Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Harena Tsy Mety Simba

Harena Tsy Mety Simba

Hira 147

Harena Tsy Mety Simba

(Matio 6:20)

1. Misaotra anao ’zahay, Jehovah Rainay,

Noho ny fahamarinana.

Tianay ny mitory ’lay Fanjakanao,

Izay efa antomotra.

2. Ny fahendrenao sy ny fitiavanao,

Nasehonao anay, ry Ray.

Nanavotra anay ilay Zanakao,

Ka faly tokoa ny fonay.

3. Irinay ’zao ny mba ho sakaizanao.

Izany koa dia tombontsoa.

Ny hatsaram-ponao mitoetra aminay,

Ka mitondra fiadanam-po.

4. Indreto ’zahay mankasitraka anao.

Ny teninao no inoanay.

Ireo tia anao homenao valisoa,

’Zay harena mandrakizay.