Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Inona no Hataoko mba ho Salama Foana Aho?

Inona no Hataoko mba ho Salama Foana Aho?

Toko 10

Inona no Hataoko mba ho Salama Foana Aho?

Iza amin’ireto no tanjona tianao hotratrarina? Asio ✔ eo akaikiny.

□ Tsy dia hiferinaina

□ Tsy ho mora tezitra

□ Hatoky tena kokoa

□ Hifantoka kokoa

□ Hatanjaka kokoa

□ Hanatsara endrika

□ Hihena

MISY zavatra tsy azonao fidina. Tsy afaka nifidy, ohatra, ianao hoe iza no ho ray aman-dreninao na izay ho zokinao na zandrinao, na hoe aiza ianao no hipetraka. Afaka mifidy kosa ianao hoe inona no hataonao mba ho salama.

Mety hiteny anefa ianao hoe: ‘Izao sahady ve aho dia efa hieritreritra an’izany?’ Jereo àry ireo tanjona terỳ aloha. Firy no nasianao marika? Tsy maintsy salama tsara aloha ianao, raha te hanatratra an’ireo. *

Misy milaza hoe tsy mahazo mihinana zava-mamy sy sakafo be menaka ianao, raha te ho salama. Tsy tianao angamba izany, ka mety hiteny hoatran’i Annie, 17 taona, ianao hoe: ‘Izaho aloha tsy mahavita an’izany e!’ Aza matahotra fa tsy voatery hifady zava-mamy ianao, na hihazakazaka lavitra be foana. Zavatra kely fotsiny no mila ahitsinao, dia efa hihatsara ny bikanao, ho falifaly sy hazotozoto ianao, ary ho vitanao tsara izay ataonao. Diniho izay nataon’ny tanora sasany.

Mahaiza mifehy tena amin’ny sakafo

Mampirisika antsika hifehy tena ny Baiboly. Hoy ny Ohabolana 23:20: ‘Aza mihinan-kanina be loatra.’ (Dikan-teny Anglisy Maoderina) Tsy mora foana anefa izany.

“Noana foana aho, hoatran’ny ankizy rehetra ihany. Tsy mety voky mihitsy, hono, aho, hozy dadanay sy mamanay.”—Andry, 15 taona.

“Tsy tonga dia misy vokany eo aminao ny sakafo sasany, dia mieritreritra ianao hoe tsy mampaninona ilay izy.”—Fy, 19 taona.

Mila mifehy tena amin’ny sakafo ve ianao? Diniho izay nataon’ireto tanora ireto fa mety hahasoa anao koa:

Aza mihinana intsony rehefa voky. Hoy i Julia, 19 taona: ‘Nitandrina be aho taloha mba tsy hatavy, fa izao aho tsy mihinana intsony fotsiny rehefa voky.’

Aza mihinana sakafo matavy be na mamy be. Hoy i Kiady, 21 taona: “Tsy nisotro sodà intsony aho, dia iray volana fotsiny dia nihena dimy kilao.”

Aza atao intsony izay zavatra mahazatra anao nefa tsy mety. Hoy i Faniry, 19 taona: “Miezaka tsy manampy aho rehefa misakafo.”

Ity koa misy hevitra tsara: Miezaha foana hisakafo maraina sy antoandro ary hariva. Raha tsy izany dia ho noana be ianao, ka vao mainka hihinana be.

Manaova fanatanjahan-tena

Hoy ny Baiboly: ‘Mahasoa ny fampiasan-tena.’ (1 Timoty 4:8) Tanora maro anefa no tsy dia tia manao fanatanjahan-tena.

“Be dia be ny mpiara-mianatra tamiko no ratsy naoty tamin’ny ‘gym.’ Tsotra kely anefa ilay izy!”—Ranto, 21 taona.

“Misy miteny hoe: ‘Inona koa no hihazakazahako eny amin’ny hainandro be eny, sady amin’izay tsy mijanona raha tsy reraka be sady tsemboka? Tsy aleoko manao lalao video? Asaiko mihazakazaka ilay mpilalao ao dia vita!’ ”—Rova, 22 taona.

Mandreraka anao ve na dia ny maheno hoe spaoro aza? Handray soa anefa ianao, raha zatra manao izany.

1. Tsy ho mora marary ianao. Hoy i Noro, 19 taona: “Miteny foana dadanay hoe: ‘Raha tsisy fotoana hanaovana spaoro ianao, dia harary lava ka tsy hahavita n’inona n’inona.’ ”

2. Hamokatra zavatra mampitony ny atidohanao. Hoy i Emily, 16 taona: “Mihazakazaka aho rehefa feno be ny lohako. Azoazoko erỳ ny aiko sady milamina ny saiko!”

3. Ho falifaly kokoa ianao. Hoy ihany i Rova: ‘Mandehandeha aho, na milomano, na mitaingina bisikileta, satria tiako be ny manao zavatra eny ivelany.’

Ity koa misy hevitra tsara: Manokàna 20 minitra, fara fahakeliny, mba hanaovana an’izay fanatanjahan-tena tianao. Ataovy intelo isan-kerinandro izany.

Miezaha ho ampy torimaso

Hoy ny Mpitoriteny 4:6: “Aleo fialan-tsasatra eran-tanan’ila, toy izay asa mafy eran-tanan-droa nefa toy ny misambo-drivotra fotsiny.” Tsy ho vitanao tsara izay ataonao, raha tsy ampy torimaso ianao.

“Tsy mahavita mifantoka mihitsy aho rehefa tsy ampy torimaso!”—Noro, 19 taona.

“Reraka be aho rehefa amin’ny roa iny, dia matory ho azy na dia miresaka amin’olona aza.”—Christine, 19 taona.

Andramo ireto raha tsy ampy torimaso ianao:

Aza matory alina loatra. Hoy i Catherine, 18 taona: “Miezaka tsy hatory tara loatra aho.”

Aza be resaka rehefa amin’ny alina. Hoy i Ranto, 21 taona: “Miantso ahy amin’ny alina be ny namako, indraindray, na mandefa hafatra. Nataoko izay tsy hiresahanay ela be tato ho ato, sady tonga dia matory aho.”

Aza ovaovana ny ora atoriana. Hoy i Jenny, 20 taona: “Tsy ovaovako ny ora atoriako sy ifohazako tato ho ato.”

Ity koa misy hevitra tsara: Miezaha hatory adiny valo, fara fahakeliny.

Zavatra vitsivitsy fotsiny àry no mila ataonao, dia handray soa ianao. Ho salama tsara foana ianao ka hihatsara ny bikanao, ho falifaly sy hazotozoto ianao, ary ho vitanao tsara izay ataonao. Misy zavatra tsy azonao ovana, fa ny fahasalamanao kosa mbola azonao hatsaraina. Hoy i Faniry, 19 taona: “Tsy ho salama ianao raha tsy ianao mihitsy no miezaka.”

AO AMIN’NY TOKO MANARAKA

Tsy tian’ny ray aman-dreninao ve izay akanjo mba tianao? Inona no hataonao mba hifanaraka ianareo?

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 12 Marina aloha fa misy olona tratran’ny aretina tsy azo sitranina na manaranaka. Misy koa kilemaina. Mety hanampy azy ihany anefa ity toko ity.

ANDININ-TENY MAHASOA

‘Mahasoa ny fampiasan-tena.’—1 Timoty 4:8.

SOSO-KEVITRA

Mitadiava olona hiara-manao fanatanjahan-tena aminao. Izay tia manao izany fidina. Hazoto kokoa ianao amin’izay, satria fantatrao fa halahelo izy raha tsy mandeha ianao.

FANTATRAO VE... ?

Hamokatra hormonina atao hoe andorfinina ny atidohanao, raha manao fanatanjahan-tena ianao. Manala fanaintainana izy io sady mahatonga anao ho falifaly.

ZAVATRA ERITRERETIKO HATAO!

Te hitandrina kokoa amin’ny sakafo aho, ka izao no hataoko (mitadiava tanjona mora tratrarina): ․․․․․

Te hanao spaoro mety amiko aho, ka izao no hataoko: ․․․․․

Hanandrana hatory adiny ․․․․․ isan’alina aho, mandritra ny volana manaraka.

Izao no hanontaniako an’i Dada sy Neny momba izay noresahina tato amin’ity toko ity: ․․․․․

AHOANA NY HEVITRAO?

● Hatoky tena kokoa ianao raha ataonao foana izay hahasalama anao. Nahoana?

● Mbola misy zavatra lehibe kokoa noho ny hoe miezaka ho salama. Inona izany?—1 Timoty 4:8.

[Teny notsongaina, pejy 74]

‘‘Tiako be mihitsy rehefa avy manao spaoro aho. Sady lasa matoky tena aho rehefa hitako hoe manatsara ny bikako ilay izy.’’—Emily

[Efajoro, pejy 73]

“Ny Fiainako Isan’andro Mihitsy no Novako”

“Natavy be aho taloha. Tsy tiako maizina ny bikako sady tsy azoko ny aiko. Niezaka nihinana sakafo mampahia aho, nefa lasa ngeza ihany avy eo. Leo be mihitsy aho tamin’izaho 15 taona, dia nitady vahaolana tena mandaitra, sady ho vitako foana. Nividy boky momba ny sakafo sy spaoro aho, dia narahiko ny torohevitra tao. Tapa-kevitra aho fa hiezaka foana, na dia kivy sy tsy maharaka an’izay lazain’ilay boky aza indraindray. Dia tena nandaitra tokoa ilay izy an! Herintaona fotsiny, dia very 27 kilao aho. Efa roa taona izao no tsy niova ny lanjako. Tsy nampoiziko mihitsy ilay izy! Tsy ilay izaho nihinana sakafo tsy mampahatavy fotsiny no nahatonga ahy hihena, fa ilay izaho nanao spaoro foana koa. Ny fiainako isan’andro mihitsy no novako e!”—Catherine, 18 taona.

[Sary, pejy 74]

Mila karakaraina ny fiara mba tsy ho simba. Toy izany koa ny fahasalamana