Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Inona no andrasanao avy amin’ny fiainana?

Inona no andrasanao avy amin’ny fiainana?

Toko faha-23

Inona no andrasanao avy amin’ny fiainana?

1-6. a) Tokony ho vonona hanao inona ianao mba handraisan-tsoa be indrindra avy amin’ny fiainana? b) Mba hahitana fahasambarana, inona no mbola zava-dehibe kokoa noho ny fananana asa tsara iray? d) Nahoana ny Baiboly no afaka manampy anao?

 RAHA tanora ny tena dia toy ny hoe manana ny hoavy rehetra eo anoloan’ny tena amin’ny ankapobeny, somary toy ny hoe mandeha amin’ny lalana izay hita ho mihalava tena lavitra be hatrany amin’ny faravodilanitra ny tena. Nefa mitondra ho aiza izy io?

2 Marina fa hitahiry zavatra tsy ampoizina sy fahadisoam-panantenana ho anao ny lalana eo amin’ny fiainana, nefa araka ny nahitantsika azy tamin’ity boky ity, dia afaka manao betsaka ianao mba handraisan-tsoa be indrindra avy amin’ny fiainana. Toy izao manaraka izao àry ny fanontaniana: Moa ve ianao vonona ny hanao ireo fiezahana ilaina?

3 Ny ankamaroan’ny tanora dia mieritreritra izay hataony any aoriana, rehefa vita ny fianaran’izy ireo. Angamba ianao aza efa mba nieritreritra izany. Nefa fantaro fa na inona na inona asa hofidinao, raha tsy manao tsara ny asanao ianao dia tsy hitondra fahafahampo ho anao izany na kely aza. Misy zava-dehibe kokoa noho izany anefa.

4 Na ho tonga mpanao mari-trano tena mahay ianao na ho mpanan-talenta malaza, na ho mpanamboatra milina kinga, mpamboly mahay na mpampianatra tsara, moa ho ampy ve izany mba hahatonga anao ho sambatra? Tsia dia tsia tokoa. Ny fanontaniana lehibe indrindra dia ity: Eo an-dalam-pahatongavana ho karazan’olona manao ahoana moa ianao? Maro tokoa ny olona izay, na dia nahazo asa iray tena tsara aza, dia tsy nahomby tamin’alahelo teo amin’ny fiainany ary ory.

5 Izany no maha-sarobidy aoka izany ny Baiboly. Izy io dia toy ny fitambaran-taratasy avy amin’ny Mpamorona, dia ny Raintsika any an-danitra, izay miahy betsaka ny amin’ny fahasambarantsika. Tokony ho liana ny amin’izay raketin’izany taratasy izany àry isika. Araka ny nahatsapantsika azy, ireo torohevitra raketiny dia tena sarobidy avokoa mba handaminana ireo zava-manahirana antsika. Raha tsy misy izany torohevitra avy amin’ny Mpamorona izany, ahoana no hahafahantsika hahalala tsy misy diso izay tokony hatao amin’ny toe-javatra toy izao na toy izao na hoe inona no vahaolana tsara indrindra amin’ny zava-manahirana antsika?

6 Izany dia mampahatsiahy antsika izay nosoratan’ny apostoly Paoly ho an’i Timoty, anankiray amin’ireo mpiara-miasa taminy tanora kokoa, rehefa nampirisika azy haharitra tamin’ireo zavatra izay nianarany hatry ny fony vao zaza izy. Hoy izy taminy: “Izay soratra rehetra nomen’ny tsindrimandrin’Andriamanitra dia mahasoa koa ho fampianarana, ho fandresen-dahatra, ho fanitsiana izay diso, ho fitaizana amin’ny fahamarinana, mba ho tanteraka ny olon’Andriamanitra, ho vonona tsara ho amin’ny asa tsara rehetra.” (2 Timoty 3:14-17). Raha toa àry ianao ka manaiky hotarihin’ny Tenin’Andriamanitra dia ho ampy fitaovana kokoa mba hanatanterahana tsara ireo zavatra rehetra eo amin’ny fiainana izay tena misy vidiny, na inona na inona asa na fiezahana hotakiny. Noho izany fitarihana izany no hahatongavanao ho zanakalahy na zanakavavy, lehilahy vady na vehivavy vady, ray na reny, mpiasa na sakaiza, tsara lavitra, ary ny mbola zava-dehibe kokoa, ho mpanompon’ilay Mpamorona tsara kokoa.

AOKA IANAO HANDRAY IREO ANDRAIKITRAO

7-11. Araka ny voalazan’ny Baiboly, inona no fomba azo antoka indrindra hahombiazana eo amin’ny fiainana?

7 Na ho ela na ho haingana dia tsy maintsy handray fanapahan-kevitra lehibe ianao, satria ho avy ny fotoana izay tokony hiantsorohanao ireo andraikitrao manokana. Mitovy amin’ny zana-boromahery ianao izao. Tsy isalasalana fa fantatrao fa matetika ireo voromahery no manorina ny akaniny eny ambony vatolampy avo sy tsy azo ianihana. Rehefa manomboka mikopaka elatra ny zana-boromahery ary toa vonona hanidina dia atosik’ireo ray aman-dreniny eo amoron’ny akany izy, ary ao amin’ny hantsana avy eo. Nitantara ny olona iray fa indray andro izy dia nahita voromahery iray namela toy izany ny zanany hianjera any amin’ny telopolo metatra alohan’ny hiantorahan’ny tenany koa any ambany any sy hahatongavany, mivelatra elatra tsy manidina, ao ambaniny indrindra mba hahafahan’ilay zanany hipetraka eo am-babeny. Avy eo, amim-panidinana mahagaga no iverenany indray eo amin’ny akaniny mba hamerenana izany fomba izany mandra-pahain’ilay zana-boromahery manidina. — Bulletin of the Smithsonian Institution, boky faha-167, pejy faha-302.

8 Nefa aoka hiverenantsika ny aminao. Ireo ray aman-dreninao, izay tsy maintsy nanao fiezahana betsaka sy volavolan-kevitra maro mba handaminana ny tokantranony, dia tsy ho afaka hisolo vaika anao foana na handray fanapahan-kevitra ho anao, indrindra rehefa handao ny akany nahabe ianao aoriana kely. Marina fa manomana anao hiantsoroka ireo andraikitrao ho avy amin’ny maha-olon-dehibe izy ireo. Mitovy amin’ireo ray aman-drenin’ny zana-boromahery, dia hanamora ny zavatra ho anao izy mandra-pahainao manidina amin’ny elatrao manokana. Nefa tokony hanao ny anjaranao koa ianao.

9 Ny elatra matanjaky ny voromahery dia efa tany am-piandohana no noharìn’ny Mpamorona hendry tanteraka, izay nanome azy koa ny fahafahana manidina. Toy izany koa, ny tsirairay avy amintsika dia tokony hiaiky fa amin’ny fametrahana ny fitokiany amin’ny Mpamorona no hahafahany handray soa be indrindra avy amin’ny fiainana. Na afaka manome fiaingana tsara eo amin’ny fiainana ho anao ireo ray aman-dreninao na tsia, ary na toy inona na toy inona fahafahanao ara-batana sy ara-tsaina, dia ho tianao foana ny hahafantatra ny ilàna hanaiky hotarihin’i Jehovah Andriamanitra sy hiantehitra aminy mba hananana hery hanarahana ireo toromariny. Ho an’ny zatovo toa anao no nanomezan’i Jehovah tsindrimandry hanoratana ireto teny ireto:

10 “Atongilano ny sofinao hihaino ny filazako. Aza avela hiala eo imasonao izy, fa raketo ao am-ponao. Fa aina ho an’ny mahazo azy izy, ary fahasalamana ho an’ny nofony rehetra. Tandremo ny fonao mihoatra noho izay rehetra tokony hotandremana; fa avy ao aminy no ihavian’ny aina. (...) Aoka ny masonao hijery mahitsy, ary ny hodimasonao hibanjina eo anoloanao. Ataovy marina ny alehan’ny tongotrao, dia ho voalamina ny alehanao rehetra.” — Ohabolana 4:20-26.

11 Arakaraka ny hitadiavanao ny fitarihan’i Jehovah Andriamanitra sy ny Teniny, no hahamora ny lalanao.

ATAOVY SAKAIZANAO ANDRIAMANITRA

12, 13. a) Inona no tokony hatao mba hahazoana ny fisakaizan’Andriamanitra? b) Ahoana no nanaovana izay hetezan’izany (Jaona 14:6)?

12 Ahoana no hahafahana ho tonga sakaizan’Andriamanitra? Mba hahatongavana amin’izany dia tsy ampy ny manary ny fanao melohiny rehetra. Ilaina ny mampifamatotra fifandraisana manokana aminy amin’ny fanekena azy ho Rainao any an-danitra. Afaka mitarika anao ho amin’izany lalana izany ireo ray aman-dreninao, saingy tsy afaka mamatotra fifandraisana toy izany eo amin’ny toeranao. Ianao ihany no tokony hahazo manokana ny fisakaizan’i Jehovah. Nefa inona no takiny mba hahatongavanao ho sakaizany?

13 Mba hetezan’ny fifandraisam-pisakaizana toy izany dia nanankina andraikitra manokana tamin’ny Zanany lahimatoa i Jehovah Andriamanitra ka naniraka azy tetỳ an-tany tamin’ny fanaovana izay hahaterahany ho olombelona. Rehefa tonga lehilahy lehibe ny Zanak’Andriamanitra dia nanome ny ainy ho antsika. Izao no lazain’ny Baiboly momba izany: “Fa Ilay natao ambany kely noho ny anjely no hitantsika, dia Jesosy, ary noho ny fitondrany ny fahafatesana dia voasatroka voninahitra aman-daza Izy, mba hanandrana fahafatesana hamonjy ny olona rehetra noho ny fahasoavan’Andriamanitra.” — Hebreo 2:9.

14, 15. a) Nahoana ny tsirairay avy amintsika no afaka miaiky mora foana fa tsy tanteraka izy (Romana 5:12; 7:21-23)? b) Ampitahaina amin’ny inona ny fahotantsika ao amin’ny Matio 6:12 (MN)? Ahoana no mety hanafoanana izany “trosa” izany?

14 Manazava ny Baiboly fa nilaina izany satria mpanota avokoa isika rehetra, noho izany dia tsy tanteraka. Tsy isalasalana fa tsy sarotra aminao ny hanaiky izany satria tsy maintsy manao ady mafy ianao indraindray mba hialana amin’ny fanaovana zavatra izay fantatrao fa ratsy, ary tsy isalasalana fa mety ho efa nilefitra ka nanaraka fanirian-dratsy sasany ianao. Izany fironana ho amin’ny ratsy izany dia nolovantsika rehetra avy tamin’ireo ray aman-drenintsika voalohany ka manazava ny antony mahatonga ny olombelona rehetra hety ho faty.

15 Nanome ny ainy lavorary anefa ny Zanak’Andriamanitra mba hamelana ny fanafoanana ny tsy fahamarinantsika rehetra. Manampy antsika ny Baiboly hahatakatra ny fomba fiasan’izany fanafoanana izany, amin’ny fampitahana ny fahotantsika amin’ny “trosa”. (Matio 6:12, MN.) Raha toa, ohatra, ka mampiely siosion-dresaka tsy marina momba ny olona anankiray ianao, tsy holazaina ve fa tokony “handoa” fialan-tsiny aminy ianao? Raha lazaina amin’ny teny hafa dia ananany “trosa” ianao rehefa manisy ratsy azy. Tena lehibe anefa ny trosantsika amin’Andriamanitra ka tsy ho vitantsika irery ny handoa azy. Soa ihany fa misy vidiny tena lehibe ny ain’olombelona lavorarin’i Jesosy Kristy ka afaka manafoana izay trosantsika rehetra amin’Andriamanitra, dia trosa izay nataontsika noho ny tsy fahatanterahana nolovantsika. Izany no antony nanomezan’ny Zanak’Andriamanitra ny ainy ho antsika.

16-18. a) Nahoana no heverinao fa mendrika ny fankasitrahantsika Andriamanitra noho izay nataony tamin’ny alalan’ny Zanany (Romana 5:6-10)? b) Inona no azontsika atao mba hanehoantsika aminy ny fankasitrahantsika?

16 Noho izany no ahafahantsika mamatotra fifandraisam-pisakaizana amin’Andriamanitra. Ilaintsika anefa ny mampiseho fa velom-pankasitrahana azy isika noho ny sorona nataon’ny Zanany ary manana finoana izany fandaharan’Andriamanitra izany isika. Nanambara toy izao i Jesosy: “Ny Ray tia ny Zanaka ka efa nanolotra ny zavatra rehetra ho eo an-tànany. Izay mino ny Zanaka manana fiainana mandrakizay; fa izay tsy mino ny Zanaka dia tsy hahita fiainana, fa ny fahatezeran’Andriamanitra no mitoetra eo aminy.” — Jaona 3:35, 36.

17 Alao sary an-tsaina hoe namoy aina ianao tamin’ny famonjena olona iray tamin’ny fahafatesana an-drano na hain-trano, ary tsy mba nampiseho fankasitrahana kely akory io olona io na mba nitsidika ireo ray aman-dreninao mba hilaza amin’izy ireo ny fankasitrahany ny fanampianao tsy nitady tombontsoa. Araka ny hevitrao, hanao ahoana ny fihetseham-pon’ny rainao? Takatrao mora foana àry fa malahelo Jehovah Andriamanitra, ary tsy misakaiza amin’ireo izay mahalala tsara izay nataon’ny Zanany ho an’ny olombelona, nefa tsy mampiseho fankasitrahana azy kely akory.

18 Afaka mampiseho ny fankasitrahanao an’Andriamanitra ianao amin’ny fomba fiainanao, amin’ny fanenenana amim-pahatsorana noho ny ratsy nety ho nataonao sy amin’ny fangatahana amin’Andriamanitra mba ‘hanafaka ny trosanao’ amin’ny alalan’ny sorona nataon’ny Zanany. Afaka manolo-tena ho an’Andriamanitra ianao, mba hanompo azy amin’ny fiainanao rehetra, ka hanatanteraka amin’izany ny sitrapony, ary avy eo, araka ny anasan’ny Baiboly anao, dia hatao batisa mba ho marik’izany voady izany. Miharihary fa tsy tokony hatao amim-pahamaikana izany fanapahan-kevitra izany. Tsy azo atao ny milaza amin’Andriamanitra fa hanao zavatra ny tena nefa hiova hevitra avy hatrany avy eo. Izany dia ho fanaovana toy ny ankizy kely izay tsy mahafantatra tsara ny tiany akory. Nefa raha madiva ho tonga olon-dehibe ianao dia efa afaka mandray fanapahan-kevitra. Tokony hieritreritra izany amim-pahamatorana àry ianao.

TENA ZAVA-TSAROTRA

19-21. a) Amin’ny ahoana ny toeranao no azo ampitahaina amin’ny an’i Davida fony izy nifanandrina tamin’i Goliata (1 Samoela 17:4-11, 26-51; Jaona 15:17-20; Jakoba 4:4)? b) Nahoana, araka ny hevitrao, no azo atao ny mandresy (Jaona 16:33; Filipiana 4:13; Ohabolana 3:5, 6)?

19 Tsy ho mora foana akory ny hampiseho fa sakaizan’Andriamanitra ianao. Raha ny marina, araka ny voalazan’ny Baiboly, izany dia tena zava-tsarotra. Nahoana? Satria tsy sakaizan’Andriamanitra izao tontolo izao manontolo fa fahavalony. Nefa aoka ianao tsy hanary toky na dia izany aza, satria afaka mampiseho herim-po toa an’i Davida fony izy mbola vao zatovolahy ianao. Tonga tao an-tobin’ny Isiraelita izy tamin’ny fotoana nifanandrinan’izy ireo tamin’ny tafiky ny Filistina mpivavaka amin’ny andriamani-tsy izy. Ilay Filistina goavana mpiady mahery nantsoina hoe Goliata dia namelively ny Isiraelita, nihantsy azy ireo mba hifanandrina aminy tsirairay. Ren’i Davida avokoa izany. Na dia mbola zatovo aza izy dia nanana finoana lalina an’i Jehovah. Namaly ny fihaikana àry izy ka nandroso teo amin’ilay fahavalony nirongo fiadiana, ary nahafaty azy tamin’ny vato iray monja nalefa tamin’ny antsamotady fiandrasany ondry.

20 Ny fahavalonao kosa dia izao tontolo izao. Nefa aza matahotra. Amin’izao andro izao, toy ny tamin’ny andron’i Davida, Jehovah Andriamanitra Tsitoha, dia hanome anao ny fandresena, raha toa ianao ka miseho ho be herim-po, ary indrindra raha mino mafy ianao fa tsy handao anao izy fa hanohana anao sy hanome anao ny hery ilainao.

21 Lehilahy sy vehivavy maro ary zatovo koa aza no niaritra fahasahiranana lehibe, nanao vy very ny ainy ary nanao sorona ny ainy mihitsy aza mba hanompoana ny tanindrazany. Moa ve tsy voninahitra mbola lehibe kokoa ny fahafahana manompo ny Mpamorona izao rehetra izao? Ary aza hadinoina fa hahazoanao ny fiainana ny fihetsika toy izany, dia fiainana tsara lavitra noho izay mety hantenaina ankehitriny.

[Fanontaniana]