Ilay lehilahy niavaka indrindra teto an-tany
Ilay lehilahy niavaka indrindra teto an-tany
AZO antsoina tsy amim-pisalasalana hoe ilay lehilahy niavaka indrindra teto an-tany ve na lehilahy iza na lehilahy iza? Ahoana no amaritanao ny fahalehibeazan’ny lehilahy iray? Amin’ny fahaizany ara-tafika miavaka ve? sa amin’ny heriny ara-batana? sa amin’ny hakingany ara-tsaina?
Nilaza ilay mpanoratra tantara atao hoe H. G. Wells fa ny fahalehibeazan’ny lehilahy iray dia azo faritana araka ‘izay avelany hitombo ao aoriany, ary koa raha toa ka nahatonga ny hafa hisaina araka ny fomba fieritreritra vaovao izy, ary nanao izany tamin’ny tanjaka izay haharitra any aoriany’. Na dia tsy nihambo ho kristiana aza i Wells dia niaiky hoe: “Mijoro ho loha laharana i Jesosy amin’io fanadinana fitsapana io.”
I Alexandre Lehibe, i Charlemagne (nomena ny anarana hoe “Lehibe” na dia nandritra ny androm-piainany aza), ary i Napoléon Bonaparte dia samy mpanapaka nahery. Tamin’ny fanatrehany nahatahotra, izy ireo dia nanan-kery lehibe teo amin’ireo nobaikoiny. Na dia izany aza, dia voalaza fa niteny toy izao i Napoléon: “I Jesosy Kristy dia nanan-kery teo amin’ny olom-peheziny sy nibaiko azy tsy nila ny nanatrika ara-batana sy hita maso.”
Tamin’ny alalan’ireo fampianarany nahery sy ny fomba fiainany nifanaraka tamin’izany, i Jesosy dia nisy heriny lehibe teo amin’ny fiainan’ny olona nandritra ny efa ho roa arivo taona. Nanambara izany tamin’izao fomba mety tsara izao ny mpanoratra iray: “Ny tafika rehetra niara-namindra hatramin’izay, ny tafika an-dranomasina rehetra namboarina hatramin’izay ary ny antenimieram-pirenena rehetra nivory hatramin’izay sy ny mpanjaka rehetra nanapaka hatramin’izay, ireo rehetra ireo atambatra dia tsy nisy heriny teo amin’ny fiainan’ny olombelona teto an-tany tamin’ny fomba nahery toy izany.”
Olona ara-tantara
Kanefa mahagaga fa misy milaza fa tsy niaina na oviana na oviana i Jesosy — fa hoe noforonin’olona sasantsasany tamin’ny taonjato voalohany izy raha ny marina. Namaly ny olona tsy mino toy izany ilay mpanoratra tantara hajain’ny rehetra atao hoe Will Durant ka nanao hoe: “Ny hoe nisy olon-tsotra sasantsasany nahavita namorona tao anatin’ny taranaka iray, olona niavaka tsara iray nanana toetra nahery sy nanintona aoka izany, fitsipi-pitondrantena ambony aoka izany ary fahitana ny amin’ny firahalahian’ny olombelona mandrisika aoka izany, dia ho fahagagana sarotra inoana lavitra noho izay voatantara ao amin’ireo Filazantsara.”
Manontania tena hoe: Ho azon’ny olona iray tsy niaina na oviana na oviana atao ve ny hisy heriny eo amin’ny tantaran’olombelona amin’ny fomba miavaka toy izany? Nanamarika toy izao ilay boky atao fakàn-teny hoe Ny tantaran’izao tontolo izao nataon’ny mpanoratra tantara (anglisy): “Ny vokatry ny asan’[i Jesosy] teo amin’ny tantara dia lehibe kokoa, na dia tsy amin’ny heviny ara-pivavahana hentitra aza, noho ny zava-bitan’olon-kafa na iza na iza teo amin’ny tantara. Nanomboka teo amin’ny fotoana nahaterahany ny vanim-potoana vaovao iray, izay eken’ireo sivilizasiona lehibe indrindra eo amin’izao tontolo izao.”
Eny, eritrereto kely ange. Na dia ny fitadidianandro amin’izao andro izao aza dia mifototra amin’ny taona heverina fa nahaterahan’i Jesosy. “Ireo daty talohan’io taona io dia alahatra araka ny hoe al. J. K., na hoe alohan’i Jesosy Kristy”, hoy ny fanazavan’ny Ny firaketana ny amin’ireo bokin’izao tontolo izao (anglisy). “Ireo daty taorian’io taona io dia alahatra araka ny hoe A. D., na hoe anno Domini (amin’ny taonan’ny Tompontsika).”
Na dia izany aza, dia misy mpanakiana manoritra fa ny hany tena fantatsika momba an’i Jesosy dia hita ao amin’ny Baiboly. Tsy misy fitantarana hafa momba azy natao tamin’ny andro niainany, hoy izy ireo. Na dia i H. G. Wells aza dia nanoratra hoe: “Nanilika an’i Jesosy tanteraka ireo mpanoratra tantara romana fahizay; tsy namela soritra teo amin’ny filazana ara-tantara tamin’ny androny velively izy.” Marina anefa ve izany?
Na dia vitsy dia vitsy aza ireo firesahana momba an’i Jesosy Kristy nataon’ireo mpanoratra tantara tsy ara-pivavahana, dia misy izany firesahana izany. Nanoratra toy izao i Cornélius Tacite, mpanoratra tantara romana nohajain’ny rehetra tamin’ny taonjato voalohany: “Ny anarana [hoe kristiana] dia avy amin’ny hoe Kristy, izay novonoin’i Pontio Pilato mpitsara nandritra ny fanapahan’i Tiberio.” I Suétonius sy i Pline le Jeune, mpanoratra romana hafa tamin’izany fotoana izany, koa dia niresaka momba an’i Kristy. Ankoatra izany, i Flavius Josèphe, mpanoratra tantara jiosy tamin’ny taonjato voalohany, dia nanoratra momba an’i Jakoba, izay nampahafantariny ho toy ny “rahalahin’i Jesosy, ilay nantsoina hoe Kristy.”
Manatsoaka hevitra toy izao àry Ny firaketana britanika vaovao: “Manaporofo ireo fitantarana tsy mifampiankina ireo fa, tamin’ny andro fahiny, na dia ireo mpanohitra ny kristianisma aza dia tsy nisalasala na oviana na oviana ny amin’ny nisian’i Jesosy teo amin’ny tantara, izay nolavina voalohany indrindra ary noho ny antony tsy ampy, tamin’ny faran’ny taonjato faha-18, nandritra ny taonjato faha-19 ary tamin’ny fiandohan’ny taonjato faha-20.
Ny tena lehibe indrindra amin’izay rehetra fantatra momba an’i Jesosy anefa, dia noraisin’ireo mpanara-dia azy tamin’ny taonjato voalohany an-tsoratra. Ny fitantaran’izy ireo dia voatahiry ao amin’ireo Filazantsara — ireo boky ao amin’ny Baiboly nosoratan’i Matio, i Marka, i Lioka ary i Jaona. Inona no lazain’ireo fitantarana ireo ny amin’ny hoe iza i Jesosy?
Iza marina moa Izy io?
Nieritreritra momba izany fanontaniana izany ireo niaraka tamin’i Jesosy tamin’ny taonjato voalohany. Rehefa nahita an’i Jesosy niteny mafy nampitony tamin’ny fomba mahagaga ny ranomasina nasamboaravoaran’ny rivotra izy ireo dia talanjona ka nanontany hoe: “Iza marina àry ity?” Tatỳ aoriana, tamin’ny toe-javatra hafa iray, dia nanontany ny apostoliny i Jesosy hoe: ‘Manao ahy ho iza moa ianareo?’ — Marka 4:41, MN; Matio 16:15, MN.
Raha anontaniana toy izany ianao, ahoana no havalinao? Moa ve Andriamanitra i Jesosy raha ny tena izy? Maro be amin’izao andro izao no milaza izany. Kanefa, tsy nihevitra azy ho Andriamanitra na oviana na oviana ireo niaraka taminy. Ny valiny nomen’i Petera ny fanontanian’i Jesosy dia hoe: “Ianao no Kristy, Zanak’Andriamanitra velona.” — Matio 16:16, MN.
Tsy nihambo na oviana na oviana ho Andriamanitra i Jesosy, fa nanaiky kosa fa ilay Mesia, na Kristy, nampanantenaina ny tenany. Nilaza koa izy fa “Zanak’Andriamanitra” ny tenany, fa tsy Andriamanitra akory. (Jaona 4:25, 26; 10:36). Kanefa, ny Baiboly dia tsy milaza fa lehilahy tahaka ny lehilahy hafa rehetra i Jesosy. Olona tena manokana tokoa izy satria noharìn’Andriamanitra talohan’ny zavatra hafa rehetra. (Kolosiana 1:15). Nandritra ny an’arivo tapitrisany taona tsy voaisa, talohan’ny namoronana izao rehetra izao hita maso mihitsy aza, dia niaina ho toy ny persona ara-panahy tany an-danitra i Jesosy ary nifanerasera akaiky tamin’ny Rainy, Jehovah Andriamanitra, ny Mpamorona Lehibe. — Ohabolana 8:22, 27-31.
Avy eo, efa ho roa arivo taona lasa izay, dia nafindran’Andriamanitra tao an-kibon’ny vehivavy iray ny fiainan’ny Zanany, ary tonga zanak’Andriamanitra olombelona, teraka tamin’ny fomba ara-dalàna tamin’ny alalan’ny vehivavy iray, i Jesosy. (Galatiana 4:4). Rehefa nitombo tao am-bohoka sy nihalehibe tamin’ny naha-zazalahy azy i Jesosy, dia niankina tamin’ireo nofidin’Andriamanitra ho ray aman-dreniny teto an-tany. Tamin’ny farany i Jesosy dia tonga lehilahy lehibe ary nomena ny fahatsiarovana feno ny fiarahany tamin’Andriamanitra tany an-danitra teo aloha. — Jaona 8:23; 17:5.
Ny nahatonga azy ho ilay niavaka indrindra
Noho izy nanahaka tamim-pitandremana ny Rainy any an-danitra, dia i Jesosy no ilay lehilahy niavaka indrindra teto an-tany. Tamin’ny naha-zanaka nahatoky azy, i Jesosy dia naka tahaka ny Rainy akaiky aoka izany, hany ka afaka niteny tamin’ireo mpanara-dia azy izy hoe: “Izay nahita ahy dia nahita ny Ray koa.” (Jaona 14:9, 10, MN). Tamin’ny tarehin-javatra teto an-tany rehetra nisy azy, dia nanao zavatra araka ny ho nanaovan’ny Rainy, ilay Andriamanitra Tsitoha, azy izy. “Tsy manao na inona na inona araka ny fanapahan-kevitro manokana aho”, hoy ny nohazavain’i Jesosy, “fa araka ny nampianarin’ny Raiko ahy no ilazako izany zavatra izany.” (Jaona 8:28, MN). Koa rehefa mianatra momba ny fiainan’i Jesosy Kristy àry isika, dia mahazo sary mazava tsara ny amin’ny maha-tena izy an’Andriamanitra, raha ny marina.
Araka izany, na dia nanaiky aza ny apostoly Jaona fa “tsy nisy nahita an’Andriamanitra”, dia mbola afaka nanoratra izy hoe: “Andriamanitra dia fitiavana.” (Jaona 1:18; 1 Jaona 4:8). Afaka nanao izany i Jaona satria nahafantatra ny fitiavan’Andriamanitra tamin’ny alalan’izay hitany teo amin’i Jesosy, izay nampiseho taratry ny Rainy tamin’ny fomba tanteraka. Nahay nangoraka, tsara fanahy, nanetry tena ary azo nohatonina i Jesosy. Tsy saikatsaikatra ireo osa sy ireo ory niaraka taminy, toy ny karazan’olona rehetra — ny lehilahy, ny vehivavy, ny ankizy, ny nanankarena, ny nahantra, ny nanan-kery ary na dia ny mpanota ankarihary aza. Tsy nisy afa-tsy ireo nanana fo ratsy ihany no tsy tia azy.
Tsy nampianatra ireo mpanara-dia azy mba hifankatia fotsiny tokoa i Jesosy, fa nampiseho azy ireo ny fomba hanaovana izany. “Aoka ho tahaka ny nitiavako anareo”, hoy izy, “no mba [tokony] hifankatiavanareo kosa.” (Jaona 13:34). Ny fahalalana “ny fitiavan’i Kristy”, hoy ny nohazavain’ny iray tamin’ireo apostoliny, dia “mihoatra noho ny fahalalana”. (Efesiana 3:19). Eny, ny fitiavana nasehon’i Kristy dia mihoatra lavitra noho ny fahalalana ao an-tsaina ary “manery” ny hafa hamaly izany. (2 Korintiana 5:14). Araka izany, ny ohatra tsy nanam-paharoa nomen’i Jesosy momba ny fitiavana indrindra no tena nahatonga azy ho ilay lehilahy niavaka indrindra teto an-tany. Nanohina ny fon’ny olona an-tapitrisany maro tao anatin’ireo taonjato maro ny fitiavany ary nanan-kery ho amin’ny tsara teo amin’ny fiainan’izy ireo.
Kanefa mety hisy hanohitra hoe: ‘Jereo ireo heloka bevava rehetra natao tamin’ny anaran’i Kristy — ireo Kroazada, ny “Inquisition” ary ireo ady nahitana olona nihambo ho kristiana an-tapitrisany maro nifamono teo amin’ny andaniny roa nifanohitra tamin’ny ady’. Ny marina anefa dia hoe mandiso ny fihamboany ho mpanara-dia an’i Jesosy ireny olona ireny. Manameloka ny asan’izy ireo ny fampianaran’i Jesosy sy ny fomba fiainany. Na dia ny Hindoa iray, i Mohandas Gandhi, aza dia voatosika hilaza hoe: ‘Tia an’i Kristy aho, fa manamavo kosa ny kristiana satria tsy miaina toy ny niainan’i Kristy izy ireo’.
Soa azo avy amin’ny fianarana momba azy
Azo antoka fa tsy hisy fianarana lehibe kokoa noho ny fianarana momba ny fiainan’i Jesosy Kristy sy ny fanompoany amin’izao andro izao. ‘Diniho tsara i Jesosy’, hoy ny nampirisihin’ny apostoly Paoly. ‘Hevero tsara tokoa izy io’. Ary nanome izao baiko izao momba ny Zanany ny tenan’Andriamanitra mihitsy: “Henoy izy.” Izany no hanampian’ity boky ity hoe Ilay lehilahy niavaka indrindra teto an-tany anao mba hataonao. — Hebreo 12:2, 3, MN; Matio 17:5, MN.
Niezahana natao ny hanolotra ny fisehoan-javatra tsirairay teo amin’ny fiainan’i Jesosy teto an-tany aseho ao amin’ireo Filazantsara efatra, anisan’izany ireo lahateny sy fanoharana ary fahagagana nataony. Araka izay azo natao, dia notantaraina arakaraka ny nisehoany teo amin’ny fotoana ny zavatra rehetra. Eo amin’ny faran’ny toko tsirairay, dia misy andinin-teny ao amin’ny Baiboly maromaro izay iorenan’ilay toko. Ampirisihina ianao mba hamaky ireny andinin-teny ireny ary hamaly ireo fanontaniana famerenana omena eo koa.
Nisy manam-pahaizana iray avy ao amin’ny Oniversiten’i Chicago nanambara vao haingana hoe: “Maro kokoa noho izay nosoratana momba an’i Jesosy nandritra ireo roa arivo taona lasa izay nosoratana momba azy tao anatin’ireo roapolo taona farany.” Kanefa zava-dehibe ny ilàna handinihana manokana ireo fitantarana ao amin’ireo Filazantsara, satria nanambara Ny firaketana britanika hoe: “Mpianatra maro be no nanjary sahiran-kevitra aoka izany noho ireo tsangan-kevitra mifanohitra momba an’i Jesosy sy ireo Filazantsara, hany ka nanao tsirambina ny fianarana ireo loharano fototra ireo indrindra izy ireny.”
Rehefa avy nandinika ny fitantaran’ireo Filazantsara akaiky sy amin’ny fomba tsy miangatra ianao, dia mihevitra izahay fa hanaiky ianao fa ny fisehoan-javatra lehibe indrindra teo amin’ny tantaran’ny olombelona manontolo dia nitranga nandritra ny nanjakan’i Aogosto, Kaisara romana, fony niseho mba hanome ny ainy ho antsika i Jesosy avy any Nazareta.