Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Ahoana ny hevitrao ny amin’ireo fananana ara-nofo?

Ahoana ny hevitrao ny amin’ireo fananana ara-nofo?

Toko faha-21

Ahoana ny hevitrao ny amin’ireo fananana ara-nofo?

1-4. a) Inona ny sasantsasany amin’ireo zavatra irin’ny ankamaroan’ny tanora hananana? b) Nahoana no mety hanana fiheveran-diso ny amin’ny hafa ny tena raha mihevitra ho zava-dehibe loatra ny fananana ara-nofo?

 HO TIANAO ve ny hiaina ao amin’ny trano iray feno zavatra tsara izay nomen’ny rainao tamim-pahalalahan-tanana? Tsy misy isalasalana ny amin’izany. Ary ianao dia miaina eo amin’ny fonenana iray toy izany, dia ny tany izay nofenoin’i Jehovah Andriamanitra zavatra tsara samihafa mahagaga.

2 Nefa ny fifaliana azontsika avy amin’ireo zavatra ireo, izany hoe ny fifaliana miaina, dia miankina be dia be amin’ny tsy fanaovantsika ireo fananana ara-nofo ireo ho ny zavatra ahintsika voalohany indrindra. Nahoana? Satria misy zavatra hafa izay sarobidy lavitra noho ny zavatra hita maso.

3 Azo antoka fa ny tenanao dia mahafantatra zatovo izay mihevitra ho zava-dehibe loatra ny fananana ara-nofo, toy ny “chaîne” ambony karazana, fandraisam-peo, “moto” na fiarakodia. Ny ankamaroany dia mampiseho fahalianana kokoa amin’izany noho ny amin’ny fianaran’izy ireo na ny fianakaviany. Manana fironana hitsara anao araka izay anananao koa izy. Nefa fihetsika mety ve izany?

4 Eritrereto kely ange. Moa ve ny fananana an’ireo zavatra rehetra ireo na tsia no mamaritra ny tena maha-ianao anao? Moa ve ianao tsara kokoa raha manana an’ireo na ratsy kokoa raha mamoy an’ireo? Raha ny marina, ny fananana sarobidy indrindra, izay mamaritra ny hasarobidinao amin’ny maha-olona sady afaka mitondra ny tena fahafahampo sy fahasambarana ho anao, dia karazany hafa mihitsy. Inona izany, araka ny hevitrao?

FANANANA MBOLA SAROBIDY KOKOA

5-7. a) Nahoana ny fahaizana fiteny vahiny na ny fahaizana manao zavatra sasany no mety ho hita fa sarobidy kokoa noho ny fananana ara-nofo (Mpitoriteny 7:12)? b) Nahoana no mbola sarobidy lavitra ny fahalalana ny Tenin’Andriamanitra (Ohabolana 15:2; 1 Timoty 4:16)?

5 Ahoana no fihevitrao ny fahalalana? Inona no sarobidy kokoa: ny mahay fiteny vahiny iray sa ny manana “chaîne stéréo” na “transistor” iray? Ekena fa tsy ratsy akory ny manana fitaovana toy izany sy ny mihaino olona mihira na miteny amin’ny fiteninao. Nefa alao sary an-tsaina hoe mahay fiteny hafa iray ianao. Azonao atao amin’izay ny mahafantatra olona an-tapitrisany maro ambonin’izay efa fantatrao. Afaka hitsidika anao ny olona miteny an’io fiteny io, ary ianao koa afaka handeha any amin’ny tany hafa. Hahatonga ny dianao hahafinaritra lavitra sy hahafantaranao zavatra ny fahaizanao an’io fiteny io.

6 Tena sarobidy koa ny fahaiza-manao zavatra sasany, ohatra, ny fahatongavana ho mpahandro mahay, mpanjaitra kinga, mpandrafitra ampy fahaizana na mpanamboatra milina mahay. Ny fahaizana toy izany, any aoriana, dia mety ho sarobidy lavitra ho anao noho ny fananana ara-nofo sasany.

7 Ny fahalalana ny Tenin’Andriamanitra no fahalalana tena ambony vidy indrindra. Noho io fahalalana io tokoa no ahafahanao mitondra fampahatanjahana sy fampanantenana ho an’ireo izay torotoro fo na mamoy fo, zavatra tsy ho hain’ny mozika na dia “stéréophonique” aza, atao mihitsy. Azonao atao aza ny mamonjy aina noho ny fahalalana ny fahamarinana aseho ao amin’ny Tenin’Andriamanitra. Araka ny hevitrao, zavatra hita maso inona no afaka manao izany? Tsy mahagaga raha mampirisika ny tanora handray an’io fahalalana io ny olon-kendry amin’ny filazana hoe: “Vidio ny marina, ka aza amidy, dia ny fahendrena sy ny fananarana ary ny fahazavan-tsaina. Hifaly dia hifaly ny rain’ny marina, ary izay miteraka zaza hendry hanam-pifaliana aminy. Aoka ho faly ny rainao sy ny reninao, eny, aoka ho ravoravo ny reninao izay niteraka anao.” — Ohabolana 23:23-25.

8-12. a) Nahoana ny maha-ianao anao no misy vidiny kokoa noho izay anananao? Ahoana no ampisehoan’ny Baiboly an’izany? b) Inona avy àry ireo toetra tokony hiezahantsika ambolena (Galatiana 5:22, 23)?

8 Eritrereto koa hoe hatraiza ny laza tsara no sarobidy noho ny harena. Raha fantatra ho toy ny tanora iray malala-tanana, marina, mazoto miasa, manaja olona ary mendri-pitokiana ianao, dia izany no hahazoanao haja be lavitra noho ny fitafiana tsara lafo vidy. Ho faniry ho namana, ho mpiara-miasa na ho mpiasa ianao. Ny laza tsara dia mety hahazoanao fanasana avy amin’ny olona izay haniry hizara aminao ny hafaliany sy ny fikasany koa aza. Mba hialana amin’ny fitoerana ho manirery, moa ve tsy izany no fanafody mandaitra lavitra noho ny fahitalavitra iray?

9 Eny, marina tokoa fa lehibe aoka izany ny fifaliantsika miaina raha ankasitrahan’ny hafa isika, raha tsapantsika fa mihevitra antsika izy ireny na raha toa isika ka mitondra ho azy zavatra izay tsy ho nananany raha tsy nisy antsika. Manankarena amin’ny toetra tsara, izany no ahazoantsika ny fanajan’ny olona tsara fo. Araka ny ilazan’ny boky iray ao amin’ny Baiboly mirakitra fitsipika mampiseho fahendrena azy, “izay tia fahadiovam-po, dia milaza soa ny molony. Sady sakaizan’ny mpanjaka izy.” — Ohabolana 22:11.

10 Nanana tombontsoa i Timoty tanora noho izy voafidy hiaraka tamin’ny apostoly Paoly tamin’ny dia misionera nataony tany amin’ny toerana samy hafa tena mahaliana. Tsy noho izay nananany teo amin’ny lafiny ara-nofo no nitazonan’i Paoly an’i Timoty, fa tena noho ny toetrany tsara, izay azo antoka fa nanaovan’ireo kristiana tao amin’ny tanàna anankiroan’i Azia Minora tatitra. Sarobidy aoka izany ny fanandraman-javatra azony tamin’ireny dia ireny, ka tsy ela dia namela azy hanatanteraka asa sarotra sy nahatonga azy ho ny karazan’olona azon’i Paoly nitokiana tanteraka. Tsy nitana ny toerana voalohany teo amin’ny fiainan’i Timoty ny fananana ara-nofo. Izany no asehon’ny taratasin’i Paoly ho an’ny kongregasionan’i Filipy, any Makedonia, rehefa nandefa an’i Timoty tany aminy izy; izao no nosoratany: “Fa tsy manana olona mitovy fanahy amiko [aminy, MN] aho na dia iray akory aza, izay hazoto hiahy anareo. Fa izy rehetra dia samy mitady ny azy avy, fa tsy ny an’i Jesosy Kristy; izy kosa dia fantatrareo fa lehilahy voazaha toetra.” — Filipiana 2:19-23.

11 Ny tena sakaiza dia hanaja anao noho ny maha-ianao anao tokoa fa tsy noho izay anananao. “Izay tena sakaiza tokoa dia tia amin’ny andro rehetra, sady miseho ho rahalahy hamonjy amin’ny fahoriana.” (Ohabolana 17:17). Mbola zava-dehibe kokoa, fa Jehovah mihitsy no ho sakaizanao raha manao ny asany ho voalohan-toerana eo amin’ny fiainanao ianao. Nefa, “raha sitrak’i Jehovah ny alehan’ny olona, na dia ny fahavalony aza dia hampihavaniny aminy.” — Ohabolana 16:7.

12 Mariho koa fa, raha azo angalarina na simbana ny fananana ara-nofo, ny fahalalana, ny toetra tsara ary ny sakaiza tsotra kosa dia zavatra tsy mba azo angalarina na simbana na ahem-bidy rehefa mandeha ny fotoana. Izany no nanomezan’ny Zanak’Andriamanitra izao torohevitra feno fahendrena izao: “Fa miharia harena ho anareo any an-danitra, izay tsy misy kalalao na harafesina manimba, sady tsy misy mpangalatra manamitrano na mangalatra. Fa izay itoeran’ny harenao, dia ho any koa ny fonao.” (Matio 6:20, 21). Raha manana laza tsara eo anatrehan’Andriamanitra ianao ary mitana izany dia azo antoka tokoa ny fahasambaranao ho avy. Afaka handray soa be indrindra avy amin’ireo zavatra tsara rehetra homen’ny tany ho anao ao amin’ny fandaharan-javatra vaovaon’Andriamanitra ianao.

MANEHOA FAHATAPAHAN-KEVITRA SY FAHENDRENA

13-15. a) Raha manaiky hofehezin’ny fitiavana ny zavatra hita maso isika dia mihary ho an’iza ary mamoy inona (Matio 6:33)? b) Fihetsika voalanjalanja manao ahoana no tokony harahina manoloana ny fananana ara-nofo?

13 Nahoana ianao no hanaiky ho voataonan’ny fandehan-javatra ara-barotra ankehitriny sy ny dokam-barony manakoako ka hampifantoka ny fiainanao amin’ireo fananana ara-nofo maro be atolony? Nahoana no hampanan-karena azy ka hiafara amin’ny fahantrana amin’ny zavatra iray tena misy vidiny eo amin’ny fiainana? Tsy aleo ve mampiseho herin-tsaina amin’ny fanoherana an’ireo fanintonan’ny fitiavana ny zavatra hita maso, ary ho tapa-kevitra ny handray soa be indrindra avy amin’ny fiainanao, amin’ny fikatsahana fananana mbola misy vidiny lavitra noho ny harena ara-nofo?

14 Voakasika ny fiainantsika. Asehon’ireo faminaniana ao amin’ny Baiboly fa efa tena antomotra ny fiafaran’ny fandehan-javatra ankehitriny fatra-pitia ny zavatra hita maso. Ny fiheverana ho zava-dehibe loatra ny zavatra hita maso dia hampivily ny fitandremantsika ary ho fandrika ho antsika. Mety ho tafahitsoka ao anatin’izao fandehan-javatra izao isika ary ho voafafa miaraka aminy rehefa hesorin’Andriamanitra amin’ny tany izy mba hanorenany ny fandaharan-javany vaovao eo. Nanome izao fampitandremana izao i Jesosy: “Mitandrema, ka miarova tena mba tsy ho azon’ny fieremana hianareo; fa ny ain’ny olona tsy miankina amin’ny habetsahan’ny zavatra ananany.” — Lioka 12:15.

15 Tsy tokony hotsoahina avy amin’izany anefa fa tsy tokony hanana na inona na inona isika. Ny tsy tiantsika dia ny hifehezan’ny fitiavana ny zavatra hita maso ny fiainantsika. Tokony hahay hanavaka ny zavatra izay tena hitondra fahasambarana ho antsika sy izay mety hamoizantsika ny zava-kendrentsika isika. Na inona na inona ananantsika, enga anie ny zava-kendrentsika mba ho ny hampiasa azy ireny hahasoa ny hafa ary indrindra mba hanomezam-boninahitra ny Mpamorona antsika!

[Fanontaniana]