Volo
Efa hatrizay ny volo no heverin’ny lehilahy sy vehivavy ho manatsara tarehy sy endrika, ary mariky ny tanjaka sy fahatanorana. Tsy mahagaga àry raha karakaraina tsara ny volo.
Ny an’ny Ejipsianina. Toa ny fomban-dry zareo no tena hafakely. Noharatan’ny lehilahy, indrindra fa ny mpisorona sy miaramila, ny volony sy volombavany. Nosolain’ny mponina teny amoron’i Neily ny lohan’ny ankizilahy, hoy i Hérodote, saingy namelany volo kely teo amin’ny fihirifana, ary angamba teo aloha sy tao aoriana. Nesorina ireny rehefa lehibe ilay ankizy. Noheverina ho nisaona na tsy nahava-tena ny lehilahy nampaniry volo sy volombava. Niharatra àry i Josefa rehefa nalaina avy tao am-ponja mba hiseho teo anatrehan’i Farao. (Ge 41:14) Nanao solovolombava nafatotra tamin’ny solovolo anefa ny lehilahy ejipsianina indraindray. Misy tsangambato ejipsianina ahitana sarina lehilahy manan-kaja, voavoatra tsara ny volony sady lava, saingy tsy fantatra raha tena izy na tsia.
Ny vehivavy ejipsianina kosa lava volo ary nirandrana. Nahitana volo toy izany ny fatim-behivavy ejipsianina maromaro notehirizina tsy ho lo.
Ny an’ny Asyrianina, Babylonianina, Romanina. Lava volo ny lehilahy asyrianina, babylonianina, ary aziatika. Lehilahy salama hogo no asehon’ny sary mivohitra asyrianina, ary naolana
ilay volo rehefa teo an-tsoroka. Lava sy naolana ny volombavany, ary natao ambaratonga roa na telo indraindray. Voahety tsara ny volombava teo ambony molotra, ary naolana koa. Misy milaza fa notovanana ny volo lava be asehon’ny sary eo amin’ny tsangambato.Nisy volombava ny Romanina fahiny, fa tamin’ny taonjato fahatelo T.K. tany ho any vao niharatra izy ireo.
Ny an’ny Hebreo. Efa hatrizay no nisy volombava ny lehilahy hebreo, ary nokarakarainy tsara ilay izy. Tsy dia lava ny volony, ary nofaranany tsara. Naniry be ny volon’i Absaloma, satria nilanja sekely 200 (2,3 kg) rehefa notapahina isan-taona. Novontosana menaka angamba ilay izy matoa navesatra. (2Sa 14:25, 26) Tsy azon’ny lehilahy israelita ‘nohetezana fohy loatra ny volony, avy eo amin’ny fihirifana iray mihodidina mankany amin’ny fihirifana iray’, ary tsy azony nalana ny “sisin’ny” volombavany. Tsy tokony hanahaka ny fanaon’ny mpanompo sampy mantsy izy ireo, fa tsy hoe voarara ny nanety volo sy volombava. (Le 19:27; Je 9:25, 26; 25:23; 49:32) Nalahelo ny lehilahy iray matoa tsy nikarakara sy tsy nanety volo na volombava. (2Sa 19:24) Nomen’Andriamanitra toromarika ny mpisorona nanompo tao amin’ny tempoly hoe tsy azony noharatana ny lohany, nefa koa tsy tokony havelany ho lava loatra ny volony.—Ezk 44:15, 20.
Lava volo ny vehivavy hebreo. (Jn 11:2) Nokarakarainy tsara ny volony fa mariky ny hatsaran-tarehy. (To 7:5) Ny vehivavy nisaona na ory no nanapa-bolo. (Is 3:24) Tsy maintsy nanapaka volo sy hoho ny vehivavy virjiny nobaboin’ny miaramila israelita sady tiany halaina ho vady. Nisaona an’ireo ray aman-dreniny nandritra ny iray volana koa ravehivavy, satria maty tamin’ny nanafihana ny tanànany izy ireo.—De 21:10-13; 20:10-14.
Anisan’ny nojeren’ny mpisorona ny loko sy endriky ny volo teo amin’ny faritra nahina ho voan’ny habokana.—Le 13:1-46.
Ny an’ny Kristianina. Samy nanoro hevitra ny apostoly Petera sy Paoly hoe tsy mety raha ny volo sy ny firavaka no imatimatesan’ny vehivavy kristianina, toy ny nataon’ny vehivavy tamin’izany. Tokony ho ny fitafiana tsy mety simba, dia ny toetra tony sy malemy paika, kosa no ho haingony.—1Pe 3:3, 4; 1Ti 2:9, 10.
Noresahin’i Paoly koa fa fanao tamin’ny androny ny hoe fohy kokoa noho ny an’ny vehivavy ny volon’ny lehilahy, ary voajanahary izany. (Jereo VOAJANAHARY.) Afa-baraka izay vehivavy noharatana na nokakasana. Nomen’Andriamanitra azy “ho saron-doha” ny volony lava sady voninahitra ho azy. Tsy maintsy nanao saron-doha, izay “mariky ny fanajana fahefana”, ihany anefa izy rehefa nivavaka na naminany teo anivon’ny fiangonana kristianina. Nanaja sy nanaiky ny fahefan’izay lohany àry ny vehivavy nisaron-doha, ka nomeny voninahitra ny vadiny sy Jehovah Andriamanitra, izay Lohan’ny rehetra.—1Ko 11:3-16.
Heviny an’ohatra. Notapahin’i Joba ny volon-dohany rehefa ory dia ory izy fa fongana ny zanany sy ny fananany.—Jb 1:20.
Nasaina noharatan’i Ezekiela ny volony sy ny volombavany, ary nozarainy telo ireo volo. Izay nataony tamin’ireo ampahany telo ireo no hanjo ny mponin’i Jerosalema, rehefa hampiharina amin’izy ireo ny didim-pitsaran’Andriamanitra. (Ezk 5:1-13) Nalahelo sy ory ny olona iray matoa nongotany ny volony na notapahiny. (Ezr 9:3; Je 7:29; 48:37; Mi 1:16) Nalam-baraka, nohamavoina, na nolatsaina ny olona iray matoa nongotana ny volony na ny volombavany.—Ne 13:25; Is 50:6.
Ilazana zavatra maro be na tsy tambo isaina ny isan’ny volon-dohan’olona (100 000 eo ho eo, hono). (Sl 40:12; 69:4) Zavatra bitika kosa ilay hoe hoatran’ny singam-bolo. (Mpts 20:16) Nanome toky ny mpianany i Jesosy Kristy fa hahazo fiarovana tanteraka izy ireo, rehefa nilaza izy hoe: ‘Tsy hisy ho very (na latsaka) ny singam-bolo iray eo amin’ny lohanareo.’ (Lk 21:18; 1Sa 14:45; 2Sa 14:11; 1Mp 1:52; As 27:34) Nilaza an-kolaka koa izy fa hiahy azy ireo Andriamanitra, rehefa niteny izy hoe: “Na ny volon-dohanareo aza dia voaisa avokoa.”—Mt 10:30; Lk 12:7.
Mendrika ny hohajaina izay fotsy volo. (Oh 16:31; 20:29) Ilazana ny zokiolona sy olona hendry indraindray ny hoe fotsy volo. (Jb 15:9, 10; jereo VOLOFOTSY.) Hitan’i Daniela tao amin’ny fahitana fa fotsy “toy ny volonondry madio” ny volon’i Jehovah “Ilay Efa Nisy Hatry ny Ela Be.” (Da 7:9) “Fotsy mangatsakatsaka tahaka ny volonondry fotsy” koa ny volon’i Jesosy Kristy, tao amin’ny fahitan’ny apostoly Jaona.—Ap 1:1, 14, 17, 18.
Volom-biby. Nanaovana lamba ny volon’osy. (Ek 26:7) Volon-drameva ny fitafian’i Jaona Mpanao Batisa. (Mt 3:4; Mr 1:6) Volom-biby koa ny akanjon’ny mpaminany. (2Mp 1:8; ampit. Ge 25:25.) Nasian’i Rebeka volon’osy teo amin’ny tanana sy ny vozon’i Jakoba, mba ho voloina toy ny an’i Esao.—Ge 27:16; jereo VOLOMBAVA.