Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Tsy Mizaha Tavan’olona, Tsy Miangatra

Tsy Mizaha Tavan’olona, Tsy Miangatra

Tsy mitsara an-tendrony; manao ny rariny; tsy manome tombony olona iray satria hoe ambony izy na mahay miresaka na manankarena na nanome tsolotra, na satria hoe mampalahelo izy fa mahantra na ambany saranga. Manao ny rariny sy ny hitsiny foana ny olona tsy miangatra, arakaraka izay ilain’ny tsirairay sy izay mendrika azy.​—Oh 3:27.

Midika ara-bakiteny hoe “mampitraka ny loha” ny teny hebreo hoe nasaʼ panim nadika hoe “momba” na “miangatra amin’ny.” (Le 19:15) Fanaon’ny Tatsinanana ny niondrika rehefa niarahaba, ka ny olona noarahabaina no nampitraka ny lohan’ilay niarahaba. (Ampitahao amin’ny Genesisy 32:20 izay ahitana ny hoe ‘mandray tsara’ avy amin’ny teny hebreo midika ara-bakiteny hoe “mampitraka ny loha.”) Lasa nilazana fiangarana amin’ny olona manao kolikoly anefa io teny io, sy ilay teny hebreo hoe nakar panim (a.b.t.: mahafantatra ny tava; nadika hoe “mizaha tavan’olona”). (De 1:17; 16:19) Mitovy dika amin’ilay teny hebreo ny teny grika hoe lambanô prôsôpôn (a.b.t.: mandray na manaiky ny tava; nadika hoe “mizaha tavan’olona”). (Lk 20:21) Nadika hoe “mizaha tavan’olona” ireo teny grika ireo rehefa miaraka.​—Ro 2:11; Jk 2:1, 9; As 10:34.

Tsy mizaha tavan’olona i Jehovah. “Tsy miangatra amin’iza na iza, ary tsy mandray kolikoly” izy. (De 10:17; 2Ta 19:7) Hoy ny apostoly Petera tamin’izy nirahin’Andriamanitra hitory ny vaovao tsara tamin’i Kornelio, olona hafa firenena tsy voafora: “Hitako marina izao fa tsy mizaha tavan’olona Andriamanitra, fa amin’ny firenena rehetra, izay olona matahotra azy ka manao ny marina no ankasitrahany.”​—As 10:34, 35; Ro 2:10, 11.

Tsy misy afaka milaza hoe tsy mety ny fanapahan-kevitr’i Jehovah sy ny ataony, satria izy no Mpamorona sady Fara Tampony. Afaka manao izay tiany hatao amin’ny zavaboariny izy, ary tsy manana adidy na amin’iza na amin’iza. (Ro 9:20-24; 11:33-36; Jb 40:2) Mifandray amin’ny olona iray na maromaro na amin’ny firenena izy, arakaraka ny fikasany sy ny fotoana voatondrony. (As 17:26, 31) Tsy mizaha tavan’olona anefa izy. Arakaraka ny toetran’ny tsirairay sy ny ataony no amaliany azy, fa tsy arakaraka ny bika aman’endriny na ny fananany. (1Sa 16:7; Sl 62:12; Oh 24:12) Izany koa no ataon’i Jesosy Kristy Zanany.​—Mt 16:27.

Tsy niangatra tamin’ny Israely. Misy milaza fa niangatra i Jehovah nifidy ny Israely ho vahoakany sy nankasitraka azy. Tsy marina anefa izany rehefa dinihina ny fifandraisan’i Jehovah tamin’ny Israely. Tsy noho izy ireo niavaka sy maro be no nifidianany azy, fa noho izy tia an’i Abrahama namany sy razamben’izy ireo sady nankasitraka ny finoany sy ny tsy fivadihany. (Jk 2:23) Nahari-po tamin’ireo koa izy satria nitondra ny anarany izy ireo. (De 7:7-11; Ezk 36:22; De 29:13; Sl 105:8-10) Notahina be lavitra noho ireo firenena tsy nanana ny Lalàna ny Israely rehefa nankatò. Nanam-paharetana sy namindra fo kosa Andriamanitra rehefa tsy nankatò izy ireo, nefa nanasazy azy koa. Vahoakan’Andriamanitra izy ireo, nefa koa andraikitra mavesatra ny hoe nitondra ny anarany sady teo ambanin’ny Lalàna. Voaozona mantsy izay mandika ny Lalàna. Hoy ny Deoteronomia 27:26: “Voaozona izay tsy mampanan-kery ny teny ato amin’ity lalàna ity sy tsy mankatò izany.” Voaozona ny Jiosy rehefa tsy nankatò ny Lalàna, sady voaheloka ho faty satria taranak’i Adama mpanota. (Ro 5:12) Tsy maintsy maty sy nahantona tamin’ny hazo fijaliana àry i Kristy, hoy ny apostoly Paoly, mba hanafahana azy ireo tamin’izany.​—Ga 3:10-13.

Tsy niangatra tamin’ny Israely àry Andriamanitra. Nampiasa azy ireo kosa izy mba hahazoan’ny firenena rehetra fitahiana (Ga 3:14) sy handraisany soa amin’ny fotoana voatondro. Hoy i Paoly: “Andriamanitry ny Jiosy ihany ve izy? Tsy Andriamanitry ny hafa firenena koa ve izy? Eny, an’ny hafa firenena koa, raha iray ihany tokoa Andriamanitra, izay hanambara fa marina ny voafora, noho ny finoany, ary hanambara fa marina ny tsy voafora, noho ny finoany ihany koa.” (Ro 3:29, 30) Nankasitrahan’Andriamanitra sy notahiny izay hafa firenena niaraka tamin’ny Jiosy taloha, raha nanompo an’i Jehovah Andriamanitry ny Israely sy nankatò ny didiny, toy ny nataon’ny Gibeonita sy ny Netinima (na “Ireo Nomena”) ary ny vahiny maro hafa.​—Js 9:3, 27; 1Mp 8:41-43; Ezr 8:20; No 9:14.

Tsy navelan’i Jehovah hitondra ny anarany intsony ny Israely tatỳ aoriana, na dia nanam-paharetana sy namindra fo aza izy isaky ny nibebaka izy ireo. (Lk 13:35; Ro 11:20-22) Tanteraka ny tenin’i Paoly hoe: “Hamaly ny tsirairay araka izay nataony avy izy: ... fahavinirana sy fahatezerana, sy fahoriana ary fijaliana, eny, ho an’izay rehetra manao ratsy, eo amin’ny Jiosy aloha vao ny Grika koa; ho an’izay rehetra manao ny tsara kosa, ho an’ny Jiosy aloha vao ny Grika koa, dia voninahitra sy haja ary fiadanana. Fa tsy mizaha tavan’olona Andriamanitra.”​—Ro 2:6-11.

Toy ny hoe niangatra tamin’ny Israely Andriamanitra, raha jerena maimaika. Rehefa dinihina lalina anefa dia hita hoe tsy mizaha tavan’olona sy manao ny rariny izy, tsy araka ny nieritreretan’ny olona azy, satria ny hahazoan’ny olona rehetra sitraka aminy sy fiainana no tena tanjony.​—Is 55:8-11; Ro 11:33.

Tsy niangatra tamin’i Davida. Nilaza tamin’i Mosesy i Jehovah fa sanatria azy ny tsy hanasazy izay tokony hosazina. (Ek 34:6, 7; Kl 3:25) Na i Davida, izay mpanompo tena tiany sy nanaovany fifanekena momba ilay fanjakana, aza nosaziny mafy rehefa nanota. Hoy i Jehovah taminy taorian’ny nanotany tamin’i Batseba sy Oria vadin’izy io: “Hampipoitra loza avy ao amin’ny ankohonanao aho, mba hamelezana anao. Ary halaiko eo imasonao ireo vadinao, ka homeko ho an’ny namanao. Dia hanao firaisana amin’izy ireo eo imasom-bahoaka izy. Ianao nanao zavatra tao amin’ny miafina, fa izaho kosa hanao izany zavatra izany eo imasom-bahoaka eo anatrehan’ny Israely rehetra.”​—2Sa 12:11, 12.

Resahin’ny Baiboly fa nampitondra faisana an’i Davida tokoa ny fianakaviany. (2Sa toko 13-18; 1Mp 1) Nizaka fahoriana maro izy, na dia tsy novonoin’Andriamanitra ho faty aza ho fanajana an’ilay fifanekena nataony taminy momba ilay fanjakana. (2Sa 7:11-16) Marina ny tenin’i Eliho hoe “Ilay tsy miangatra amin’ny andriana” Andriamanitra. (Jb 34:19) Noho ny soron’i Jesosy Kristy ho avy anefa, dia sady afaka namela ny helok’i Davida izay nibebaka Andriamanitra no afaka nanao izay marina sy mahitsy foana. (Ro 3:25, 26) Tsy manavakavaka sy manao ny rariny tokoa Izy rehefa hanangana an’i Oria sy ny hafa amin’ny maty, noho ny soron’ilay Zanany. Tsy hisy hijaly noho ny tsy rariny intsony amin’izay.​—As 17:31.

Torohevitra ho an’ny mpitsara. Nodidian’i Jehovah toy izao ireo mpitsara tany Israely: “Aza mizaha tavan’olona rehefa mitsara.” (De 1:17; 16:19; Oh 18:5; 24:23) Tsy tokony hiandany amin’ny mahantra izy ireo satria fotsiny hoe mahantra ilay olona na mampalahelo, na mpanankarena no miady aminy. Tsy tokony hiangatra amin’ny mpanankarena koa izy ireo satria hoe be vola ilay olona, na hanao izay rehetra tian’izy io satria hoe te hahazo sitraka aminy, na nomeny tsolotra, na matahotra ny heriny sy ny fahefany. (Le 19:15) Nomelohin’Andriamanitra ireo mpisorona levita fa nandika ny lalàny, ary indrindra fa niangatra rehefa nitsara.​—Ml 2:8, 9.

Eo anivon’ny fiangonana kristianina. Lalàna eo anivon’ny fiangonana ny hoe tsy tokony hiangatra. Manota àry izay mizaha tavan’olona (Jk 2:9), ary lasa “mpitsara miangatra.” (Jk 2:1-4) Tsy ananany ny fahendrena avy any ambony izay tsy manavakavaka na miangatra. (Jk 3:17) Mitovy amin’ny an’i Timoty, mpiandraikitra tamin’izany, ny adidin’ireo mpiandraikitra eo anivon’ny fiangonana. Hoy i Paoly taminy: “Mandidy mafy anao eo anatrehan’Andriamanitra sy Kristy Jesosy ary ny anjely voafidy aho, mba hitandrina izany zavatra izany tsy misy fitsarana an-tendrony, ka tsy hiangatra ianao amin’izay rehetra ataonao.” Mihatra indrindra izany rehefa misy raharaha ara-pitsarana alamina eo anivon’ny fiangonana.​—1Ti 5:19-21.

“Mandoka olona mba hahazoana tombony.” Hosazina mafy izay mizaha tavan’olona. Hoy i Joda, rahalahin’i Jesosy: “Olona mpimenomenona ireny, be taraina ny amin’ny toe-piainana misy azy, mandeha araka ny faniriany. Ny vavany mamoaka teny fireharehana, rehefa mandoka olona mba hahazoana tombony.” (Jd 16) “Mahatonga fisarahana [ireny], dia olona araka ny nofo, fa tsy araka ny fanahy.” (Jd 19) Mety hitaona olon-kafa hanao izay tiany izy ireny rehefa manao teny fireharehana sy mandoka, toy ny ataon’ireo “mitsofoka mangingina any an-tokantrano, ary alainy ho babo ny vehivavy osa ara-panahy sy vesaran’ota ary tarihin’ny faniriana maro samihafa.” (2Ti 3:6) Ho ringana àry izy ireny.​—Jd 12, 13.

“Mendrika hahazo fanajana roa heny.” Raha tsy tokony hiangatra àry ny Kristianina, nahoana no tokony homena “fanajana roa heny” ny anti-panahy mahay mitondra, “indrindra fa izay mikely aina amin’ny fitenenana sy ny fampianarana”? (1Ti 5:17) Satria miasa mafy izy ireo sady mazoto miantsoroka ny andraikitra fanampiny nankinina taminy, fa tsy hoe satria tsara toetra na mahay. Tokony hohajaina ny lamina napetrak’Andriamanitra sy ireo notendreny. Tokony hiara-miasa sy hanohana tsara an’ireo anti-panahy ny Kristianina, mba ho vita ny asan’ny fiangonana. (He 13:7, 17) Ho mafy kokoa no hitsarana ny mpampianatra eo anivon’ny fiangonana, hoy i Jakoba rahalahin’i Jesosy, satria manana andraikitra be eo anatrehan’Andriamanitra izy ireo. (Jk 3:1) Mendrika ny hohenoina sy hankatoavina ary homem-boninahitra àry izy ireo. Tokony homen’ny vehivavy voninahitra sy haja koa ny vadiny, izay manana andraikitra hamelona ny ankohonany ka mbola hataon’Andriamanitra ampamoaka. (Ef 5:21-24, 33) Tsy fizahan-tavan’olona àry ny fanajana an’ireo lehilahy nomen’Andriamanitra andraikitra.

Fanajana mpitondra. Didiana hanaja an’ireo mpitondra ny Kristianina, tsy hoe noho ny toetran’izy ireny (mety ho ratsy toetra ny sasany) na noho izy ireny afaka manome tombontsoa, fa ho fankatoavana ny didin’Andriamanitra sy ho fanajana ny andraikitra tanan’izy ireny. Hoy i Paoly: “Aoka ny olona rehetra samy hanaiky ny manam-pahefana, fa tsy misy fahefana afa-tsy izay avy amin’Andriamanitra. Eny, napetrak’Andriamanitra eo amin’ny toerany avy ny manam-pahefana. Koa izay manohitra ny fahefana dia manohitra ny lamina napetrak’Andriamanitra.” (Ro 13:1, 2) Hampamoahin’Andriamanitra izy ireny raha manampatra ny fahefany. Tokony hanaja sy hanome voninahitra an’ireo manam-pahefana ny Kristianina, satria hoy ny Romanina 13:7: “Aloavy amin’izy rehetra àry izay tokony ho azy avy: Ny hetra ho an’izay mitaky hetra, ny haba ho an’izay mitaky haba, ny tahotra ho an’izay tokony hatahorana, ny haja ho an’izay tokony hohajaina.” Tsy mizaha tavan’olona àry ny Kristianina raha hajainy kokoa noho ny olom-pirenena tsotra ny mpitondra.