Ahariharin’Andriamanitra ny ‘Fikasany Mandrakizay’
Hira 99
Ahariharin’Andriamanitra ny ‘Fikasany Mandrakizay’
1. Aok’ isika rehetra
Handroso hatrany.
Jehovah no mitarika
Ny fandaminany.
Vahoaka be no indreo
Manao ny asany.
Ny fivavahana madio
Efa naveriny.
2. Avy amin’i Jehovah
Ny fanantenana.
Ny hazavana ara-panahy
Manafaka antsika.
Hihavana ny rehetra,
’Zay no fikasany.
Rehefa manjaka Kristy,
Hitsahatra ny ady.
3. Mihamazava hatrany
Ny fikasan’i Jah.
Aza mivadika aminy,
Fa miambena foana.
Hotanterahin’ny Ray
Ireo fikasany.
Koa mandrosoa, aza kivy.
Derao ny anarany.