An’iza moa Isika?
Hira 207
An’iza moa Isika?
1. An’iza moa ianao?
Iza no ekenao?
’Zay tompoinao sy hajainao,
Dia izy no Andriamanitrao.
Tsy misy afaka
Manompo tompo roa,
Fa ’zay fidinao no ho tomponao,
Dia ’zay tianao kokoa.
2. An’iza moa ianao?
Iza no tomponao?
Fidio izay tianao kokoa:
’Lay marina sa ’lay diso?
Kaisara ve izao
No hankatoavinao?
Sa i Jehovah Andriamanitra
No hiankohofanao?
3. An’iza moa izaho?
An’i Jehovah aho.
Hanompo azy amin’ny fo
No voady efa nataoko.
Koa tapa-kevitra aho
Ny tsy hivadika.
Ny ran’i Kristy ’zay sarobidy
No nanavotana ahy.
4. Anao tokoa ’zahay,
Ry Jehovah Rainay.
Tafaray ’zao ny ondrinao,
Ao anatin’ny valanao.
Mamelombelona
Ireo fivoriana.
Mahafaly anay ny miara-mandray
Ny fahamarinana.