Mihoby ny Mpanjaka ny “olona betsaka”
Toko Faha-16
Mihoby ny Mpanjaka ny “olona betsaka”
1, 2. a) Ahoana no nanatanterahan’i Jehovah ny faminaniany voatantara ao amin’ny Isaia 60:22? b) Fahamarinana araka ny Baiboly miavaka inona no nambara tamin’ny 1935?
NANAMBARA toy izao Jehovah tamin’ny alalan’ny mpaminaniny: “Ny kely ho tonga arivo, ary ny malemy ho tonga firenena mahery; Izaho Jehovah no hanafaingana izany amin’ny fotoany.” (Isaia 60:22). Tamin’ny fomba mahatalanjona tokoa no nanombohan’Andriamanitra ‘nanafaingana’ ny zavatra. Tamin’ny 1935, tamin’ny fivoriambe nataon’ny Vavolombelon’i Jehovah tany Washington (Etazonia), dia naharihary fa Andriamanitra dia nanomboka nanangona “olona betsaka” amin’ny “ondry hafa”, izany hoe olona tia fivavahana izay, amin’ny ‘fahatongavan’ny’ Fanjakan’Andriamanitra, dia hahazo ny fiainana mandrakizay eo amin’ny tany paradisa. — Jaona 10:16; Apokalypsy 7:9.
2 Toy izao no nilazalazan’ny Apokalypsy toko faha-7 ny amin’izany “olona betsaka” izany: ‘Rehefa avy’ nasiana tombo-kase ny “ondry vitsy” mpandova ilay Fanjakana, miisa ho 144 000, dia hita ny “olona betsaka tsy tambo isaina avy tamin’ny firenena rehetra sy ny fokom-pirenena sy ny olona ary ny samy hafa fiteny”, nitsangana teo anoloan’ny seza fiandrianan’Andriamanitra. Ireny olona ireny dia manaiky ny fanapahan’i Jehovah, araka ny ampiharana azy amin’ny alalan’i Jesosy Kristy, ary milaza amim-pifaliana ny famonjena azy ho avy amin’Andriamanitra sy avy amin’ny Zanak’ondry izy ireo. Ny kilasin’ny “ondry hafa” dia tsy voatery ho faty, satria, araka ny filazan’ny Soratra masina, ireo dia “avy tamin’ny fahoriana lehibe” mba handova ny fiainana mandrakizay eo amin’ny tany voadio. — Apokalypsy 7:4, 9, 10, 14; Lioka 12:32.
3. a) Tena tonga “arivo” tokoa ve ny “kely”? b) Ahoana no mety hananantsika anjara amin’ny fahatanterahan’ny Apokalypsy 7:15-17?
3 Moa ve ianao anisan’izany “olona betsaka” mpivavaka izany, anisan’ireo olona 2 000 000 na mahery izay ‘manompo an’Andriamanitra amin’ny fanompoana masina’ hatrany amin’ny faran’ny tany? Marina fa mbola miaina foana eo amin’izao tontolo izao ratsy sy mampijalin’i Satana ianao ary angamba tojo fahasahiranana isan’andro. Nefa, raha anankiray amin’ireo ‘ondrin’ny’ Tompo ianao, dia mandray soa amin’ny fiarovan’Andriamanitra amim-pitandremana. Tsy mijaly noho ny hanoanana na ny hetaheta intsony ianao noho ny tsy fisian’ny sakafo na ny rano ara-panahy. Tsy voatery hatahotra intsony ny tsy fankasitrahana mivaivay avy amin’Andriamanitra ianao, satria ny Zanak’ondry no miandry anao sy mitarika anao ho amin’ny “loharanon’ny ranon’aina”. Araka izany, amin’ny heviny ara-panoharana, dia efa mandray anjara sahady amin’ny fahatanterahan’izao fampanantenana manaraka izao ianao: “Ary hofafan’Andriamanitra ny ranomaso rehetra amin’ny masony.” — Apokalypsy 7:15-17.
MITAHY AN’IREO ‘ONDRINY’ NY MPANJAKA
4. Inona no fifandraisana tanan’i Jesosy amin’ny ‘ondry vitsiny’?
4 Tamin’ny andron’ny Baiboly sy amin’izao androntsika izao koa, dia nahalala tsara an’ireo ondriny ny mpiandry tatsinanana; niantso ny tsirairay avy taminy tamin’ny anarany izy. Fa raha ny amin’ireo ondry, dia nahalala ny feony ireo ary nanaraka azy rehefa nampiditra na namoaka azy avy tamin’ny valany izy. Ao amin’ny Jaona toko faha-10 i Jesosy dia nampiasa izany toe-javatra izany mba hanazavana voalohany indrindra ireo fifandraisana amim-piraiketam-po mampiray azy amin’ny ‘ondriny vitsy’ voaforon’ny mpianatra voahosotra 144 000. Izao no nambarany: “Izaho no Mpiandry Tsara; ary fantatro ny Ahy, sady fantany Aho, dia tahaka ny ahafantaran’ny Ray Ahy sy ny ahafantarako ny Ray; ary Izaho manolotra ny aiko hamonjy ny ondry.” Ireo mpianatra Jaona 10:14, 15; Genesisy 12:3, MN; Galatiana 3:28, 29.
ireo dia tonga anisan’ny “taranak’i Abrahama” izay hitahiana “ny fianakaviana rehetra” amin’ny tany. —5. a) Ny amin’ny fifandraisana mahafaly hafa inona moa no resahina ao amin’ny Jaona 10:16? b) Inona moa no tombontsoan’ny “ondry hafa”, ary inona no fanantenana ananan’izy ireo?
5 Etsy andaniny koa, inona no fifandraisana tanan’ny “Mpiandry Tsara” amin’ny fianakavian’olombelona voatokana hiaina mandrakizay eto an-tany? Fifandraisana tena fitahiana ho an’ireo. Izao tokoa no nambaran’i Jesosy ny amin’izy ireo:
“Manana ondry hafa izay tsy amin’ity vala ity Aho; ary ireny koa dia tsy maintsy ho entiko ka hihaino ny feoko; ary ho tonga andiany iray izy, sady iray ihany ny Mpiandry.”
Amin’izao androntsika izao, dia azo atao ny mahita “olona betsaka” amin’ireny “ondry hafa” ireny andrasana eo anilan’ny “ondry vitsy”. Mihaino amim-pifanarahana ny ‘feon’ny’ mpiandry azy ireo antokony roa, amin’ny fitoriana ‘ity vaovao tsaran’ny fanjakana ity (...) amin’ny tany onenana manontolo, ho vavolombelona amin’ny firenena rehetra’. Sambatra ianao raha anisan’izany “ondry” izany! (Jaona 10:16; Matio 24:14, MN.) Eo ambany fanapahan’ilay Fanjakana, ny isan’ny “ondry hafa” dia ho an-davitrisany (an’arivo tapitrisany) maro, noho ny fananganana ny maty ho eto an-tany, rehefa ho tanteraka ny fikasan’Andriamanitra, dia ny hameno ny planetantsika amin’ny olona marina. — Genesisy 1:28.
6. Ahoana no ilazalazan’ny faminanian’i Jesosy ny fotoana tokony hisehoan’ny “ondry hafa”?
6 Ny amin’ny hoe tokony hisehoan’ny “ondry hafa” amin’ny fifaranan’ny fandehan-javatra, dia izany no miharihary amin’ny fanoharana mamarana ny faminanian’i Jesosy ny amin’ny “famantarana” ny fanatrehany (Matio 24:3, MN). Izao tokoa no nambarany:
“Ary raha tonga ny Zanak’olona amin’ny voninahiny, arahin’ny anjely rehetra, dia hipetraka eo ambonin’ny seza fiandrianan’ny voninahiny Izy; ary ny firenena rehetra hangonina eo anatrehany, dia hanavaka azy Izy, tahaka ny mpiandry ondry manavaka ny ondry amin’ny osy; ary hametraka ny ondry eo amin’ny ankavanany Izy, fa ny osy eo amin’ny ankaviany.” (Matio 25:31-33).
Koa satria tsy hitan’ny mason’olombelona io Mpanjaka be voninahitra io sy ireo anjeliny, amin’ny fomba ahoana no anaovana an’io asa fanavahana io?
7. a) Amin’ny fomba ahoana no itarihana ny asa fampisarahana? b) Inona no tokony hataontsika mba handraisan-tsoa amin’ny fitsarana manamarina, ary nahoana?
7 Tarihin’ireo anjely masina izany (Apokalypsy 14:6-12; ampitahao amin’ny Asa. 8:26-29; 10:1-8). Afa-tsy izany koa, ireo mpikambana farany amin’ny “ondry vitsy” mbola eto an-tany, kristiana antsoin’ny Matio 25:40 hoe ‘rahalahin’ny’ Mpanjaka, dia mitarika ny asa fitoriana ny “vaovao tsara”. Ilay Mpanjaka dia mitsara ny olombelona arakaraka ny fihetsiny eo anoloan’ireo ‘rahalahiny’ sy ny hafatra momba ilay Fanjakana ambaran’ireo. Heveriny fa izay ataon’ny olombelona ho an’ireo rahalahiny, dia ataony aminy. Ireo izay miseho ho tia mandray an’ireo ‘rahalahin’ny’ Mpanjaka dia mahazo toky fa voatahy. Anankiray amin’ireny olona ireny ve ianao? Mazava ho azy fa ilaina ny hanaovan-javatra bebe kokoa, izany hoe ny hanekena ny hafatra momba ilay Fanjakana amin’ny fonao rehetra ka hahatongavana ho mpanompon’i Jehovah nanolo-tena sy vita batisa amin’ny anaran’i Jesosy, satria “tsy misy famonjena amin’ny hafa”. — Asa. 4:12; Matio 25:35-40.
8. Fanasana inona no azonao valiana, ary afaka mandray anjara amin’ny fahatanterahan’ny fampanantenana inona avy ianao?
8 Raha anisan’ny ‘ondry hafan’ny’ Tompo ianao, inona no azonao antenaina? Hitondra inona ho anao ny fanarahana ny ‘feon’ny’ ‘Mpiandry Tsaranao’ sady ‘Mpanjakanao’? Amin’ny fitsarana ataony, ilay Mpanjaka dia milaza toy izao amin’ireo izay fantatra ho “ondry” manetry tena eo ankavanany, dia toeram-pankasitrahana: “Avia hianareo izay notahin’ny Raiko, mandovà ny fanjakana izay voavoatra ho anareo hatrizay nanorenana izao tontolo izao.” Azonao atao ny manantena handray ireo fitahian’ilay Fanjakana homen’ny Raintsika any an-danitra rehefa ‘ho any amin’ny fiainana mandrakizay ny marina’. (Matio 25:34, 46.) Eny, afaka manantena ny hahazo soa ianao noho ny fahatanterahan’ny faminaniana maro sahala amin’ireto, izay nosoratan’Isaia ka manambara toy izao ny amin’i Jehovah: “Hofoanany tsy hisy mandrakizay ny fahafatesana; ary Jehovah Tompo hamafa ny ranomaso amin’ny tava rehetra sady hanafa-tondromaso ny olony eny amin’ny tany rehetra, fa Jehovah no efa niteny.” Tsy ho afaka hanala baraka anao ela be intsony ny ratsy fanahy, satria mampanantena Andriamanitra fa izay rehetra manantena an’i Jehovah, tsy ho ela dia hanaovana tena “fanasana” amin’ny zavatra tsara ao amin’ny “tany vaovao” iray. Tsy isalasalana fa irinao ny handray anjara amin’io “fanasana” io. — Isaia 25:6-9; 66:22.
NY “OSY” SY NY FANENJEHANA
9, 10. a) Nahoana no tsy mora ny maharitra ao amin’ny lalan’ny fahamarinana? b) Tokony hanao ahoana ny fihetsikao eo anoloan’ireo fahavalon’ilay Fanjakana, ary fanampiana inona no azonao antenaina horaisina avy amin’Andriamanitra?
9 Tsy mora aminao angamba ny maharitra ao amin’ny lalan’ny rariny amin’izao “andro farany” izao. Mety haneso anao Satana sy ireo voafitany raha mbola mampiasa ny zavatra rehetra ao amin’ny fanandramany farany hanimba ny tany sy ny olombelona monina eo aminy (II Petera 3:3, 4; II Timoty 3:1). Rehefa mitsidika ny mpiara-belona aminao ianao mba hampitana amin’izy ireo ny hafatra momba ilay Fanjakana, dia azo inoana fa mifanehatra amin’olona manana fihetsika azo ampitahaina amin’ny an’ny “osy”; miseho ho tsy miraika izy ireny, tsy manaja ary indraindray mankahala tsotra izao. — Matio 25:33, 42-45.
10 Na dia izany aza, ianao izay ‘ondrin’ny’ Tompo, ianao dia tsy tokony hitady izay hanombanana hoe “osy” ny olona toy izao na izao. Anjaran’ny Mpanjaka ny mitsara, fa tsy an’ny ‘ondriny’ eto an-tany (ampitahao amin’ny Romana 14:10-12). Angamba ianao ho tojo fanoherana satria tonga mpitory ny “vaovao tsara”, nefa fantaro fa Andriamanitra dia hanome hery anao mba hanaovana ny sitrapony, araka ny nampisehoan’ny apostoly Petera azy tamin’izao teny izao: “Ary Andriamanitry ny fahasoavana rehetra (...) no hahatanteraka sy hampiorina ary hampitoetra anareo.” (I Petera 5:10; ampitahao amin’ny II Korintiana 12:10). Etsy andaniny koa, ny apostoly Paoly dia manome antsika izao fananarana tsara dia tsara izao: “Mazotoa [amin’ny asan’ilay Fanjakana], fa aza malaina, ary aoka hafana fo amin’ny fanompoana ny Tompo [Jehovah, MN]. Mifalia amin’ny fanantenana; miareta amin’ny fahoriana; mahareta amin’ny fivavahana.” — Romana 12:11, 12.
11. Inona no mety ho vokatra tsaran’ny fitondrantena kristiana faka tahaka?
11 Ny tsy fivadihanao eo amin’ny asan’i Jehovah, ny vavaka amin-kafanam-po ataonao aminy sy ny fitondrantena faka tahaka anananao, izany rehetra izany dia angamba hitarika olona sasany toa “osy” amin’ny voalohany, hiova fihetsika mba ho tonga “ondry”. Ny fitondrantena feno faharetana sy manaja ananan’ny vehivavy kristiana dia matetika no nahatonga ny vadiny tsy mpino ho azo “tsy amin’ny teny”. (I Petera 3:1, 2.) Tsy isalasalana fa tsy irintsika ny hahita ny olona ‘ho any amin’ny fanesorana mandrakizay’, fa irintsika kosa ny hanampy azy ireny hiala amin’ny fironany sahala amin’ny an’ny osy ka amin’izany dia hahazo ny fiainana mandrakizay. — Matio 25:41, 46, MN.
TSY MIVADIKA HATRANY IREO “ONDRY” MAHATOKY
12. Ahoana moa no nifanohanan’ireo ‘rahalahin’ny’ Mpanjaka sy ireo “ondry” tamin’izao androntsika izao?
12 Mariho fa, araka ny fanoharana nataon’i Jesosy, ireo “ondry” dia nisahirana mba hitondra fanampiana ho an’ireo ‘rahalahin’ny’ Mpanjaka rehefa narary ireo na tany an-tranomaizina. Amin’izao androntsika izao, any amin’ny faritra sasany eo amin’izao tontolo izao, ny fihafiana, ny fanenjehana, ny aretina sy ny tranomaizina dia nihatra, tsy tamin’ireo anisan’ny “ondry vitsy” ihany, fa tamin’ny “ondry hafa” koa izay manompo amim-pahatokiana miaraka amin’izy ireo. Araka izany, teo amin’ny 1933 ka hatreo amin’ny 1945, rehefa nikendry ny fanapahana maneran-tany Hitler, mpitondra tsy refesi-mandidy nazia, dia niharan’ny fanenjehana tamin-kalozana ny Vavolombelon’i Jehovah, tany amin’ny tany nazia sy fasista aloha, avy eo dia tany amin’ny firenena rehetra izay nandray anjara tamin’ny ady. Anisan’ny “ondry vitsy” sy ‘ondry hafan’ny’ Tompo maro no novonoina. Nefa nahazo fandresena nahafinaritra izy ireo tamin’ny fitanana mafy ny tsy fivadihany tamin’ilay Mpanjaka sy ny Fanjakany.
13, 14. Inona moa no fifanoherana tsapa teo amin’ny toerana notanan’ireo fivavahana lazaina fa kristiana sy ny an’ny Vavolombelon’i Jehovah?
13 Ny fifanoheran’ny fanarahana ambokony ataon’ireo fivavahana lazaina fa kristiana sy ny tsy fivadihan’ny Vavolombelon’i Jehovah ao anatin’ny fitsapana dia nahatonga famoaboasan-kevitra maro avy amin’ireo mpanoratra tantara. Ohatra, Paul Johnson (ao amin’ilay boky hoe A History of Christianity, navoaka tany Londres tamin’ny 1976) dia nanambara toy izao voalohany indrindra ny amin’ireo Eglizy katolika sy evanjelika tany Alemaina hitleriana: “Tamin’ny ankapobeny, ireo Fiangonana roa dia nitondra ny fanohanany mafy an’ilay fitondrana. Nifaly ireo eveka katolika satria ‘ny Fanjakana alemana nanipika mafy indray ny amin’ny fahefana’. Niteny tamin’ny tanora katolika tao amin’ny katedralin’i Trèves ny eveka Bornewasser ka nanambara toy izao: ‘Amin’ny loha mitraka sy ny dia sahy, dia miditra ao amin’ny Empira vaovao isika ary vonona ny hanompo azy amin’ny herin’ny tenantsika sy ny fanahintsika rehetra.’ Tamin’ny janoary 1934, Hitler dia nanao fiaraha-midinika tamin’ny eveka evanjelika roa ambin’ny folo, taorian’izany (...) dia namoaka filazana iray ireo nanambarana fa ‘ireo minisitra tompon’andraikitra ao amin’ny Fiangonana evanjelika alemana dia niara-nanamafy ny hitsim-pony tsy misy fepetra amin’ny Empira fahatelo sy ny filohany’.”
14 Rehefa avy eo, dia noresahin’i Johnson ny amin’ireo olona vitsy nilaza ho nanaraka ny kristianisma izay “nifikitra hatrany tamin’ny fotopoto-pitsipik’izy ireo”, avy eo dia nanampy teny toy izao izy: “Ny be herim-po indrindra dia ireo Vavolombelon’i Jehovah izay, vao teo am-boalohany dia nampifanohitra ankarihary ny fampianarany tamin’ny fitondrana ka noho izany dia nijaly. Nolaviny izay rehetra nety ho fiaraha-miasa tamin’ny Fanjakana nazia izay nampangainy ho ratsy tsotra izao. (...) Be dia be no nomelohina ho faty satria tsy nety nanao raharaha miaramila (...); nisy hafa koa tany Dachau na tany amin’ny trano fitanana adala. Tena novonoina tokoa ny ampahatelony, ary niharan’ny fanenjehana ny 97 isan-jato taminy. Io no hany antokon’olona kristiana noderain’i Himmler.”
15. a) Ahoana no fiheveranao ny taratasy naverina eto anilany? b) Niezaka nanao inona Satana nandritra ny Ady Lehibe Faharoa, ary inona no manaporofo fa tsy nahomby izy?
15 Tsy tamin’ny naha-mpanohana ny fandriampahalemana eo amin’ireo fanjakana, fa tamin’ny naha-kristiana nialanalana, mpiaro ny Fanjakan’Andriamanitra ho avy no nisetran’ny Vavolombelona tanora ny tranomaizina sy ny fahafatesana, toy izay hiala tamin’ny tsy fivadihany, araka ny porofoin’ny santionan-“taratasy farany” nosoratan’ny Vavolombelona iray, dia taratasy averina eto. Nanerana ny tany manontolo, na teo ambany fanapahan’ireo fanjakan’ny “Axe” na teo amin’ny “Alliés”, ireo ‘rahalahin’ny’ Mpanjaka sy ireo namany, ny “ondry”, dia namoronana fahasahiranana, nokapohina, nampidirina an-tranomaizina sy nampiharana fitondrana ratsy. Na dia izany aza, dia nivoaka nandresy tamin’io ady ara-panahy io izy ireo. Tsy afaka nanimba ny tsy fivadihany tamin’ilay Fanjakana ny Devoly. Tsy misy hafa amin’i Jesosy talohan’izy ireo, dia nasehony fa tsy ‘naman’izao tontolo izaon’i Satana’ voaheloka izy ireo. —NY FANDAHARAM-PAMPIANARAN’ILAY FANJAKANA
16, 17. a) Fandaharam-pampianarana inona sy asa fanitarana inona no nanomboka tamin’izay? b) Inona no azo lazaina ny amin’ny vokatra naterak’io asa io?
16 J. Rutherford, prezidàn’ny Fikambanana Watch Tower, dia maty tamin’ny 1942, ary nisolo toerana azy i Nathan Knorr. Fotoana fohy taorian’izay, dia naorina tao amin’ny kongregasionan’ny Vavolombelon’i Jehovah rehetra ny Sekolin’ny fanompoana teokratika izay niharihary fa faran’izay nahasoa tokoa, satria nanome ho an’ireo Vavolombelona, lehilahy sy vehivavy, fampiofanana nahatonga azy ireo ho afaka hampiseho ny hafatra momba ilay Fanjakana tamin’ny mpiara-belona aminy tamin’ny fomba mandaitra kokoa sy mampiaiky kokoa. Tao anatin’ireo taona, dia navoaka ny boky fianarana isan-karazany hampiasaina tamin’ireny sekoly ireny. Tsy natao tsirambina koa ny asa misionera. Tamin’ny 1 febroary 1943, dia novohana tao amin’ny fanjakan’i New York Gileada, Sekoly fianarana ny Baiboly an’ny Watch Tower. Mpitory manontolo andro (na “mpitory maharitra”) Matio 24:14, MN; Romana 10:18.
za-draharaha an’arivony maro avy any amin’ny faritra maro amin’ny gilaoby no nasaina ho any. Nampiofanina izy ireny, avy eo dia nirahina ho any amin’ny “tany manontolo” mba hitory any “ity vaovao tsaran’ny fanjakana ity”. —17 Io fiezahana manokana hanao fampianarana maneran-tany io dia niteraka vokatra nahafinaritra tokoa. Ankehitriny, atỳ am-piandohan’ireo taona 1980, dia kristiana latsaka ny
10 000 no mandray anjara amin’ny mofo sy ny divay atao ohatra rehefa mahatsiaro isan-taona ny nahafatesan’i Jesosy, dia fandraisana anjara ampisehoany ny fanantenany ho tafaray amin’i Kristy ao amin’ny Fanjakany any an-danitra. Mitombo isa tokoa ny ‘rahalahin’ny’ Mpanjaka nahavita ny fihazakazahany teto an-tany tao anatin’ny tsy fivadihana. Nefa kosa, ny isan’ny mpanatrika hafa, izany hoe ireo izay manantena ny hiaina mandrakizay eto an-tany amin’ny maha-vahoakan’ilay Fanjakana, dia tafakatra ho 6 700 000 izao. Any amin’ireo kongregasionan’ny Vavolombelon’i Jehovah 46 000 mahery misy ankehitriny maneran-tany, dia ny “olona betsaka” amin’ny “ondry hafa” no manao ny ankamaroan’ny asa fanaovana fanambarana. Endrey ny tombontsoa afaka mandray anjara amin’izany!18. a) Ahoana no nanohizan’ny “mpanompo mahatoky sy malina” nanompo? b) Asa goavana inona no azonao andraisana anjara amin’izao fotoana izao?
18 Na dia mihavitsy hatrany aza ireo anisan’ny sisa voahosotra amin’ny ‘ondry vitsin’i’ Jesosy, dia manohy mitarika ny asan’ilay Fanjakana io kilasin’ny “mpanompo mahatoky sy malina” io (Matio 24:45-47, MN). Amin’izany izy io dia miasa amin’ny alalan’ny kolejy foibe iray, fandaharana sahala amin’ny nisy tao amin’ny kongregasiona kristiana tamin’ny taonjato voalohany (Asa. 15:6; Lioka 12:42-44). Rehefa maty i N. Knorr, tamin’ny 1977, Frederick Franz, 83 taona, dia tonga prezidàn’ny Fikambanana Watch Tower fahefatra. Tamin’ny 1 jolay 1979, dia feno zato taona koa ny nisian’ny Ny Tilikambo Fiambenana. Nandany taonjato iray nanaovana fanambarana ho an’ilay Fanjakana io gazety io. Eny, amin’ny alalan’ny pejy voasoratra sy ny teny, “ity vaovao tsaran’ny Fanjakana” efa tafaorina ankehitriny ity, dia nambara amin’ny tany manontolo ho vavolombelona. Moa ve ianao anisan’ireo izay manana tombontsoa mandray anjara amin’io asa io amin’ny fanahafana an’i Jesosy? Mananatra antsika hanao izany amin’izao teny izao i Paoly:
“Koa aoka isika hanatitra ny fanati-piderana amin’ny alalany ho an’Andriamanitra mandrakariva, dia ny vokatry ny molotra izay manaiky [manao fanambarana ampahibemaso, MN] ny anarany.” — Hebreo 13:15.
19. a) Fitsipi-pitondrantena manao ahoana andraisan’ny “fo” sy ny vava” anjara moa no anoroan’i Paoly hevitra eo? b) Fanontaniana mety inona avy no apetraka eto, ary ahoana no amalianao izany?
Romana 10:10). Moa ve ianao maneho finoana ny “vaovao tsara” izay mitarika ny saina ankehitriny ho amin’ny Fanjakan’Andriamanitra tafaorina any an-danitra nanomboka tamin’ny 1914? Moa ve ianao manao “fanambarana ampahibemaso hahazoana famonjena”, sady mivavaka ho amin’ny ‘fahatongavan’ny Fanjakan’Andriamanitra’, mba hampiasany ny heriny fandringanana hanesorana amin’ny tany ny fandaminan’i Satana? Moa ve ianao miresaka amin-jotom-po ‘eo imason’ny olona sy ao amin’ny isan-trano’ ny amin’ireo fitahiana hoentin’ilay Fanjakana tsy ho ela ho an’ny olombelona rehetra rehefa hatao ny sitrapon’Andriamanitra “etỳ an-tany tahaka ny any an-danitra”? Moa ve ianao manohana amim-pahatokiana ireo kristiana marina anisan’ny kilasy voahosotra amin’ny “mpanompo mahatoky sy malina” izay manohy manome ohatra raha ny amin’ny fanambarana ny hafatra momba ilay Fanjakana ‘any amin’ny tany rehetra sy hatramin’ny faran’izao rehetra izao’, sy ‘hanao mpianatra olona avy amin’ny firenena rehetra, hanao batisa azy sy hampianatra azy ireny’? — Matio 6:10; 24:14, 45-47; 28:19, 20; Asa. 5:42; 20:20; Romana 10:18.
19 Nanambara toy izao ny apostoly Paoly tao amin’ny taratasy hafa iray: “Fa amin’ny fo no inoana hahazoana fahamarinana, ary amin’ny vava no anekena [anaovana fanambarana ampahibemaso, MN] hahazoana famonjena.” (20. Tombontsoa lehibe inona no azonao andraisana anjara dieny izao?
20 Afaka mba handray tombontsoa lehibe koa ianao amin’izao andro izao amin’ny fiasana amin’izany fomba izany ‘amin’ny fanompoana masina, andro aman’alina, eo anoloan’ny seza fiandrianan’Andriamanitra’. Hiomana koa ianao mba ho anisan’ny “olona betsaka” izay handova ny fiainana mandrakizay eo amin’ny tany tonga mahafinaritra (Apokalypsy 7:9-17). Tsy maintsy “tonga” anefa aloha ilay Fanjakana mba hanao ny adin’i Haramagedona. Fa hanao ahoana Haramagedona ho an’ny tany sy ny mponina eo aminy?
[Fanontaniana]
[Efajoro, pejy 159]
NIALANALANA HATREO AMIN’NY FAHAFATESANA
Nandritra ny Ady Lehibe Faharoa, dia Vavolombelon’i Jehovah tanora maro no namoy ny ainy noho ny fialanalanan’izy ireo. Ny taratasy naverina eto ambany dia santionan’ireo ‘taratasy farany’ nosoratan’ireny Vavolombelona be herim-po ireny ho an’ny fianakaviany. Ity dia nosoratan’ny zazalahy iray avy any Alsace-Lorraine, Marcel Sutter, 23 taona, ora vitsivitsy talohan’ny hanapahan-doha azy tao amin’ny tranomaizin’i Torgau, any Alemaina, tamin’ny aogositra 1942.
“Ry ray aman-dreny sy anabavy malalako indrindra,
“Rehefa ho voarainareo ity taratasy ity, dia tsy hisy intsony aho. Ora vitsivitsy monja sisa mampisaraka ahy amin’ny fahafatesana. Miangavy anareo aho, manàna tanjaka sy herim-po. Aza mitomany, satria nandresy aho. Nahavita ny fihazakazahana aho ary nitahiry ny finoako. Enga anie Jehovah hanohana ahy hatramin’ny farany! Fohy ny fotoana mampisaraka antsika amin’i Jesosy Kristy Tompontsika. Tsy ho ela, dia hifankahita indray isika eo amin’izao tontolo izao tsaratsara kokoa izay hanjakan’ny fiadanana sy ny rariny. Eny, mifaly aho noho izany andro izany izay tsy hisian’ny fitolokoana intsony. Hahafinaritra tokoa amin’izay! Maniry fiadanana fatratra aho. Ao anatin’ireo orako farany, dia mieritreritra aoka izany anareo aho ary malahelo kely anareo satria tsy afaka manoroka anareo ho fanaovam-beloma. Mahareta anefa, akaiky ny fotoana hanamarinan’i Jehovah ny anarany sy hanaporofoany amin’ny zavatra noforonina rehetra fa izy no hany Andriamanitra marina. Tiako izao ny hanokana ireo orako faramparany ho an’Andriamanitra. Faranako amin’ny fanorohana anareo ity taratasy ity, eo am-piandrasana ny hahita anareo indray tsy ho ela. Hoderaina anie Jehovah Andriamanitsika! Manoroka anareo amin’ny foko rehetra aho.
“Ny zanakalahinareo sy anadahinareo,
Marcel”