Fanambadiana
Famaritana: Fiarahan’ny lehilahy iray sy vehivavy iray manorina tokantrano, araka ny fitsipiky ny Soratra Masina. Andriamanitra no nanorina ny fanambadiana. Afaka mifandray akaiky ny mpivady, ary milamin-tsaina sy tsy manana ahiahy rehefa mifankatia sy miezaka hitana ny voady nifanaovany. Rehefa nanome vady ho an’ny lehilahy voalohany i Jehovah, dia nanome azy namana akaiky sy fameno. Fikasany koa ny hiterahan’ny mpivady ka hahamaro ny olona eto an-tany. Tsy maintsy misoratra ara-dalàna ny olon-droa te hivady, raha mbola azo atao koa.
Tena zava-dehibe ve ny manaraka izay takin’ny lalàna rehefa hanambady?
Tit. 3:1: “Ampahatsiahivo hatrany izy ireo mba hanaiky sy hankatò ny fanjakana sy ny manam-pahefana mpitondra.” (Tsy ho afa-baraka ny mpivady raha manaraka io toromarika io ka misoratra, ary tsy ho afa-baraka koa ny zanany. Voaro koa ny zon’ny vady aman-janaka ho mpandova, raha maty ny iray amin’izy mivady.)
Heb. 13:4: “Aoka ho mendri-kaja eo imason’ny olona rehetra ny fanambadiana, ary aoka tsy ho voaloto ny fandrianan’ny mpivady, fa homelohin’Andriamanitra ny mpijangajanga sy ny mpanitsakitsa-bady.” (Anisan’ny mahatonga ny fanambadiana ho “mendri-kaja” ny misoratra ara-dalàna. Azo lazaina fa “mpijangajanga” na “mpanitsakitsa-bady” izay tsy manaraka ny lalàna momba ny fanambadiana, raha jerena ny Titosy 3:1.)
1 Pet. 2:12-15: “Aoka ho tsara foana ny fitondran-tenanareo eo amin’izao tontolo izao, mba hanomezany voninahitra an’Andriamanitra amin’ny andro fanaraha-maso. Hanome voninahitra Azy tokoa izy ireo rehefa mahita ny asa tsara ataonareo, na dia nanendrikendrika anareo ho mpanao ratsy aza. Noho ny Tompo, dia ekeo izay fahefana rehetra najoron’olombelona: Na mpanjaka izany, satria ambony izy, na governora, satria nirahiny hanasazy ny mpanao ratsy ireny, fa hidera an’izay manao ny tsara kosa. Fa ny sitrapon’Andriamanitra dia ny hanaovanareo izay tsara mba hampanginanareo ny vavan’ny olona tsy misaina, izay miteny zavatra tsy fantany.”
I Adama sy Eva fotsiny ve no nanapa-kevitra hiara-mipetraka, sa nisy fahefana nanakambana azy?
Gen. 2:22-24: “I Jehovah Andriamanitra nanao vehivavy tamin’ilay taolan-tehezana nalainy tamin-dralehilahy [Adama]. Dia nentiny ho any amin-dralehilahy ravehivavy. Ary hoy ralehilahy: ‘Ela ny ela ka ity eto ny taolana avy amin’ny taolako sy nofo avy amin’ny nofoko. Hantsoina hoe Vehivavy izy, satria nalaina avy tamin’ny lehilahy.’ Noho izany, ny lehilahy dia handao ny rainy sy ny reniny ka hikambana amin’ny vadiny, ary ho nofo iray ihany izy ireo.” (I Jehovah Andriamanitra, Mpanjakan’izao Rehetra Izao, mihitsy no nanakambana an’i Adama sy Eva. Tsy hoe fanapahan-kevitr’izy roa fotsiny ny hiara-mipetraka, fa nahazo alalana izy ireo. Nanantitrantitra koa Andriamanitra fa tokony haharitra ny fanambadiana.)
Gen. 1:28: “Nitso-drano azy ireo [an’i Adama sy Eva] Andriamanitra, ka niteny taminy hoe: ‘Manàna taranaka, ary mihabetsaha ka mamenoa ny tany. Anjakao ny tany, ary aoka hanaiky anareo ny trondro any an-dranomasina sy ny biby manidina eny amin’ny lanitra ary ny zavamananaina rehetra mihetsiketsika eny ambonin’ny tany.’ ” (Nitso-drano an’ilay fanambadiana ilay Manam-pahefana ambony indrindra. Nomena alalana hanao firaisana izy mivady, ary nomena asa hampisy dikany ny fiainany.)
Mahazo manana vady maro na mampirafy ve ny olona iray, raha eken’ny lalàna eo amin’ny taniny izany?
1 Tim. 3:2, 12: “Koa ny mpiandraikitra àry dia tokony ho tsy misy hokianina, manambady tokana ... Aoka ny mpanampy amin’ny fanompoana hanambady tokana.” (Nomena andraikitra ireny lehilahy ireny, ka tokony ho modely ho an’ny Kristianina hafa koa.)
1 Kor. 7:2: “Noho ny fielezan’ny fijangajangana anefa, dia aoka ny lehilahy samy hanana ny vadiny avy, ary ny vehivavy samy hanana ny vadiny avy.” (Tsy misy mahazo mampirafy àry na ny lehilahy na ny vehivavy.)
Nahoana no navelan’Andriamanitra hampirafy i Abrahama sy Jakoba ary Solomona?
Tsy tian’i Jehovah hampirafy ny olona, satria vady iray monja no nomeny an’i Adama. I Lameka, taranak’i Kaina, no naka vady roa. (Gen. 4:19) Nisy hafa koa nampirafy tatỳ aoriana, ka ny mpanompovaviny no nataony ho vadikeliny. Noleferin’Andriamanitra izany, ary nanome fitsipika hiarovana ny zon’ireo vady sy vadikelin’ny lehilahy iray izy tao amin’ny Lalàn’i Mosesy. Rehefa niorina anefa ny fiangonana kristianina, dia notakiny ny hanarahan’ny mpanompony indray ilay rafitra naoriny tany Edena.
Naka vady an’i Saray (Saraha) i Abrahama. Nihevitra anefa i Saray tamin’izy 75 taona teo ho eo fa tsy hiteraka intsony, ka izy no nangataka an’i Abrahama mba hanao firaisana tamin’ny mpanompovaviny. Te hahazo zaza tamin’ny alalan’ilay mpanompo mantsy i Saray. Nanaiky àry i Abrahama, saingy niteraka disadisa tao an-tokantranony izany. (Gen. 16:1-4) Efa nampanantena an’i Abrahama anefa i Jehovah fa hanome azy “taranaka”, ka nanao fahagagana izy mba ho bevohoka i Saraha tatỳ aoriana. (Gen. 18:9-14) Rehefa maty i Saraha vao naka vady hafa indray i Abrahama.—Gen. 23:2; 25:1.
Nanjary nampirafy i Jakoba noho izy nofitahin’ny rafozandahiny. Tsy nikasa hampirafy mihitsy anefa izy rehefa nitady vady tany Padana-arama. Tantarain’ny Baiboly amin’ny an-tsipiriany fa nifandrafy ireo vadiny ary tsy sambatra.—Gen. 29:18–30:24.
Deot. 17:17) Nanjary nivavaka tamin’ny andriamani-diso izy rehefa voatarik’ireo vadiny hafa firenena, ka “nanao izay ratsy teo imason’i Jehovah ... Dia tezitra mafy tamin’i Solomona i Jehovah.”—1 Mpanj. 11:1-9.
Nanana vady sy vadikely maro be koa i Solomona. Nandika izao didin’i Jehovah ho an’ny mpanjaka izao anefa izy: “Aoka koa izy tsy hampitombo ny isan’ny vadiny, sao hivily ny fony.” (Mahazo misara-toerana ve ny mpivady raha tsy mifanaraka mihitsy?
1 Kor. 7:10-16: “Manoro hevitra ny manambady aho, nefa tsy izaho fa ny Tompo: Tsy tokony hiala amin’ny vadiny ny vehivavy. Raha tena miala tokoa anefa izy, dia aoka hitoetra ho tsy manambady na aoka hody amin’ny vadiny. Ary tsy tokony hiala amin’ny vadiny ny lehilahy. Milaza amin’ny hafa kosa aho, eny, izaho fa tsy ny Tompo [asehon’ny andininy faha-40 anefa fa notarihin’ny fanahy masina i Paoly]: Raha misy rahalahy manambady tsy mpino, ary manaiky hiara-mitoetra aminy ihany ny vadiny, dia aoka tsy hiala aminy izy. Ary raha misy vehivavy manambady tsy mpino, ka manaiky hiara-mitoetra aminy ihany ny vadiny, dia aoka tsy hiala aminy izy. Fa hamasinina noho ny amin’ny vadiny ny lehilahy tsy mpino, ary hamasinina noho ny amin’ny rahalahy ny vadiny tsy mpino. Raha tsy izany, dia tena tsy madio ny zanakareo, nefa masina izy ireo izao. Fa raha ilay tsy mino kosa no te hiala, dia avelao izy hiala. Tsy voageja ny rahalahy na ny anabavy ao anatin’ny toe-javatra toy izany, fa Andriamanitra efa niantso anareo ho amin’ny fihavanana. Tsy fantatrao angaha ravehivavy fa mety ho voavonjinao ny vadinao? Ary tsy fantatrao angaha ralehilahy fa mety ho voavonjinao ny vadinao?” (Nahoana ilay mpino no miaritra ka miezaka hampahateza ny tokantranony? Ho fanajana ny fanambadiana naorin’Andriamanitra. Manantena koa izy fa mety ho lasa mpanompon’ilay tena Andriamanitra ny vadiny.)
Mety ve ny misaraka mba hanambadiana olon-kafa indray?
Mal. 2:15, 16: “ ‘Tandremo ny toe-tsainareo, ary aza misy mivadika amin’ny vadin’ny fahatanoranareo. Fa halako ny fisaraham-panambadiana’, hoy i Jehovah Andriamanitry ny Israely.”
Mat. 19:8, 9: “Dia hoy [i Jesosy] tamin’ireo: ‘Noho ny hamafin’ny fonareo no namelan’i Mosesy anareo lehilahy hisara-panambadiana, fa tsy mba toy izany tany am-piandohana. Lazaiko aminareo fa izay misaraka amin’ny vadiny ka manambady olon-kafa, dia manitsakitsa-bady, raha tsy hoe noho ny fijangajangana [fanaovana firaisana amin’olona tsy vadiny] ihany angaha no antony isarahany.’ ” (Koa mahazo misaraka amin’ilay vadiny ‘nijangajanga’ ilay tsy diso. Tsy voatery hisaraka koa anefa izy.)
Rom. 7:2, 3: “Voafatotry ny lalàna amin’ny vadiny, ohatra, ny vehivavy, raha mbola velona koa ny vadiny. Fa raha maty kosa ny vadiny, dia afaka amin’ny lalàn’ny vadiny izy. Koa raha mbola velona àry ny vadiny, dia holazaina hoe mpanitsakitsa-bady izy raha lasa vadin’olon-kafa. Fa raha maty kosa ny vadiny, dia afaka amin’ny lalàn’ny vadiny izy, ka tsy mpanitsakitsa-bady raha lasa vadin’olon-kafa.”
1 Kor. 6:9-11: “Aza manaiky ho voafitaka ianareo: Fa na mpijangajanga, na mpanompo sampy, na mpanitsakitsa-bady, na lehilahy manaiky hanaovan-dehilahy firaisana, na lehilahy miray amin’ny lehilahy, ... dia tsy handova ny fanjakan’Andriamanitra. Efa toy izany ihany ny sasany aminareo, saingy efa voasasa madio tsara ianareo, efa nohamasinina ianareo, efa nambara ho marina ianareo tamin’ny anaran’i Jesosy Kristy Tompontsika sy tamin’ny fanahin’Andriamanitsika.” (Tsy handova ny Fanjakan’Andriamanitra izay manitsakitsa-bady ka tsy mibebaka. Mety hahazo famelan-keloka ka hadio eo imason’Andriamanitra anefa izay nanitsakitsa-bady taloha, na nisaraka noho ny antony tsy ara-baiboly ka nanambady indray, raha toa izy ka tena mibebaka sy mino ny vidim-panavotan’i Jesosy.)
Nahoana no navelan’Andriamanitra hifanambady ny mpianadahy, fahiny?
Nety ho anabaviny (Gen. 4:17; 5:4) na zanaky ny mpiray tam-po aminy no nalain’i Kaina ho vady. I Abrahama kosa nanambady ny anabaviny iray ray taminy. (Gen. 20:12) Noraran’ny Lalàn’i Mosesy anefa ny fanambadiana toy izany tatỳ aoriana. (Lev. 18:9, 11) Tsy mahazo manambady havana akaiky koa ny Kristianina. Mety hahazo aretina na ho sampona ny zanak’ireo mpihavana akaiky mifanambady.
Nahoana anefa no afaka nifanambady ny mpianadahy taloha? Nataon’Andriamanitra lavorary i Adama sy Eva, izay tokony hiavian’ny olona rehetra. (Gen. 1:28; 3:20) Tsy maintsy hisy hifanambady àry aloha ireo mpihavana akaiky. Na efa nanota aza ny olona, dia tsy natahorana ho sampona ny zanaky ny taranaka voalohandohany, noho izy ireo akaiky kokoa ny fahalavorariana. Porofon’izany ny hoe ela velona izy ireo. (Jereo ny Genesisy 5:3-8; 25:7.) Noraran’Andriamanitra anefa ny fanambadiana havana akaiky, 2 500 taona teo ho eo taorian’ny nanotan’i Adama. Amin’izay dia tsy hiteraka sampona ny mpanompony, sady hiavaka amin’ireo firenena manodidina izay tena ratsy fitondran-tena.—Jereo ny Levitikosy 18:2-18.
Ahoana no hananan’ny mpivady tokantrano sambatra?
1) Miara-mianatra Baiboly tsy tapaka sy mangataka ny fanampian’Andriamanitra mba hamahana olana.—2 Tim. 3:16, 17; Ohab. 3:5, 6; Fil. 4:6, 7.
2) Mitadidy hoe ny lehilahy no loham-pianakaviana. Andraikitra mavesatra izany. (1 Kor. 11:3; Efes. 5:25-33; Kol. 3:19) Mila miezaka manaiky izany koa ny vehivavy.—Efes. 5:22-24, 33; Kol. 3:18; 1 Pet. 3:1-6.
3) Tsy mieritreritra ny hanao firaisana afa-tsy amin’ny vady ihany. (Ohab. 5:15-21; Heb. 13:4) Hahatohitra fakam-panahy ny mpivady, raha mifanome fahafaham-po amin’io lafiny io.—1 Kor. 7:2-5.
4) Tsara fanahy sy be fiahiana rehefa mifampiresaka, ary tsy mora tezitra, na be menomenona, na be fanakianana na manao teny maharary.—Efes. 4:31, 32; Ohab. 15:1; 20:3; 21:9; 31:26, 28.
5) Mazoto miasa sy mahakarakara tokantrano.—Tit. 2:4, 5; Ohab. 31:10-31.
6) Manetry tena ka mampihatra ny toro lalan’ny Baiboly, na manao ny anjarany ny vady na tsia.—Rom. 14:12; 1 Pet. 3:1, 2.
1 Pet. 3:3-6; Kol. 3:12-14; Gal. 5:22, 23.
7) Miezaka hanana toetra tsara.—8) Maneho fitiavana amin’ny zanaka, ary mampiofana sy mananatra azy ireo.—Tit. 2:4; Efes. 6:4; Ohab. 13:24; 29:15.