Mitana ny fahatokiany ireo mpandova ilay Fanjakana
Toko Faha-9
Mitana ny fahatokiany ireo mpandova ilay Fanjakana
1. a) Nahoana moa Jesosy no nandova anarana tsara dia tsara kokoa? b) Iza no afaka mandray soa avy amin’ny ohatra navelany, ary amin’ny fomba ahoana?
NOHO izy nanaporofo ny tsy fivadihany hatramin’ny fahafatesana, Jesosy dia nandova anarana tsara lavitra noho ny an’ireo anjely. Tamin’ireo zavaboarin’i Jehovah manan-tsaina rehetra, dia izy no hany nanaporofo fa ny zanak’Andriamanitra iray dia afaka nitoetra ho tsy nivadika tanteraka tamin’ny Mpamorona azy, ka nampiseho tamin’izany fa mpandainga i Satana. Afaka nanoratra àry ny apostoly Paoly hoe: “Rehefa nanao fanadiovana hahafaka ny fahotana Izy [tamin’ny fanomezana avotra], dia nipetraka teo amin’ny tànana ankavanan’ny Lehibe any amin’ny avo.” Nanome ohatra kanto dia kanto izy tamin’izany ho an’izay rehetra miandry ny ‘fahatongavan’ilay’ Fanjakana, ho an’ireo anisan’ny “ondry vitsy” izay handova ny Fanjakan’ny lanitra ary koa ireo olombelona ho tonga vahoakan’io Fanjakana io eto an-tany. Ery lavidavitra kokoa, dia nanoratra io apostoly io ihany hoe: “Aoka isika hihazakazaka amin’ny faharetana amin’izao fihazakazahana filokana napetraka eo anoloantsika izao, mijery an’i Jesosy, Tompon’ny finoantsika sy Mpanefa azy, Izay naharitra ny hazo fijaliana, fa tsy nitandro henatra, mba hahazoany ny fifaliana napetraka teo anoloany, ka efa mipetraka eo amin’ny ankavanan’ny seza fiandrianan’Andriamanitra Izy.” — Hebreo 1:3, 5; 12:1, 2.
2-4. a) Ahoana no nampiofanan’i Jesosy sy nandaminany miandalana ireo mpianany ho amin’ny fitoriana? b) Ahoana no ahafantarantsika fa nitory ny “vaovao tsara” tany an-tranon’ny olona izy? d) Ohatra faka tahaka tsara dia tsara inona no navelan’io asa io ho an’ireo mpanompon’Andriamanitra amin’izao androntsika izao?
2 Tsy vitan’ny hoe namela ohatra kanto ho an’ireo mpianany fotsiny Jesosy, fa nampianatra sy nampiofana azy ireo koa mba hahafahan’izy ireo manohy ny asan’Andriamanitra aorian’ny fahalasanany.
“Dia lasa Jesosy nitety ny tanàna sy ny vohitra nitory ny filazantsara’ny [vaovao tsaran’ny, MN] fanjakan’Andriamanitra; ary ny roa ambin’ny folo lahy nanaraka Azy.”
3 Taty aoriana dia nandefa ireo mpianany 12 irery i Jesosy “hitory ny fanjakan’Andriamanitra sy hahasitrana ny marary”. “Dia lasa nandeha izy ireo ka nitety vohitra nitory ny filazantsara [vaovao tsara, MN] sy nahasitrana teny tontolo eny.” (Lioka 9:2, 6). Tany amin’ireo tanàna sy vohitra nandalovany, dia tsy maintsy nitady ireo olona mendrika ny vaovao tsara izy ireo tamin’ny fitsidihana azy ireny tany an-tranony. Izany dia nitaky ny hitazonan’izy ireo tamin-kerim-po ny fahatokiany, toy ny ataon’ny Vavolombelon’i Jehovah ankehitriny any amin’ny tany maro, noho ny fanoherana ateraky ny hafatra entin’izy ireo. Nilaza tamin’izy ireo Jesosy hoe: “Raha mendrika ny ao an-trano, dia aoka ho ao aminy ny fiadanana tononinareo; fa raha tsy mendrika izy, dia aoka hiverina aminareo ny fiadanana voatononareo. Ary izay tsy hampandroso anareo, na tsy hihaino ny teninareo, raha miala amin’izany trano na tanàna izany hianareo, dia ahintsano ny vovoka amin’ny tongotrareo.” — Matio 10:7, 11-14.
4 Taty aoriana ihany koa, Jesosy dia nanendry mpianatra 70 hafa izay nilazany hoe: “Indro, Izaho maniraka anareo tahaka ny zanak’ondry eo ampovoan’ny amboadia.” Izy ireo koa dia tsy maintsy nitsidika ny olona tany an-tranony, satria nanampy teny toy izao i Jesosy: “Izay trano idiranareo, dia lazao aloha hoe: Fiadanana ho amin’ity trano ity. Ary raha misy zanaky ny fiadanana ao, dia hitoetra ao aminy ny fiadanana tononinareo; fa raha tsy izany, dia hiverina ho Lioka 10:3-11). Ireo mpianatra tamin’izany dia nanorina ohatra tsara dia tsara ho an’ny asan’ny Vavolombelon’i Jehovah amin’izao androntsika izao, izay mandeha isan-trano koa mba hitondra ny hafatr’Andriamanitra, hafatra fampiononana sy fampiomanana. — Isaia 61:1, 2.
aminareo ihany izany.” Na dia tsy nihaino ny “vaovao tsara” aza ny olona, dia tsy maintsy nampiomanina izy ireo fara faharatsiny fa nanakaiky ny Fanjakan’Andriamanitra (MITORY IZY IREO NA DIA EO AZA NY FANENJEHANA
5. Ahoana, taorian’ny fitsanganany, no nanantitranteran’i Jesosy imbetsaka ny amin’ny asa niandry ireo mpianany?
5 Tamin’ny nahafatesan’i Jesosy dia niparitaka ireo mpianatra. Nefa taorian’ny fitsanganany ara-panahy dia niseho imbetsaka tamin’izy ireo nitafy vatana i Jesosy mba hitondra fampiononana ho azy ireo sy hampiorina azy mafy (I Korintiana 15:3-8). Tamin’izany indray andro no nanontanian’i Jesosy an’i Petera intelo raha tia azy marina sy nanana firaiketam-po taminy izy. Nalahelo Petera noho izany fanontaniana izany, nefa namerina izany intelo i Jesosy, mba hanamafisana tsara ny hevitra hoe: mba hanaporofoany ny fitiavany sy ny firaiketam-pony taminy, Petera dia tsy maintsy namahana sy niandry ny ‘ondrikeliny’ sy ny ‘ondriny’. (Jaona 21:15-17.) Tamin’ny fisehoany iray hafa dia nanambara tamin’ireo mpianany nahatoky 11 i Jesosy hoe:
“Efa nomena Ahy ny fahefana rehetra any an-danitra sy etỳ an-tany; koa mandehana hianareo, dia ataovy mpianatra ny firenena rehetra, manao batisa azy ho amin’ny anaran’ny Ray sy ny Zanaka ary ny Fanahy Masina sady mampianatra azy hitandrina izay rehetra nandidiako anareo; ary, indro, Izaho momba anareo mandrakariva ambara-pahatongan’ny fahataperan’izao tontolo izao [fifaranan’ny fandehan-javatra, MN]”. (Matio 28:18-20).
Nisy asa be dia be niandry ireo mpianatra.
6. Amin’ny heviny ahoana ireo mpianatra no hanao “asa lehibe” kokoa?
6 Nilaza tamin’izy ireo i Jesosy hoe: “Lazaiko aminareo marina dia marina tokoa: Izay mino Ahy, ny asa ataoko no Jaona 14:12). Handeha hamakivaky faritany lehibe lavitra tokoa izy ireo ary hitory ny Fanjakan’Andriamanitra mandritra ny vanim-potoana lavalava kokoa.
hataony koa; ary hanao asa lehibe noho izany aza izy, satria Izaho mankany amin’ny Ray.” (7. Fisehoan-javatra inona mahagaga kokoa niseho tamin’ny Pentekosta no nanome fahafahana hanao fanambarana feno, ary nanao ahoana ny vokatra niavaka?
7 Rehefa avy nipetraka teo ankavanan’ny Rainy any an-danitra Jesosy dia nanao zavatra nahagaga. Tamin’ny andro Pentekosta taona 33 dia nandatsaka ny fanahy masina tamin’ireo mpianany niandry izy, ka nanome ho azy ireo tamin’izany ny hosotra nahatonga azy ho mpiara-mandova aminy any amin’ny Fanjakan’Andriamanitra any an-danitra. Farany, dia mpianatra 144 000 no hofidina amin’ny taranak’olombelona mba ho tonga mpanjaka sy mpisorona any an-danitra miaraka amin’i Kristy. Taorian’ny fanambarana nomena tamin’io andro io, dia Jiosy sy proselyta 3000 no nanaiky ny teny tamin’ny fony rehetra sy natao batisa. — Jaona 14:2, 3; Apokalypsy 14:1-5; 20:4, 6; Asan’ny apostoly 2:1-4, 14, 40, 41.
8-11. a) Fifandrafiana inona no nipoaka tamin’ireo mpitondra jiosy sy ireo apostoly? b) Ahoana no nampisehoan’ireo apostoly fa nitazona mafy ny fahatokiany izy ireo? d) Araka ny Asan’ny apostoly 5:40-42, ohatra tsara inona no navelan’ireo apostoly ho an’ireo mpanompon’Andriamanitra amin’izao androntsika izao?
8 Noho ny fitorian’ireo mpianatra, ny “vaovao tsara” dia niely haingana dia haingana tao Jerosalema manontolo, nefa toy izany koa ny fanoherana ny Fanjakan’Andriamanitra. Tsy ela ireo apostoly dia nentina teo anatrehan’ny Synedriona, ny fitsarana Jiosy, izay nandrara azy ireo tsy hiteny amin’ny anaran’i Jesosy. Hitazona tsy hihozongozona ny fahatokiany ve izy ireo? Namaly Petera sy Jaona hoe: “Tsaraonareo na marina eo imason’Andriamanitra, na tsia, ny hanaiky anareo mihoatra noho Andriamanitra. Fa izahay tsy maintsy milaza izay zavatra efa hitanay sy renay.” Tamin’io indray mandeha io dia nalefa ireo apostoly, ary izy sy ireo namany dia nisaotra avy hatrany an’Andriamanitra tamin’ny fanaovana ity hataka ity: “Koa ankehitriny, Tompo Asan’ny apostoly 4:19, 20, 29, 31.
[Jehovah, MN] ô, (...) omeo anay mpanomponao ny mba hitory ny teninao amin’ny fahasahiana rehetra.” Nanohy nitory hatrany niaraka tamin’ny fanampian’ny fanahin’i Jehovah àry izy ireo. —9 Nisambotra indray ireo apostoly ny filoha ara-pivavahana ary nampiditra azy ireo an-tranomaizina. Nefa tsy ny hijanonan’izy ireo tao no sitrapon’Andriamanitra. Tamin’ny alina dia nanafaka azy ireo ny anjelin’i Jehovah, hany ka raha vao nangiran-dratsy ny andro dia nitory indray tao amin’ny tempolin’i Jerosalema izy ireo. — Asan’ny apostoly 5:17-21.
10 Nefa inona no azon’ny Synedriona natao mba hampitsaharana ny fampielezana ny “vaovao tsara”? Nentina indray teo anatrehan’ny fitsarana ireo apostoly, ary ilay mpisoronabe dia niampanga azy ireo tamin’izao teny izao: “Efa noraranay mafy dia mafy hianareo tsy hampianatra amin’izany anarana izany [ny an’i Jesosy]; kanjo, indro, efa nofenoinareo ny fampianaranareo Jerosalema, ka tianareo hankinina aminay ny ran’izany Lehilahy izany.” Tamin’izay no nanakoako ny valin-teny tsy nilefitr’ireo apostoly, izay naverimberina imbetsaka tokoa nandritra ireo taonjato 19 lasa manao hoe:
“Andriamanitra no tokony hekena mihoatra noho ny olona.”
Inona no azon’ireo Jiosy natao tamin’ny olona nifikitra mafy toy izany tamin’ny fahatokiany? Gamaliela, mpampianatra lalàna, dia nanome ity torohevitra feno fahendrena ity: “Mandefera amin’ireo olona ireo, ka avelao ihany izy; fa raha avy amin’olona izao saina na asa izao, dia ho foana; fa raha avy amin’Andriamanitra kosa izao, dia tsy ho azonareo foanana, sao dia miseho ho mpiady amin’Andriamanitra hianareo.” — Asan’ny apostoly 5:27-39.
11 Nokapohina àry ireo apostoly, ary rehefa avy nodidiana tsy hiresaka intsony ny amin’izany zavatra izany dia nalefa. Nanao ahoana ny fihetsiny? Nifaly izy ireo satria natao mendrika ny hitondra fahoriana noho ny anaran’i Jesosy.
“Ary tsy nitsahatra nampianatra sy nitory an’i Jesosy ho Kristy isan-andro teo an-kianjan’ny tempoly sy tao an-trano izy.”
Ireo mpandova ilay Fanjakana ireo dia vonona hiaritra izay rehetra ilaina mba hanohizana ny asan’Andriamanitra. Tamin’izany izy ireo dia nanome ohatra tsara ho an’ny vavolombelon’ilay Andriamanitra marina rehetra izay nanambara hatrany ilay Fanjakana “teo imason’ny olona ary tao amin’ny isan-trano”. —MIELY NY ‘VAOVAO TSARAN’ILAY’ FANJAKANA
12. Araka izay asehon’ny Asan’ny apostoly 8:1-4, amin’ny ahoana ny fanenjehana no mamela matetika tokoa hampiely ny “vaovao tsara”?
12 Nitombo indray ny fanenjehana, hany ka ny mpianatra rehetra, afa-tsy ny apostoly ihany, dia niely patrana tany amin’ny faritra manodidina an’i Jodia sy Samaria. Nefa izany dia vao mainka nanitatra ny fanambarana, satria “izay niely dia nandeha nitory teny tontolo eny” ny vaovao tsara. (Asan’ny apostoly 8:1-4.) Aoka homarihintsika aloha fa niseho ihany koa io tarehin-javatra io amin’izao androntsika izao. Rehefa nisy fitondram-panjakana tsy refesi-mandidy nanandrana nampitsahatra ny asan’ny Vavolombelon’i Jehovah tamin’ny fanaparitahana azy ireny tany amin’ny faritra lavitra be, dia nanohy nitory hatrany ireo, hany ka niely ny “vaovao tsara”.
13, 14. a) Oviana no nifarana ny “herinandro” nahazoan’ny Jiosy tombontsoa manokana avy amin’Andriamanitra, ary karazan’olona manao ahoana tamin’izay no nekena ho anisan’ny mpandova ilay Fanjakana? b) Ahoana no nanamarinan’ny tenin’i Paoly voarakitra ao amin’ny Asan’ny apostoly 13 sy Romana 11 izany?
13 Nefa, tamin’ny taonjato voalohany, moa ve ny hafatr’ilay Fanjakana homena ny Jiosy sy Samaritana nifanakaiky taminy fotsiny? Moa ve ny mpikambana rehetra ao amin’ny Fanjakan’ny lanitra hofidina eo amin’izy ireo fotsiny ihany? Tsy izany no izy, na dia teo aza ny fanambarana tsara dia tsara nomena azy ireo tamin’izay. Azo inoana fa tamin’ny 36, raha nifarana ny “herinandro” nanomezany tombontsoa manokana ho an’ny Jiosy, Jehovah dia nandidy an’i Petera hamangy an’i Kornelio, manamboninahitra italiana iray, any an-tranony, any Kaisaria. Raha nitory ny vaovao tsara tamin’io tsy Jiosy io sy ny ankohonany i Petera, dia nilatsaka tamin’izy ireo ny fanahy masina, nampitafy azy ireo ny Asan’ny apostoly 10:1-48.
hosotra tamin’izany izay nahatonga azy ho mpandova ilay Fanjakana. Rehefa natao batisa àry izy ireo dia tonga ny Jentilisa voalohany tsy voafora niova ho amin’ny kristianisma. —14 Taty aoriana, raha niharan’ny fanoherana nahery vaika avy amin’ireo Jiosy tany Antiokia any Pisidia ny apostoly Paoly sy ireo namany dia nilaza tamin’ireo Jiosy ireo i Paoly hoe: “Hianareo no tsy maintsy nitoriana ny tenin’Andriamanitra aloha; fa raha mandà izany hianareo ka manao ny tenanareo ho tsy miendrika hahazo ny fiainana mandrakizay, dia, indro, mitodika mankany amin’ny jentilisa izahay; fa izao no nandidian’ny Tompo [Jehovah, MN] anay: ‘Efa nanendry Anao ho fahazavan’ny jentilisa Aho, mba ho famonjena hatrany amin’ny faran’ny tany Hianao.’ ” (Asan’ny apostoly 13:46, 47). Araka ny sary iray nampiasain’i Paoly taty aoriana, ireny Jiosy tsy nino ireny dia tahaka ny rantsana nesorina avy tamin’ny hazo oliva. Tokony ho nanome ny isa fenon’ireo mpandova ilay Fanjakana ny Jiosy. Nefa, toy ny rantsan’ny hazo oliva maniry ho azy, dia nisy “jentilisa” [olona avy amin’ireo firenena, MN] natsofoka ho solon’izy ireo, mba hahatonga ny “Isiraely rehetra”, ny Isiraely ara-panahy, izany hoe ireo mpikambana ao amin’ilay Fanjakana rehetra, ho “voavonjy”. — Romana 11:13-26; Galatiana 6:16.
MAHATOKY NA DIA EO AZA NY “FAHORIANA”
15, 16. a) Inona no nataon’i Paoly sy nambarany teo anoloan’ny “fahoriana”, ary ohatra faka tahaka tsara dia tsara inona no navelany ho antsika? b) Manao ahoana no tokony ho fihetsitsika eo anoloan’ny fanoheran’ireo fitondram-panjakana na ny fianakaviantsika, ary inona no ampanantenaina antsika?
15 Na dia teo aza ny fanenjehana vaovao, ny apostoly Paoly izay mpiandraikitra mpitety faritany tsy nivadika dia niverina tany Antiokia, mba hampiorina mafy sy hampahery ireo mpianatra ary hanamafy orina ny fandaminana ny kongregasiona. Tamin’izany fotoana izany no nanambarany hoe:
Tsy maintsy ho amin’ny fahoriana be no idirantsika amin’ny fanjakan’Andriamanitra.” — Asan’ny apostoly 14:21-23.
Matio 24:14, MN). Nefa ireny kristiana rehetra ireny dia nahazo fampiononana lehibe tamin’ireto tenin’i Jesosy ireto: “Tsy misy olona efa nahafoy trano, na rahalahy, na anabavy, na reny, na ray, na zanaka, na tany, noho ny amiko sy ny filazantsara [vaovao tsara, MN], ka tsy handray zato heny amin’izao andro ankehitriny izao — dia trano sy rahalahy sy anabavy sy reny sy zanaka sy tany mbamin’ny fanenjehana — ary amin’ny andro ho avy dia fiainana mandrakizay.” (Marka 10:29, 30). Eny, mijinja izany rehetra izany “zato heny” tokoa izy ireo noho ny fifandraisany akaiky amin’i Jehovah sy ny Zanany, sy noho ny fifaneraserana mahafaly amin’ny fianakaviana iraisam-pirenen’i Jehovah.
16 Avy eo i Paoly dia niaritra hatrany ny anjara fahasahiranany sy fisedrana, nefa nanome ohatra tsara ny amin’ny fahatokiana izy. Tamin’izany izy dia nanome ohatra faka tahaka tsara dia tsara ho an’ny kristiana maro izay, amin’ny andro ankehitriny, dia tsy maintsy manao ady mafy ho an’ny finoana. Ny sasany amin’izy ireny dia tsy maintsy niaritra kapoka, tranomaizina ary loza nandrahona ny fiainany. Tsy maintsy niatrika fanoheran’ireo fitondram-panjakana tsy refesi-mandidy ary havana tiany tokoa koa aza izy ireo. Ny sasantsasany dia nolavin’ny fianakaviany satria nanaiky ny “vaovao tsaran’ny fanjakana” ary nampifanaraka ny fiainany tamin’izany (17. a) Fakam-panahy inona no tsy maintsy notoherin’ireo kristiana voalohany? b) Ohatra tsara sy torohevitra inona no nomen’i Paoly antsika?
17 Ny apostoly Paoly sy ireo namany dia tsy maintsy nanohitra koa ireo fakam-panahin’izao tontolo izao, na ny fahalotoam-pitondrantena izany na ny fitiavana fatratra ny zavatra hita maso. Olombelona ihany koa izy ireo, tahaka antsika. Rehefa tojo fakam-panahy toy izany isika dia tokony hanahaka an’i Paoly izay nanambara hoe: “Fa asiako mafy ny tenako ho mangana ka andevoziko, fandrao, na dia efa nitory tamin’ny sasany aza aho, dia holavina kosa ny tenako.” Tahaka an’i Paoly, isika koa dia afaka miaro tena amin’ny firesahana ny amin’ny Fanjakan’Andriamanitra amin’ireo mpiara-belona amintsika. Nanambara toy izao ilay I Korintiana 9:16, 27.
apostoly ny amin’io fanompoana masina io: “Fa lozako, raha tsy mitory ny filazantsara aho!” —‘FANDRESENA FENO’
18. Teny fampaherezana inona no nataon’i Paoly ho an’ny kristiana marina rehetra, ary manosika anao hanao inona izany?
18 Nanoratra toy izao ho an’ireo rahalahiny kristiana mitafy hosotra koa i Paoly: “Ary raha zanaka [zanak’Andriamanitra], dia mpandova; eny, sady mpandova an’Andriamanitra no mpiray lova amin’i Kristy koa, raha miara-miaritra aminy isika mba hiara-manam-boninahitra aminy koa.” Izay lazainy manaraka dia mihatra koa amin’ireo anisan’ny “olona betsaka” amin’ny “ondry hafa” izay miandry ankehitriny ny valisoa be voninahitra, izany hoe ny fiainana mandrakizay eo amin’ny paradisa an-tany (Apokalypsy 7:9; Jaona 10:16). Marina tokoa fa manome izao fampaherezana izao ho an’ny kristiana marina rehetra i Paoly:
“Iza no hahasaraka antsika amin’ny fitiavan’i Kristy? Fahoriana va, sa fahantrana, sa fanenjehana, sa mosary, sa fitanjahana, sa loza, sa sabatra? (...) Kanefa amin’izany rehetra izany dia manoatra noho ny mpandresy isika amin’ny alalan’Ilay tia antsika. Fa matoky aho fa na fahafatesana, na fiainana, na anjely, na ireo fanapahana, na zavatra ankehitriny, na zavatra ho avy, na hery, na ny ambony, na ny ambany, na inona na inona amin’izao zavatra ary rehetra izao, dia tsy hahasaraka antsika amin’ny fitiavan’Andriamanitra izay ao amin’i Kristy Jesosy Tompontsika.” (Romana 8:17, 35-39; jereo koa II Korintiana 11:22-28).
Moa ve ianao mampitombo fitokisana toy izany ny fitiavan’Andriamanitra sy ny ‘fahatongavan’ny’ Fanjakan’i Jesosy Tompo? Tokony hanao izany ianao.
19. Fampiomanana inona no nomen’i Paoly momba ny loza hafa iray mahafaty?
19 Tsy maintsy miorina mafy isika amin’ny “andro farany” mba hanoherana loza hafa iray, dia ny mpampianatra sandoka izay nampitandreman’i Paoly antsika (Asan’ny apostoly 20:29, 30; II Timoty 3:1, 13). Nefa avy aiza moa ireny mpampianatra sandoka ireny, ary ahoana no ahafahantsika miaro tena amin’izany?
[Fanontaniana]