambady ny zanany vavy, na zanaka natsangana izy, na natambatra tamin’ny anaran’ny lohan’ny fianakaviambe hafa ny an’ny fianakaviany. Mety ho nampiana anarana hafa koa tao amin’ilay lisitra, rehefa nisy fianakaviana vaovao niforona. Mety tsy hitovy tanteraka àry ny tetirazana nosoratana tany aloha sy tatỳ aoriana, na dia tetirazana iray ihany aza izy ireo.
Toa mpirahalahy ny loham-pianakaviana maromaro miara-voatanisa, nefa mety ho zana-drahalahy ny sasany. Hita izany, ohatra, rehefa natsangan’i Jakoba ho zanany ny zanakalahin’i Josefa, ka hoy izy: “Ho ahy i Efraima sy Manase, tahaka an’i Robena sy Simeona.” (Ge 48:5) Natao ho isan’ireo lehibem-poko àry i Efraima sy Manase tatỳ aoriana, niaraka tamin’ny rahalahin-drainy.—No 2:18-21; Js 17:17.
Notanisaina ao amin’ny Nehemia toko faha-10 ny anaran’ireo nanisy tombo-kase an’ilay “fianianana” hoe hankatò ny didin’Andriamanitra izy ireo. (Ne 9:38) Tsy voatery ho ny anaran’ireo nanao an’ilay fianinana no hita ao, fa mety ho ny anaran’ny lohan’ireo fianakaviambe nisy an’ilay olona. (Ampit. Ezr 10:16.) Maro amin’ireo anarana ao mantsy no mitovy amin’ny an’ireo niara-niverina tamin’i Zerobabela avy tany Babylona, 80 taona teo ho eo talohan’izay. Mety ho solontenan’ny fianakaviambe nisy azy fotsiny àry ireo nanatrika teo, na dia mety ho nitovy anarana tamin’ny lohan’ireo fianakaviambeny ihany aza ny sasany.
Anarana miverimberina. Misy anarana miverimberina ao amin’ny tetirazana iray matetika. Nampitovina tamin’ny anaran’ny razambeny angamba ny anaran’ny olona sasany mba ho mora kokoa aminy ny hahafantatra ny razambeny, na dia misy olona mitovy anarana ihany aza indraindray ao anaty fianakaviambe samy hafa. Ireto, 1Ta 6:8, 12), Azaria (1Ta 6:9, 13, 14) ary Elkana.—1Ta 6:34-36.
ohatra, ny anarana miverimberina ao amin’ny tetirazana iray: Zadoka (Matetika no samy hafa ny anaran’olona iray ao amin’ny lisitra roa miresaka momba ny tetirazany. Mety ho nanana anarana maromaro mantsy ny olona sasany, toa an’i Jakoba izay nantsoina koa hoe “Israely.” (Ge 32:28) Mety ho novana kely koa ny fomba fanoratra an’ilay anarana, ka niova tanteraka ny dikany indraindray. Ireto misy ohatra: Abrama (“Ny Ray dia Avo (Misandratra)”) sy Abrahama (“Rain’ny Vahoaka (Maro)”), Saray (mety hidika hoe “Tia Ady”) sy Saraha (“Andriambavy”). Toa anarana hafa niantsoana an’i Eliho, razamben’i Samoela mpaminany, koa ny hoe Eliaba sy Eliela.—1Sa 1:1; 1Ta 6:27, 34.
Anarana maromaro no iantsoana ny olona iray indraindray ao amin’ny Soratra Grika Kristianina. Nantsoina hoe Kefasy, ohatra, i Simona Petera. Mitovy ihany ny dikan’ilay anarany grika (Petera) sy ilay anarany aramianina (Kefasy). (Lk 6:14; Jn 1:42) Nantsoina hoe Marka koa i Jaona. (As 12:12) Mety ho nomena anarana hafa koa ny olona iray noho ny toetra mampiavaka azy. Nantsoina hoe “Kananeanina” (na “ilay mafana fo”), ohatra, ny apostoly Simona mba hanavahana azy tamin’i Simona Petera. (Mt 10:4; Lk 6:15) Nampiana hoe “zanak’i Alfeo” ny anarana hoe “Jakoba”, mba hanavahana azy tamin’i Jakoba zanak’i Zebedio, rahalahin’ny apostoly Jaona. (Mt 10:2, 3) Mety ho nampiana ny anaran’ny tanàna, faritra, na tany niaviany koa ny anaran’ny olona iray, toy ny hoe Josefa avy any Arimatia sy Jodasy avy any Galilia. (Mr 15:43; As 5:37) Midika hoe Jodasy “Lehilahy avy any Keriota” angamba ny hoe Jodasy Iskariota. (Mt 10:4) Nampiana ny anaran’ny tanàna, faritra, na tany niaviany koa ny anaran’olona sasany, ao amin’ny Soratra Hebreo. (Ge 25:20; 1Sa 17:4, 58) Mety ho nomena koa ny anaran’ny rahalahin’ny olona iray mba hahalalana hoe iza izy. (Jn 1:40) Mba hanavahana an’ireo vehivavy nitovy anarana, dia nampiana ny anaran’ny rainy, reniny, anadahiny, rahavaviny, vadiny, na zanany lahy, ny anarany.—Ge 11:29; 28:9; 36:39; Jn 19:25; As 1:14; 12:12.
Mety hitovy ny anaram-pianakaviana na anaram-boninahitra iantsoana olona maromaro ao amin’ny Soratra Hebreo sy ny Soratra Grika Kristianina. Ny anaran’ilay olona àry no anavahana azy, na ny fotoana nahavelomany sy ny zava-nitranga tamin’izany. Mety ho anaran’olona, ohatra, ny hoe Abimeleka, nefa koa mety ho anaram-boninahitry ny mpanjaka filistinina telo. Toy izany koa ny hoe “Farao” teo amin’ny Ejipsianina. (Ge 20:2; 26:26; 40:2; Ek 1:22; 3:10) Ny fotoana niainany sy ny zava-nitranga tamin’izany àry no nahalalana hoe iza ilay Abimeleka na Farao noresahina. Anaram-pianakaviana ny hoe Kaisara, fa lasa anaram-boninahitra tatỳ aoriana. Nampiarahina tamin’izy io àry ny anaran’ilay olona, ka lasa hoe Aogosto Kaisara na Tiberio Kaisara. (Lk 2:1; 3:1) Anaram-pianakaviana koa ny hoe Heroda. Mba hanavahana hoe iza ilay Heroda noresahina, dia nampiasaina ny anarany, toy ny hoe Agripa, na nampiana anaram-boninahitra hafa, toy ny hoe lehibem-paritra.—Mt 14:1; As 25:13.
Anaram-behivavy. Nosoratana tao amin’ny tetirazana ny anaram-behivavy indraindray, rehefa nilaina tamin’ny tantara. Voaresaka ao amin’ny Genesisy 11:29, 30, ohatra, i Saray (Saraha) satria ho avy aminy, fa tsy ho avy amin’ny vehivavy hafa vadin’i Abrahama, ilay Taranaka nampanantenaina. Noresahina tao koa i Milka, angamba noho izy reniben’i Rebeka vadin’i Isaka, mba hahitana fa havan’i Abrahama ny razamben’i Rebeka. Tsy tokony hanambady vehivavy hafa firenena mantsy i Isaka. (Ge 22:20-23; 24:2-4) Voaresaka ao amin’ny Genesisy 25:1 koa i Ketora, vadin’i Abrahama faharoa. Nanambady indray mantsy i Abrahama taorian’ny nahafatesan’i Saraha ary mbola niteraka izy, 40 taona mahery taorian’ny nanaovan’i Jehovah fahagagana mba hahafahany miteraka. (Ro 4:19; Ge 24:67; 25:20) Asehon’io tetirazana io koa ny fifandraisan’ny Midianina sy ny foko arabo hafa tamin’ny Israely.
Voaresaka ao amin’ny tetirazana koa i Lea, Rahely, ny vadikelin’i Jakoba, ary ny zanakalahin’izy ireo avy. (Ge 35:21-26) Azontsika àry hoe nahoana Andriamanitra no nifandray tamin’ireo zanakalahin’i Jakoba ireo tatỳ aoriana. Noho ireo antony ireo koa no nampidirana anarana vehivavy hafa tao amin’ny tetirazana. Mety ho nosoratana ny anaran’izy ireo, rehefa tamin’ny alalany no nifindran’ny lovan’ny fianakaviany. (No 26:33) Nisongadina i Tamara sy Rahaba ary Rota, satria lasa razamben’ny Mesia na Jesosy Kristy izy ireo noho ny zavatra miavaka nataony. (Ge 38; Rt 1:3-5; 4:13-15; Mt 1:1-5) Ahitana anaram-behivavy koa ny tetirazana ao amin’ny 1 Tantara 2:35, 48, 49; 3:1-3, 5.
Tetirazana sy taranaka. Misy tetirazana ahitana ny anaran’ny lehilahy iray hatramin’ny zafindohaliny, izay heverina ho taranany fahefatra na fahadimy. Mety ho nahita an’ireo taranany rehetra ireo koa anefa ilay lehilahy fony fahavelony. Mety ho ny olona rehetra niara-belona taminy mandra-pahafatiny àry no atao hoe “taranaka” iray, na ireo solofo amam-parany hatramin’izay farany indrindra hitany ny nahaterahany.
Velona 930 taona, ohatra, i Adama, ary niteraka zazalahy sy zazavavy izy. Ny taranany fahafito, fara fahakeliny, no hitany. Mbola velona anefa izy rehefa teraka i Lameka, rain’i Noa. Azo lazaina koa àry fa taranaka faharoa avy tamin’i Adama i Noa, izay nahita ny Safodrano.—Misy ohatra hafa mitovitovy amin’izany ao amin’ny Baiboly. Nilaza tamin’i Abrahama i Jehovah fa ho vahiny honina any amin’ny tany tsy azy ny taranany, nefa hiverina any Kanana izy ireo “amin’ny andron’ny zafiafiny.” (Ge 15:13, 16) Maro ny zazalahy teraka nandritra ireo 215 taona nipetrahan’ny Israelita tany Ejipta, rehefa nisaina ny vahoaka. (No 1-3) Niisa 603 550 mantsy ny lehilahy rehetra 20 taona no ho miakatra (ankoatra ny avy tamin’ny taranak’i Levy), taoriana kelin’ny fanafahana avy tany Ejipta. Azo lazaina anefa hoe tamin’ny ‘andron’ny zafiafy’ (Ge 15:16) no nafahana avy tany Ejipta ny Israelita raha isaina nanomboka tamin’ny nahatongavan’izy ireo tany, izany hoe nanomboka tamin’i Levy, ary nitohy tamin’i 1) Kehata (zanany), 2) Amrama (zafikeliny) ary 3) Mosesy (zafiafiny). (Ek 6:16, 18, 20) Velona 100 taona mahery avy izy ireo. Samy nahita taranaka vitsivitsy nifandimby àry izy ireo, angamba hatramin’ny zafindohaliny na zafin-kitrokeliny, ary mety ho 20 na 30 taona ny lehilahy iray tamin’izy niteraka ny lahimatoany. Tsy mahagaga raha maro be ny Israelita nafahana avy tany Ejipta.—Jereo FANAFAHANA NY ISRAELITA AVY TANY EJIPTA.
Manahiran-tsaina ny manam-pahaizana ara-baiboly ilay fanisam-bahoaka resahin’ny Nomery. Voalaza mantsy fa efatra ny fianakaviana avy tamin’i Kehata (No 3:27, 28) nafahana avy tany Ejipta, ka niisa 8600 (8300, araka ny LXX st sasany) ny lahy hatramin’ny iray volana no ho miakatra. Toa midika izany fa an’arivony ireo rahalahin’i Mosesy sy zanakalahin’ny mpiray tam-po tamin’ny ray sy reniny ary zanakalahin’ny rahalahiny sy anabaviny. Misy àry milaza fa tsy i Amrama, zanak’i Kehata, no rain’i Mosesy fa Amrama hafa, izay velona tatỳ aoriana kokoa, matoa maro be ny lehilahy avy tamin’ireo fianakavian’ny Kehatita efatra tamin’ny fotoana nanafahana ny Israelita.
Antony roa anefa no mety ho nahatonga izany. Voalohany, mety ho tsy notanisaina daholo ny anaran’ny zanakalahin’ny lehilahy iray, araka ny efa hitantsika tetsy aloha. Mety ho maro kokoa noho ireo hita ao anatin’ilay lisitra àry ny zanak’izy efa-dahy zanak’i Kehata. Faharoa, mety ho nahita ny nahaterahan’ny taranany vitsivitsy i Levy sy Kehata sy Amrama ary Mosesy nandritra ny androm-piainan’izy ireo, na dia azo isaina ho taranaka efatra samy hafa koa aza izy efa-mianaka. Na dia atao aza hoe 60 taona avy ny elanelan’i Levy sy Kehata, Kehata sy Amrama, ary Amrama sy Mosesy, dia mety ho taranaka maro no teraka nandritra ilay 60 taona nanelanelana azy ireo. Mety ho nahita ny zafindohaliky ny mpiray tam-po taminy i Mosesy, na ny zafin-kitrokelin’izy ireo mihitsy aza, rehefa nafahana avy tany Ejipta ny Israelita. Tsy voatery ho nisy Amrama hafa àry teo anelanelan’i Amrama zanak’i Kehata sy Mosesy, mba hahazoana an’ireo 8600 (na angamba 8300) lahy.
Ahoana kosa ny amin’ny razamben’ny Mesia na Taranaka nampanantenaina, izay voaresaka ao amin’ny tetirazan’i Nasona, mpiadidy teo amin’ny fokon’i Joda taorian’ny nanafahana ny Israelita avy tany Ejipta? I Jese rain’i Davida no taranaka fahadimy nanomboka teo amin’i Nasona. (Rt 4:20-22) Misy 400 taona eo ho eo anefa nanomboka tamin’ny nanafahana ny Israelita avy tany Ejipta ka hatramin’i Davida. Mety ho 100 taona teo ho eo (toa an’i Abrahama) avy àry ireo razamben’i Davida ireo, tamin’izy ireo niteraka zazalahy. Tsy voatery ho ny anaran’ny lahimatoa koa ireo voatanisa ao amin’ny bokin’i Rota ireo, satria tsy lahimatoan’i Jese, ohatra, i Davida fa faralahiny. I Jehovah koa angamba no nifidy an’io tetirazan’ilay Taranaka nampanantenaina io, mba hahatakaran’ny olona atỳ aoriana fa izy mihitsy no nandrindra ny zava-drehetra mahakasika an’ilay Taranaka, toy ny nataony tamin’i Isaka sy Jakoba.
Mety ho nisy anarana niniana tsy nampidirina tao amin’io tetirazan’ny Mesia io (izay nisy taranaka nifandimby nandritra ny 400 taona), ary misy mitovy amin’izy io ao amin’ny 1 Tantara 2:11-15 sy Matio 1:4-6 ary Lioka 3:31, 32. Mitovy daholo anefa ny anarana voalazan’ireo andininy ireo, ka mety ho tsy nisy nesorina. Tsy olana koa anefa na dia atao aza hoe nesorin’ny mpanoratra ny anarana sasany noheveriny ho tsy zava-dehibe na tsy tena nilaina. Tsy hoe lasa diso akory ny andininy hafa ao amin’ny Baiboly na ny daty manan-tantara ao, raha nisy taranaka maromaro teo anelanelan’ireo voalaza ireo.
Azo itokisana ny tetirazana ao amin’ny Baiboly. Misy olona tso-po miezaka mandalina ny tetirazana ao amin’ny Baiboly. Tsy afaka ny hilaza anefa izy hoe nanao an-tsirambina na nandainga na nanitatra ireo mpanoratra Baiboly mba hanindrahindrana olona iray, na ny fokony na ny fireneny. Nijery an’izay arisivam-pirenena sy antontan-taratasy ofisialy nisy tamin’izany mantsy ireo nampiditra tetirazana tao amin’ny asa sorany (toa an’i Ezra sy Nehemia). (Jereo TANTARA, BOKIN’NY.) Tao amin’ireny no nahitany ny fanazavana nilainy. Nampiasa an’ireo tetirazana nosoratany izy ireo mba hanaporofoana an’izay rehetra nila noporofoina tamin’izany fotoana izany. Neken’ny olona tamin’izany fa marina ireny tetirazana ireny, satria azo nohamarinina. Mila fantarintsika àry hoe inona no toe-javatra nisy tamin’ny fotoana nanoratan’izy ireo an’ilay tetirazana. Nalamina indray, ohatra, ny rafitra nisy teo amin’ilay firenena tamin’i Ezra sy Nehemia nanoratra ny bokiny, ka tena nilaina ny tetirazana nangonin’izy ireo.
Niovaova araka ny fandehan’ny fotoana ireny tetirazana ireny. Nisy anarana nampidirina ary nisy nesorina. Ny anaran’ireo lohan’ny fianakaviambe tena nalaza ihany matetika no nosoratana tao amin’ny lisitra efa ela. Nety ho nisy anaran’olona tsy dia nalaza ihany anefa indraindray, satria nilaina izy ireny tamin’ny fotoana nanaovana ilay tetirazana. Mety ho ampahana tetirazana fotsiny koa no tao amin’ny loharanon-kevitra sasany. Tsy tao angamba ny ampahany sasany, na nisy tsy nampidirin’ilay mpanoratra mihitsy satria tsy tena nilainy sady tsy ilaintsika ankehitriny koa.
Mety ho nanao fahadisoana vitsivitsy ihany ny mpanao dika soratra, indrindra rehefa nandika anarana. Kely ihany anefa izy ireny ka tsy manova an’ireo tetirazana ilaintsika fantarina ao amin’ny Baiboly, sady tsy manova ny foto-pinoan’ny Fivavahana Kristianina.
Misy milaza fa noforonin’ny mpanoratra fotsiny ny anarana sasany ao amin’ny Genesisy toko faha-5 sy 11 sy ao amin’ny boky hafa ao amin’ny Baiboly, satria efa nisy tetika nokotrehiny. Tsy marina anefa izany rehefa fakafakaina tsara ny Baiboly. Mpanompon’i Jehovah, fa tsy mpanindrahindra tanindrazana, ireny mpanoratra ireny. Ny anaran’i Jehovah sy ny fifandraisany tamin’ny vahoakany àry no zava-dehibe taminy. Samy nilaza koa na ny olon-kafa nanoratra Baiboly na i Jesosy Kristy fa tena nisy ny olona resahin’ireo tetirazana ireo. (Is 54:9; Ezk 14:14, 20; Mt 24:38; Jn 8:56; Ro 5:14; 1Ko 15:22, 45; 1Ti 2:13, 14; He 11:4, 5, 7, 31; Jk 2:25; Jd 14) Toy ny milaza ny olona tsy manaiky an’ireo porofo rehetra ireo fa mpandainga sy fetsifetsy ilay Andriamanitry ny fahamarinana, ka nanao tetika mba hinoan’ny olona ny Teniny. Tsy manaiky koa ilay olona fa avy amin’ny fanahy masina ny Baiboly.
Hoy ny apostoly Paoly: “Ny Soratra Masina iray manontolo dia avy amin’ny herin’ny fanahy masin’Andriamanitra, ary mahasoa mba hampianarana, hananarana, hanitsiana izay diso, hanafaizana araka ny fahamarinana, mba hahatonga ny olon’Andriamanitra ho tena mahay sy ho ampy fitaovana tsara ho amin’ny asa tsara rehetra.” (2Ti 3:16, 17) Azontsika atokisana tanteraka àry ny tetirazana ao amin’ny Baiboly. Tsy taloha ihany no nilaina ny isa hita ao amin’izy ireny fa hatramin’izao koa. Ireny tetirazana ireny no mahatonga antsika hahazo antoka fa i Jesosy Kristy tokoa ilay Taranak’i Abrahama nampanantenaina sy nandrasana hatry ny ela. Manjary fantatra koa hoe firy taona no lasa hatramin’ny namoronana an’i Adama, ary tsy hita na aiza na aiza izany fanazavana izany. Lasa fantatsika fa “avy tamin’ny olona anankiray no [nanaovan’Andriamanitra] ny olona any amin’ny firenena rehetra mba honina manerana ny tany manontolo.” (As 17:26) Marina tokoa fa “fony nanome lova ho an’ireo firenena ilay Avo Indrindra, fony izy nanasaratsaraka ny taranak’i Adama, dia nofaritany ny sisin-tanin’ireo firenena, araka ny isan’ny zanak’Israely.” (De 32:8) Azontsika koa izao ny ifandraisan’ireo firenena.
Fantatsika ny niandohan’ny olombelona sy ny hoe “zanak’Andriamanitra” i Adama tamin’ny voalohany, ary taranany daholo isika. (Lk 3:38) Mazava amintsika àry ilay andininy hoe: “Tahaka ny nidiran’ny ota avy tamin’ny olona iray ho amin’izao tontolo izao, ary avy tamin’ny ota no nidiran’ny fahafatesana, ka niely tamin’ny olona rehetra ny fahafatesana, satria samy efa nanota izy rehetra.” (Ro 5:12) Azontsika koa ny antony ilazana an’i Jesosy Kristy hoe “Adama farany” sy “Ray Mandrakizay”, ary nahoana no lazaina fa “tahaka ny ahafatesan’ny rehetra ao amin’i Adama, no hamelomana ny rehetra koa ao amin’i Kristy.” (Is 9:6; 1Ko 15:22, 45) Takatsika kokoa ny fikasan’Andriamanitra hoe ho lasa ‘zanany’ indray ny olona mankatò. (Ro 8:20, 21) Hitantsika fa anehoan’i Jehovah hatsaram-panahy feno fitiavana ireo tia azy sy mitandrina ny didiny, “hatramin’ny taranaka arivo mandimby.” (De 7:9) Miharihary fa mpanaja fifanekena tokoa Andriamanitra, ary nataony izay hiraketana an-tsoratra ny zava-nitranga teo amin’ny tantara, mba ho marim-pototra ny finoantsika. Porofoin’ireo tetirazana sy lafin-javatra hafa ao amin’ny Baiboly fa Andriamanitra no tena Mpanoratra sy Mpitahiry tantara.—Jereo TETIRAZAN’I JESOSY KRISTY.
Torohevitr’i Paoly. Nanoratra ho an’i Timoty i Paoly tamin’ny taona 61-64 tany ho any, ary nampitandrina azy mba tsy hihaino “tantara tsy marina na handinika tetirazana tsy mitondra na ho aiza na ho aiza. Miteraka fanontaniana ilana fikarohana izany, fa tsy fanomezana zavatra avy amin’Andriamanitra, dia zavatra manatanjaka finoana.” (1Ti 1:4) Nety tsara io fampitandremana io satria lasa sarotiny be ny Jiosy rehefa nandinika tetirazana, ka nitsingoloka an’izay diso kely hitany. Milaza ny Talmoda babylonianina (Pesahim 62b) fa “be dia be ny fanazavana nomena momba an’ireo anarana teo anelanelan’i ‘Azela’ sy ‘Azela’ [1 Tantara 8:38–9:44, ampahana tetirazana ao amin’ny Baiboly], ka toy ny hoe rameva efajato vao nahazaka an’ilay izy!”—Talmoda Babylonianina Nadika Amin’ny Teny Hebreo sy Anglisy, nadikan’i H. Freedman, Londres, 1967.
Tsy nilaina nianarana sy nofakafakaina ireny tetirazana ireny, mainka moa fa tamin’ny fotoana nanoratan’i Paoly ho an’i Timoty. Tsy zava-dehibe intsony mantsy ny nanaporofoan’ny olona hoe iza no razambeny, satria tsy navahan’Andriamanitra intsony ny Jiosy sy ny hafa firenena teo anivon’ny fiangonana kristianina. (Ga 3:28) Efa voaporofo koa fa taranak’i Davida i Kristy. Tsy ho ela taorian’ny nanoratan’i Paoly ny taratasiny dia horavana i Jerosalema. Ho potika koa ny tetirazan’ny Jiosy, satria tsy narovan’Andriamanitra. Nanahy àry i Paoly sao ho lany andro hikaroka sy hiady hevitra be momba ny tetirazana i Timoty sy ny fiangonana, nefa tsy hanatanjaka ny finoan’izy ireo akory izany. Efa ampy ny tetirazana ao amin’ny Baiboly mba hanaporofoana fa i Kristy no Mesia, ary io no tetirazana ilain’ny Kristianina indrindra. Porofoin’ny tetirazana hafa ao amin’ny Baiboly koa fa marina ny Soratra Masina, ary azo itokisana ny tantara ao anatiny.