Fanjakana sandoka iray
Toko Faha-10
Fanjakana sandoka iray
1. Nanao ahoana ny fandrosoan’ny “vaovao tsara” tamin’ny taonjato voalohany?
NA DIA tao aza ny fanenjehana tamin-kalozana, dia nanohy nandroso sy nitombo ny kongregasiona kristiana vao niforona. ‘Namokatra sy nitombo naneran-tany’ hatrany ny fahamarinan’ny vaovao tsara momba ny Fanjakan’Andriamanitra sy ny Mesiany. Raha niditra tany amin’ireo faritany vaovao ny mpitory ilay Fanjakana, dia nitaraina ireo fahavalony hoe: “Tonga atỳ koa ireo lehilahy namadika izao tontolo izao ireo”. — Kolosiana 1:5, 6; Asan’ny apostoly 17:6.
2. Inona avy no fiezahana nataon’ny Devoly mba hampiatoana ny fampielezana ny fahamarinana, nefa nahoana no tsy nahomby izy?
2 Fa inona no azon’ny olona tsotra izao natao mba hisakanana ny fielezan’ny fahamarinana? Lazain’ny Tantara fa tao anatin’ireo taonjato telo voalohany amin’ny fanisan-taona iraisana, ireo Kaisara tao amin’ny Empira romana dia nanapoaka onjam-panenjehana ny kristiana eo amin’ny folo, nefa tsy nisy vokany. Ireo izay nanaraka ny ohatra nomen’i Jesosy dia niseho ho ‘niorina tsara tamin’ny finoana’ ary tsy nety nandika ny feon’ny fieritreretany, na dia nanipy maro be taminy ho an’ny liona aza ny Devoly oharina amin’ny “liona mierona” na nampijaly azy ireny hatramin’ny fahafatesana. — I Petera 5:8, 9; ampitahao amin’ny I Korintiana 15:32; II Timoty 4:17.
3. Nahoana isika no tokony hitafy ‘ny fiadian’Andriamanitra rehetra’?
3 Koa satria matetika no tsy nahomby ny fanafihany manatrika tamin’ny alalan’ny fanenjehana, dia nampiasa fomba hafa ankolaka kokoa Satana mba hanaovana izay hahatafintohina ireo mpianatr’i Jesosy. Niaina teo amin’izao tontolo izao mieboebo, maloto sy mamon’ny fahafinaretana ireo. Nampiasain’ny Devoly faran’izay betsaka ireo toe-javatra Efesiana 6:11-18, izay ilazalazany amin’ny antsipiriany ny ‘fiadian’ Andriamanitra [ara-panahy] rehetra’ tokony hotafin’izy ireo. Notafinao ve ‘ny fiadian’Andriamanitra rehetra’? Tena ilaina izany mba hiaretana fitsapana amin’izao “andro farany” izao. (II Timoty 3:1-5.) Nila dia nila izany fiadiana izany koa ireo kristiana tamin’ny taonjato voalohany. Nahoana?
ireo mba hanandramana mampiala ny kristiana amin’ny asan’Andriamanitra. Tsy maintsy ‘niorina mafy’ àry ireo mpianatra, araka ny averimberin’ny apostoly Paoly intelo ao amin’ny4. Inona avy moa no fahamarinana tena lehibe momba ilay Fanjakana, takatr’ireo kristiana tamin’ny taonjato voalohany?
4 Nadio sy tsotra ny finoan’izy ireo. Tamin’izany fotoana izany ny kristiana rehetra dia nahazo ny fanosorana tamin’ny fanahy ka noho izany dia nanantena handray soa taty aoriana tamin’ny fananganana ny maty izay hahatonga azy ireo ho afaka hiditra “any amin’ny fanjakana mandrakizay, izay an’i Jesosy Kristy, Tompontsika sy Mpamonjy antsika”. (II Petera 1:11; I Korintiana 15:50.) Raha ela indrindra, tany amin’ny taona 96, taona nahazoan’ny apostoly Jaona, efa be taona tokoa tamin’izay, ny Apokalypsy teo ambanin’ny tsindrimandrin’Andriamanitra, dia takatr’ireo kristiana fa ny “ondry vitsy” izay anisany ny tenany, dia ho voafetra ho mpikambana 144 000. Voantso ho tonga ‘mpanjaka sady mpisorona’ hiaraka amin’i Kristy any an-danitra izy ireny ka hanapaka ny tany mandritra ny 1000 taona. Fantatr’i Jaona koa fa ‘rehefa ho avy’ nangonina ny 144 000 anisan’ny Isiraely ara-panahy, dia ho voavaka ny fisian’ny “olona betsaka”, lehilahy sy vehivavy mahatoky, tsy voafetra ny isany, izay ho avy amin’ny “firenena rehetra sy ny fokom-pirenena sy ny olona ary ny samy hafa fiteny”. Izany kilasin’olona kristiana izany dia ho tafita velona amin’ny “fahoriana lehibe” izay tokony hamely ny tany ka rehefa avy eo dia hahaforona votoatin’ny fitambaran’olona izay higoka ireo fitahiana hoentin’ny fanapahan’ny Fanjakana arivo taonan’Andriamanitra. — Lioka 12:32; Apokalypsy 7:4, 9-17; 20:1-6; 21:1-5.
NY FIVADIHAM-PINOANA LEHIBE
5, 6. a) Inona avy moa no andinin-teny ao amin’ny Baiboly mampiseho fa tamin’izany fotoana izany ny Devoly dia efa nampiasa fanafihana ankolaka kokoa? b) Raha lazaina amin’ny teny indraim-bava, inona izany?
5 Karazam-panafihana ankolaka inona àry no hapoakan’ny Devoly amin’ny kristiana? Raha nanisy fitenenana ny amin’ny Isiraely fahiny tsy ampy finoana ny apostoly Petera, dia nanome izao fampitandremana izao: “Nisy mpaminany sandoka teo amin’ny olona Isiraely, ary hisy koa mpampianatra sandoka tahaka izany eo aminareo, izay hahatonga mangingina sain-diso mahavery (...). Ary amin’ny hafatratry ny fitiavany harena no hanaovany varotra anareo amin’ny teny mamitaka.” (II Petera 2:1, 3). Ireny mpampianatra sandoka tia fitokotokoana ireny sy ny fampianarany ara-pivavahan-diso dia efa nanomboka nipoitra tamin’ny faran’ny taonjato voalohany, satria izao no nosoratan’ny apostoly Jaona tany amin’ny 98: “Tahaka ny efa renareo fa ho avy ny antikristy, sady maro no antikristy efa tonga sahady (...) Avy tamintsika ihany no niala ireo, nefa tsy mba namantsika izy.” — I Jaona 2:18, 19.
6 Raha vao tamin’ny taona 51, tao amin’izay toa taratasiny faharoa ekena ho anisan’ny Soratra masina, ny apostoly Paoly dia nampitandrina ireo kristiana tamin’ny fampianaran-diso momba ny “andron’i Jehovah”. Izao no nosoratany: “Aza mety hofitahin’olona akory hianareo; fa tsy ho avy izany, raha tsy efa tonga aloha ny fihemorana, ka hiseho ilay lehilahin’ota, dia ilay zanaky ny fahaverezana.” Tena mety ho iza moa izany “lehilahin’ota” izany? Io fitenenana io dia tokony hanondro ireo filoha ara-pivavahana nivadika izay tsy miraharaha lalàna amin’ny heviny hoe, na dia mihambo ho kristiana aza izy, dia “tsy mahalala an’Andriamanitra” sy “tsy manaiky ny filazantsaran’i Jesosy Tompontsika”. (II Tesaloniana 1:6-8; 2:1-3.) Fa ahoana no mety hisehoan’ny kilasin’olona mivadi-pinoana toy izany ao anatin’ny kongregasiona kristiana?
7. Ahoana no nahalatsahan’ny mpianatr’i Jesosy sasany tao amin’ny fandrika, ary inona no vokatr’izany?
7 Raha mbola velona koa ireo apostolin’i Jesosy Kristy dia nisakana ny fitsofohan’ny fampianaran-diso, nefa efa niasa II Timoty 4:3, 4; II Tesaloniana 2:6-10; Matio 23:8.
sahady “ny zava-miafina, dia ny tsy fankatoavan-dalàna”, “araka ny fiàsan’i Satana”, ary nanjary niharihary kokoa izany tamin’ny taonjato faharoa. Izao no nolazain’i Jesosy tamin’ireo mpianany: “Hianareo rehetra dia mpirahalahy avokoa”, nefa ny kristiana sasany izay nitady ny voninahiny manokana dia latsaka tao anatin’ny fandrika navelatry ny Devoly. Nanorina fiavahana teo amin’ny klerjy sy ny lahika izy ireo. Hita nitombo tsikelikely tamin’izany ny tarehin-javatra nambaran’ny apostoly Paoly ara-paminaniana tamin’izao teny izao: “Fa ho avy ny andro izay tsy hahazakan’ny olona ny fampianarana tsy misy kilema; fa hangidihidy sofina izy, dia hamory mpampianatra ho azy araka ny filany; ary hampiala ny sofiny amin’ny teny marina tokoa izy”. —8. a) Inona moa ireo loharanon’ny fampianaran-diso roa lehibe indrindra? b) Ahoana no ilazalazan’ireo “encyclopédies” ny fanimbana ny kristianisma?
8 Nampitodika ny sainy ho amin’inona àry izy ireo? Ho amin’ny fampianarana nipoitra tany Babylona fahiny, nahaterahan’ny fivavahan-diso, sy ho amin’ny filozofia grika be mpanaraka aoka izany teo amin’izao tontolo izao romana tamin’izany andro izany. Manao izao famoaboasan-kevitra izao ny “encyclopédie iray (ny Cyclopædia nataon’i M’Clintock sy Strong): “Simba ny fahatsoran’ny Filazantsara; nampidirina ny fombafomba sy haitraitra marevaka; ireo mpampianatra tao amin’ny kristianisma dia nomena voninahitra tsy ara-pivavahana sy nandray karama; ary ny fanjakan’i Kristy dia novana be dia be ho fanjakan’izao tontolo izao.” Tetsy andaniny koa, ny Encyclopédie britannique dia nilaza toy izao ny amin’izany: “Tsy misy na inona na inona angamba nandray anjara bebe kokoa tamin’ny fanimbana ny kristianisma toy ny fampidirana teo anivony, finoanoampoana izay, na fanompoan-tsampy mihitsy, na nalaina avy amin’ny fanaon’ny mpanompo sampy. Tsy nahay niady tamim-pandresena tamin’ny kristianisma ny fivavahan’ny mpanompo sampy ka nanao zavatra be dia be mba hanimbana azy ary nampihena ny fahadiovany tamin’ny fomba maro.”
9. a) Niteraka zavatra inoana fahita inona moa ny fampianarana ny amin’ny tsy fahafatesan’ny fanahy? b) Ahoana no andavan’ny Baiboly an’ireo fampianarana ireo?
Salamo 146:4; Mpitoriteny 9:5, 10; Matio 10:28 sy Romana 6:23.
9 Inona moa no sasantsasany amin’ireny finoanoampoana sy fanaon’ny mpanompo sampy ireny? Tao indrindra ny fampianaran’ilay filozofa grika atao hoe Platon, izay nilaza fa tsy mety maty ny fanahy olombelona. Amin’izany, dia tokony handeha any ho any ny fanahy eo amin’ny fahafatesana: ho any amin’ny fahasambarana tampony any an-danitra, ho any amin’ny afo fandiovana mba hodiovina any na ho any amin’ny afobe mirehitra mba hiharan’ny fampijaliana mandrakizay any. Izany dia mifanohitra tanteraka amin’ny teny ao amin’ny Baiboly toy nyNY FIANDOHAN’NY FIVAVAHANA KATOLIKA
10, 11. Ahoana no fiaiken’ny kardinaly Newman ny amin’ireo fampianaran’ny Egliziny maro? Koa satria niaiky izy fa maro be amin’ny fanao sy fampianaran’ny Egliziny no avy amin’ny mpanompo sampy, tena azo atao ve ny mihevitra izany ho masina?
10 Tamin’ny taonjato faha-19, ny kardinaly John Newman dia nampiharihary (tao amin’ny bokiny hoe Essays and Sketches) ny niandohan’ny ankamaroan’ny fampianaran’ny Egliziny; hoy izy: “Ny fisehoan-javatra eken’ny rehetra dia izao manaraka izao: ny tokony hitadiavana ny ankamaroan’izay raisina mandrakariva ho fahamarinana kristiana, amin’ny heviny tena lehibe sy amin’ny fizarana isan-karazany aminy, ao amin’ny filozofia sy ny fivavahan’ny mpanompo sampy. Ohatra, hita indray any atsinanana toy ny any andrefana, ny finoana ny amin’ny trinite, ny fombafomba fanasan-tongotra, ny fomba fanaterana sorona. Araka an’i Platon ny fampianarana ny Tenin’Andriamanitra; avy any India ny amin’ny Fahatongavana ho nofo.” Avy eo, raha namaly ny mpanohitra iray izay nilaza hoe: “Ao amin’ny fivavahan’ny mpanompo sampy ireo zavatra ireo, noho izany dia tsy kristiana”, ilay kardinaly, dia izao no teny nanampiny: “Tianay kokoa ny milaza mifanohitra amin’izany hoe: ‘Ao amin’ny kristianisma ireo zavatra ireo ka noho izany dia tsy misy fanompoan-tsampy.’ ” Izy ireo anefa dia nanam-piandohana avy ao amin’ireo fampianarana babyloniana sy grika efa
nisy talohan’ny nahaterahan’ny fivavahana katolika romana. Ambonin’izany, dia tsy hita ao amin’ny Baiboly, Tenin’Andriamanitra, izany.11 Ao amin’ny boky hafa iray (The Development of Christian Doctrine), ny kardinaly Newman dia manamarina fa ireo fampianarana sy fombafomba nampidirin’io fivadiham-pinoana lehibe io dia tena avy amin’ny fivavahan’ny mpanompo sampy; izao tokoa no voasoratra: “Mba hitarihana ny mpanompo sampy hanaraka an’ilay fivavahana vaovao [katolika romana], dia nafindran’i Constantin tao amin’io ireo fombafomba ivelany nahazatra azy ireny tao amin’ny fivavahany.” Avy eo, taorian’ny nitanisana fanaon’ny Egliziny maro be, dia niaiky ilay kardinaly fa izany, ‘samy avy amin’ny mpanompo sampy, dia nohamasinina tamin’ny fandraisana azy tao amin’ny Eglizy’. Nefa moa ve ny fampianaran-diso azo ‘hamasinina’, izany hoe atao manjary masina?
12, 13. a) Tao anatin’ny toe-javatra nanao ahoana ary noho ny antony manosika inona moa no niheveran’i Constantin ny fivavahana katolika romana? b) Inona no mahatonga ho afaka hahafantatra raha tonga kristiana tso-po i Constantin?
12 Miresaka an’i Constantin Lehibe, emperora romana tamin’ny taonjato fahefatra ny kardinaly Newman. Fa nahoana no nihevitra ny fivavahana i Constantin? Taona maro taorian’ny nakana an’i Roma, tamin’ny 312, dia nampahafantarin’i Constantin fa teo am-piandohan’ny fanafihany tamim-pandresena, dia nahita fahitana vokovoko nirehitra narahin’izao teny izao izy: “Handresy amin’ity famantarana ity ianao.” Nampanoratiny teo amin’ny fanevany izany. Nametraka fanorenan’ny fivavahana katolika izy, tsy isalasalana fa mba hahazoana fanohanana avy aminy eo amin’ny fanatanterahana any aoriana ny fikasany ara-politika, ka nampidiriny tao amin’io fivavahana “kristiana” io ireo zavatra ninoan’ny mpanompo sampy tiany.
13 Izao no nosoratan’ny Encyclopédie britannique momba an’i Constantin: “Tsy maintsy ho mbola finoana azo nekena ho an’io lehilahy io ny fanompoan-tsampy satria nila ho hatreo amin’ny fahataperan’ny androm-piainany, dia nitahiry
finoanoampoanan’ny mpanompo sampy maro be izy. (...) Nanana zo hitondra ny anaram-boninahitra hoe Lehibe i Constantin, tsy dia noho ny naha-izy azy loatra fa noho ny nataony. Raha tsaraina amin’ny toetrany izy, dia marina fa anisan’ny ratsy indrindra tamin’izay rehetra nomena an’io filazan-toetra io [“Lehibe”], na taloha na ankehitriny.” Izany no asehon’ny nietreny hatramin’ny fampamonoana mpianakaviny maromaro. Ny anaram-boninahiny hoe “pontifex maximus” dia nomena taty aoriana ho an’ireo papa tao amin’ny Eglizy katolika romana.14. Tena mampiseho ny Fanjakan’Andriamanitra tokoa ve ireo papa tany Roma? Nahoana no mamaly toy izany ianao?
14 Nandritra ny fotoanan’ny fahamaizinana sy ny Andro Antenatenany, ireo papa dia nampihatra ny fanapahany tamin’ny fomba nanakaiky dia akaiky ny an’ireo mpanjaka, fa tsy niandry ny hanombohan’i Kristy ny fanjakany arivo taona avy any an-danitra. Tian’izy ireo ny hahazo “fanjakana” avy hatrany, mba hanomezana fahafahampo ny faniriany mampiseho fitiavan-tena. Miresaka toy izao ny amin’ny fanapahan’izy ireo ny Encyclopédie britannique: “Ny anankiray amin’ireo nahatonga ny fanimbana ny kristianisma dia ny fanandramana nokendrena hanovana ny fanjakana kristian’Andriamanitra ho fanjakan’olon-tokana hita maso handovan’ireo olo-masina ny tany amin’ny heviny ara-bakiteny.” Tsy mahagaga mihitsy àry raha nisy olona tso-po nitady hiala tamin’ny “fanimbana ny kristianisma”! Nefa ny “Inquisition” (fampijaliana ny tsy nety nanaraka ny fampianarana katolika) nampiseho halozana, izay namonoana olona maherin’ny 30 000 teo amin’ny antontan-kitay nandoroana azy fotsiny, dia nanampy ela tamin’ny fitanana an’ireo lazaina fa niala tamin’ny finoana, ho eo ambany fanapahan’ny Eglizy katolika. Tsy haharitra mandrakizay anefa izany.
NY FIVAVAHANA PROTESTANTA
15. a) Tonga inona moa raha ny marina ny Fanitsiana protestanta? b) Nahoana moa no azo atao ny milaza fa mbola andevon’ny fivavahan-diso ihany ny fivavahana protestanta hatramin’izao andro izao?
15 Ny 31 oktobra 1517 tamin’ny mitataovovonana, Martin Luther, pretra katolika, dia nametaka foto-kevitra fanoherana
95 teo amin’ny varavaran’ny eglizin’i Wittenberg, any Alemaina. Nanomboka ny Fanitsiana protestanta. Tsy fiverenana tamin’ny fampianarana kristiana madio sy ny fanompoana masina ho an’Andriamanitra anefa izany, fa niova indrindra ho fihetsiketsehana ara-politika. Ny andaniny avy dia niezaka hanitatra ny faritaniny tamin’ny ady ara-pivavahana, toy ny ady Telopolo Taona (1618—1648) izay, tany Eoropa, dia nahafaty olona an-tapitrisany maro. Teraka tany amin’ny tany maro ny fivavaham-panjakana izay nanohy nampianatra ireo foto-pinoana katolika lehibe indrindra, toy ny tsy fahafatesan’ny fanahy, ny afobe, ny trinite, ny batisan-jaza sy maro hafa koa. Hatramin’izao andro izao ireny fivavahana ireny dia mbola andevon’ny fampianaran-dison’ny fivadiham-pinoana lehibe.“BABYLONA LEHIBE”
16, 17. a) Zava-dehibe ho antsika amin’izao andro izao ve ny fampitandremana omena ao amin’ny Jeremia 51:6? b) Ahoana moa tamin’ny farany no nampiharan’ny fivavahan’i Babylona fitaomana maneran-tany?
16 Tsy ireo nihambo ho kristiana ihany anefa no nanaraka ny fivavahan-diso. Manome antsika izao fampitandremana izao i Jeremia mpaminany:
“Mandosira hiala an’i Babylona hianareo, ary samia mamonjy ny ainareo avy.” (Jeremia 51:6).
Mahakasika antsika amin’izao andro izao io fampitandremana io. Tamin’ny andron’i Jeremia, dia efa nalaza tamin’ny fombafombany ara-pivavahana ratsy sy ny hamaroan’ny andriamaniny i Babylona. Manana sahan’asa iraisam-pirenena anefa Babylona amin’ny andro ankehitriny. Ahoana no nahatongavan’ny zavatra amin’izany?
17 Taorian’ny safodrano tamin’ny andron’i Noa, dia tany Babylona i Nimroda, lehilahy ratsy fanahy, “mpihaza mahery nanohitra an’i Jehovah”, no nanomboka nanorina tanàna fanjakana ary azo inoana fa ilay tilikambo ara-pivavahana tokony hahatratra ny lanitra. Nosakanan’i Jehovah tamin’izay ny planiny tamin’ny fanorokoroana ny fitenin’ny olona sy tamin’ny fampielezana azy ireny “ho eny ambonin’ny tany rehetra”. Nentiny niaraka tamin’izy ireny anefa ny fivavahan-disony. Avy amin’izany no hivoaka sy hitombo ny ankamaroan’Genesisy 10:8-10; 11:1-9.
ireo fivavahana eo amin’izao tontolo izao. —18. Avy ao amin’ny “fanjakana” inona moa no tokony hivoahana, ary mba handosirana aiza?
18 Araka ny nasehonay, Constantin dia nampifangaro izany fivavahan-diso izany tamin’ireo fampianarana kristiana rehefa nametraka fototry ny fivavahana katolika romana izay loharanon’ny ankamaroan’ireo fampianarana protestanta koa. Ireo fivavahana tsy “kristiana” amin’ny tany dia niandoha avy any Babylona fahiny koa. Ireny fivavahana rehetra ireny, milaza ho kristiana na tsia, dia mahaforona empira maneran-tany, ny an’ny fivavahan-diso. Izany dia fanjakana sandoka antsoin’ny apostoly Jaona hoe “Babylona lehibe, (...) tanàna lehibe, izay manjaka [ara-pivavahana] amin’ny mpanjakan’ny tany.” (Apokalypsy 17:5, 18.) Raha tiantsika àry ny ‘hahavonjy ny fanahintsika’ dia ho tsara ny hanarahantsika ilay torohevitra tsara dia tsara izay mananatra antsika hivoaka avy ao amin’ilay “fanjakana” babyloniana mba handositra ho any amin’ny Fanjakan’Andriamanitra.
[Fanontaniana]
[Efajoro, pejy 95]
MAMELY AN’IREO MPANOMPON’NY FANJAKAN’ANDRIAMANITRA I SATANA
● Amin’ny fomba mivantana, amin’ny alalan’ny fanenjehana, amin’ny fampiasana ny havana tsy mahafanta-javatra tsara, ny fitondram-panjakana sy ireo filoha ara-pivavahana
● Amin’ny fanosehana azy ireny hanao fitondrantena maloto ao anatin’ny fitambaran’olona moramorainy loatra ankehitriny
● Amin’ny famporisihana hirehareha noho ny laharana ara-tsosialy, ny harena, ny firazanana sy ny firenena
● Amin’ny fiezahana hanao azy ho tia ny fahafinaretana mihoatra noho ny fitiavana an’Andriamanitra amin’ny fikatsahana tafahoatra ny fialam-boly
● Amin’ny fanohanana ireo fampianarana tsy mino ny fisian’Andriamanitra sy evaolisionista
● Amin’ny fampisehoana ny kristianisma tsy araka ny tena izy amin’ny alalan’ny fivavahana lazaina fa kristiana nivadika
● Amin’ny fampipoirana mpampianatra sandoka izay mamafy fisalasalana ao an-tsain’ny kristiana sy manakivy azy ireny amin’ny fomba ankolaka
AFAKA MANDRESY IZAO TONTOLO IZAON’I SATANA AMIN’NY FINOANTSIKA ISIKA