Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Tirsata

Tirsata

(Tirsàta).

Anaram-boninahitra persianina nentin’ny governoran’ny faritany. Miseho indimy izy io, ary anaram-boninahitra tokoa satria misy mpanoritra voafaritra hebreo hoe ha eo alohany ka lasa hoe “ha Tirsata” amin’ny teny hebreo.

Governoran’i Joda, faritany nofehezin’ny Persianina, ireo manam-pahefana nantsoin’ny Baiboly hoe “Tirsata”, toa an’i Zerobabela (Ezr 2:63, f.a.p.; Ne 7:65, 70, f.a.p.) sy Nehemia izay voatendry tatỳ aoriana.​—Ne 8:9; 10:1.