Jiosy
Famaritana: Izay rehetra taranaka Hebreo sy izay tsy Hebreo nefa manaraka ny Fivavahana Jiosy. Resahin’ny Baiboly koa fa Jiosy ara-panahy ny Kristianina anisan’ny “Israelin’Andriamanitra.”
Vahoaka voafidin’Andriamanitra ve ny Jiosy ankehitriny?
Izany no inoan’ny Jiosy maro. Hoy ny Rakipahalalana Judaica (Jerosalema, 1971, Boky Faha-5, tsang. 498): “VAHOAKA VOAFIDY: Iantsoana ny vahoakan’ny Israely, noho ny fifandraisany manokana amin’ilay andriamanitra Deoteronomia 7:6-8; Eksodosy 19:5.
iombonan’ny rehetra. Izany foana no hevitra nijoroan’ny Jiosy hatramin’izay.”—Jereo nyMihevitra toy izany koa ny fivavahana maro milaza azy ho Kristianina. Hoy ny Gazety sy Lalàm-panorenana, ao amin’ilay fizarana hoe “Fivavahana”: “Nampianarin’ireo fiangonana hatramin’izay fa ‘nolavin’Andriamanitra ny Israely olony’ ka nosoloany ‘Israely vaovao.’ Nilaza anefa izy [Paul Van Buren, teolojianina ao amin’ny Oniversiten’i Philadelphie] fa misy fiangonana niova hevitra ka lasa mampianatra hoe ‘maharitra mandrakizay ilay fifanekena nataon’Andriamanitra tamin’ny Jiosy. Samy mampianatra izany izao ny Protestanta sy ny Katolika atỳ Amerika sy any Eoropa.’ ” (anglisy, Atlanta, 22 Janoary 1983, p. 5-B) Hoy koa Ny Gazetin’i New York (6 Febroary 1983, p. 42): “ ‘Mahaliana an’ireo fivavahana ara-pilazantsara i Israely, ary mino izy ireo fa tokony hotohanana izay rehetra ataon’i Israely, satria momba azy Andriamanitra’, hoy i Timothy Smith, Metodista mpampianatra teolojia ao amin’ny Oniversiten’i Johns Hopkins.” Ny fivavahana sasany milaza azy ho Kristianina dia manantena fa ho lasa Kristianina daholo ny Jiosy ka ho voavonjy. Misy koa mihevitra fa tsy tapaka mihitsy ny fifandraisan’i Israely amin’Andriamanitra, ka ireo tsy Jiosy ihany no mila hampihavanina amin’Andriamanitra amin’ny alalan’i Kristy.
Diniho anefa izao: Rehefa tafaverina an-tanindrazana ireo Jiosy babo tany Babylona, dia tsy maintsy namerina tamin’ny laoniny ny fivavahana marina izy ireo. Naoriny indray àry ny tempolin’i Jehovah tao Jerosalema. Rehefa noravan’ny Romanina anefa i Jerosalema tamin’ny taona 70, dia tsy naorina intsony ilay tempoly taorian’izay. Toerana masina silamo izao no eo amin’izay nisy azy io. Raha vahoaka voafidin’Andriamanitra àry ny Jiosy any Jerosalema, izay mihambo ho manaraka ny Lalàn’i Mosesy, tsy tokony ho naoriny indray ve ilay tempoly?
Mat. 21:42, 43: “Hoy i Jesosy [tamin’ireo lehiben’ny mpisorona sy anti-panahy jiosy tao Jerosalema]: ‘Mbola tsy novakinareo tao amin’ny Soratra Masina mihitsy ve ny hoe: “Ny vato nolavin’ny mpanao trano no tonga vato fehizoro lehibe indrindra, ary i Jehovah no nahatonga izany, ka mahagaga eo imasontsika”? Izany no antony ilazako aminareo hoe: Hesorina aminareo ny fanjakan’Andriamanitra ka izay firenena mamokatra voa mendrika an’ilay fanjakana no homena azy.’ ”
Mat. 23:37, 38: “Ry Jerosalema, ry Jerosalema, izay mpamono ny mpaminany sy mpitora-bato an’izay irahina ho any aminy! Impiry aho no te hanangona ny zanakao, tahaka ny fanangon’ny reniakoho ny zanany ao ambany elany! Tsy nety anefa ianareo. Hilaozana ny tranonareo ka havela ho anareo.”
Mbola vahoaka voafidin’Andriamanitra ve ny Jiosy, noho ilay fifanekena tamin’i Abrahama?
Gal. 3:27-29: “Nitafy ny toetran’i Kristy mantsy ianareo rehetra izay natao batisa ho amin’i Kristy. Ary tsy misy intsony na Jiosy na Grika, na andevo na tsy andevo, na lahy na vavy. Fa olona iray ihany tafaray amin’i Kristy Jesosy ianareo rehetra. Ary raha an’i Kristy ianareo, dia tena taranak’i Abrahama, sady mpandova araka ny fampanantenana.” (Tsy izay avy amin’i Abrahama intsony àry no antsoin’Andriamanitra hoe “taranak’i Abrahama.”)
Hanjary hino an’i Kristy ve ny Jiosy rehetra ka ho voavonjy mandrakizay?
Rom. 11:25, 26: “Mba tsy hiheveranareo tena ho hendry, ry rahalahy, dia tsy tiako tsy ho fantatrareo izao zava-miafina masina izao: Nisy tsy nihontsina ny Israely, mandra-pahafenon’ny isan’ny hafa firenena izay niditra, ary izany no fomba [“toy izany no”, DIEM; grika: hotôs] hamonjena ny Israely rehetra.” (Mariho fa ho voavonjy ny “Israely rehetra” rehefa feno ny isan’ny hafa firenena izay “niditra”, fa tsy hoe rehefa niova ho Kristianina ny Jiosy rehetra. Asehon’ny Rakibolana Grikan’ny Testamenta Vaovao [anglisy, Édimbourg, 1937, G. Abbott-Smith, p. 329] fa ny dikan’ny hotôs dia hoe “amin’izany fomba izany, toy izany, àry.”)
Manampy antsika hahazo ny hevitry ny Romanina 11:25, 26 ireto andininy ireto: “Tsy izay miseho etỳ ivelany no maha Jiosy ny olona iray, ary tsy ny famorana azy eo amin’ny nofo no maha voafora azy. Fa ny ao anaty no maha Jiosy azy, ary voafora fo izy ka ny fanahy no namorana azy, fa tsy ny fehezan-dalàna an-tsoratra.” (Rom. 2:28, 29) “Tsy izay rehetra avy amin’ny Israely no tena ‘Israely.’ ”—Rom. 9:6.
Mila mino an’i Jesosy Kristy ve ny Jiosy vao ho voavonjy?
Nilaza ny Isaia 53:1-12 (Prot.) fa ho faty ny Mesia mba ‘hitondra ny fahotan’ny maro sady hanao fifonana ho an’ny mpanota.’ Nilaza koa ny Daniela 9:24-27 (Prot.) fa “hanampina ny fahotana, ary hanao fanavotana noho ny heloka” ny Mesia. Nila olona hifona ho azy sy hanavotra azy àry ny Jiosy. Hankasitraka azy ireo ve Ilay naniraka ny Mesia raha mandà ny Mesia izy ireo?
Asa. 4:11, 12: “[Nentanin’ny fanahy masina ny apostoly Petera ka niteny toy izao momba an’i Jesosy, tamin’ny mpitondra sy anti-panahy jiosy tao Jerosalema:] Izy ‘ilay vato nohamavoinareo mpanao trano, nefa tonga vato fehizoro.’ Ary tsy misy olon-kafa hahazoana famonjena, satria tsy misy anarana hafa ambanin’ny lanitra nomena ny olona hahazoantsika famonjena.” (Marina fa tsy ankasitrahan’Andriamanitra intsony ny firenen’ny Israely, kanefa afaka manantena hahazo famonjena amin’ny alalan’i Jesosy Mesia ny Jiosy tsirairay, toy ny hafa firenena ihany.)
Fahatanterahan’ny faminanian’ny Baiboly ve ny zava-mitranga any Israely ankehitriny?
Ezek. 37:21, 22, Prot.: “Izao no lazain’i Jehovah Tompo: Indro, Izaho haka ny Zanak’Isiraely avy any amin’ny jentilisa izay nalehany, eny, hangoniko avy any amin’ny manodidina any izy ka ho entiko ho any amin’ny taniny: ary hataoko ho firenena iray any amin’ny tany izy, dia any an-tendrombohitry ny Isiraely, ary mpanjaka iray ihany no ho mpanjakan’izy rehetra.” (Tsy mpanjaka taranak’i Davida anefa no mitondra any Israely ankehitriny. Repoblika kosa no any.)
Isaia 2:2-4, Prot.: “Izao no ho tonga any am-parany: Ny tendrombohitra misy ny tranon’i Jehovah dia haorina eo an-tampon’ny tendrombohitra ary hasandratra ho avo noho ny havoana; ary ny jentilisa rehetra hitanjozotra hankany. Eny, maro ny firenena no hiainga ka hanao hoe: Andeha isika hiakatra any an-tendrombohitr’i Jehovah, ho any an-tranon’Andriamanitr’i Jakoba, mba hampianarany antsika ny amin’ny làlany, ka handehanantsika amin’ny atorony ... Hanefy ny sabany ho fangady ireny, ary ny lefony ho fanetezam-boaloboka; ny firenena tsy hanainga sabatra hifamely na hianatra ady intsony.” (Tsy “tranon’Andriamanitr’i Jakoba” no eo amin’ilay nisy ny tempoly ao Jerosalema, fa toerana masina silamo. Ary tsy mieritreritra ny “hanefy ny sabany ho fangady” ny Israely sy ireo firenena manodidina azy, fa vao mainka aza miomana ho amin’ny ady.)
Isaia 35:1, 2, Prot.: “Ravoravo ny efitra sy ny tany karankaina, ary ny tani-hay mifaly sy mamony tahaka ny lilia. Mamony be dia be izy, eny, mifaly sy mihoby izy, ny voninahitr’i Libanona dia homena azy mbamin’ny hatsaran-tarehin’i Karmela sy Sarôna, dia hahita ny voninahitr’i Jehovah izy sy ny famirapiratan’Andriamanitsika.” (Fambolen-kazo sy lakandrano fanondrahana voly be dia be no natao tany Israely. Tsy Andriamanitra anefa no omen’ny mpitondra any voninahitra amin’izany. Hoy i David Ben-Gurion, praiminisitra taloha: “Tapa-kevitra ... ny hanova ny tany efitra ho tany lonaka, amin’ny alalan’ny siansa sy ny saina tia karokaroka i Israely, ary hampanjaka ny demokrasia.”)
Zak. 8:23, Prot.: “Amin’izany andro izany dia hisy folo lahy avy amin’ny firenena samy hafa fiteny rehetra hihazona ny sisin-damban’ny Jiosy anankiray ka hanao hoe: Mba handeha hiaraka aminareo izahay; fa efa renay fa momba anareo Andriamanitra.” (Iza moa io Andriamanitra io? Miseho in-130 mahery ilay anarany [יהוה, izay adika matetika hoe Jehovah], ao amin’ny bokin’i Zakaria ao amin’ny Baiboly hebreo. Heverin’ny olona ho Jiosy ve izay mampiasa io anarana io ankehitriny? Tsia! Efa ela be mantsy ny Jiosy no tsy nanonona intsony io anarana io, noho ny finoanoam-poana. Tsy fahatanterahan’ilay faminanian’i Zakaria àry ny fahalianan’ny fivavahana maro amin’ny Israely ankehitriny.)
Ahoana àry ny amin’ireo zava-mitranga any Israely ankehitriny? Tsy fisehoan-javatra miavaka izy ireny, fa anisan’ny zava-mitranga eran-tany nambaran’ny Baiboly mialoha, toy ny ady, fandikan-dalàna, fihenan’ny fitiavana an’Andriamanitra, ary fitiavam-bola.—Mat. 24:7, 12; 2 Tim. 3:1-5.
Tanteraka amin’iza ankehitriny ireo faminaniana momba ny Israely?
Gal. 6:15, 16: “Tsy ny hoe voafora na tsy voafora no zava-dehibe, fa ny hoe zavaboary vaovao. Ary enga anie ny fiadanana sy ny famindram-po ho amin’izay rehetra hanaraka tsara an’ity fitsipi-pitondran-tena ity, eny, ho amin’ny Israelin’Andriamanitra!” (Tsy izay manaraka ny baiko nomena an’i Abrahama ka mifora àry no anisan’ny “Israelin’Andriamanitra.” Izay an’i Kristy sy zanak’Andriamanitra nateraky ny fanahy kosa no “tena taranak’i Abrahama”, araka ny Galatianina 3:26-29.)
Jer. 31:31-34: “ ‘Ho avy ny andro’, hoy i Jehovah, ‘izay hanaovako fifanekena vaovao amin’ny taranak’Israely sy ny taranak’i Joda. ... Samy tsy hampianatra ny namany sy ny rahalahiny intsony izy ireo hoe: “Mahalalà an’i Jehovah!” Fa hahalala ahy izy rehetra, manomboka amin’ny kely indrindra ka hatramin’ny lehibe indrindra’, hoy i Jehovah.” (Tsy tamin’ny firenen’ny Israely ara-nofo no nanaovana io fifanekena vaovao io, fa tamin’ny mpanara-dia an’i Jesosy Kristy izay manantena ny ho any an-danitra. Tamin’i Jesosy nisantatra ny Fahatsiarovana ny nahafatesany, dia nanolotra kaopy nisy divay tamin’ireo mpianany izy, ka niteny hoe: “Ity kaopy ity no fifanekena vaovao miorina amin’ny rako.” [1 Kor. 11:25])
Apok. 7:4: “Reko ny isan’ireo voaisy tombo-kase, dia efatra arivo sy efatra alina sy iray hetsy, voaisy tombo-kase avy tamin’ny foko rehetran’ny zanak’Israely.” (Voaresaka koa “ny fokon’i Levy” sy “ny fokon’i Josefa” ao amin’ireo andininy manaraka. Tsy anisan’ny foko 12 teo amin’ny Israely ara-nofo anefa ireo foko roa ireo. Voalaza eo koa hoe ‘avy tamin’ny foko rehetra’ izy ireo, nefa tsy voatonona eo ny fokon’i Dana sy Efraima. [Ampitahao amin’ny Nomery 1:4-16.] Tsy ny Israely ara-nofo àry no resahina eo, fa ny Israelin’Andriamanitra, dia ireo Kristianina voahosotra hiara-manjaka amin’i Kristy any an-danitra, araka ny Apokalypsy 14:1-3.)
Heb. 12:22: ‘Ny hatoninareo dia Tendrombohitra Ziona, sy tanànan’ilay Andriamanitra velona, izany hoe i Jerosalema any an-danitra; sy anjely an’alinalina.’ (Manantena àry ny tena Kristianina fa ilay “Jerosalema any an-danitra” no hanatanteraka ny fampanantenan’Andriamanitra, fa tsy ilay Jerosalema eto an-tany.)