Tyro
(Tỳro) [Vatolampy].
Seranan-tsambo lehibe indrindra tany Fenisia. Misy mihevitra azy io ho Sour, 50 km eo ho eo avaratry ny Tendrombohitra Karmela ary 35 km atsimo atsimoandrefan’i Sidona. (SARY, Boky Faha-2, p. 531) Tanàna efa nisy hatry ny ela i Tyro (Is 23:1, 7), saingy tsy fantatra hoe oviana ny Sidonianina no nanorim-ponenana tao. Taorian’ny nahazoana ny Tany Nampanantenaina tamin’ny 1467 T.K. tany ho any no niresahana azy voalohany, ary tanàna voaro mafy izy io tamin’izay. Anisan’ny sisin-tanin’ny fokon’i Asera i Tyro. Toa tanàna nahaleo tena tany ivelan’i Israely foana i Tyro.—Js 19:24, 29; 2Sa 24:7.
Nisy fotoana nifandray tsara i Tyro sy Israely, indrindra fa tamin’ny andron’i Davida sy Solomona Mpanjaka. Nisy mpiasa mahay avy any Tyro nanorina ny lapan’i Davida, ka hazo sedera nalefan’i Hirama mpanjakan’i Tyro no nampiasainy. (2Sa 5:11; 1Ta 14:1) Nanome hazo sedera ho an’i Davida koa ny mponina tany, mba hanorenana ny tempoly.—1Ta 22:1-4.
Rehefa maty i Davida, dia mbola nanome fitaovana sy mpiasa ho an’i Solomona i Hirama Mpanjaka, mba hampiasainy tamin’ny fanorenana ny tempoly sy tranom-panjakana hafa. (1Mp 5:1-10; 7:1-8; 2Ta 2:3-14) Anisan’ny mpiasa nampanaovina ny tempoly ny lehilahy iray metisy israelita. Avy any Tyro ny rainy izay nahay asa varahina, ary Israelita ny reniny. (1Mp 7:13, 14; 2Ta 2:13, 14) Nomena varimbazaha, orza, menaka, ary divay ny mponin’i Tyro ho karamany. (1Mp 5:11, 12; 2Ta 2:15) Nomen’i Solomona tanàna 20 koa ny mpanjakan’i Tyro, saingy tsy nahafa-po azy ilay fanomezana.—1Mp 9:10-13.
Anisan’ny firenena nanana tafika an-dranomasina natanjaka i Tyro. Nalaza ho nandeha lavitra ireo tantsambony sy ireo andian-tsambon’i “Tarsisy” nampiasainy tamin’ny varotra. Niara-niasa koa i Solomona sy ny mpanjakan’i Tyro. Nanao sambo izy ireo ary nalefany naka zava-tsarobidy toy ny volamena avy any Ofira izy ireny.—1Mp 9:26-28; 10:11, 22; 2Ta 9:21.
Tsy liana tamin’ny fanompoana an’i Jehovah anefa ny mponin’i Tyro, na dia nifandray tamin’ny Israelita aza. Resaka varotra kosa no tena nifampiraharahan’izy ireo. Kananita ny mponin’i Tyro, ary azo lazaina ho nivavaka tamin’i Bala ihany. I Melkart sy Astarta no andriamaniny lehibe indrindra. Nanambady an’i Ahaba, mpanjakan’ny fanjakan’ny Israely tany avaratra, i Jezebela zanakavavin’i Etibala mpanjakan’ny Sidonianina (anisan’izany ny mponin’i Tyro). Ratsy laza i Jezebela noho izy tapa-kevitra ny hamongotra ny fivavahana tamin’i Jehovah.—1Mp 16:29, 31; 18:4, 13, 19.
Nomelohin’Andriamanitra. Tena ratsy fanahy i Jezebela sy Atalia zanany vavy, kanefa tsy izany no nahatonga an’Andriamanitra hanameloka an’i Tyro. Nohararaotin’i Tyro ny firenen-kafa, anisan’izany ny Israely, ka izany no nampanan-karena azy. Mpamokatra zavatra vita amin’ny metaly sy loko volomparasy izy, ary mpanao fitaratra sy vera. Foibe ara-barotra ho an’ireo mpivaro-mandeha koa izy, ary fanatobiana entana nohafarana sy naondrana. Nanan-karena àry i Tyro ka nanambony tena sy nirehareha. Nihambo ho andriana sy olo-nanan-kaja teto an-tany ireo mpivarotra tao. (Is 23:8) Nanohitra an’i Jehovah sy sahy nihantsy azy koa i Tyro, ka niray tetika tamin’ny firenena nanodidina mba hamelezana ny vahoakan’Andriamanitra. (Sl 83:2-8) Nomelohina àry izy, ka resy sy rava tatỳ aoriana.
Nomarihin’i Jehovah ny fireharehan’i Tyro, tamin’ny faramparan’ny taonjato fahasivy T.K. Nilaza àry izy fa hatsingeriny eo an-dohany ny nataony, noho izy nandroba ny volamena sy ny volafotsy ary ny zava-tsarobidy maro hafan’ny olony, mba hanatsarana ny tempolin’ireo sampy. Hatao ampamoaka koa i Tyro satria nivarotra ny vahoakan’Andriamanitra ho andevo.—Nanambara fanamelohana an’i Tyro koa i Isaia mpaminany, ka nilaza fa hohadinoina mandritra “ny fitopolo taona” izy io. (Is 23:1-18) Naminany i Jeremia, taona maro tatỳ aoriana, fa ho anisan’ireo firenena hisotro amin’ny kaopy misy ny divain’ny fahatezeran’i Jehovah i Tyro. (Je 25:8-17, 22, 27; 27:2-7; 47:2-4) Nilaza koa izy fa “hanompo ny mpanjakan’i Babylona fitopolo taona” ireo firenena ireo. (Je 25:8-11) Toa samy naminany momba ny hanafihan’i Nebokadnezara an’i Tyro àry i Isaia sy Jeremia.
Nilaza mialoha tamin’ny alalan’i Ezekiela (niara-belona tamin’i Jeremia) koa i Jehovah fa hataon’i Nebokadnezara mahita faisana i Tyro. (Ezk 26:1–28:19) Noharina tamin’ny sambo tsara tarehy i Tyro, dia sambo misy lain-tsambo maro loko sy tokotanin-tsambo voarakotra lamba ary lohan-tsambo voaravaka ivoara. Hilentika eny afovoan-dranomasina anefa izy. (Ezk 27:3-36) Nirehareha ny ‘mpanjakan’i’ Tyro (mety ho tarana-mpanjaka avy any) hoe: “Andriamanitra aho. Eo amin’ny toeran’andriamanitra no misy ahy.” Tsy masina anefa izy, ka hesorina amin’ny toerany ary holevonina amin’ny afo.—Ezk 28:2-19.
Noravana. Nataon’i Nebokadnezara fahirano an-taonany maro i Tyro. ‘Sola mihitsy ny lohan’ny’ miaramilany nikasokasoka tamin’ny fiarovan-doha. ‘Niendaka mihitsy koa ny hoditra teo amin’ny sorony’ nilanja an’ireo fitaovana nanaovana fahirano. Nampiasain’i Jehovah hampihatra ny didim-pitsarany tamin’i Tyro i Nebokadnezara, kanefa tsy nahazo “karama.” Nampanantena àry Izy fa homeny azy ny harenan’i Ejipta ho valisoany. (Ezk 29:17-20) Nilaza i Josèphe, Jiosy mpahay tantara, fa naharitra 13 taona ilay fahirano (Diso Hevitra i Apion, I, 156 [21]), ary tena mafy tamin’ny Babylonianina ilay izy. Tsy tena resahin’ny tantara hoe hoatran’ny ahoana ny hamafin’ny ezaka nataon’i Nebokadnezara, na ny fahombiazany. Azo antoka anefa fa maro be ny aina sy fananana nafoin’ny mponin’i Tyro.—Ezk 26:7-12.
Afaka nanome hazo sedera avy any Libanona ho an’ny Israelita tafaverina avy tany Babylona anefa ny mponin’i Tyro tatỳ aoriana, mba hanorenana indray ny tempoly. Nifampiraharaha ara-barotra tamin’i Jerosalema koa izy ireo, rehefa voaorina indray izy io.—Ezr 3:7; Ne 13:16.
Tsy nifarana tamin’ilay ady nifanaovany tamin’i Nebokadnezara ny tantaran’i Tyro. Nisy faminaniana nilaza tatỳ aoriana fa i Jehovah mihitsy no handrava tanteraka an’ilay tanàna, na dia nanangana tovon-tany sy nanangona volafotsy sy volamena be dia be aza izy io.—Za 9:3, 4.
Tanteraka ilay faminaniana, 200 taona latsaka kely tatỳ aoriana. Namakivaky an’i Azia Minora i Aleksandra Lehibe sy ny tafiny tamin’ny 332 T.K. Nianatsimo izy avy eo ary nijanona elaela tany, ka nieritreritra ny hanafika an’i Tyro. Tsy navelan’ny mponin’i Tyro hiditra tao an-tanàna anefa izy. Tezitra be àry izy, ka nasainy nangonin’ny tafiny ny sisan-javatra tavela tamin’ilay tanàna taloha. Natsipy tao an-dranomasina izany mba hanaovana lalana nankeny amin’ilay nosy. Tanteraka ny faminaniana! (Ezk 26:4, 12; KISARY, Boky Faha-2, p. 531) Tsy navelan’ny tafika an-dranomasin’i Aleksandra hihetsika tao an-tseranana ny sambon’i Tyro. Afaka nanangana ny tilikambo avo indrindra fanaovana fahirano tamin’izany àry i Aleksandra. Voagorobaka ihany ireo manda avo be nirefy 46 m rehefa afaka fito volana. Miaramila 8000 no maty, mpitarika 2000 no novonoina ho faty ho saziny, ary mponina 30 000 no namidy ho andevo.
Resahin’ny Soratra Grika. Naorina indray i Tyro tamin’ny andron’ny tarana-mpanjaka avy amin’i Séleucus, na dia noravan’i Aleksandra tanteraka aza. Seranan-tsambo nalaza teo amoron’i Mediterane izy io, tamin’ny taonjato voalohany. Olona maro avy tany amin’ny manodidina an’i Tyro sy Sidona no tonga hihaino an’i Jesosy sy hositraniny, tamin’izy nitety an’i Galilia. (Mr 3:8-10; Lk 6:17-19) Nankany amin’ny faritr’i Tyro i Jesosy, volana vitsivitsy tatỳ aoriana. Tamin’izay izy no nanasitrana ankizivavy iray nisy demonia, zanaka vehivavy syrianina-fenisianina. (Mt 15:21-29; Mr 7:24-31) Nilaza izy fa raha tany Tyro sy Sidona no nanaovany ny fahagagana nataony tao Korazina sy Betsaida, dia ho efa nibebaka hatry ny ela ny mpanompo sampy tany fa tsy ho nanao tahaka ny Jiosy.—Mt 11:20-22; Lk 10:13, 14.