Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Ilay Mpanjaka mandrakizay

Ilay Mpanjaka mandrakizay

Toko Faha-2

Ilay Mpanjaka mandrakizay

1. Nahoana moa isika no tokony hanana fitokisana an’Andriamanitra ho toy ny Ray tena misy anankiray?

EO AM-PIANDOHAN’ilay vavaka nomeny antsika ho faka tahaka, Jesosy dia miteny amin’Andriamanitra amin’ny fiantsoana azy hoe “Rainay”. Andriamanitra tokoa dia tsy Rain’i Jesosy Kristy irery ihany, fa raha ny tena izy dia an’ny olombelona rehetra mankatò sy mivavaka aminy, dia izy izay “Mpihaino vavaka”. (Salamo 65:2) Amin’ny maha-“Mpanjaka mandrakizay” azy, dia mihevitra amim-pahatsorana hatrany an’ireo zavatra noforoniny izy, toy ny ray tsara anankiray mihevitra ny zanany (I Timoty 1:17). Tokony hanana fitokisana ny “Raintsika” isika amin’ny fiheverana azy ho Olona iray tena misy izay miahy antsika. Na inona na inona fitenintsika, volon-koditsika na laharantsika ara-tsosialy, dia aoka isika tsy hisalasala hanatona azy, satria “tsy mizaha tavan’olona Andriamanitra; fa amin’ny firenena rehetra izay olona matahotra Azy ka manao ny marina no ankasitrahany”. — Asan’ny apostoly 10:34, 35.

2, 3. Ahoana moa no nisehoan’Andriamanitsika ho sady ny Mpanome ny aina no Ilay manome izay rehetra ilaina hihazonana azy koa (Genesisy 1:1, 2, 31)?

2 Ny ‘Raintsika any an-danitra’ no Mpamorona; izy no nanome ny fiainana ho an’ny olombelona (Matio 6:9; Salamo 36:9). Tsy vitan’ny hoe nanome ny fiainana izy fa miahy ihany koa ny amin’izay rehetra ilaina mba hihazonana azy. Antenaintsika fa ny ray mendri-pitokisana iray dia hanome trano fialofana sy ny zavatra ilaina amin’ny fiainana ho an’ireo zanany, eny fa na dia mitaky fotoana sy fiezahana aminy aza izany. Ary izany anefa no ataon’ny Raintsika any an-danitra, miaraka amin’ny fahalalahan-tanana lehibe indrindra tsy misy toy izany.

3 Jereo ny fomba nanomanan’io “Mpanjaka mandrakizay” io, noho ny fitiavany, ny tany mba ho fonenantsika. Nampitoeriny tsara teo amin’ny habakabaka izay tokony hisy azy izy ary, noho ny heriny tsitoha, izy dia nanome izay rehetra ilaina mba hiainan’ny olona amim-pahasambarana eo. Manaraka izany dia namorona ny lehilahy sy ny vehivavy izy ary namponina azy tao amin’io fonenana mahafinaritra io. Fanomezana tsara dia tsara toy inona moa izany ho an’ny “zanak’olombelona”! — Salamo 115:16; 19:1, 2.

4. a) Ahoana no nisehoan’ny Raintsika ho tsara fanahy sy be fiahiana tamin’ny fikarakarana ny tany fonenantsika? b) Inona no manaporofo fa maniry ny hahasambatra antsika izy?

4 Tena tsara tarehy tokoa ny fonenana eto an-tany nomen’ilay Ray any an-danitra ny zanany. Nataony izay hetezan’ny alina mangatsiatsiaka sy ahitana fialan-tsasatra handimby ny andro mazava natao hiasana. Noferany ny fitsingerenan’ireo fizaran-taona mba hahasambatra sy hahafinaritra antsika (Genesisy 8:22). Nanome tondraka ny zavatra iray iankinan’ny aina izy: dia ny rano, ary nozarainy nanerana ny tany io mba hahafahantsika mahazo azy isaky ny ilaina izany. Norakofany tanteraka ahi-maitso mahafinaritra ny tany, eny, eo amin’ny an-tapitrisa kilaometatra toradroa maro. Noravahany voninkazo miloko tsara tarehy tsy hita isa ny fonenantsika ary namaritra toerana taza-maso kanto voaforon’ny ala, tendrombohitra ary farihy maha-te-hijery izy. Any amin’ny “fanambanin’ny” tany dia nampiditra tahirin-karina, solitany ary karazan-kery famokarana hafa ambanin’ny tany koa izy. Niahy ny amin’izay hahafeno tsy tapaka ny “fitehirizan-tsakafontsika” voan-javatra fihinana, voankazo, anana ary sakafo matsiro hafa izy. Moa ve ny Raintsika any an-danitra tsy miahy amim-pahendrena sy amim-pitiavana ny amin’izay rehetra ilaintsika? Antsoin’ny Baiboly hoe ny “Andriamanitra finaritra” izy. Tsy misy isalasalana fa maniry ny haha-toy izany antsika koa izy. — I Timoty 1:11; Isaia 25:6-8.

NY “ANARAN’ILAY” RAINTSIKA

5. Inona no tokony ho faniriantsika amim-pahatsorana rehefa manonona ireo teny voalohany amin’ny Rainay izay any an-danitra isika?

5 Manana “anarana mahafinaritra” ny Raintsika any an-danitra, izany hoe manana laza tsara izy, dia izy izay miahy amin’ny fomba mahafinaritra izay rehetra ilaintsika. Tahaka ny ray olombelona rehetra, izy koa dia manana anarana manokana. Raha mendrika ny fanajantsika ny raintsika, dia tsy ho tiantsika tokoa ny hanalana baraka ny anarany sy ny lazany. Irintsika hohajaina ny anarany. Vao mainka ara-drariny lavitra no haniriantsika ny hanomezana voninahitra ny anaran’ilay Raintsika any an-danitra! Tokony ho vonona handefa aminy amin’ny fo mitafotafo ireto teny nanombohan’i Jesosy ny Rainay izay any an-danitra ireto isika: “Rainay Izay any an-danitra, hohamasinina anie ny anaranao!” — Matio 6:9; Ohabolana 22:1; jereo ny Baibolin’i Darby.

6. Inona no irinao ho an’ny anaran’Andriamanitra?

6 Tokony hivavaka tsy tapaka sy amin-kafanam-po isika mba hasandratra ho ambony noho ny anarana hafa rehetra ny anaran’ilay Mpamorona lehibe ny lanitra sy ny tany, ary koa mba ho hita ho ny anarana sarobidy indrindra, lehibe indrindra ary tiana indrindra izany, manerana izao rehetra izao. Ambony lavitra noho ny famonjena antsika ny fanamasinana ny anarana masin’Andriamanitra. Tokony hohamasinina ny anarana sy ny lazan’Andriamanitra, izany hoe hodiovina amin’izay rehetra fanalam-baraka nanaronan’ny zavatra noforonina ratsy fanahy azy.

7. Inona no ampianarin’ny Baiboly antsika raha ny amin’ny anarana manokan’Andriamanitra?

7 Fa iza anefa no anarana manokan’ny Raintsika any an-danitra? Ambara amintsika izany ao anatin’ny fitambaran-teny iray milaza fa ny Tompon’io anarana mahatalanjona io dia manana fahavalo. Izao no lazain’ny Baiboly ny amin’izy ireo ao amin’ny Salamo 83, andininy 18 sy 19, araka ny Baibolin’i Crampon (1905): “Aoka ho ao anatin’ny fisafotofotoana sy tahotra mandrakizay izy, ho ao anatin’ny henatra sy ny fahafaham-baraka! Aoka ho fantany fa ny anaranao, dia ianao irery ihany, izay atao hoe JEHOVAH, ianao no Avo Indrindra manerana ny tany rehetra!” — Jereo koa Salamo 100:3.

8. Ahoana no fomba fihetsik’ireo fahavalon’Andriamanitra raha ny amin’ny anarany, ary inona no vokatr’izany?

8 JEHOVAH àry izany no anaran’Andriamanitra. Kanefa, olona maro be mihambo ho mivavaka amin’Andriamanitra no tsy naneho fanajana akory io anarana io, ka ny sasany aza tonga hatramin’ny fanaovana izay hampanjavonana azy mihitsy tsy ho ao anatin’ny fandikan-tenin’ny Baiboliny sy ny fanoloana azy tamin’ny anaram-boninahitra hoe “TOMPO” sy “ANDRIAMANITRA” amin’ny sora-baventy. Amin’ny fanaovana toy izany, izy ireo dia tsy vitan’ny hoe manafina fotsiny ny anarana malazan’Andriamanitra, fa miteraka fampifangaroana ihany koa ny hoe Jehovah Tompo sy Jesosy Kristy Tompo, ary Jehovah sy ireo “tompo” sy “andriamanitra” hafa resahin’ny Baiboly (Salamo 110:1; Deoteronomia 10:17; Romana 1:4; I Korintiana 8:5, 6). Amin’ny fomba ahoana no ahafahan’ny olona toy izany hivavaka amim-pahatsorana mba hohamasinina ny anaran’ny Ray nefa izy miezaka hanafina izany anarana izany?

9. a) Amin’ny endrika ahoana moa no isehoan’ny anaran’Andriamanitra amin’ny fiteny hebreo sy amin’ny fiteny hafa? b) Araka ny Baiboly, voaforon’ny olona firy moa Andriamanitra?

9 Amin’ny fiteny hebreo, fiteny voalohany nampiasaina ho fandikana ny Baiboly, ny anarana tsy manan-tsahalan’Andriamanitra dia miseho amin’ny endriky ny litera efatra hoe יהוה, izay tononin’ny sasany hoe YAVE. Kanefa, amin’ny fiteny malagasy, ny endrika mahazatra nampiasana io anarana io dia “Jehovah”, endrika hita koa amin’ny fiteny hafa. Amin’ny fampiasana ny anarana hoe “Jehovah” no ahafahantsika mampiseho mazava tsara hoe iza no resahintsika. Izy dia “Jehovah iray ihany”. Izy akory tsy Jesosy Kristy, dia ilay Zanaka mahatokin’Andriamanitra, “endrik’Andriamanitra tsy hita, ny lahimatoa talohan’izao zavatra ary rehetra izao”. — Kolosiana 1:15; Marka 12:29; Deoteronomia 6:4.

10. Inona no hevitry ny anaran’Andriamanitra, ary ahoana no nanamarinan’Andriamanitra ny hevitry ny anarany?

10 Milaza hery ny anarana hoe “Jehovah”. Ny hevitr’io anarana io dia: “Mahatonga izy (na miseho ho izy).” Ary izany dia tsy noho ny asany fa noho ny tenany mihitsy. Araka izany, rehefa nadiva ho tonga Mpanafaka mahagaga ny Isiraely, ny vahoakany voahazona ho andevon’ny faraon’i Egypta izy, dia nambaran’Andriamanitra fa “Jehovah” no anarany “mandrakizay”. (Eksodosy 3:13-15). Taty aoriana, rehefa niaiky i Jeremia mpaminany fa Jehovah Mpanjaka Tompo no Mpanao ny lanitra sy ny tany ‘tamin’ny heriny lehibe sy ny sandriny nahinjitra’, ary izy no “lehibe amin’ny fisainana sy mahery amin’ny atao”, Jehovah dia nanome antoka an’ilay mpaminaniny fa amin’ny fotoana voatendriny dia hotanterahiny ny asa iray toa tsy azo tanterahina amin’ny fahatongavana ho Mpanafaka ny vahoakany babon’ny Empira babyloniana tamin’izay. Ary dia izany tokoa no nataony. — Jeremia 32:17-19, 27, 44; II Tantara 36:15-23.

11. Fifamatorana inona moa no azo atao amin’ny anaran’Andriamanitra sy ny Fanjakany?

11 Ankehitriny koa, dia Jehovah no ilay Andriamanitra lehibe mahatonga. Mahay ho tonga izay takin’ny tarehin-javatra na inona na inona izy, miantsoroka andraikitra ilaina na inona na inona, mba hanatanterahana zava-mahagaga amin’ny alalan’ny Fanjakany ho fanamasinana ny anarany sy ho fahasambaran’ny vahoakany. Izay rehetra kasainy hatao, dia ataony izany. — Isaia 48:17; 55:11.

HAMASININA VE NY ANARAN’ANDRIAMANITRA?

12. Fihetsika inona no nasehon’ny olombelona tamin’Andriamanitra?

12 Moa ve ny olombelona maneho fankasitrahana, fanajana ary fitiavana an’io Andriamanitra be voninahitra io izay marina tanteraka sady nanome tamin’ny fomba mahafinaritra aoka izany izay ilain’ny zavatra noforoniny eto an-tany? Diniho izay mitranga manodidina anao dia ho hitanao ny valiny. Jereo ny fomba mampalahelo namitahan’ireo fivavahana ao amin’ny firenena lazaina fa kristiana an’Andriamanitra. Maro be amin’izy ireny no mahita azy ho Andriamanitra iray mizaha tavan’olona ary nivavaka taminy izy ireny mba hanampiany azy hiady amin’ireo namany. Misy olona sasany mihevitra azy ho Andriamanitra lozabe izay mandefa ny “fanahin’ireo maty” ao amin’ny lelafo fampijaliana mandrakizay. Ny hafa indray kosa nanala baraka azy tamin’ny fampitahana azy tamin’ny sary mivongana tsy mahaloa-peo vita tamin’ny hazo na vato. Maro no mandika an-tsitrapo ireo lalàny marina tamin’ny filazana fa tsy miahy intsony ny olombelona izy. — Ampitahao amin’ny Asan’ny apostoly 10:34, 35; Jeremia 7:31; Isaia 42:8 ary I Petera 5:7.

13. Inona moa no ho niafarany raha toa ka navelan’Andriamanitra hanohy handeha tamin’ny lalan-dratsiny ireo olona voatarika ho amin’ny fahadisoan-kevitra?

13 Raha toa àry ka misy olona voatarika ho amin’ny fahadisoan-kevitra tsy tia an’Andriamanitra ary tsy manamasina ny anarany, ahoana no hitiavany ny namany (I Jaona 4:20, 21; 5:3)? Raha tsy tafaorina indray eto anivon’ny fianakavian’olombelona ny fifandraisam-pifankatiavana, izao tontolo izao dia hiafara amin’ny fahatongavana ho tany be kirihitr’ala hanjakan’ny fisaratsarahana, ny herisetra ary ny fanjakan’ibaroa. Izany sahady no mitranga any amin’ny faritra sasany amin’ny gilaoby. Noho ny fitomboan’ny fitaovam-piadiana noklehera haingana dia haingana eo amin’ireo firenena, indray andro any dia mety hisy mpitondra tsy hahafehy tena hanao izay hampanjavonana ny taranak’olombelona rehetra. Izany anefa dia zavatra tsy havelan’ilay Raintsika fitiavana hitranga na oviana na oviana. — Salamo 104:5; 119:90; Isaia 45:18.

AHOANA NO ANAMASINAN’ANDRIAMANITRA NY ANARANY

14, 15. Iza no manome ohatra raha ny amin’ny fanamasinana ny anaran’Andriamanitra, ary amin’ny fomba ahoana?

14 Iza no manome ohatra raha ny amin’ny fanamasinana ny anaran’Andriamanitra? Ny tenan’i Jehovah mihitsy. Amin’ny fomba ahoana? Amin’ny fisalovanana mba hiarovana sy hanamarinana ireo fotopoto-pitsipiny marina. Hampihatra ny didim-pitsarany amin’ireo rehetra manohitra ny sitrapony masina izy, indrindra fa amin’ireo izay mampahory ny namany sy ireo izay mampianatra lainga ny aminy (Salamo 140:12, 13; Jeremia 25:29-31). Tsy afaka ny hivadika Jehovah. Izy no ilay Andriamanitra marina mendrika ny fivavahana tsy voazarazaran’ny zavatra noforoniny rehetra. Izy no Tompom-piandrianana manerana izao rehetra izao tokony hankatoavin’ny rehetra. — Romana 3:4; Eksodosy 34:14; Salamo 86:9.

15 Ho fanamasinana ny anarany, Jehovah Mpanjaka Tompo dia hanadio ny tany amin’ny olombelona rehetra manimba azy, mifanohitra an-karihary amin’ny sitrapony. Mankahala ny ratsy tokoa izy fa tia ny fahamarinana kosa (Salamo 11:5-7). Ankoatr’izany, dia izao no ambarany: “Ka dia hasehoko ny fahalehibiazako sy ny fahamasinako; ary ho fantatra eo imason’ny firenena maro Aho; ka dia ho fantany fa Izaho no Jehovah.” (Ezekiela 38:23). Mazava amin’izany àry fa raha maniry hahazo ny fankasitrahan’i Jehovah isika, isika koa dia tokony hanamasina ny anarany, izany hoe hihevitra izany ho toy ny zavatra masina mendrika ny fanajantsika lehibe indrindra, ary koa hiaina mifanaraka amin’ny sitrapon’Andriamanitra.

16. Inona no ifandraisan’ny fitondrantenantsika amin’ny fanamasinana ny anaran’Andriamanitra?

16 Ny fitondrantenan’izay rehetra mivavaka amin’i Jehovah dia tsy manao afa-tsy ny manome voninahitra na manala baraka ny anarany. Enga anie isika rehetra samy hitandrina mba hahatonga ny fitondrantenantsika hanosika ireo mandinika antsika hiresaka amin’ny fomba tsara ny amin’ilay Andriamanitra mahafinaritra tompointsika ary hampifaly ny fon’i Jehovah (I Petera 2:12; Ohabolana 27:11)! Raha zanak’Andriamanitra mankatò isika, dia hirintsika ny hanaporofo aminy ny fankasitrahantsika noho ny fanomezana rehetra ataony, indrindra fa noho ny fonenantsika tsara tarehy, dia ny tany, izay mbola homeny voninahitra bebe kokoa ihany eo ambanin’ilay Fanjakana na ny fanapahan’ny Zanany. — Isaia 6:3; 29:22, 23.

17. Amin’ny fomba ahoana no tokony hivavahantsika amin’ilay “Mpanjaka mandrakizay”?

17 Zavatra faniry àry ny hahazoantsika ny fankasitrahan’ilay “Mpanjaka mandrakizay”. Kanefa, tsy ho azo amin’ny alalan’ny fahamendrehantsika manokana izany, satria isika rehetra dia nateraky ny ray aman-dreny mpanota daholo, ka noho izany dia ao anatin’ny tsy fahatanterahana. Afaka mivavaka amin’Andriamanitra anefa isika amin’ny fakana indray ireto tenin’i Davida mpanjaka ireto: “Afeno ny tavanao ny fahotako, ary vonoy ny heloko rehetra. Amorony fo madio aho, Andriamanitro ô! Ary havaozy hiorina marina ny fanahiko ato anatiko.” (Salamo 51:5-10). Amin’izao isika efa nahafantatra izay takin’ny ‘Rainay izay any an-danitra’ amintsika izao, dia azontsika atao ny mivavaka aminy mba hanana anjara amin’ireo fitahiana mandrakizay hoentin’ny Fanjakany. Eny, afaka mivavaka amim-pahatokiana feno isika mba ho tonga ny Fanjakan’Andriamanitra. Fa inona anefa no hoentin’io Fanjakana io ho an’ny mponina amin’ny tany? Izany no hojerentsika izao.

[Fanontaniana]