Hifankatia Kokoa ve Izahay Raha Manao Firaisana?
Toko 24
Hifankatia Kokoa ve Izahay Raha Manao Firaisana?
Vao roa volana no niarahan’i Sandra sy Michel, nefa hoatran’ny efa ela no nifankahalalany. Tsy tapitra akory ny tenin’ny iray, dia efa hain’ny iray ny tohiny. Mifandefa SMS foana koa ry zareo, ary mifampiantso ela be. Ao anaty fiara izy roa izao, ary diavolana ny andro. Tsy resaka intsony no tadiavin’i Michel fa zavatra hafa.
Nifampitantana sy nifanoroka kely fotsiny ry zareo talohan’izao, ary mbola tsy te hanao zavatra hafa i Sandra. Matahotra anefa izy sao hisarahan’i Michel. Izy irery mantsy no mba miteny aminy hoe tsara tarehy be izy sady tsy misy hoatr’azy. Mieritreritra àry izy hoe: ‘Koa inona moa ny olana e? Izahay tsinona mifankatia!’
FANTATRAO ve ny tohiny? Nanao firaisana angamba izy roa. Mety tsy ho noeritreretinao anefa fa misy vokany ratsy ilay izy.
Mila misotro rano ianao, satria izay no lalàn’ny natiora. Raha tsy mankatò an’io lalàna io ianao, dia hisy vokany ratsy eo aminao izany. Toy izany koa ilay lalàna hoe: ‘Fadio ny fijangajangana.’ (1 Tesalonianina 4:3) Inona no ho vokany raha tsy mankatò azy io ianao? Hoy ny 1 Korintianina 6:18: ‘Manota amin’ny vatany ihany ny mpijangajanga.’ Misy vokany ratsy tokoa ny firaisana alohan’ny fanambadiana. Afaka mitanisa vokany telo ve ianao?
1 ․․․․․
2 ․․․․․
3 ․․․․․
Nanoratra angamba ianao hoe: Bevohoka, voan’ny aretina azo avy amin’ny firaisana, tsy ankasitrahan’Andriamanitra. Ratsy tokoa àry ny vokany, rehefa tsy ankatoavina ny lalàn’Andriamanitra momba ny fijangajangana.
Mety hieritreritra anefa ianao hoe: ‘Izaho indray dia tsy ho voan’izany!’ Sady ny olona rehetra no manao firaisana. Faly erỳ ny mpiara-mianatra aminao mitantara an’ilay izy, sady toa tsy maninona akory ry zareo. Tsy tianao koa ilay adalain’ny ankizy hoe mbola tsy nanao firaisana. Mety hihevitra toa an’i Sandra mihitsy aza ianao hoe hifankatia kokoa ianao sy ny olon-tianao raha manao an’izany.
Aza maika anefa! Diso ilay hoe ny ankizy rehetra no manao firaisana. Marina fa maro be ny tanora manao an’izany, araka ny hita tamin’ny fanadihadiana. Tanora amerikanina 2 ao anatin’ny 3, ohatra, no manao firaisana, nefa mbola mpianatra eny amin’ny lise. Midika koa anefa izany fa tanora 1 ao anatin’ny 3 no mbola virjiny, ary betsaka izany. Inona kosa no zavatra tsapan’ireo efa nanao firaisana? Hitan’ny mpikaroka fa maro no...
VOALOHANY MANENINA. Ny ankamaroany mihitsy no milaza hoe manenina.
FAHAROA MIFAMPIAHIAHY. Samy mieritreritra izy roa hoe: ‘Sao dia efa nisy olon-kafa koa nanaovany firaisana?’
FAHATELO DISO FANANTENANA. Maro ny ankizivavy diso fanantenana any anatiny any, satria ilay ankizilahy nantenainy
hiaro indray no nanararaotra azy. Matetika koa no tsy tena tian’ny ankizilahy intsony izay ankizivavy nanaiky hanao firaisana taminy.Tsy vitan’izay fa ankizilahy maro no milaza fa tsy hanambady ankizivavy efa nanaovany firaisana. Aleony, hono, ankizivavy virjiny!
Raha ankizivavy ianao, gaga ve ianao mahare an’izany, na tezitra mihitsy aza? Aseho amin’ny filma sy tele fa hoatran’ny hoe tsara sy tsy mampaninona ny firaisana alohan’ny fanambadiana, ary tena tia an’ilay olon-tianao ianao matoa manao azy io. Tsy izany mihitsy anefa no tena zava-misy. Aza manaiky hambakaina àry! Tia tena ny olona mampirisika anao hanao firaisana aminy. (1 Korintianina 13:4, 5) Raha tena tia anao ve izy, dia hanimba ny vatanao sy hanao izay hampalahelo anao? (Ohabolana 5:3, 4) Raha tena tia anao ve izy, dia hanao izay hahatonga an’Andriamanitra ho tezitra aminao?—Hebreo 13:4.
Raha ankizilahy kosa ianao, dia azo inoana fa nampieritreritra anao ireo voalaza ireo. Diniho, ohatra, hoe: ‘Tena tia an’ilay ankizivavy iarahako ve aho? Raha izany, inona no tena tokony hataoko?’ Asehoy azy fa vitanao ny mankatò ny lalàn’Andriamanitra. Asehoy koa fa hendry Tononkiran’i Solomona 2:16.
ianao ka tsy manao izay hampisy fakam-panahy eo aminareo, sady tia azy ka tsy manao izay mahafinaritra anao fotsiny. Hirehareha ilay olon-tianao amin’izay, ka hiteny toa an’ilay Solemita tena hendry hoe: “Ahy ny malalako, ary azy aho.”—Tadidio izao na ankizilahy ianao na ankizivavy: Tsy asianao vidiny ny vatanao, raha manaiky hanao firaisana alohan’ny fanambadiana ianao. (Romanina 1:24) Tsy mahagaga raha kivy sy mahatsapa ho tsy misy dikany izay nanao izany. Toy ny hoe nisy zava-tsarobidy tamin’ny vatany navelany hangalarin’olona. Aza manaiky ho voan’izany! Rehefa misy manambitamby anao hoe tokony mba hanao firaisana aminy ianao raha tia azy, dia valio hoe: “Raha tena tia ahy koa ianao, dia aza misisika amin’izany!”
Tena sarobidy ny vatanao ka aza omemena olona fotsiny. Asehoy fa vitanao ny mankatò ilay didin’Andriamanitra hoe fadio ny fijangajangana. Mbola ho afaka hanao firaisana ihany ianao rehefa manambady. Tsy hanenina na hikorontan-tsaina toa an’ireo nanao firaisana alohan’ny fanambadiana ianao, fa mba tena hankafy an’ilay izy.—Ohabolana 7:22, 23; 1 Korintianina 7:3.
JEREO NY MANONTANY NY TANORA, BOKY FAHA-2, TOKO 4 SY 5, RAHA MILA FANAZAVANA FANAMPINY
Zatra mikasikasika ny filahianao na ny fivavianao ve ianao? Tena ratsy ve izany?
ANDININ-TENY MAHASOA
‘Andosiro ny fijangajangana, fa ny mpijangajanga manota amin’ny vatany ihany.’—1 Korintianina 6:18.
SOSO-KEVITRA
Ataovy hoatran’ny hoe mahita anao foana ny ray aman-dreninao, rehefa miaraka amin’ny ankizilahy na ankizivavy ianao. Tsy ho sahy hanaonao foana ianao amin’izay.
FANTATRAO VE... ?
Matetika ny ankizilahy no misaraka amin’ny ankizivavy nanaovany firaisana, ary mitady olon-kafa indray.
ZAVATRA ERITRERETIKO HATAO!
Ireto avy no tsy hataoko rehefa miaraka amin’ny ankizilahy (na ankizivavy) aho: ․․․․․
Izao no hoteneniko aminy raha te hiaraka amiko any amin’ny toerana tsy misy olona izy: ․․․․․
Izao no hanontaniako an’i Dada sy Neny momba izay noresahina tato amin’ity toko ity: ․․․․․
AHOANA NY HEVITRAO?
● Nahoana ianao no tsy tokony hanao firaisana alohan’ny fanambadiana, na dia hoatran’ny mahafinaritra aza ilay izy?
● Inona no hataonao raha misy manambitamby anao hanao firaisana?
[Teny notsongaina, pejy 176]
‘‘Mitandrema tsara satria mety hahataratara ny ankizy ianao. Ianao tsinona Kristianina, dia manana toetra tsara. Aza mety raha misy mampanao zava-dratsy anao. Ianao ve dia hanaiky, nefa mba ankizy hendry ihany? Ho voa mafy ianao!’’—Josia
[Sary, pejy 176, 177]
Tsy asianao vidiny ny vatanao raha manao firaisana alohan’ny fanambadiana ianao. Toy ny sary hoso-doko lafo vidy ilay izy, nefa amafanao tongotra