Voaroihazo
[Gr.: sykaminôs].
Hazo voaresaka indray mandeha monja ao amin’ny Baiboly, tamin’i Jesosy niresaka ny finoan’ny apostoly. (Lk 17:5, 6) Voaroihazo ilay hoe sykaminôs (gr.), ary ilay voaroihazo Morus nigra no be mpamboly any Israely. Mafy izy io, ary mety hahatratra 6 m eo ho eo ny haavony. Miendrika fo ny raviny lehibe, ary mena antitra na mainty toy ny voaroimainty ny voany.