Fitsidihana indray ny tempoly
Toko 103
Fitsidihana indray ny tempoly
VAO avy nandany ny aliny fahatelo tao Betania i Jesosy sy ny mpianany hatramin’ny nahatongavany avy tany Jeriko. Vao nangiran-dratsy, ny alatsinainy 10 Nisana, dia efa teny an-dalana ho any Jerosalema sahady izy ireo. Noana i Jesosy. Rehefa nahatazana aviavy nandravina àry izy, dia nanatona hijery raha nety hisy voan’aviavy taminy.
Aloha tsy ara-potoana ny ravin’ilay hazo, satria tsy manomboka alohan’ny Jona ny fotoam-pamoazan’ny aviavy, nefa izao vao faran’ny Martsa. Niharihary anefa fa nihevitra i Jesosy fa raha tonga aloha ny ravina, dia nety ho tonga aloha koa ny voan’aviavy. Diso fanantenana anefa izy. Nanome endrika namitaka an’ilay hazo ireo raviny. Nanozona ilay hazo àry i Jesosy tamin’ny filazana hoe: “Aoka tsy hisy hihinana voa avy aminao intsony mandrakizay.” Ho fantatra ny ampitso marain’iny ny vokatr’izany nataon’i Jesosy izany sy ny heviny.
Nanohy ny diany i Jesosy sy ny mpianany ary tsy ela dia tonga tany Jerosalema. Nankany amin’ny tempoly, izay efa nozahany ny tolakandron’ny omalin’iny izy. Izao anefa izy, dia nanao zavatra nitovy tsy nisy hafa tamin’ilay nataony telo taona lasa izay, fony izy tonga nankalaza ny Paska taona 30 am.fan.ir. Nandroaka ireo nivarotra sy nividy tao amin’ny tempoly i Jesosy ary namadika ny latabatry ny mpanakalo vola sy ny fipetrahan’ireo nivarotra voromahailala. Tsy namela na iza na iza hitondra fitaovana hamakivaky ny kianjan’ny tempoly akory izy.
Nanameloka ireo nanakalo vola sy ireo nivarotra biby tao amin’ny tempoly izy ka nilaza hoe: “Tsy voasoratra ve hoe: ‘Ny tranoko hatao hoe trano fivavahana ho an’ny firenena rehetra’? Fa ianareo kosa nanao azy ho zohin’ny mpangalatra”. Mpangalatra izy ireo satria nitaky vola tsy toko tsy forohana tamin’ireo izay voatery tsy fidiny nividy taminy ny biby nilainy hatao sorona. Noraisin’i Jesosy ho toy ny karazana fisolokiana na halatra izany raharaham-barotra izany.
Rehefa ren’ny lohan’ny mpisorona sy ny mpanora-dalàna ary ny lehibe teo amin’ny olona izay nataon’i Jesosy, dia nitady fomba hampamonoana azy indray izy. Noporofoin’izy ireo tamin’izany fa tsy azo novana mihitsy izy. Kanefa tsy hitany izay fomba handringanana an’i Jesosy satria tsy nitsahatra nifikitra taminy ny olona rehetra mba hihaino azy.
Ankoatra ireo Jiosy ara-nofo, dia nisy Jentilisa koa tonga teo mba hankalaza ny Paska. Proselyta izy ireo, izany hoe niova ho amin’ny fivavahan’ny Jiosy. Izao dia nisy Grika sasantsasany, izay niharihary fa proselyta, nanatona an’i Filipo ary nangataka ny hihaona tamin’i Jesosy. Nankany amin’i Andrea i Filipo, angamba mba hanontany raha nety ny fihaonana toy izany. Toa mbola teo amin’ny tempoly, izay nahafahan’ireo Grika nahita azy, i Jesosy.
Fantatr’i Jesosy fa tsy nanana afa-tsy andro vitsivitsy hiainana sisa izy, koa nanao fanoharana nahafinaritra ny amin’ny toe-javatra nisy azy àry izy: “Tonga ny fotoana hankalazana ny Zanak’olona. Lazaiko aminareo marina dia marina tokoa: Raha tsy latsaka ao amin’ny tany ny voam-barimbazaha ka maty, dia mitoetra ho voa ihany izy; fa raha maty kosa izy, dia hahavokatra be.”
Tsy misy vidiny firy ny voam-barimbazaha iray. Kanefa inona no hitranga raha alevina ao anaty tany izy ka “maty”, izany hoe mamarana ny fiainany amin’ny maha-voa azy? Hitsimoka izy amin’izay, ary, arakaraka ny fandehan’ny fotoana, dia hitombo ho taho izay hamokatra voam-barimbazaha be dia be. Mitovy amin’izany koa, fa lehilahy tanteraka ihany i Jesosy. Nefa, raha maty mahatoky eo anatrehan’Andriamanitra izy, dia ho lasa fitaovana hanomezana fiainana mandrakizay ho an’ny olona mahatoky manana toe-tsaina feno fahafoizan-tena toa azy. Araka izany, dia hoy i Jesosy hoe: “Izay tia ny fanahiny (âme) dia handringana azy; fa izay mankahala ny fanahiny (âme) amin’izao fiainana izao kosa dia hiaro azy ho amin’ny fiainana mandrakizay.”
Mazava ho azy fa tsy nihevitra ny tenany fotsiny i Jesosy, satria nanazava toy izao izy avy eo: “Raha misy olona manompo Ahy, dia aoka izy hanaraka Ahy, ary izay misy ahy, dia hisy ny mpanompoko koa. Na iza na iza manompo ahy, dia hankalaza azy ny Ray.” Endrey izany valisoa mahatalanjona noho ny nanarahana an’i Jesosy sy nanompoana azy! Izany valisoa izany dia ny fankalazana avy amin’ny Ray mba ho tafaray amin’i Kristy ao amin’ilay Fanjakana.
Rehefa nieritreritra ny amin’ny fijaliana lehibe sy ny fahafatesana mahafadiranovana mafy niandry azy i Jesosy, dia nanohy ny teniny toy izao: “Ankehitriny dia mitebiteby ny fanahiko, ary inona no holazaiko? Ray ô, vonjeo ho afaka amin’ity ora ity aho?” Raha mba azo nosorohina fotsiny mantsy izay niandry azy! Kanefa, aoka ihany amin’izao, araka ny teniny hoe: “Izao no niaviako ho amin’ity ora ity.” Nanaiky ny fandaharan’Andriamanitra manontolo i Jesosy, anisan’izany ny fahafatesan’ny tenany ho sorona. Matio 21:12, 13, 18, 19, MN; Marka 11:12-18, MN; Lioka 19:45-48, MN; Jaona 12:20-27, MN.
▪ Nahoana i Jesosy no nanantena hahita voan’aviavy na dia tsy fotoam-pamoazany aza tamin’izay?
▪ Nahoana i Jesosy no niantso ireo nivarotra tao amin’ny tempoly hoe “mpangalatra”?
▪ Tamin’ny heviny ahoana no nitovian’i Jesosy tamin’ny voam-barimbazaha izay maty?
▪ Nanao ahoana ny fihetseham-pon’i Jesosy mikasika ny fijaliana sy ny fahafatesana izay niandry azy?