Zava-miafina Masina
Fanambarana avy amin’Andriamanitra, ka olona efa nofidiny ihany no ampahafantariny izany ary amin’ny fotoana voatondrony.
Ny teny grika hoe mysteriôn no nadika hoe “zava-miafina masina”, ary ilazana zavatra fantatry ny olona manana zo hahalala izany izy io. Maro be ny fivavahana nifono mistery tamin’ny taonjato voalohany. Tsy maintsy efa mpivavaka tao ny olona vao nahazo nandray anjara tamin’ny fombafomban’izy ireny, sy nanao an’ireo nolazaina fa asa masina, ary nampahafantarina momba izany. Nivoady izy ireo fa tsy hamoaka ny tsiambaratelon’ilay fivavahana. Nampiasaina tamin’ny fiainana andavanandro koa ny hoe tsiambaratelo mba hilazana zavatra tsy tiana ho fantatry ny hafa, na tsy Fi 4:12.
nolazaina afa-tsy tamin’ny havana na namana. Izay no hevitr’ilay myeô nampiasain’ny apostoly Paoly tamin’izy niteny hoe: “Efa nianatra ny [a.b.t.: nianatra ny tsiambaratelon’ny] ho voky sy ho noana aho, ary ny hanam-be sy hihafy.”—Tsy mitovy amin’ny mistery. Hoy ny Diksioneran’i Vine Manazava ny Testamenta Taloha sy Vaovao (1981, Boky Faha-3, p. 97) momba an’ilay teny grika hoe mysteriôn: “Tsy midika hoe mistery ... izy io ao amin’ny [Testamenta Vaovao], fa zavatra tsy ho takatry ny saina amin’izao fotsiny, raha tsy ahariharin’Andriamanitra amin’ny fomba mety aminy sy amin’ny fotoana voatondrony, ary amin’ny olona nomeny ny Fanahiny. Matetika no midika hoe zavatra tsy ampahafantarina na iza na iza ny hoe mistery. Fahamarinana naharihary kosa no heviny ao amin’ny Baiboly, ka mazàna izy io no ampiarahina amin’ny hoe ‘ampahafantarina’, ‘hazavaina’, ‘aharihary’, ‘torina’, ary ‘azo.’”
Tsy ho zava-miafina foana àry ny zava-miafina masina sy ny zava-miafina hafa ao amin’ny Baiboly, toy ilay momba an’i Babylona Lehibe. Hampahafantatra izany amin’ny olona mitady azy sy nofidiny hampahalalana izany i Jehovah, amin’ny fotoana voatondrony. Niresaka momba izany i Paoly ao amin’ny 1 Korintianina 2:6-16. “Fahendrena nafenina” ilay ‘zava-miafina masin’Andriamanitra’, hoy izy, ary naharihary tamin’ny Kristianina tamin’ny alalan’ny fanahy masina izy io. Tsy mahazo ny hevitr’izy io ireo manana ny fanahin’izao tontolo izao na ny fahendren’ny olona araka ny nofo. Ireo mampiasa ‘teny araka ny fanahy mba hanazavana zavatra araka ny fanahy’ kosa no mahazo azy io. Hoy i Jesosy Kristy tamin’ny mpianany: “Ianareo no nilazana mazava tsara ny zava-miafina masina [gr.: mysteriôn] momba ny fanjakan’Andriamanitra. Fa amin’ny hafa kosa, dia fanoharana no ilazana ny zava-drehetra, mba hijery izy fa tsy hahita, ary mba handre fa tsy hahazo ny hevitr’izany, ka tsy hiverina dia tsy hahazo famelan-keloka.”—Mr 4:11, 12; Mt 13:11-13; Lk 8:10.
Tena tsy mitovy ny zava-miafina masin’Andriamanitra sy ny zava-miafin’ny fivavahana mifono mistery, satria vaovao tsara ny zava-miafin’Andriamanitra ary tsy lainga na fitaka ataon’olombelona. (Jn 8:31, 32, 44; Kl 1:5; 1Jn 2:27) Tsy tokony hihazona an’ilay zava-miafina masina ho tsiambaratelo koa ireo nampahafantarina azy io, fa tokony hanambara azy io amin’ny olona faran’izay betsaka. Izany no antony ampiasan’ny Baiboly ny teny hoe “notorina”, “nampahafantarina”, ‘manazava’, na ‘milaza’, miaraka amin’ny hoe “zava-miafina masin’ny vaovao tsara.” Miezaka mafy ny tena Kristianina hitory amin’ny “zavaboary rehetra eny ambanin’ny lanitra” ny vaovao tsara momba an’ilay zava-miafina masina. (1Ko 2:1; Ef 6:19; Kl 1:23; 4:3, 4) Andriamanitra no mahalala hoe iza no tsy mendrika ny hahazo ny hevitr’ilay zava-miafina, ka tsy ampahafantariny azy izany. Tsy hoe manavakavaka akory izy, fa ‘noho ny hamafin’ny fon’izy ireny’ no tsy ampahafantarany azy an’ilay zava-miafina.—Ef 4:17, 18.
Momba an’i Kristy. Momba an’i Kristy “ny zava-miafina masin’Andriamanitra”, satria “ny fitoriana momba an’i Jesosy no anton’ny faminaniana.” (Ap 19:10; Kl 2:2) Misy ifandraisany amin’ny Fanjakan’ny Mesia daholo ‘ny zava-miafina masin’Andriamanitra.’ (Mt 13:11) Hoy i Paoly: ‘Tsara afina ao aminy ny harenan’ny fahendrena rehetra sy ny harenan’ny fahalalana rehetra.’ Hoy koa izy: “Ao aminy no itoeran’ny fahafenoan’ny toetran’Andriamanitra.”—Kl 2:2, 3, 9.
Nilaza i Paoly fa izy no niandraikitra “ny zava-miafina masin’Andriamanitra” (1Ko 4:1), ary fantany “ilay zava-miafina masina ny amin’i Kristy.” (Ef 3:1-4) Nohazavainy hoe fahendrena nafenina izy io, ary efa nomanin’Andriamanitra talohan’ny niorenan’ireo rafitra nisy teto amin’ity tontolo ity. (1Ko 2:7) Hita ao amin’ny Genesisy 3:15 ny zava-miafina masina voalohany nolazain’i Jehovah. Efa ela be ny olona nanam-pinoana no niandry an’ilay ‘taranaka’ nampanantenaina, izay hanafaka amin’ny ota sy ny fahafatesana. Tsy mbola azon’izy ireo tsara anefa hoe iza ilay ‘taranaka’ ary ahoana no hamonjeny ny olona. Nazava ihany ilay izy rehefa tonga i Kristy ka ‘nanambara mazava tamin’ny alalan’ny vaovao tsara, ny momba ny fiainana sy ny tsy fetezan-ko lo.’ (2Ti 1:10) Fantatra amin’izay hoe iza ilay ‘taranaky ny vehivavy.’
Ny Fanjakan’ny Mesia. Nanazava tsara momba an’ilay zava-miafina masina ny amin’i Kristy i Paoly. Nilaza aloha izy fa nampahafantarin’i Jehovah ilay “zava-miafina masina” ny amin’ny sitrapony. Hoy izy avy eo: “Araka izay mahafinaritra azy izany zava-miafina izany sy mifanaraka amin’ny fikasany hanangana fitantanan-draharaha, rehefa tapitra tanteraka ny fotoana voatondro. Ary izany dia ny fanangonana indray ao amin’i Kristy ny zava-drehetra, na ny zavatra any an-danitra na ny zavatra eto an-tany. Eny, ao aminy no anangonana ny zava-drehetra, ary tao aminy no nanaovana antsika koa ho mpandova, ka nanendrena antsika mialoha araka ny fikasan’Andriamanitra. Izy mantsy no mampandeha ny fiasan’ny zava-drehetra araka izay kasain’ny sitrapony.” (Ef 1:9-11) Mahakasika ny Fanjakan’ny Mesia àry io “zava-miafina masina” io. Ireo hiara-manjaka aminy any an-danitra no “zavatra any an-danitra”, ary ny olom-peheziny eto an-tany no “zavatra eto an-tany.” Nasongadin’i Jesosy koa fa mahakasika an’ilay Fanjakana ilay zava-miafina. Hoy izy tamin’ny mpianany: “Ianareo no nilazana mazava tsara ny zava-miafina masina momba ny fanjakan’Andriamanitra.”—Mr 4:11.
Anisany koa ny fiangonana. Misy lafiny maro ilay zava-miafina masina. Nohazavain’i Paoly, ohatra, fa anisan’izy io koa ny fiangonana, izay i Kristy no Lohany. (Ef 5:32; Kl 1:18; Ap 1:20) Anisan’ilay fiangonana ireo Jiosy sy hafa firenena hiara-manjaka aminy. (Lk 22:29, 30; Ro 11:25; Ef 3:3-6; Kl 1:26, 27) Tsy tena nazava io lafiny tamin’ilay “zava-miafina” io raha tsy rehefa nirahina hitsidika an’i Kornelio, lehilahy hafa firenena, i Petera, tamin’ny taona 36. Nahazo ny fanahy masina koa mantsy i Kornelio sy ny ankohonany tamin’izay. (As 10:34, 44-48) Hoy i Paoly tamin’ny Kristianina hafa firenena: “Tsy nanana an’i Kristy ianareo ... ka vahiny raha ny amin’ireo fifanekena momba ny fampanantenana, ary tsy nanana fanantenana sady tsy nanana an’Andriamanitra ianareo, teo amin’izao tontolo izao. Ianareo izay lavitra fahiny nefa tafaray amin’i Kristy Jesosy ankehitriny, dia efa akaiky izao, noho ny ran’i Kristy.” (Ef 2:11-13) Lasa nahalala “ny lafiny maro samihafa amin’ny fahendren’Andriamanitra” ‘ireo fanjakana sy fahefana mitana toerana any amin’ny faritry ny lanitra’, rehefa tanteraka tamin’ny fiangonana kristianina ny fikasan’Andriamanitra.—Ef 3:10.
Hitan’i Jaona fa 144 000 no anisan’ilay fiangonana. ‘Novidina avy teo amin’ny olombelona ho voaloham-bokatra ho an’Andriamanitra sy ny Zanak’ondry’ izy ireo, ary miara-mitsangana amin’ilay Zanak’ondry (Jesosy Kristy) eo amin’ny Tendrombohitra Ziona, izay misy ny “tanànan’ilay Andriamanitra velona, izany hoe i Jerosalema any an-danitra.” Tany Jerosalema fahiny ny “seza fiandrianan’i Jehovah”, ka nipetraka teo amin’izy io ireo mpanjaka avy amin’i Davida. Tany koa no nisy ny tempolin’i Jehovah. Any Jerosalema any an-danitra kosa i Jesosy no nomena seza fiandrianana, ary miara-manjaka aminy ireo mpianany voahosotra. (Ap 14:1, 4; He 12:22; 1Ta 29:23; 1Pe 2:4-6) Hatsangana amin’ny maty izy ireo mandritra ny fanatrehan’i Kristy, ka ho lasa tsy mety maty sy tsy mety lo. “Zava-miafina masina” izany, dia lafiny iray amin’ny fikasan’Andriamanitra momba ny fiangonana.—1Ko 15:51-54.
Momba ny fahafoizan-tena ho an’Andriamanitra. Hoy i Paoly tamin’i Timoty: “Soratako aminao ihany ireo zavatra ireo, ... mba [ho] fantatrao izay tokony hataonao ao amin’ny ankohonan’Andriamanitra, izany hoe ny fiangonan’ilay Andriamanitra velona. Andry sy tohana ho an’ny fahamarinana izany fiangonana izany. Fa lehibe tokoa ny zava-miafina masina momba ny fahafoizan-tena ho an’Andriamanitra: ‘Nofo i Jesosy rehefa naseho, fa fanahy kosa izy rehefa nambara ho marina, niseho tamin’ny anjely izy, notorina teo amin’ny hafa firenena, ninoana tetỳ amin’izao tontolo izao, ary nakarina tamim-boninahitra.’”—1Ti 3:14-16.
Mahalala ny fahamarinana “ny fiangonan’ilay Andriamanitra velona”, sady mahafantatra tsara ny “zava-miafina masina” momba ny fahafoizan-tena ho an’Andriamanitra. Tsy ivelany fotsiny ny fahafoizan-tenan’izy ireo fa tena misy heriny eo amin’ny fiainany. (Ampifan. 2Ti 3:5.) “Andry sy tohana ho an’ny fahamarinana” àry ny fiangonana, eo anivon’ny tontolo anjakan’ny lainga sy ny fivavahan-diso, izany hoe ny mistery aelin’i Satana sy ireo hajambainy. (2Ko 4:4) Nahafoy tena koa i Jesosy ary efa niresaka momba izany ny Soratra Hebreo. Efa hatramin’ny fotoana nanoherana ny zon’Andriamanitra hitondra, no nolazaina hoe hivadika sy tsy hahafoy tena ho an’Andriamanitra ny olona raha vao alain’ny Devoly fanahy. Marina ve izany? “Zava-miafina masina” ny valin’izany, nanomboka tamin’izay. Hisy olona tsy hivadika tokoa ve na dia iharam-pitsapana aza, ka ho hita hoe madio tanteraka sy tsy misy ota, ary tsy manompo afa-tsy i Jehovah? Misy ifandraisany amin’izany koa ny valin’ilay hoe: Iza ilay ‘taranaky ny vehivavy’ hanorotoro ny lohan’ilay Menarana. Fantatra izany rehefa tonga “nofo” i Jesosy, ary lasa “fanahy” ka ‘nambara ho marina, niseho tamin’ny anjely, notorina teo amin’ny hafa firenena, ninoana tetỳ amin’izao tontolo izao, ary nakarina tamim-boninahitra.’ (1Ti 3:16; 6:16) I Jesosy Kristy irery ihany àry no tena nahafoy tena tanteraka ho an’Andriamanitra. Niavaka tokoa izany! Nahasoa ny olombelona izany sady nanandratra ny anaran’i Jehovah!—Jereo FAHAFOIZAN-TENA HO AN’ANDRIAMANITRA.
Tanteraka hatramin’ny farany. Nilazana i Jaona hoe: “Amin’ny andro handrenesana an’ilay anjely fahafito, rehefa hadiva hitsoka trompetra izy, dia ho efa tanteraka hatramin’ny farany tokoa ilay zava-miafina masin’Andriamanitra. Ary io zava-miafina io dia araka ny vaovao tsara nambaran’Andriamanitra tamin’ny mpaminany mpanompony.” (Ap 10:7) Ho tanteraka ilay zava-miafina rehefa hitsoka ny trompetrany ny anjely fahafito, ary hisy feo re any an-danitra hoe: “Ny fanjakan’izao tontolo izao dia efa lasa fanjakan’ny Tompontsika sy ny Kristiny, ary Izy hanjaka mandrakizay mandrakizay.” (Ap 11:15) Tanteraka àry ilay zava-miafina masin’Andriamanitra rehefa nanomboka nanjaka izy ka nanome fahefana an’ i Kristy. Imbetsaka i Jesosy no niresaka momba an’ilay Fanjakana tamin’ny mpianany, izay ‘mpanompon’Andriamanitra’ koa. Nilaza izy fa hotorina ny “vaovao tsaran’ilay fanjakana” mandra-pahatongan’ny faran’ny (gr.: telôs) “rafitr’ity tontolo ity.” Rehefa ‘tanteraka hatramin’ny farany ilay zava-miafina masin’Andriamanitra’, dia ho anisan’ny “vaovao tsara” hotorina koa ilay hoe: “Ny fanjakan’izao tontolo izao dia efa lasa fanjakan’ny Tompontsika sy ny Kristiny.”—Mt 24:3, 14.
Manazava momba ny ‘zava-miafina ny amin’ny fandikan-dalàna’ (2Te 2:7) ny hoe LEHILAHY MPANDIKA LALÀNA ary manazava ny “zava-miafina: ‘Babylona Lehibe’” (Ap 17:5) ny hoe BABYLONA LEHIBE.