Voady
Fianianana an-tsitrapo amin’Andriamanitra fa hanao zavatra iray, hanolotra fanatitra na fanomezana, hanao fanompoana na hanaraka fomba fiaina iray, na hifady zavatra sasany tsy voatery ho ratsy. Mavesa-danja toy ny fianianana àry ny voady, ary nampiarahina indraindray ireo teny ireo ao amin’ny Baiboly. (No 30:2; Mt 5:33) Milaza ny fikasany hanao zavatra iray ny olona ‘mivoady’, fa ny olona ‘mianiana’ kosa manonona anaran’ny olona ambony mba hanamafisana fa marina izay lazainy ary hitana ny teniny izy. Matetika no nianiana ireo nanao fifanekena.—Ge 26:28; 31:44, 53.
Ny Genesisy 28:20-22 no miresaka voalohany momba ny voady. Nampanantena an’i Jehovah i Jakoba ao fa hanome azy ny ampahafolon’izay rehetra hananany, raha homba azy foana Izy sy hanampy azy ho tafaverina soa aman-tsara ka ho hita hoe Andriamaniny. Tsy nampanantena ny hanome tambiny azy akory i Jakoba, fa te hahazo antoka kosa hoe nankasitrahany. Nanao voady àry ny loham-pianakaviana fahiny. (Jereo koa Jb 22:27.) Nampidirina ho anisan’ny Lalàn’i Mosesy ny voady sy ny fanao fahiny hafa, saingy nampiana tsipiriany ary nasiana fitsipika nifehy.
Maro amin’ireo nivoady no nanao toa an’i Jakoba, ka niangavy an’Andriamanitra mba hankasitraka sy hitahy an’izay nataony. Nivoady, ohatra, ny Israely fa haringan’izy ireo ny tanànan’i Arada mpanjaka kananita, raha homen’i Jehovah fandresena izy ireo. (No 21:1-3) Nivoady tamin’i Jehovah koa ny olona iray vonona hahafoy tena sy hanompo azy (Sl 132:1-5), na nanokana ny tenany na ny fananany ho amin’ny fanompoana manokana. (No 6:2-7) Afaka nanao voady momba ny zanany ny ray aman-dreny, toy ny nataon’i Hana momba an’i Samoela. (1Sa 1:11; ampit. Mpts 11:30, 31, 39.) Resahin’ireo andininy ireo fa nanaiky hanatanteraka an’ilay voady ilay zanaka.
An-tsitrapo, nefa tsy maintsy nefaina. Natao an-tsitrapo tanteraka ny voady, nefa notakin’ny Lalàna ny hanefana azy io. ‘Ny ain’ilay’ nanao voady no ‘nataony antoka’ hoe hitana ny teniny izy. (No 30:2; jereo koa Ro 1:31, 32.) Tsy tokony hatao maimaika àry ny voady, fa mila dinihina tsara aloha izay rehetra tafiditra amin’izany. Hoy ny Lalàna: ‘Raha mivoady amin’i Jehovah ianao, [dia] tena hampamoahin’i Jehovah Andriamanitrao ny amin’izany ianao ka ho fahotana ho anao tokoa izany. Tsy ho fahotana ho anao kosa izany raha tsy nivoady ianao.’—De 23:21, 22.
Hoy ilay mpamory vahoaka: “Efao ny voadinao. Aleo tsy mivoady, toy izay mivoady nefa tsy manefa. Aza avela hampanota anao ny vavanao, ary aza miteny eo anatrehan’ny anjely hoe: ‘Diso aho tamin’iny.’” (Mpto 5:4-6) Misy olona taitaitra na entanin’ny fihetseham-po fotsiny ka manao voady maimaika. Mety ho fandrika anefa izany. (Oh 20:25) Meloka teo anatrehan’Andriamanitra sy ny Lalàna izay nanao voady tsy voahevitra toy izany, ka tsy maintsy nanao fanatitra noho ny heloka. (Le 5:4-6) Tokony hifanaraka amin’ny lalàn’Andriamanitra àry ny voady, ary tokony ho tsara ny toe-po sy toe-tsain’ilay manao azy, vao ankasitrahan’i Jehovah ilay izy.—Sl 51:16, 17.
Lalàna momba ny voady nataon’ny vehivavy. Toy izao izany lalàna izany araka ny Nomery 30:3-15: Nanan-kery ny voadin’ny tovovavy iray raha ren’ny rainy nanao an’ilay voady izy nefa tsy nosakanany. Azon’ilay rainy nofoanana koa anefa ilay voady. Nanan-kery ny voadin’ny vehivavy iray raha tsy niteny ny vadiny (na fofombadiny) rehefa nahare an’ilay izy. Nizaka ny fahadisoan-dravehivavy anefa ilay lehilahy raha nofoanany indray ilay izy avy eo. (No 30:14, 15) Raha vehivavy maty vady na nisara-bady kosa no nivoady, “dia hanan-kery izay rehetra nolazainy, ka ho voafatotry ny teniny izy.”—No 30:9.
Izay natolotra ho fanefana voady. Azo natolotra ho an’i Jehovah daholo na olona na fananana na tany, afa-tsy izay voalazan’ny Lalàna fa efa voatokana ho Azy, toy ny voalohan-teraka, voaloham-bokatra, ampahafolon-karena, sy ny toy izany. (Le 27:26, 30, 32) Azon’ny olona navotana ny zavatra nataony voady hoe “hamasinina” (heb.: kôdesh, atokana ho zava-masina) ankoatra ny biby madio, fa nila nandoa vola tao amin’ny toerana masina izy. (Le 27:9-27) Tsy azo navotana kosa izay efa “voatokana” (heb.: herem), fa lasa fananan’ny toerana masina tanteraka. Raha efa natokana haringana ilay izy, dia tsy maintsy naringana.—Le 27:28, 29.
De 23:18, f.a.p.
Voady tsy mety. Misy ifandraisany amin’ny fitondran-tena maloto ny ankamaroan’ny voady nataon’ny mpanompo sampy. Natokana ho an’ny sampy na ny tempoly, ohatra, ny karaman’ireo mpivaro-tenan’ny tempoly tany Fenisia sy Syria ary Babylona. Nodidiana kosa ny Israelita hoe: “Aza entina ao an-tranon’i Jehovah Andriamanitrao mba hanefana voady ny karaman’ny mpivaro-tena na ny vidin’alika [azo inoana fa lehilahy manao firaisana amin-dehilahy (sodomita)].”—Nampahatsiahivin’i Jeremia an’ireo Jiosy tany Ejipta fa anisan’ny antony nandravana an’i Jerosalema, ny nanaovan’izy ireo voady ho an’ilay “mpanjakavavin’ny lanitra” sy nanolorany sorona ho azy. Ny vehivavy no tena mpivavaka tamin’ilay “mpanjakavavin’ny lanitra”, ka mailaka erỳ izy ireo nanamarin-tena. Nankasitrahan’ny vadiny, hono, ny voady nataony tamin’ilay andriamanibavy sy ny fanompoany azy, ka tapa-kevitra izy ireo hanefa ny voadiny. Te hilaza izy ireo fa nankatoaviny ny lalàna momba ny voadin’ny vehivavy. (No 30:10-15) Nandika lalàna anefa izy ireo, raha ny marina, hoy i Jeremia, satria nanompo sampy.—Je 44:19, 23-25; 2Ko 6:16-18.
Voady feno fihatsarambelatsihy. Tsy nanompo sampy ara-bakiteny intsony ny Jiosy avy tany an-tsesitany. ‘Nataon’izy ireo tsy nanan-kery [anefa] ny tenin’Andriamanitra noho ny fomban-drazany.’ Nampianatra “didin’olombelona” ireo mpitondra fivavahana nihatsaravelatsihy, ka naolan’izy ireo ny fanazavany ny Lalàna. Nisy fiantraikany tamin’ny fanompoan’ny Jiosy sy ny voady nataony izany. (Mt 15:6-9) Nisy, ohatra, niteny tamin’ny rainy na ny reniny hoe: “Efa fanomezana voatokana ho an’Andriamanitra [izany hoe efa nohamasinina] ny fananako rehetra azonao andraisan-tsoa avy amiko.” Nivoady àry izy fa efa nohamasininy ho an’Andriamanitra ny fananany, ka tsy azony nampiasaina hanampiana ny ray aman-dreniny intsony, satria lasa fananan’ny tempoly. Notadiaviny hotazonina ho azy sy hampiasainy araka izay tiany anefa ilay izy, raha ny marina.—Mt 15:5, 6.
Fanatitra natao. Niara-natolotry ny Israelita tamin’ny fanatitra hafa notakin’ny Lalàna indraindray ny fanatitra dorana, ho porofon’ny fanokanan-tenany ho an’i Jehovah sy ho fiangaviana azy hankasitraka an’ilay izy. (Le 8:14, 18; 16:3) Izany, ohatra, no natao rehefa nisy nanao voady. (No 6:14) Nanolotra fanatitra dorana izay nanao voady manokana. (No 15:3; Sl 66:13) Biby tsy misy kilema no tsy maintsy natao “sorona iombonana ho an’i Jehovah mba hanefana voady”, ary nodorana teo amin’ny alitara ny ampahany.—Le 22:21, 22; 3:1-5.
Miresaka momba ny voadin’i Jefta talohan’ny niadiany tamin’ny Amonita (Mpts 11:29-31) ny lahatsoratra hoe JEFTA.
Nankatò ny Lalàna momba ny voady i Paoly. Nanao voady i Paoly saingy tsy fantatra raha voady ho Nazirita ilay izy na tsia, ary raha nataony talohan’ny niovany ho Kristianina na tsia. Mety ho tao Kenkrea, tany akaikin’i Korinto, no tapitra ny fotoana nanefany ny voadiny rehefa nasainy nohetezana ny volony (As 18:18), na mety ho tamin’izy niaraka tamin’izy efa-dahy nanefa voady tao amin’ny tempolin’i Jerosalema. Ny filan-kevi-pitantanana anefa no nampirisika azy hiaraka tamin’izy efa-dahy, mba ho hita fa nitondra tena tsara izy ary tsy marina ny tsaho ren’ny Kristianina jiosy sasany hoe nampianatra ny hafa handika ny Lalàna izy. Fanao tamin’izany ny hoe olon-kafa no nandoa ny lany tamin’ireo fombafomba fidiovana nataon’ny olona iray, rehefa tapitra ny fotoana nanefany voady. Izany no nataon’i Paoly.—As 21:20-24.
Nahoana no neken’i Paoly sy ny filan-kevi-pitantanana ny hanarahana ny lafiny sasany tamin’ny Lalàna, nefa tsy nanan-kery intsony izy io rehefa nanao sorona ny ainy i Jesosy Kristy? Mariho fa i Jehovah Andriamanitra no nanome ny Lalàna ho an’ny Israely olony. Hoy i Paoly: “Avy amin’Andriamanitra ny Lalàna.” Hoy koa izy: “Masina ny Lalàna, ary masina ny didy, sady ara-drariny no tsara.” (Ro 7:12, 14) Tsy nohamavoin’ny Kristianina àry ny tempoly sy ny fanompoana natao tao. Tsy fanompoan-tsampy no natao tao. Lasa fomba amam-panaon’ny Jiosy koa ny zavatra maro notakin’ny Lalàna. Tsy lalàna ara-pivavahana fotsiny ny Lalàna, fa lalàna nifehy an’ilay tany mihitsy ka tsy maintsy narahin’ny rehetra, anisan’izany ilay lalàna hoe tsy azo atao ny miasa amin’ny andro sabata.
Ny tena zava-dehibe anefa dia hoe tsy nihevitra ny Kristianina fa ny fanarahana ny Lalàna no ahazoana famonjena. Nilaza, ohatra, i Paoly fa miankina amin’ny feon’ny fieritreretana ny zavatra sasany, toy ny hoe hihinana hena sa legioma, hitandrina andro sasany, ary hihinana hena namidy teny an-tsena rehefa avy naterina ho an’ny sampy. Hoy izy: “Ny iray mihevitra ny andro iray ho ambony noho ny hafa, fa ny iray kosa mihevitra izany ho toy ny andro rehetra ihany. Aoka àry ny tsirairay samy hatoky tanteraka ao an-tsainy ao. Izay mitandrina ny andro dia mitandrina izany ho voninahitr’i Jehovah. Ary izay mihinana dia mihinana ho voninahitr’i Jehovah, satria misaotra an’Andriamanitra izy. Ary izay tsy mihinana dia ho voninahitr’i Jehovah koa no tsy hihinanany, nefa misaotra an’Andriamanitra ihany izy.” Nilaza an’ity toro lalana ity izy avy eo: “Fa ny fanjakan’Andriamanitra dia tsy midika hoe fihinanana Ro 14:5, 6, 17, 22, 23; 1Ko 10:25-30.
sy fisotroana, fa fahamarinana sy fihavanana ary fifaliana amin’ny alalan’ny fanahy masina kosa.” Farany, dia hoy izy: “Sambatra ny olona izay tsy manamelo-tena amin’ny fanapahan-keviny. Fa raha misalasala izy, dia efa voaheloka sahady raha mihinana, satria tsy amim-pinoana no ihinanany. Fahotana tokoa mantsy izay rehetra tsy atao amim-pinoana.”—Nanazava momba izany i Albert Barnes, manam-pahaizana momba ny Baiboly. Notononiny aloha ny Asan’ny Apostoly 21:20 izay manao hoe: “Nanome voninahitra an’Andriamanitra izy ireo nony avy nandre izany [ny nitahian’Andriamanitra ny fitorian’i Paoly tamin’ny hafa firenena], ka nanao tamin’i Paoly hoe: ‘Hitanao moa, ry rahalahy, fa misy an’arivony ny Jiosy mpino, ary fatra-panaraka ny Lalàna izy rehetra.’” Hoy i Barnes avy eo: “Ny lalàna momba ny famorana, fanatitra, hena sy andro samy hafa, fety, sns., no resahina eo. Mety ho nahagaga ihany hoe mbola nitandrina an’ireny fombafomba ireny [ny Kristianina jiosy], nefa efa tsy notakina tamin’ny Kristianina intsony izy ireny. Tsara hotadidina anefa fa 1) Andriamanitra no nitaky an’ireny fombafomba ireny, ary nobeazina hanaraka an’ireny izy ireo. 2) Nanaraka an’ireny fombafomba ireny ny apostoly tao Jerosalema, ary tsy nihevitra hoe tokony hokianina mafy izay mitandrina an’ireny. [As 3:1; Lk 24:53] 3) Tsy nisy adihevitra mihitsy tao Jerosalema hoe tokony harahina sa tsia ireny fombafomba ireny. Teo amin’ireo hafa firenena niova ho Kristianina no nipoitra ilay adihevitra. Tsy maintsy napoitra ilay izy satria tsy maintsy ho nodidiana hanaraka an’ireny fombafomba ireny izy ireo, raha nilaina notandremana ireny. 4) Ny hafa firenena niova ho Kristianina ihany no voakasik’ilay fanapahan-kevitry ny filan-kevi-pitantanana (toko 15). [As 15:23] ... 5) Efa nampoizina hitsahatra tsimoramora ny fanarahana an’ireo fomba amam-panao nampitain’i Mosesy. Tsy hiteraka adihevitra be anefa izany, rehefa ho takatry ny olona kokoa ny atao hoe fivavahana kristianina, noho izy io hiely [eran-tany] sy manome fahafahana an’ireo mpanaraka azy. Ho avo folo heny ny fanoherana ny Fivavahana Kristianina, raha toa ka napoitra [tamin’ny besinimaro] tao Jerosalema ilay adihevitra. Ho nizarazara ny fiangonana kristianina, ka ho ela kokoa vao niely ny fampianarany. Tsara hotadidina koa fa 6) efa horavana tsy ho ela ny tempoly sy ilay tanàna ary efa haringana ilay firenena, araka ny fikasan’Andriamanitra. Tsy hisy intsony àry ireo sorona ary hitsahatra tanteraka ny fanarahana an’ireo fombafomba nampitain’i Mosesy. Tsy navelan’ilay Lohan’ny fiangonana hapoitra teo amin’ireo mpianatra tao Jerosalema ilay adihevitra momba ny hoe tokony harahina sa tsia ireny fombafomba ireny. Efa horavana mantsy ilay tanàna ka izany no porofo marim-pototra fa tsy ilaina harahina intsony izy ireny.”—Fanazavana ny Asan’ny Apostoly, 1858.