Afaka mibanjina ny hoavy amim-patokiana ianao
Toko faha-2
Afaka mibanjina ny hoavy amim-patokiana ianao
1-4. Mandray anjara amin’ny fahombiazana na fahavoazana amin’ny fanaovan-javatra iray ve ny fatokiana? Nahoana no tanora maro be no tsy mibanjina ny hoavy amim-patokiana?
TSY isalasalana fa efa nanandrana nitsambikina tamin’ny fefy na tamboho iray ianao. Koa satria tsy dia avo loatra ilay fefy, dia azonao antoka ny hahavitanao izany tsara ary dia nahomby ianao. Nefa alao sary an-tsaina izay nety ho nitranga raha toa ka tsy ampy fatokiana, na raha toa ianao ka natahotra ny hidona amin’ny tsivalan-kazo. Azo inoana fa tsy ho nahomby tamin’ny vikina ianao, niampy ireo vokany mahatsiravina naterak’izany.
2 Izany no miseho amin’ny zavatra maro hafa. Araka izany, moa tsy voalaza ve fa izay tsy sahy mirobo-drano dia tsy hahay hilomano mihitsy?
3 Toy izany koa, fa tena zava-dehibe ny hambolenao toe-po matoky mba handraisan-tsoa be indrindra avy amin’ny fahatanoranao. Marina fa tsy mety ho sambatra tokoa ny tena na hanao fandrosoana lehibe eo amin’ny fiainana raha tsy afaka mibanjina ny hoavy amim-patokiana. Nefa amin’inona hoy angamba ianao, no azoko ametrahana tsara ny fitokiako amin’izao andro izao?
4 Marina fa ho afaka hanao lisitra lava be momba izay rehetra mampitebiteby sy mampiahiahy antsika isika. Mihamaloto hatrany ny tany, karazam-biby maro be no ringana, mijaly noho ny tsy fahampian-tsakafo ny olona any amin’ny toerana maro, sns... Koa hanontany tena angamba ianao amin’izany raha mbola azo atao ihany ny manantena ny hoavy. Amin’ny fahatsapana ny fomba nanimban’ny olona ny tany, dia mihevitra ny tanora sasany fa tsy manana zava-dehibe antenaina intsony izy ary toa manome rariny azy ny zavatra rehetra. Nefa misy zavatra tsy mba resahina firy, izay manome antony tsara tokony hibanjinana ny hoavy amim-patokiana. Aoka hojerentsika ny sasantsasany amin’izany.
NY TANY FONENANTSIKA
5-8. Manonòna sasantsasany amin’ireo zavatra tena ilaina amin’ny fahavelomana eto an-tany. Inona no nahatonga hety ny fisian’ny fitambarana mahagagan’ireo toe-javatra rehetra ireo?
5 Mora ny mihevitra ny tany ho toy ny zavatra tsy dia manao ahoana loatra. Nefa, tena zava-bita mahagaga tokoa ny planetantsika. Mandritra ny fihodinany manodidina ny masoandro, izay misy elanelany eo amin’ny 150 tapitrisa kilaometatra aminy, ny tany dia mahavita an-tapitrisany kilaometatra maro eny amin’ny erana (espace) amin’ny fihazonana fihetsehana mihodina manodidina ny tezan’ny tendron-tany. Nefa inona no ho nitranga raha hafa noho izany ny elanelan’ny tany sy ny masoandro? Eny tokoa, fa raha lavitra ny masoandro toa an’i Pluton na Neptune ny tany dia hangatsiaka tanteraka ary hamanala tsy azo iainana. Mifanohitra amin’izany, raha latsaka ampahatelon’izay ny elanelan’izy sy ny masoandro, izany hoe toa an’i Venus, dia tena ho afo midedadeda tokoa ny tany satria ho ambony be ny maripànany hany ka hangotraka ny farihy sy ny renirano.
6 Alao sary an-tsaina koa fa, raha mijanona amin’izao elanelana tsara indrindra amin’ny masoandro izao ny tany kanefa tsy mahavita mihodina ao anatin’ny 24 ora, fa toa an’i Mercure, dia tsy hahavita afa-tsy ny mihoatra kely fotsiny amin’ny fihodinany indray mandeha amin’ny tenany izy mandritra ny fihodinany manodidina ny masoandro. Amin’izay, dia ny ila bolan-tany iray na saika izany no ho efitra mangatsiaka hanana maripàna ambanin’ny aotra, fa ny sisa amin’ny gilaoby kosa dia ho may sy karakaina tanteraka.
7 Nefa tsy izay ihany. Ahoana, any amin’ny faritra maro amin’ny gilaoby, no ahafahan’ny olombelona mankafy ny fifaliana avy amin’ny vanin-taona efatra samy hafa dia: ny lohataona miaraka amin’ny voninkazony sy ny fofony manitra, ny fahavaratra sy ny androny mafana amirapiratan’ny masoandro, ny fararano feno loko miaraka amin’ny tsio-drivony mamelombelona ary ny ririnina sy ireo tanànany kanto rakotry ny ranomandry? Satria somary miraika ny tezan’ny tany raha oharina amin’ny lemaky ny zotrany. Noho ireo vanin-taona anefa no mahatsara ny fiainana any amin’ny ankamaroan’ny faritry ny gilaoby. Nefa amin’ny ankapobeny koa, dia noho ireo tsingerim-banin-taona no ahafahan’ny tany mamokatra ny sakafo ilain’ny olona sy ny biby.
8 Ho azo atao ny hanonona an-jatony maro hafa amin’ireo toe-javatra izay, raha atambatra, dia mahatonga ny tany ho azo iainana. Nefa inona no fanatsoahan-kevitra azontsika atao avy amin’izany? Eny, manontania tena hoe: “Inona no namela ny fitambarana mahagagan’ireo toe-javatra tena ilaina amin’ny fahavelomana ireo?” Hiaiky ianao fa nilaina tokoa ny Fahendrena tampony iray handamina izany rehetra izany. Ny tsingerina sy fitomboana voajanahary rehetra izay mahatonga ny tany ho azo iainana dia mbola be kojakojany lavitra noho izay mety ho sambondanitra noforonina na vitan’ny manam-pahaizana. Ny hevitra sy ny asa izay azo inoana fa mahatonga ireo fitsingerenana be kojakojany rehetra ireo dia mitarika antsika hanao fanatsoahan-kevitra iray hafa. Inona izany? Fa ny Fahendrena tampony izay namorona ny tany dia maniry ny olona monina eo, dia ny tenanao, ho sambatra.
9-12. Ohatra inona no mampiseho fa na dia simba aza ny tany dia mbola azo havaozina?
9 Marina tokoa fa olona maro ankehitriny no manimba ny tany amin’ny fandotoana azy na amin’ny fampiasana azy amin-kadalana. Nefa mety hivadika izany fironana izany ary ho voaonitra ny fahavoazana.
10 Hevero, ohatra, ny nanjo ny nosy Krakatoa, any Pasifika, izay nirehitra ara-bakiteny tamin’ny fipoahan’ny volkano mahatsiravina iray. Raha nitsidika ilay nosy ianao taorian’ny loza aman’antambo indrindra, dia tsy ho nahita afa-tsy lavenona. Nanjavona avokoa izay mety ho soritry ny fiainan’olombelona, biby na zavamaniry. Nefa inona no nitranga taorian’izay?
11 Niseho indray ny fiainana tao amin’ilay nosy, tsy nisy fanampian’iza na iza. Tao anatin’ny telo taona monja, dia karazan-javamaniry enina amby roapolo no nitombo. Avy eo, dia naniry koa ireo foto-boaniho sy fary dia ary ireo ôrkide. Karazam-biby 263 no nisaina tao amin’ilay nosy, dimy amby roapolo taona taorian’ny fipoahan’ny volkano. Efa hadino ny fahavoazana vokatr’io loza aman’antambo io. Nanjary saha iray maitso mavana ny nosy Krakatoa.
12 Tsy heverinao ve fa izay niseho tao amin’io nosy io dia tena mety hitranga indray amin’ny tany manontolo? Araka ny ho hitantsika eo aoriana, dia manana antony tsara hinoana ny tena hisian’izany isika.
FANAMBOARANA SAKAFO IRAY MAHAGAGA
13-17. Ahoana no namokarana ny sakafo (Salamo 104:14)? Amin’ny ahoana ireo karazana sakafo avy amin’ny tany no mahatonga ny fiainana hahasambatra? Karazam-piainana manao ahoana no nomanin’ny Mpamorona ny zavatra rehetra ho antsika (Isaia 25:6; Salamo 67:6)?
13 Amin’ny fotoana manaraka hisakafoananao, dia hevero kely izay mahaforona ny sakafonao. Na anana izany na voan-javatra na voankazo miloko samy hafa tokoa, ireo sakafo rehetra ireo dia vokatry ny zavamaniry misy ravina maitso. Nefa ahoana no netezan’izany? Izany dia noho ny fandaharana mahagaga iray antsoina hoe “photosynthèse” (fanamboarana mahavelona avy amin’ny hazavana, miseho ao anatin’ny zavamaniry) a.
14 Ireo zavamaniry rehetra ireo dia mirakitra ao anatin’ny raviny, raha organika (substance organique) iray, dia ny famaitso (chlorophylle), izay mitarika fiota ara-tsimia (réaction chimique) be kojakojany rehefa azon’ny hazavan’ny masoandro. Hazonin’ny selan’ny zavamaniry ny rano sy ny gaza karbônika (izay azony tamin’ny atmôsifera) mba hamokarana siramamy tsotra, fototry ny sakafo rehetra. Avy eo, avy amin’io siramamy io no anamboaran’ireo zavamaniry raha (substance) hafa mbola be kojakojany kokoa, dia ny hidiratana karibônina, menaka, prôteina sy otrikanina (vitamine). Raha niresaka ny amin’ny vokatra manaitran’ny “photosynthèse” i Frits Went, manam-pahaizana momba ny zavamaniry, dia nanambara toy izao:
“Raha lazaina amin’ny taonina, dia tena mahatsikaiky ny vokatry ny taozava-baventin’ny olombelona raha oharina amin’ny an’ny “photosynthèse”. Ny fanamboarana tsỳ (aciéries) maneran-tany dia mamokatra 350 tapitrisa taonina isan-taona, ary ny fanaovan-tsimenitra, 325 tapitrisa taonina. Nefa amin’ny fotoana mitovy amin’izay ihany no amokaran’ny zavamaniry siramamy 150 lavitrisa taonina.”
15 Fantatr’ireo manam-pahaizana ny vokatry ny “photosynthèse” saingy tsy takany tsara ny fizotrany. Araka ny nanoratan’ny mpanao gazety siantifika iray azy, dia miresaka matetika ny “photosynthèse” ho toy ny “boaty mainty” ireo mpikaroka. Nahoana? Satria “fantany izay miditra sy mivoaka avy ao, saingy tsy mahalala firy ny amin’izay rehetra mitranga ao anatiny ao izy.” Na dia any amin’ireo labôratoarany ary fomba indrindra aza, dia tsy hain’ny olombelona ny hamerina hanao fandaharan-javatra mahagaga toy izany.
16 Saika voamarika toy izany koa ny karazan-tsakafo mahagaga avy amin’ny tany. Angamba tianao manokana ny anana na voankazo iray, toy ny frezy ohatra. Nefa inona no ho nolazainao raha toa ny sakafo rehetra: ovy, vary, mofo, paoma, voasary, sns... ka nanana tsiro sahala amin’ny an’ny frezy? Ho monamonaina ianao, sa tsy izany? Soa ihany fa tsy izany no mitranga. Samy manana tsiro samy hafa sy tena mahafinaritra ny vava ny anana sy ny voankazo an’arivony maro ambolen’ny olona.
17 Nefa, inona no tianareo holazaina, hoy angamba ianao? Izao: Ilay Fisiana manan-tsaina izay niandohan’ireny sakafo matsiro rehetra ireny dia miharihary fa tia ny hahatongavan’ny fiainanao ho tena hahafinaritra. Izany dia noho izy miahy ny hahasambatra anao. Ilay namorona ny tany mba hahatonga izany ho fonenana tonga lafatra ho antsika dia nanao koa ny sakafon’ireo mponina eo aminy ho tena fanasana tokoa. Ho hitantsika any aoriana kely, ambonin’izany, fa nanomana fanasana manokana tokoa iantsoana izay rehetra maniry izany izy.
DINIHO NY VATANAO
18-23. Inona avy ny sasantsasany amin’ireo toetoetra mampiavaka ny tenantsika izay mampiseho fa noforonina ho ambony lavitra noho ny biby isika?
18 Eritrereto ihany koa ny amin’ny fomba nanamboarana anao, izay tsy azonao atao raha tsy amin’ny alalan’ny atidohanao. Horesahintsika indrindra ny amin’io atidoha io. Manana bikan’ny atody lehibe iray volombatolalaka manopy mavokely izy io ao amin’ny olon-dehibe ary milanja eo amin’ny iray kilao mahery kely. Nefa toy inona ny fahafahany manao zavatra mahagaga! Nilaza toy izao ny lahatsoratra momba ny siansa iray navoaka tao amin’ny New York Times:
“Ny atidoha (...) dia tena be kojakojany ka raha eo anilany ny ôrdinatera lehibe dia toy ny kilalaon-jaza fotsiny.”
19 Lazalazaina ho ny “milina be kojakojany indrindra eo amin’izao rehetra izao” ny atidoha. Nefa, raha toa ka misy manome anao famantaranandro tsara tarehy iray na fakan-tsary ambony vidy iray, na fanaovana asa marika elektrônika mora vaky iray, dia tsy isalasalana fa handray an’izany amim-pitandremana fatratra ianao ary hampiasa azy amin’ny fomba tsara indrindra azo atao. Vao mainka tokony ho velom-pankasitrahana ianao afaka mampiasa atidoha iray mahagaga toy izany!
20 Aoka hijanona kely eo amin’ny fahafahan’ny tenan’ny olombelona manao zavatra ihany isika? Marina fa matanjaka lavitra noho ianao ny liona na ny elefanta, mahay milomano lavitra noho ianao ny trozona, mitsambikina amim-pahakingana eny amin’ny hazo ny rajako ary mahay manidina avo be eny amin’ny habakabaka ny voromahery noho ny herin’ny elany fotsiny. Nefa tsy misy amin’ireo biby ireo mahay manao izay rehetra vitan’ny olombelona. Na ny liona na ny elefanta dia tsy afaka manidina. Tsy hahita trozona mianika hazo na miakatra eny an-tendrombohitra, na voromahery milomano, mihitsy ianao. Mifanohitra amin’izany, ny olombelona dia afaka manao izany rehetra izany amin’ny herin’ny tenany manokana na noho ireo milina noforoniny. Nefa ambonin’izany rehetra izany, ny olombelona dia manana fahaizana iray manokana, dia ny fahaiza-manamboatra zavatra isan-karazany tsy voafetra.
21 Ary matoa izy afaka manao izany, ankoatra ny zavatra hafa, dia noho ny fahafahana mahagagan’ireo tanany manao zavatra. Tsy misy fitaovana noforoniny tokoa afaka mifaninana amin’ny tanany, na fanaovana asa goavana momba ny mekanika na rafitra izany, na fanatanterahana asa sarotra, toy ny fitendrena na fitsofana zavamaneno, fanaovana hosodoko na fanaovana sarin’ny planina trano iray amin’ny an-tsipiriany.
22 Nefa ireo tananao dia ny iray monja amin’ireo faritra maro amin’ny tenanao izay mahatonga azy hahavariana aoka izany. Tsy misy mahagaga àry raha nanambara toy izao ny amin’ny tenan’olombelona i W. Akers, injeniera miara-miasa amin’ny mpandidy:
“Ny vatana no fetra farany ambony indrindra amin’ny haitao (technologie). Alao sary an-tsaina izay mety ho milina rehetra. Na dia be kojakojany aza izany, dia ho hitanao fa tsara kokoa ny ao amin’ny tenan’olombelona.”
23 Mazava àry fa tian’ny Mpanao ny gilaobintsika ho ambony lavitra noho ny biby ny olombelona, ka ho afaka handray soa be indrindra avy amin’ny vokatry ny tany rehetra. Izany no manome antoka antsika fa mihevitra aoka izany ny hoavintsika izy ary hiahy ny amin’ny hahasambatra izany.
AFAKA MIBANJINA NY HOAVY AMIM-PATOKIANA IANAO
24-28. Nahoana no ara-dalàna ny hinoana fa nanana Mpamorona manan-tsaina iray ny tany (Romana 1:20)? Inona no nomeny mba hahitantsika ny valin’ireo fanontaniantsika momba ny fiainana (2 Timoty 3:16)? Ahoana no ahafahantsika mahalala raha toa ny fampiharana izay voalazan’ny Baiboly ka tena hanampy antsika hibanjina ny hoavy amim-patokiana (2 Petera 3:13; Apokalypsy 21:1-4)?
24 Araka izany, ny gilaobintsika sy izay rehetra hita eo aminy dia vavolombelon’ny fahaizana sy fikasana iray izay ambony lavitra noho izay rehetra mety ho taratry ny zava-bitan’ny olombelona. Nefa tsy isalasalana fa ekenao ny fahamarinan’ity fanambaran’ny Baiboly tsotra dia tsotra ity: “Fa ny trano rehetra dia samy nisy mpanao azy.” (Hebreo 3:4). Aoka àry hataontsika hoe namakivaky tany efitra iray ianao ary tonga tampoka eo anoloan’ny trano iray tsy misy mpipetraka. Hanatsoaka hevitra avy amin’izany ve ianao fa niforona ho azy teo izy io? Tsia dia tsia tokoa. Toy izany koa fa ny tany dia tsy maintsy nisy Mpanao manan-tsaina iray na dia tsy hita maso aza izy io. Ambonin’izany, dia niaiky ny amin’izany i Max Planck, nahazo loka Nobel, rehefa nilaza toy izao:
“Tsy azo atao ny manazava ny tontolo raha tsy eritreretina hoe asa tanan’ny Fahendrena tampony mpamorona iray izany.”
25 Asehon’ny Baiboly amintsika ny amin’io “Fahendrena tampony mpamorona” izay nanao ny fonenantsika io. Jehovah Andriamanitra izany, ny Mpanao ny lanitra sy ny tany.
26 Miharihary fa tena mahery sy hendry tanteraka tokoa io Mpamorona lehibe io. Voaporofo ihany koa fa miahy ny hahasambatra ny olona, dia ny hahasambatra anao, izy io. Raha toa àry ianao ka efa afaka mianatra zavatra betsaka amin’olona, dia hianatra momba izany misimisy kokoa aminy ary ho fantatrao amin’izay ny fomba handraisan-tsoa be indrindra avy amin’ny fahatanoranao.
27 Eo no manampy ny Baiboly. Asehony tokoa ny fikasan’ny Mpamorona momba ny tany sy ny olombelona, ary valiany ireo fanontanian’ny olona maro. Asehony antsika koa ny fototry ny zava-manahirana azy ireo sy ny fomba hanafoanana izany. Tsy mampirisika anao hanorina ny fanantenanao eo amin’ny fandehan-javatra ankehitriny izay nampisy ireo zava-manahirana maro be sy fahoriana ka tsy nahomby tanteraka izy, fa manambara ny fiorenan’ny fandehan-javatra vaovao ka manolotra ho anao amin’izany, hoavy hafa mamirapiratra lavitra.
28 Na efa namaky lahatsoratra avy ao amin’ny Baiboly ianao na mbola tsy namaky izany mihitsy, dia angamba manontany tena ianao raha tena afaka mamaly ireo fanontanianao izany na manampy anao handamina ireo zava-manahirana. Tsy misy afa-tsy zavatra iray ihany no tokony hatao mba hahalalana izany: ny mianatra azy amim-pitandremana. Hampahafantatra anao ny hevitry ny Baiboly sy ny vahaolana ary ny torohevitra omeny ity boky ity. Aoka àry ho ianao mihitsy no hijery raha milaza ny zava-misy sy mampiseho fahendrena ny Baiboly. Eny, aoka ny tenanao mihitsy no hahatsapa fa ny tenin’i Jehovah dia afaka manampy anao handresy ireo fahasahiranana mpahazo ny tanora, handroso amim-patokiana ary hanantena hoavy sambatra sy mamirapiratra.
[Fanamarihana ambany pejy]
a Avy amin’ny hoe photo, izay midika hoe “hazavana”, sy sunthesis, “fiforonan’ny raha iray voaforon’ny fikambanan’ny singa tsotra kokoa.”
[Fanontaniana]
[Sary, pejy 11]
Ny fahalalana ny Mpamorona ny tany dia mamela hibanjina ny hoavy amim-patokiana.