Israely sy ny Manodidina
HOY i Jehovah tamin’i Abrahama: ‘Mandehana miala an’i Oran’i Mezopotamia hankany amin’ny tany izay hasehoko anao.’ Nisy mponina tao amin’io tany io tamin’izay, sady nisy firenena hafa nanodidina azy.—Ge 12:1-3; 15:17-21.
Fantatry ny vahoakan’Andriamanitra niala tany Ejipta, fa mety hotoherin’ny fahavalo izy ireo, anisan’izany “ny lehilahy maherin’i Moaba.” (Ek 15:14, 15) Tany amin’ny lalan’ny Israely ho any amin’ny Tany Nampanantenaina no nonina ny Amalekita, Moabita, Amonita ary Amorita. (No 21:11-13; De 2:17-33; 23:4, 5) Mbola tsy maintsy nifanandrina tamina firenena fahavalo hafa koa ny Israelita, rehefa tonga tany amin’ilay tany nampanantenain’Andriamanitra.
Nilaza Andriamanitra fa tsy maintsy ‘handroaka firenena lehibe fito’ izay mendrika ny horinganina ny Israelita, dia ny Hetita, Girgasita, Amorita, Kananita, Perizita, Hivita ary Jebosita. Ratsy fitondran-tena sy nanaraka fivavahan-diso izy ireo. Anisan’ny andriamanitr’izy ireo i Bala (fantatra tamin’ny tsangambato niendrika filahiana), Moloka (fanaovana sorona zaza), ary ny andriamanibavin’ny fahavokarana (Astarta).—De 7:1-4; 12:31; Ek 23:23; Le 18:21-25; 20:2-5; Mps 2:11-14; Sl 106:37, 38.
Nantsoina hoe “Kanana” indraindray ilay toerana manontolo nomen’Andriamanitra ny Israely, nanomboka tany amin’ny faritra avaratr’i Sidona ka hatrany amin’ny ‘lohasaha falehan’ny riaka tany Ejipta.’ (No 13:2, 21; 34:2-12; Ge 10:19) Tononina ao amin’ny Baiboly indraindray ireo firenena, na fanjakana, na mponina tao amin’io tany io. Voafaritra tsara ny toerana nisy ny sasany tamin’izy ireo. Tany amoron-tsiraky ny Ranomasina Mediterane, ohatra, ny Filistinina, ary tany amin’ireo tendrombohitra akaikin’i Jerosalema ny Jebosita. (No 13:29; Js 13:3) Nifindra monina kosa ny hafa, rehefa nandeha ny fotoana.—Ge 34:1, 2; 49:30; Js 1:4; 11:3; Mps 1:16, 23-26.
Ny Amorita angamba no foko nanjaka tany amin’io tany io, tamin’ny fotoanan’ny fifindrana avy tany Ejipta. a (De 1:19-21; Js 24:15) Azon-dry zareo ny tanin’ny Moabita, hatrany atsimon’ny lohasaha falehan’ny riaka tany Arnona. Mbola nantsoina hoe “Arbota-moaba” (na Lemaka any an’efitr’i Moaba) anefa ilay faritra tany andafin’i Jordana tandrifin’i Jeriko. Mpanjaka amorita koa no nanjaka tany Basana sy Gileada.—No 21:21-23, 33-35; 22:1; 33:46-51.
Tsy nandringana tanteraka an’ireo firenena meloka ireo anefa ny Israelita, na dia nahazo ny fanampian’Andriamanitra aza. Nanjary fandrika ho an’ny Israelita izy ireo, tatỳ aoriana. (No 33:55; Js 23:13; Mps 2:3; 3:5, 6; 2Mp 21:11) Voafandrika tokoa ny Israelita, na dia efa nisy izao fampitandremana izao aza: “Aza manaraka izay andriamani-kafa amin’ireny andriamanitry ny firenena manodidina anareo.”—De 6:14; 13:8.
[Fanamarihana ambany pejy]
a Toy ny teny hoe “Kananita”, ny hoe “Amorita” dia nety ho nanondro ny foko rehetra nonina tao amin’io tany io, na foko iray manokana.—Ge 15:16; 48:22.
[Sarintany, pejy 11]
(Jereo ny bokikely)
Firenena Tsy Maintsy Nesorina Tany amin’ny Tany Nampanantenaina
FILISTIA (E8)
D8 Askelona
D9 Gaza
E8 Asdoda
E8 Gata
E9 Gerara
KANANA (E8)
B10 AMALEKITA
D12 Hazara-adara (Adara?)
D12 Kadesy (Kadesi-barnea)
E8 Lakisy
E9 Beri-sheba
E10 AMORITA
E11 NEGEBA
F4 Dora
F5 Megido
F5 Tanaka
F6 Afeka
F6 HIVITA
F7 JEBOSITA
F8 Beti-semesy
F8 Hebrona (Kiriata-arba)
F9 HETITA
F9 Debira
F10 Arada (Kananita)
F10 KENITA
F11 Akrabima
G4 GIRGASITA
G6 Sekema
G7 PERIZITA
G7 Gilgala
G7 Jeriko
G8 Jerosalema
H2 HIVITA
H2 Dana (Laisy)
H3 Hazora
FENISIA (G2)
F2 Tyro
G1 Sidona
EDOMA (G12)
G11 SEÏRA
H11 Bozra
AMORITA (SIHONA) (H8)
H6 GILEADA
H7 Sitima
H7 Hesbona
H9 Aroera
SYRIA (I1)
H1 Bala-gada
H2 HIVITA
J1 Damaskosy
MOABA (I10)
AMORITA (OGA) (J5)
H6 GILEADA
I3 BASANA
I4 Astarta
I4 Edrehy
AMONA (J7)
I7 Raba
[Tany Efitra]
I12 EFITR’I ARABIA
[Tendrombohitra]
F4 T. Karmela
F11 T. Hora
H1 T. Hermona
H8 T. Nebo
[Ranomasina/Farihy]
D6 Ranomasina Mediterane (Ranomasina Lehibe)
G9 Ranomasin-tsira
H4 Ranomasin’i Galilia
[Renirano sy loharano]
B11 L. Ejipta
G6 Reniranon’i Jordana
H6 L. Jaboka
H9 L. Arnona
H11 L. Zareda
[Sary, pejy 10]
Havanana: Oga mpanjakan’ny Amorita no mpitondra tany Basana, toerana be omby aman’ondry
Ambany: Moaba, hita avy any andafin’ny Ranomasin-tsira ka hatrany amin’ny efitr’i Joda
[Sary, pejy 11]
Nomen’i Jehovah baiko ny Israelita handringana ireo firenena nivavaka tamin’andriamani-diso, toa an’i Bala sy Moloka ary Astarta, andriamanibavin’ny fahavokarana (hita eto)