Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Torohevitra, Mpanolo-tsaina

Torohevitra, Mpanolo-tsaina

Olona manome torohevitra no atao hoe mpanoro hevitra na mpanolo-tsaina, ary ny hevitra omeny no atao hoe torohevitra.

Maro ny teny hebreo sy aramianina ampiasain’ny Soratra Masina mba hilazana ny hoe “torohevitra”, fa ny tena fampiasa matetika dia ilay anarana hebreo hoe ʽetsah sy ilay matoanteny hoe yaʽats, izay iray fiaviana aminy. Adika koa hoe “tetika” anefa ny hoe ʽetsah. (Is 8:10) Ao amin’ny Soratra Grika Kristianina kosa, dia ilay anarana hoe bole sy symboliôn no ilazana ny hoe “torohevitra.” Misy teny hafa koa andikana ny hoe bole. Eo, ohatra, ny hoe “tetika” (Lk 23:51), “fikasana” (As 5:38), ‘sitrapo efa voambara mazava’ (As 13:36), ary “tapa-kevitra” (As 27:42).

Hita amin’izany fa ny hoe “torohevitra” dia mety hidika koa hoe “sitrapo”, “fikasana”, na hevitra efa masaka ao an-tsaina. Izany no tian’i Jehovah holazaina rehefa niteny izy hoe: “Tsy hiova ny fikasako.” (Is 46:10) Inona kosa ilay “fikasan’ny fo [a.b.t.: torohevitry ny fo]” resahin’ny 1 Korintianina 4:5? Izay ao am-pon’ny olona, izany hoe ny fikasany na koa ny tetika na zavatra eritreretiny hatao, na izay zavatra efa masaka ao an-tsainy. Izany rehetra izany no haharihary rehefa ho avy hitsara i Jesosy Kristy Tompo. Inona no hevitry ny hoe ‘araka izay kasain’ny sitrapon’Andriamanitra’ (a.b.t.: araka ny torohevitry ny sitrapon’Andriamanitra), ao amin’ny Efesianina 1:11? Mety hidika izy io hoe “araka ny fikasany na ny hevitra efa masaka ao an-tsainy, izany hoe ny sitrapony.” Nilaza ny apostoly Paoly fa tsy nanana trosan-dra izy, satria tsy niahotra nampianatra ny sitrapon’Andriamanitra rehetra (a.b.t.: torohevitr’Andriamanitra rehetra) (“ny fikasan’Andriamanitra”, DIEM), izany hoe izay rehetra ilaina mba hahavoavonjy.​—As 20:27.

Tena nilaina ny olon-kendry, ary natao mpanolo-tsain’ny mpanjaka na mpanoro hevitra azy izy ireny. (Jereo 2Sa 16:23.) Nitana toerana ambony izy ireny, ka nisy nanome tsolotra indraindray mba hanaovany ny tsy mety. Nanome tsolotra an’ireo mpanolo-tsaina persianina angamba ny fahavalon’ny Jiosy, rehefa lazaina hoe nanakarama mpanolo-tsaina.​—Ezr 4:5.

Tsy misy olombelona tapi-pahalalana. Hendry àry izay manaraka ny torohevitra tsara omena azy. (Oh 12:15) Tena hadalana kosa ny mandà torohevitra tsara avy amin’ny mpanolo-tsaina za-draharaha. Izany indrindra anefa no nataon’i Rehoboama Mpanjaka.​—1Mp 12:8.

Tapi-pahendrena i Jehovah ka izy irery no tsy mila mpanoro hevitra. (Is 40:13; Ro 11:34) “Mpanolo-tsaina Mahagaga” koa ilay Zanany ka afaka manoro sy manome tari-dalana, noho izy nanaraka ny torohevitry ny Rainy sady manana ny fanahin’Andriamanitra. (Is 9:6; 11:2; Jn 5:19, 30) Asehon’izany fa tsy maintsy ampifanarahina amin’ny hevitr’i Jehovah ny torohevitra, raha tiana hahasoa. Tsy misy ilana azy ny torohevitra mifanohitra amin’izay lazain’ilay Avo Indrindra, ary tsy azo lazaina hoe torohevitra akory aza.​—Oh 19:21; 21:30.