Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Izay hoentin’ny Fanjakan’Andriamanitra ho an’ny tany

Izay hoentin’ny Fanjakan’Andriamanitra ho an’ny tany

Toko Faha-3

Izay hoentin’ny Fanjakan’Andriamanitra ho an’ny tany

1, 2. Nahoana ny fahatongavan’ilay Fanjakana no mampiseho fa miahy ny tany sy ny mponina eo aminy Andriamanitra?

NY RAINAY Izay any an-danitra, vavaka faka tahaka nomen’i Jesosy dia mitohy toy izao: “Ho tonga anie ny fanjakanao. Hatao anie ny sitraponao etỳ an-tany tahaka ny any an-danitra.” (Matio 6:10). Miahy be dia be ny amin’ny tany ary koa ny olombelona rehetra monina na nonina teo Andriamanitra. Izany no antony ahatongavan’ilay Fanjakana mba ‘hanimba izay manimba ny tany’, hanangana ireo maty, hampanjavona ny fahafatesana, ilay fahavalontsika, ary hanao ny tany ho fonenana mahafinaritra sy milamina ho an’ny taranak’olombelona. — Apokalypsy 11:15, 18; 21:1, 3, 4.

2 Toy inona àry no tokony ho faharisihantsika hanao amin’Andriamanitra ity vavaka ity: “Ho tonga anie ny fanjakanao!” Izany dia ny Fanjakan’Andriamanitra izay ny filoha dia Jesosy Kristy Tompo, ilay Zanak’Andriamanitra. Noho io Fanjakana io tokoa no hahatanterahan’ny sitrapon’i Jehovah, izay ny tenany dia “Mpanjaka mandrakizay”, eto an-tany. Aoka hojerentsika izay hoentin’izany ho an’ny olona avy amin’ny firenena rehetra.

NY FANAPAHAN’ILAY “ANDRIAN’NY FIADANANA”

3, 4. a) Teny ara-paminaniana inona no nampiharin’ny O.N.U. tamin’ny tenany, ary nahoana anefa izany no tsy nahomby? b) Inona no hany fiasana hamela ny fanorenana fiadanana maharitra, ary amin’ny alalan’ny inona?

3 Raha nilaza mialoha ny fanapahan’ny Fanjakan’i Kristy ny mpaminanin’Andriamanitra dia nampiseho ny Mesia ho toy ny “Andrian’ny fiadanana”, ary avy eo dia nanampy hoe: “Ny handrosoan’ny fanapahana sy ny fiadanana dia tsy hanam-pahataperana.” Manome antoka antsika ihany io mpaminany io hoe: “Hanefy ny sabany ho fangady ireny, ary ny lefony ho fanetezam-boaloboka; ny firenena tsy hanainga sabatra hifamely na hianatra ady intsony.” Tsy hoe satria voasoratra eo amin’ny rindrina manoloana ny foiben’ny Fandaminan’ny Firenena mikambana ireo teny farany amin’io faminaniana io, dia izany no hanatanterahan’io fandaminana izay voarotidrotiky ny fifandonana eo amin’ireo firenena io azy. Io fiasana io dia nampalahelo fa tsy nahomby raha ny amin’ny fanorenana fiadanana sy fandriampahalemana teo amin’ireo firenena. — Isaia 2:4; Is 9:5, 6.

4 Tsy mety hisy tena fiadanana maharitra raha tsy misy marina ny rariny ary miasa ho an’ny rehetra tsy an-kanavaka izany. Kanefa ny Fanjakan’ilay “Andrian’ny fiadanana” irery ihany no afaka miantoka zavatra toy izany. ‘Haorina mafy sy hampitoerina amin’ny rariny’ izy io. Io Fanjakana io tokoa no fiasana hoentin’Andriamanitra hanorenana ny “fiadanana (...) amin’ny olona ankasitrahany”. — Isaia 9:6; 32:17; Lioka 2:14.

5. Rehefa hanorina ny tena fiadanana ilay Fanjakana dia zavatra miavaka inona avy no hotanterahiny?

5 Nefa ahoana no hanatanterahan’ilay Fanjakana izany? Amin’ny ‘fahatongavana’ indrindra, manana ny “Andrian’ny fiadanana” ho filohany, mba hiady amin’ireo firenena eo amin’izao tontolo izao ankehitriny. Ny Salamo 46:8, 9 dia manasa antsika toy izao: “Avia, jereo ny asan’i Jehovah, Izay mahatonga faharavana etỳ an-tany. Mampitsahatra ady hatramin’ny faran’ny tany Izy; manapaka ny tsipika sy manito [mamotipotika, MN] ny lefona Izy ary mandoro ny sariety [fitondra miady] amin’ny afo”. Hamongotra ny fiadiana rehetra mahatonga herisetra ilay Fanjakana. Tsy ho feno jiolahy manafika na misavika ny mpandalo intsony ny lalana satria eo ambany fanapahan’ny Fanjakan’Andriamanitra dia “ny mpandefitra kosa no handova ny tany ka hiravoravo amin’ny haben’ny fiadanana”. — Salamo 37:9-11.

SARY ARA-PAMINANIANA IRAY

6. Fahatanterahana be voninahitra inona no hitan’ireo faminaniana araka ny Baiboly tamin’ny taonjato fahenina alohan’ny fanisan-taona iraisana?

6 Maro be amin’ireo faminaniana ao amin’ny Baiboly no mihatra amin’ny fahababoan’ny firenen’Isiraely fahizay. Rehefa avy nanompo an’i Babylona nandritra ny 70 taona izy ireo dia nisy sisa tamin’ireo Isiraelita nahatoky niverina tany amin’ny taniny tamin’ny 537 talohan’ny fanisan-taona iraisana. Nandritra ireo taona rehetra ireo dia nijanona ho lao sy lava volo ny tany. Nefa noho ny fitahian’i Jehovah dia novan’ny vahoakany tamin’ny fomba mahagaga izany. Nisy faminaniana voasoratra taonjato maro nialoha nahita fahatanterahana be voninahitra toy ity:

“Ravoravo ny efitra sy ny tany karankaina, ary ny tani-hay mifaly sy mamony tahaka ny lilia. Mamony be dia be izy, eny, mifaly sy mihoby izy, ny voninahitr’i Libanona dia homena azy mbamin’ny hatsaran-tarehin’i Karmela sy Sarôna, dia hahita ny voninahitr’i Jehovah izy sy ny famirapiratan’Andriamanitsika.” — Isaia 35:1, 2; jereo koa Isaia 65:18-25; Mika 4:4.

7. Inona àry no azontsika antenaina ho an’ny tany rehefa ‘ho tonga’ ny Fanjakan’Andriamanitra?

7 Manamarina ny Tantara fa ireo faminaniana ireo dia tanteraka tamin’ny fomba nahavariana teo amin’ny vahoakan’Andriamanitra nandritra ny taonjato nanaraka ny fanafahana azy avy tao Babylona sy ny fiverenany tao amin’ny taniny. Ary rehefa ‘ho avy’ ny Fanjakan’Andriamanitra hitahy ny zanak’Andriamanitra rehetra eto an-tany, moa ve izy hanao latsaka noho izany mba hampiorenana toe-piainan’ny paradisa eo amin’ny planetantsika? Ny valiny dia tsy isalasalana fa tsia. Ilay Fanjakana dia hanao izay hahatomombana ny asa nanirahan’Andriamanitra ny olona hatrany am-boalohany, izany hoe ny ‘hampanompo ny tany’ sy hanao izany ho paradisa toa an’i Edena. — Genesisy 1:28; 2:8-14; Isaia 45:18.

PARADISA HANERANA NY TANY MANONTOLO

8. Raha ny amin’ny sakafo sy ny hery famokarana, hanao ahoana ny ho fisehoan-javatra eo ambanin’ilay Fanjakana, ary noho ny fampiharana lalàna inona?

8 Rehefa ‘ho avy’ ny Fanjakan’Andriamanitra dia tsy hisy tsy fahampiana ara-tsakafo intsony na fisondrotan’ny vidim-piainana, satria “hahavoka-bary betsaka ny tany, na dia any an-tampon’ny tendrombohitra aza”. Ilay Raintsika be fitiavana dia hiahy indray ny hamoaka “hanina avy amin’ny tany, ary divay izay mampifaly ny fon’ny olona, ka mampinendonendo ny tavany mihoatra noho ny diloilo, ary mofo hanohanana ny ain’ny olona”. (Salamo 72:16; 104:14, 15). Tsy hisy zava-manahirana intsony amin’ny fitsinjarana ny sakafo amin’ireo firenena. Tsy hisy intsony ny famoahan-kanina an-danjany ary tsy hilaina intsony ny hilaharana mba hahazoana lasantsy. Ho efa nanjavona ireo mpanararaotra fatra-pitia harena, ary ny olombelona rehetra dia hifampizara ireo zavatra tena ilaina eo amin’ny fiainana araka izay sahaza ny tsirairay avy, amin’ny fankatoavana araka izany ilay didy ambony indrindra manao hoe: “Tiava ny namanao tahaka ny tenanao.” — Jakoba 2:8.

9. Nahoana isika no afaka mahazo antoka fa tsy hisy na inona na inona hanimba ny taranak’olombelona?

9 Ankoatr’izany dia azontsika antenaina fa ilay Fanjakana dia hifehy ireo fisafotofotoana araka ny natiora toy ny horohorontany sy ny tafiodrivotra. Nasehon’i Jesosy fa azo natao izany rehefa nampitony “tafio-drivotra mahery” izy. Tsapan’ireo mpianany fa na dia “ny rivotra sy ny ranomasina aza manaiky azy”. (Marka 4:37-41.) Tsy hisy na inona na inona intsony hitondra fandravana eo amin’ny faritry ny fananan’ny Fanjakan’Andriamanitra eto an-tany na hanisy ratsy an’ireo izay honina eo. — Ampitahao amin’ny Isaia 11:6-9.

10. Inona no asehon’ireo fahagagana maro nataon’i Jesosy momba ny fanapahan’ilay Fanjakana?

10 Tsy hisy ilana intsony hôpitaly lehibe mba handraisana ireo marary ara-batana sy ara-tsaina. Ireo zava-manahirana momba ny aretim-po, ny homamiadana ary ireo aretina hafa mampahosa dia ho efa nanjavona, satria Jesosy Kristy, ilay Mpitsabo lehibe indrindra dia hampihatra ny vidin’ny sorom-panavotany “ho fanasitranana ny firenena maro”. Ireo fanasitranana mahagaga maro sy ireo fananganana ny maty nataon’i Jesosy fony izy teto an-tany dia tsy manome antsika afa-tsy hevitra kely ny amin’izay hotanterahiny noho ny fanapahan’ny Fanjakany mahery. Na dia ny fetezana ho faty nolovan’ny taranak’olombelona avy tamin’ireo ray aman-dreniny voalohany aza dia hanjavona, satria azontsika antoka fa “tsy hisy fahafatesana intsony”. — Apokalypsy 21:4; 22:1, 2; Matio 11:2-5; Marka 10:45; Romana 5:18, 19.

11. Fifaliana fara tampony inona no ho hitan’ny olombelona eo ambany fanapahan’ilay Fanjakana?

11 Ary ho fara tampon’ny fifaliana, ny fasana dia tsy hanaratsy intsony izay rehetra tsinjo satria ho efa nofoanana ny tao anatiny. Ireo mpianatr’i Jesosy mahatoky 144 000, izay “voaloham-bokatra” amin’ireo hatsangana amin’ny maty dia ho tafaray aminy any an-danitra mba hiray fanjakana aminy. Ho tanteraka ihany koa ireo tenin’i Jesosy mahafinaritra izay nampanantenany fa ny sisa amin’ny maty any am-pasana [fasam-pahatsiarovana, MN] “dia handre ny feony, dia hivoaka (...) ho any amin’ny fitsanganana”. Ireny hatsangana amin’ny maty ireny dia hotolorana ny fahafahana maharavoravo hahatratra ny fahatanterahan’olombelona amin’ny maha-vahoakan’ilay Fanjakana eto an-tany. — Jaona 5:28, 29; Apokalypsy 14:1-5; 20:4-6, 11, 12.

12. a) Nahoana isika no tokony haniry hiaina mandrakizay ao amin’ny paradisa? b) Araka ny Jaona 17:3, inona no tsy maintsy atao amin’izay?

12 Irinao ve ny ho anisan’ireo ho eo rehefa ho afaka amin’ny faharatsiana rehetra ny tany ary ho voaova ho paradisam-pahafinaretana? Ho tianao ve ny ho afaka handray ireo hatsangana amin’ny maty? Ho tianao ve ny hiaina mandrakizay eo amin’ny tany lasa be voninahitra izay tsy hahaosa na iza na iza arakaraka ny fandehan’ny fotoana na ho leon’ny fifaliana hoentin’ny andro hiainana tsirairay avy? Azonao atao ny mahita izany rehetra izany raha mahafeno ireo fepetra takin’Andriamanitra mba hahazoana ny fiainana ianao. Tao amin’ny vavaka iray nataony tamin’ny Rainy dia nolazain’i Jesosy tsotra tamin’ireto teny ireto izany: “Izao no fiainana mandrakizay, dia ny mahafantatra Anao, Izay Andriamanitra tokana sady marina, sy Jesosy Kristy, izay efa nirahinao.” (Jaona 17:3). Ho tombontsoa lehibe tokoa ny ho afaka hiaina mandrakizay eo amin’ny paradisa, rehefa “ho feno ny fahalalana ny voninahitr’i Jehovah, toy ny fanaronan’ny rano ny fanambanin’ny ranomasina ny tany”. Habakoka 2:14.

‘IZAY HANINA SAHAZA HO ANTSIKA’

13. Nahoana isika no afaka mivavaka amim-pitokisana tanteraka mba hahazoana ny ‘hanina sahaza ho antsika anio’?

13 Nefa amin’izao fotoana izao dia miahy ihany koa izay ilaintsika ankehitriny isika. Amin’ny maro amintsika, ny mitady izay zavatra tena ilaina eo amin’ny fiainana sy ny mamelona ankohonana dia manjary tena zavatra mila fiezahana mafy. Izany no antony tsy hivavahantsika amin’ny Raintsika any an-danitra fotsiny mba hanamasinana ny anarany sy hanaovana ny sitrapony eto an-tany amin’ny fahatongavan’ny Fanjakany. Tsy maintsy mivavaka aminy koa isika mba hahazoana “ny hanina sahaza” ho antsika anio, izany hoe ireo zavatra ilaina isaky ny andro iainana. Azontsika atao ny mivavaka aminy amin’ny fitokisana tanteraka fa raha miezaka miaina mifanaraka amin’ireo fotopoto-pitsipiny marina isika ary mametraka ny tombontsoan’ilay Fanjakana eo amin’ny toerana voalohany eo amin’ny fiainantsika dia hanao ny anjarany Andriamanitra izay manome izay rehetra ilain’ny zavaboariny. Izany no nasehon’i Jesosy tamin’ny filazana nony avy eo hoe: “Dia aza manahy hianareo ka manao hoe: Inona no hohaninay? na: Inona no hosotroinay? na: Inona no hotafinay? Fa izany rehetra izany dia katsahin’ny jentilisa fatratra; fa fantatry ny Rainareo Izay any an-danitra fa tokony ho anareo izany rehetra izany. Fa katsaho aloha ny fanjakany sy ny fahamarinany, dia hanampy ho anareo izany rehetra izany.” — Matio 6:11, 31-33.

“MAMELÀ NY HELOKAY”

14, 15. a) Raha mamerina ireo teny voalaza ao amin’ny Matio 6:12 isika rehefa mivavaka amin’Andriamanitra, dia inona no tokony hahavonona antsika ny hanao azy? b) Amin’izany, ohatra inona avy no azontsika arahina?

14 Amin’ny fifandraisantsika akaiky amin’ilay Raintsika any an-danitra dia tokony hanaiky amim-panetren-tena isika fa mpitrosa aminy ary hiaiky koa ny fahadisoantsika amin’Andriamanitra sy ireo mpiara-belona amintsika. Mety àry ny hivavahana aminy araka izao: “Mamelà ny helokay tahaka ny namelanay izay meloka taminay.” — Matio 6:12.

15 Noho ny hatsaram-pony mahagaga amintsika izay tsy mendrika velively izany, Andriamanitra dia nandefa ny Zanany ho amin’izao tontolo izao, mba hahafahany “hanolotra ny ainy ho avotra hisolo” olona maro. Izany no mahatonga hety ny famelana ny helontsika (Matio 20:28). Moa ve Andriamanitra tsy naneho famindrampo mahagaga tamin’ny taranak’olombelona tsy tanteraka? Moa ve izany tsy manery antsika hanadino ny fahalemen’ireo mpiara-belona amintsika? Tokony ho vonona hanao bebe kokoa ihany aza isika: hamela na dia ireo fahotana lehibe ataony amintsika aza. Amin’izany no hahafahantsika maneho amin’ny hafa ny fitiavana lalina izay, araka ny nolazain’i Jesosy dia hampiavaka ireo tena kristiana. — Jaona 13:35; Kolosiana 3:13; I Petera 1:22.

“MANAFAHA ANAY AMIN’NY RATSY”

16, 17. a) Ahoana no tokony handraisantsika ny hevitr’ireto teny ireto: “Aza mitondra anay ho amin’ny fakam-panahy”? b) Rehefa mangataka amin’Andriamanitra isika ‘hanafaka antsika amin’ny ratsy’, inona no azontsika atao mifanaraka amin’ny vavaka ataontsika?

16 Farany dia milaza amintsika Jesosy mba hanaovana ity vavaka ity amin’Andriamanitra: “Aza mitondra anay ho amin’ny fakam-panahy, fa manafaha anay amin’ny ratsy.” (Matio 6:13). Aoka isika tsy hihevitra fa hoe mampisy fakam-panahy amin’ny lalantsika Andriamanitra, mba hahasolafaka antsika. Raha ny tena izy dia Satana Devoly, ilay ratsy nikomy tamin’Andriamanitra no maniry hampiodina antsika amin’ilay Raintsika any an-danitra.

17 Nefa ilay Raintsika dia manome antsika ireo fiadiana ilaina mba ‘hahazoana hifahatra amin’ny fanangolen’ny Devoly’, izany hoe hiady aminy amim-pahombiazana sy amin’ireo hery ara-panahy ratsy tapahiny. Mba hahafahantsika tsy ho tonga “amin’ny fakam-panahy”, Andriamanitra dia manome antsika fiadiana ara-panahy tomombana izay azontsika tafina. Ny apostoly Paoly dia milazalaza izany amintsika ao amin’ny Efesiana 6:10-18. Raha mijoro tsara àry isika noho ireo fiadiana omen’Andriamanitra antsika sy noho ny vavaka ihany koa, dia hataon’ny Ray izay tsy hidirantsika “amin’ny fakam-panahy”, fa mba ‘hahafahantsika kosa amin’ny ratsy’. — Efesiana 6:10-18; I Petera 5:6-9.

18. Fintino ny hevitra voarakitra ao amin’ny Rainay izay any an-danitra.

18 Enga anie hohamasinina tsy ho ela ny anarana be voninahitr’i Jehovah noho ny ‘fahatongavan’ny fanjakany’! Enga anie Andriamanitra hanome voninahitra ny tenany amin’ny fanatanterahana ny sitrapony eto an-tany noho ny fanesorana izay rehetra mety ho ratsy sy amin’ny fanorenana paradisa manerana izao rehetra izao! Raha mbola haharitra koa ny fandehan-javatra ratsy ankehitriny dia enga anie ilay Raintsika any an-danitra be fitiavana hanome antsika ireo zavatra ilaina eo amin’ny fiainana, hanampy antsika hitana fifandraisana tsara amin’ireo mpiara-belona amintsika ary hanafaka antsika amin’ny fandrik’i Satana! Izany no zavatra hita ao amin’ny Rainay izay any an-danitra ary nampianarin’i Jesosy antsika hatao amin’ny vavaka.

[Fanontaniana]

[Efajoro, pejy 25]

IZAY HATAON’NY FANJAKAN’ANDRIAMANITRA

● Hanandratra ny fiandrianan’i Jehovah izy amin’ny famaranana ny fanjakan’i Satana.

● Hanaisotra amin’ny tany ny fivavahan-diso sy ireo filoha lozabe izy.

● Hisantatra ny fanjakan’i Kristy, ilay “Andrian’ny fiadanana” izy.

● Hanova ny tany ho paradisa be voninahitra izy.

● Hanafoana ny zava-manahirana rehetra ara-tsakafo sy fialofana ary hery famokarana izy.

● Hamorona fitambaran’olona mifototra amin’ny fitiavana ny namana izy.

● Hifehy ny herin’ny natiora izy ka hisoroka amin’izany ny loza aman’antambo.

● Hanafoana ny fikorontanan-tsaina, ny fanahiana, ny fanaintainana ary ny fahanterana izy.

● Hampanjavona ny fahafatesana, ny aretina ary ny alahelo rehetra izy.

● Hamela hety ny fitsanganan’ny maty an’arivo tapitrisany maro ho amin’ny fiainana mandrakizay izy.