Dimbin’ny Apostoly
Famaritana: Foto-pinoana hoe manana mpandimby ireo apostoly 12, ary avy amin’Andriamanitra ny fahefan’ireo mpandimby ireo. Lazain’ny Eglizy Katolika fa dimbin’ny apostoly ny eveka, ary dimbin’i Petera ny papa. I Petera, hono, no nomen’i Kristy fahefana ambony indrindra eo amin’ny Eglizy manontolo,
ary ny papa no mandimby mivantana ny toerana sy ny asan’i Petera. Tsy mampianatra izany ny Baiboly.I Petera ve ilay “vatolampy” iorenan’ny Eglizy?
Mat. 16:18, Kat.: “Izaho milaza aminao fa hianao no Piera (vato), ary eo ambonin’izany vatolampy izany no hanorenako ny Egliziko, ary ny vavahadin’ny afobe tsy haharesy azy.” (Mariho fa momba ny hoe iza moa i Jesosy no resaka tamin’izay [and. 13, 20].)
Iza ilay nolazain’ny apostoly Petera sy Paoly fa “vatolampy” sy “vato fehizoro”?
Asa. 4:8-11, Kat.: “Tamin’izay Piera dia feno ny Fanahy Masina ka nilaza tamin’izy ireo hoe: Ry mpanapaka ny vahoaka sy loholon’Israely, ... ny anaran’i Jeso-Kristy avy any Nazareta, izay nofantsihanareo tamin’ny hazo fijaliana, fa natsangan’Andriamanitra tamin’ny maty, no nahasitrana io lehilahy mitsangana eto imasonareo io. Iny Jeso iny no vato narianareo mpanao trano, kanjo tonga vato fehizoro kosa.”
1 Pet. 2:4-8, Kat.: “Manatòna azy [Jeso-Kristy Tompo], ... dia mirafeta eo amboniny, toy ny vato velona, mba hitsangana ho tempoly fanahy ... Fa izany no ilazan’ny Soratra Masina hoe: Indro aho mametraka vato fehizoro ao Siona, dia vato voafidy sy saro-bidy, ary izay mino azy tsy hangaihay. Koa voninahitra ho anareo izay mino; fa ho an’izay tsy mino kosa dia: Ny vato nolavin’ny mpanao trano no efa tonga fehizoro, ary vato mahasolafaka sy vatolampy mahatafintohina.”
Efes. 2:20, Kat.: “Ny Apostoly sy ny Mpaminany no fanorenana nandrafetana anareo, ary ny Kristy Jeso indrindra no vato fehizoro.”
Inona no ninoan’i Augustin (izay heverin’ny Eglizy Katolika ho olo-masina)?
‘Nanoratra boky aho tamin’izaho pretra, ary izao no nosoratako tao momba ny Apostoly Piera: “Izy ilay vatolampy iorenan’ny Eglizy.” Nohazavaiko imbetsaka anefa tatỳ aoriana fa ilay tenin’ny Tompo hoe: “Hianao no Piera, ary eo ambonin’izany vatolampy izany no hanorenako ny
Egliziko”, dia midika hoe eo ambonin’ny Tompo no nanorenana ny Eglizy. Niaiky i Piera hoe ny Tompo no “Kristy Zanak’Andriamanitra velona.” Solontenan’ny Eglizy naorina teo ambonin’ilay vatolampy àry i Piera, ka nomena ny “fanalahidin’ny fanjakan’ny lanitra.” Nilazana mantsy izy hoe “Hianao no Piera”, fa tsy hoe “Hianao no vatolampy.” I “Kristy ilay vatolampy”, ary niaiky an’izany i Simona ka nantsoina hoe Piera. Miaiky an’izany koa ny Eglizy manontolo.’—Ireo Rain’ny Eglizy: Nanatsoaka ny Teniny i Masindahy Augustin (anglisy, Washington, D.C., 1968), nadikan’i Mary Bogan, Boky I, p. 90.Nihevitra ve ny apostoly hafa fa ambony noho izy ireo i Petera?
Lioka 22:24-26, Kat.: “Velona koa ny ady hevitra tamin’izy ireo [ny apostoly], momba ny hahalalany izay lehibe indrindra amin’izy ireo, ka hoy Jeso taminy: Amin’ny jentily ny mpanjaka no mizaka azy rehetra, ary izay mandidy azy no atao hoe mpanao soa; fa aminareo kosa tsy mba toy izany.” (Raha i Petera ilay “vatolampy”, ho nifanditra ve izy ireo hoe iza taminy no “lehibe indrindra”?)
Mila mpandimby ve i Jesosy Kristy, lohan’ny fiangonana, nefa izy velona mandrakizay?
Heb. 7:23-25, Kat.: “Ary ireny, dia maro ny azy no natao mpisorona [teo amin’ny Israely], satria tsy navelan’ny fahafatesana haharitra; fa izy [Jeso-Kristy] kosa maharitra mandrakizay, ka manana fisoronana tsy manam-pifandimbasana. Noho izany koa, dia mahavonjy marimarina izay manatona an’Andriamanitra amin’ny alalany izy, satria velona mandrakizay hanao fifonana ho azy ireo.”
Rom. 6:9, Kat.: “Fantatsika fa rahefa nitsangana tamin’ny maty izy [Kristy] dia tsy maty intsony.”
Efes. 5:23, Kat.: “Kristy no lohan’ny Eglizy.”
Inona ireo ‘fanalahidy’ nomena an’i Petera?
Mat. 16:19, Kat.: “Homeko anao ny fanalahidin’ny fanjakan’ny lanitra, ka izay rehetra hofehezinao etỳ an-tany dia ho voafehy koa any an-danitra, ary izay rehetra hovahanao ety an-tany dia ho voavaha koa any an-danitra.”
Voalazan’ny Apokalypsy fa mampiasa fanalahidy an’ohatra i Jesosy mba hahafahan’ny olona hahazo tombontsoa sasany
Apok. 3:7, 8, Kat.: “Izao no lazain’ilay masina, ilay marina, ilay manana ny fanalahidin’i Davida, ilay mamoha, tsy misy mahahidy, ary manidy, tsy misy mahavoha: ... Indro, varavarana mivoha tsy misy mahahidy no nataoko teo anoloanao.”
Nampiasa an’ireo ‘fanalahidy’ i Petera mba hahafahan’ny Jiosy sy ny Samaritanina ary ny hafa firenena hahazo ny fanahin’Andriamanitra, ka hiditra ao amin’ny Fanjakan’ny lanitra
Asa. 2:14-39, Kat.: “Nitsangana niaraka tamin’ny iraika ambin’ny folo lahy Piera ka nanao antso avo tamin’ireo hoe: Ry Jody sy hianareo rehetra izay mitoetra eto Jerosalema. ... Iny Jeso nofantsihanareo tamin’ny hazo fijaliana iny, no nataon’Andriamanitra ho Tompo sy Kristy. Voatsindron’izany teny izany ny fon’ny olona, ka hoy izy tamin’i Piera sy ireo Apostoly namany: Inona àry, ry rahalahy, no hataonay? Dia hoy Piera tamin’izy ireo: Mibebaha, ary aoka samy hatao batemy amin’ny anaran’i Jeso-Kristy hianareo rehetra mba hahazo ny famelana ny fahotanareo, dia handray ny Fanahy Masina homena anareo. Satria ho anareo no nanaovana ny fampanantenana, sy ho an’ny zanakareo, ary ho an’izay rehetra any lavitra any, rahefa mety ho nantsoin’ny Tompo Andriamanitsika koa.”
Asa. 8:14-17, Kat.: “Rahefa ren’ny Apostoly tany Jerosalema fa nandray ny tenin’Andriamanitra ny tany Samaria, dia nirahiny hankany Piera sy Joany. Nony tonga tany izy roa lahy, da nivavaka ho an’ny olona mba handraisany ny Fanahy Masina; satria vita batemy tamin’ny anaran’i Jeso Tompo ihany izy ireo, fa tsy mbola nisy nidinan’ny Fanahy Masina na dia iray aza. Dia nametrahany tànana izy ireo, ka nandray ny Fanahy Masina.” (I Petera no nanome tari-dalana tamin’izay [Asa. 8:19, Kat. na 8:20, TV ].)
Asa. 10:24-48, Kat.: “Ny ampitson’izay indray, dia niditra tao Sezarea izy. Efa niandry azy izany ry Kornely [hafa firenena tsy mifora]. ... Dia niloa-bava Piera ... Mbola miteny eo i Piera no nidina tamin’izay rehetra nihaino ny teniny ny Fanahy Masina.”
Tsy maintsy miandry ny fanapahan-kevitr’i Petera ve ny any an-danitra?
Asa. 2:4, 14, Kat.: “Samy feno ny Fanahy Masina izy rehetra, sy niteny tamin’ny fiteny maro samihafa, araka ny nampitenenan’ny Fanahy Masina azy avy. ... Tamin’izay [rehefa avy nanome azy ireo ny fanahy masina i Kristy, lohan’ny fiangonana], dia nitsangana niaraka tamin’ny iraika ambin’ny folo lahy Piera ka nanao antso avo tamin’ireo.” (Jereo ny andininy faha-33.)
Asa. 10:19, 20, Kat.: “Hoy ny Fanahy [tamin’i Piera]: Indreo misy olona telo lahy mitady anao; koa mitsangàna, dia midina, ary mandehàna miaraka aminy [ho any amin’i Kornely], fa aza misalasala, satria izaho no naniraka azy.”
Ampitahao amin’ny Matio 18:18, 19.
I Petera ve no mitsara hoe iza no mendrika hiditra ao amin’ilay Fanjakana?
2 Tim. 4:1, Kat.: “Kristy Jeso, izay hitsara ny velona sy ny maty.”
2 Tim. 4:8, Kat.: “Hany sisa hataoko dia ny mandray ny satro-boninahitry ny fahamarinana, izay homen’ny Tompo [Jeso-Kristy] mpitsara marina ahy amin’izany andro izany, ary tsy ho ahy ihany, fa ho an’izay rehetra tia ny hahatongavany koa.”
Tany Roma ve i Petera?
Hita intsivy ao amin’ny Baiboly ny hoe Roma, nefa tsy voaresaka mihitsy hoe tany i Petera. Resahin’ny 1 Petera 5:13 kosa fa tany Babylona izy. Teny an’ohatra ilazana an’i Roma ve ny hoe Babylona? Voatendry hitory tamin’ny Jiosy i Petera (Gal. 2:9), ka tany Babylona izy satria be Jiosy tany sy teny amin’ny manodidina. Resahin’ny Rakipahalalana Judaica (anglisy, Jerosalema, 1971, Boky Faha-15, tsang. 755) fa nisy “sekoly ambony nalaza” momba ny Fivavahana Jiosy tany Babylona, tamin’ny taonjato voalohany.
Nisy papa dimbin’i Petera foana ve hatramin’izay ka hatramin’izao?
Hoy i John Mckenzie, zezoita mpampianatra teolojia tao amin’ny Notre Dame: “Tsy voaporofo ara-tantara hoe nisy
filohan’ny eglizy nifandimby foana hatramin’izay.”—Ny Eglizy Katolika (anglisy, New York, 1969), p. 4.Hoy koa ny Rakipahalalana Katolika Vaovao: ‘Tsy misy firy ny asa soratra momba ny niandohan’ny eveka.’—(1967), Boky I, p. 696.
Ahoana ny amin’ireo mihambo ho voatendrin’Andriamanitra nefa tsy mankatò Azy sy Kristy?
Mat. 7:21-23, Kat.: “Tsy izay rehetra manao amiko hoe: Tompo, Tompo, no hiditra amin’ny fanjakan’ny lanitra; fa izay manao ny sitra-pon’ny Raiko izay any an-danitra, izy ihany no hiditra amin’ny fanjakan’ny lanitra. Amin’izany andro izany, maro no hanao amiko hoe: Tompo, Tompo, moa tsy naminany tamin’ny anaranao va izahay, ary moa tsy nandroaka demony tamin’ny anaranao va izahay, moa tsy efa nanao fahagagana tamin’ny anaranao va izahay? Ary amin’izany dia holazaiko miharihary aminy hoe: Tsy fantatro akory hianareo na oviana na oviana; mialà amiko hianareo mpanao ratsy.”
Jereo koa ny Jeremia 7:9-15.
Mampianatra sy manaraka an’izay nolazain’i Jesosy Kristy sy ny apostoliny ve ireo mihambo ho dimbin’ny apostoly?
Hoy ny Diksionera Katolika: “Mifototra amin’ny zavatra ninoan’ny Apostoly ny foto-pampianaran’ny Eglizy. Arovan’ny Eglizy sy hazavainy izany zavatra inoana izany, ary tsy anampiany na analany.” (anglisy, Londres, 1957, W. Addis sy T. Arnold, p. 176) Izany tokoa ve no izy?
Tokana olana telo ve Andriamanitra?
Hoy Ny Rakipahalalana Katolika: “Foto-pinoan’ny fivavahana kristianina ny hoe Andriamanitra tokana olona telo.”—(anglisy, 1912), Boky Faha-15, p. 47.
“Tsy hita ao amin’ny Testamenta Vaovao ny teny hoe Trinite, na io foto-pinoana io ... Nipoitra tsikelikely tao anatin’ny taonjato maromaro ilay foto-pinoana sady
niadian-kevitra be.”—Ny Rakipahalalana Britannica Vaovao (1976), Micropædia, Boky Faha-10, p. 126.“Miara-miaiky ny mpamakafaka Baiboly sy ny teolojianina ary ny Katolika maro, fa tsy azo atao ny manizingizina avy hatrany hoe miresaka momba ny Andriamanitra tokana olana telo ny Testamenta Vaovao. Miara-miaiky koa ireo mpahay tantara ... sy ireo teolojianina fa tamin’ny faramparan’ny taonjato faha-4 vao tena nekena io fampianarana io, fa tsy tany am-piandohan’ny fivavahana kristianina.”—Rakipahalalana Katolika Vaovao (1967), Boky Faha-14, p. 295.
Tsy mahazo manambady ve ny mpitondra fivavahana?
Ny Papa Paoly Faha-6 no nanoratra ilay hoe Sacerdotalis Caelibatus (Tokony ho Mpitovo ny Pretra, 1967), ka nilaza fa fepetra takina amin’ny pretra izany. Niaiky koa anefa izy hoe: ‘Ny Testamenta Vaovao misy ny fampianaran’i Kristy sy ny Apostoly, dia tsy milaza mivantana hoe tsy mahazo manambady ny pretra masina. Tsy notakin’i Jeso tamin’ireo Roa Ambin’ny Folo Lahy nofidiny izany, ary tsy notakin’ny Apostoly tamin’ireo nitarika ny Kristianina voalohany.’—Ireo Taratasin’ny Papa 1958-1981 (anglisy, Falls Church, Va., 1981), p. 204.
1 Kor. 9:5, Prot.: “Moa tsy mahazo mitondra vady izay isan’ny mino va izahay, tahaka ny Apostoly sasany koa sy ny rahalahin’ny Tompo ary Kefasy?” (Anaran’i Petera amin’ny teny aramianina ny hoe “Kefasy”, araka ny Jaona 1:42. Jereo koa ny Marka 1:29-31, izay miresaka momba ny rafozambavin’i Simona, na Petera.)
1 Tim. 3:2, Kat.: “Koa ny Pretra dia tsy maintsy ho ... tsy nanambady afa-tsy indray mandeha monja [“manam-bady tokana”, Prot.].”
Efa talohan’ny andro kristianina ny Fivavahana Bodista no nitaky hoe tokony ho mpitovo ny pretra sy ny moanina. (Tantaran’ny Fitovoan’ny Pretra ao Amin’ny Eglizy, anglisy, Londres, 1932, fan. fahefatra, nohavaozina, Henry Lea, p. 6) Efa taloha kokoa aza izany no notakina tamin’ny pretra tany Babylona.—Ireo Babylona Roa (frantsay, A. Hislop, Paris, 1972), p. 332.
1 Tim. 4:1-3, Kat.: “Milaza marina ny Fanahy fa any aoriana any, dia hiala amin’ny finoana ny sasany, ka hanaraka fanahy mamitaka sy fampianaran’ny demony, ... handrara tsy hanambady izy.”
Tafasaraka amin’izao tontolo izao ve?
Hoy ny Papa Paoly Faha-6 tamin’izy nitsidika ny Firenena Mikambana tamin’ny 1965: ‘Ny Firenena Mikambana sisa no antenain’ny olona eran-tany hampisy firaisan-kina sy fandriampahalemana; Tianay ny hilaza izany etoana sy hanome voninahitra azy io.’
Jaona 15:19, Kat.: “[Hoy i Jeso-Kristy:] Raha olon’izao tontolo izao hianareo, dia hotian’izao tontolo izao izay azy; fa noho hianareo tsy olon’izao tontolo izao, dia halan’izao tontolo izao hianareo.”
Jak. 4:4, Kat.: “Tsy fantatrareo va fa fankahalana an’Andriamanitra ny fisakaizana amin’izao tontolo izao?”
Manohana ady ve?
Hoy i E. Watkin, mpahay tantara katolika: ‘Notohanan’ny Eveka foana ny ady rehetra nataon’ny fireneny. Tsy afaka ny handa izany isika satria fotsiny hoe tsy te hivadika amin’ny Eglizy. Mbola tsy nandre mihitsy aho hoe nisy mpitondra fivavahana nilaza fa tsy ara-drariny ny ady iray. Na inona na inona nolazain’ny manam-pahefana rehefa nisy ady, dia narahin’ny Eveka Katolika ny hoe “Manana ny rariny foana ny tanindrazako.” ’—Fitsipi-pitondran-tena sy Balafomanga (anglisy, Londres, 1959), natontan’i Charles Thompson, p. 57, 58.
Mat. 26:52, Kat.: “Hoy Jeso taminy: Ampidiro amin’ny tranony ny sabatrao, fa izay rehetra hamely amin’ny sabatra dia ho fatin’ny sabatra.”
1 Jaona 3:10-12, Kat.: “Amin’izany no ahafantarana izay zanak’Andriamanitra sy izay zanaky ny demony. ... Tsy avy amin’Andriamanitra ... izay tsy tia ny rahalahiny. ... Tsy maintsy mifankatia isika, fa tsy mba hanahaka an’i Kaina izay avy amin’ilay ratsy ka namono nahafaty ny rahalahiny.”
Araka izany, tena mampianatra sy manaraka izay nolazain’i Kristy sy ny apostoly ve ireo mihambo ho dimbin’ny apostoly?