Fianarana momba ny fanetren-tena
Toko 62
Fianarana momba ny fanetren-tena
REHEFA avy nanasitrana ilay zazalahy azon’ny demonia tany amin’ny faritra akaikin’i Kaisaria Filipo i Jesosy dia naniry hody tany Kapernaomy. Naniry ny ho irery niaraka tamin’ny mpianany anefa izy tamin’io dia io mba hahafahany hanome fampiomanana fanampiny azy ireo ny amin’ny fahafatesany sy ireo andraikitra niandry azy ireo aorian’izany. “Ny Zanak’olona dia hatolotra eo an-tanan’ny olona”, hoy ny fanazavany tamin’izy ireo, “ary hamono azy izy ireo, nefa, na dia voavono aza izy, dia hitsangana rehefa afaka hateloana.”
Na dia efa niresaka momba izany aza i Jesosy teo aloha, ary nahita tokoa ny fiovany tarehy, izay niresahana momba ny “fiaingany”, ny apostoly telo, dia mbola tsy takatr’ireo mpanara-dia azy ihany io raharaha io. Na dia tsy nisy na dia iray taminy aza nanandrana nanda fa hoe hovonoina izy, toy ny nataon’i Petera teo aloha, dia natahotra ny hanontany azy indray momba izany izy ireo.
Tamin’ny farany izy ireo dia tonga tao Kapernaomy, izay nanjary ny toerana niaingan’i Jesosy sy nodiany nandritra ny fanompoany. Izy io koa dia ny tanàna niavian’i Petera sy ny sasany tamin’ireo apostoly hafa. Tao, dia nisy lehilahy mpamory ny hetra ho an’ny tempoly nanatona an’i Petera. Angamba nanandrana niampanga an’i Jesosy ho nandika fomba fanao neken’ny rehetra izy ireo tamin’ny fanontaniana hoe: “Tsy mba mandoa ny hetra drakma roa [ho an’ny tempoly] ve ny mpampianatra anareo?”
“Mandoa izy”, hoy ny navalin’i Petera.
I Jesosy, izay nety ho tonga tao amin’ilay trano tsy ela taorian’izay, dia nahafantatra izay nitranga. Koa talohan’ny nahafahan’i Petera hiresaka ny amin’izany akory, dia nanontany i Jesosy hoe: “Ahoana no hevitrao, ry Simona? Avy amin’iza moa no andraisan’ny mpanjaka etỳ an-tany fadintseranana sy vola hetra? Avy amin’ny zanany sa avy amin’ny olon-tsy fantatra?”
“Avy amin’ny olon-tsy fantatra”, hoy i Petera namaly.
“Raha ny tena izy àry, dia afaka amin’ny hetra ny zanaka”, hoy ny nomarihin’i Jesosy. Koa satria ny Mpanjakan’izao rehetra izao, ilay tompoina ao amin’ny tempoly, ny Rain’i Jesosy, dia tsy dia tena takin’ny lalàna ny handoavan’ny Zanak’Andriamanitra ny hetra ho an’ny tempoly. “Kanefa, mba tsy hanafintohinana azy ireo”, hoy i Jesosy, “dia mankanesa any amin’ny ranomasina ianao, manipaza fintana hanjonoana ka raiso ny hazandrano azo voalohany ary, rehefa manokatra ny vavany ianao dia hahita vola statera [drakma efatra] iray. Raiso izany dia omeo azy ireo ho avy amiko sy avy aminao.”
Rehefa tafaraka, angamba tao an-tranon’i Petera, ireo mpianatra tamin’ny fiverenany tao Kapernaomy, dia nanontany hoe: “Iza marina tokoa no lehibe indrindra ao amin’ny fanjakan’ny lanitra?” Fantatr’i Jesosy ny nanosika azy ireo hanontany izany, satria nahafantatra izay nitranga teo aminy fony izy ireo nanaraka azy tao aoriany teny an-dalana avy tany Kaisaria Filipo izy. Nanontany àry izy hoe: “Inona no nifandiranareo teny an-dalana?” Menatra ireo mpianatra ka nangina, satria nifanditra ny amin’izay ho lehibe indrindra izy ireo.
Rehefa avy nahazo fampianarana avy tamin’i Jesosy efa ho telo taona izao izy ireo, dia toa tsy azo inoana ve ny hisian’ny fifandirana toy izany teo amin’ireo mpianatra? Izany dia nampiharihary ny hery lehiben’ny tsy fahatanterahan’olombelona sy ny an’ny fiaviana teo amin’ny ara-pivavahana. Ny fivavahana jiosy, izay nitaizana ireo mpianatra, dia nanantitrantitra ny amin’ny toerana na ny laharana notanana teo amin’ny fifandraisana rehetra. Fanampin’izany, angamba i Petera, noho ny fampanantenan’i Jesosy ny hanome azy “fanalahidy” sasany ho an’ilay Fanjakana, dia nihevi-tena ho ambony. I Jakoba sy i Jaona koa dia nety ho nanana toe-tsaina nitovy tamin’izany satria nomena tombontsoa hahita maso ny fiovan’i Jesosy tarehy.
Na ahoana na ahoana, dia nanomana fampisehoana nampihetsi-po iray i Jesosy tamin’ny fiezahana hanitsy ny fihetsik’izy ireo. Niantso ankizy iray izy, nampitsangana azy teo afovoan’izy ireo ka nametraka ny sandriny nanodidina azy ary nanao hoe: “Raha tsy miova ianareo ka tonga tahaka ny ankizy kely, dia tsy hiditra velively ao amin’ny fanjakan’ny lanitra. Noho izany, na iza na iza hanetry tena tahaka ity ankizy kely ity, dia ho lehibe indrindra ao amin’ny fanjakan’ny lanitra; ary na iza na iza mandray ankizy kely iray tahaka ity noho ny anarako dia mandray ahy koa.”
Endrey izany fomba mahatalanjona hanitsiana ireo mpianany! Tsy tezitra tamin’izy ireo i Jesosy sady tsy niantso azy hoe mpiavonavona na feno faniriana mihoa-pampana na fatra-paniry laza. Tsia, fa nasehony tamin’ny alalan’ny fanoharana ny fomba fampianatra niharo fanitsiana nampiasainy tamin’ny fakana ny ohatry ny ankizy kely, izay miavaka noho ny fiheverany ny tenany ho araka ny tena izy sy ny tsy fananany fanirian-daza fatratra ary mazàna izy ireny dia tsy mieritreritra ny amin’ny hisian’ny laharana eo amin’izy samy izy. Nasehon’i Jesosy tamin’izany fa nila ny namboly ireo toetra izay mampiavaka ny ankizy manetry tena ireo ny mpianany. Namarana izany toy izao i Jesosy: “Izay mitondra tena toy ny kely kokoa eo aminareo rehetra, dia izy no lehibe.” Matio 17:22-27; Mt 18:1-5, MN; Marka 9:30-37, MN; Lioka 9:43-48, MN.
▪ Tamin’ny fiverenany tao Kapernaomy, dia fampianarana inona no naverin’i Jesosy, ary ahoana no nandraisana izany?
▪ Nahoana i Jesosy no tsy voatery nandoa ny hetra ho an’ny tempoly, nefa nahoana izy no nandoa izany ihany?
▪ Inona no nety ho anisan’ny niteraka ny fifandirana teo amin’ireo mpianatra, ary ahoana no nanitsian’i Jesosy azy ireo?