Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Hobio ny Fanjakan’i Jehovah!

Hobio ny Fanjakan’i Jehovah!

Hira 21

Hobio ny Fanjakan’i Jehovah!

(Apokalypsy 11:17)

1. Hobio ny Fanjakan’i Jah,

Izay efa miorina.

Mikaela no Mpanjaka,

Nandresy an’i Satana.

Ny Devoly sy demonia

Hogadraina tsy ho ela,

Ka ny tany manontolo

Hidera an’i Jehovah.

2. “Ondry vitsy” mahatoky

No mitari-dalana;

Izy ’reo hiara-mandova

An’ilay Fanjakana.

Misy koa ’reo manantena

Paradisa an-tany,

Miara-miasa ny rehetra,

Ka mitory hatrany.

3. Hobio ny Fanjakan’i Jah,

Mazotoa mampianatra.

Ny mpandefitra hahazo

Ny fankasitrahana.

Koa hobio ’lay Fanjakana,

Torio ny fiadanana.

Ny anaran’i Jehovah

Hoderain’ny olona.