Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Mamita izay natombokao ve ianao?

Mamita izay natombokao ve ianao?

Toko faha-12

Mamita izay natombokao ve ianao?

1, 2. Mba hananana fahafahampo noho ny fahavitan-javatra iray, inona moa no takina aminao?

 NY FAHASAMBARAN’ny olona dia matetika no miankina amin’ny fahavitany zavatra. Ohatra, raha manapa-kevitra hitendry gitara ary maharitra amin’izany mandra-pahainao azy ianao, izany dia hitondra fahafinaretana lehibe ho anao. Kanefa, raha mamela izany avy hatrany aorian’ny nanombohanao ianao, dia tsy hahita mihitsy izany fahafinaretana izany. Marina koa izany raha ny amin’ny asa rehetra izay mitaky fanazaran-tena sy fampiharana mandritra ny fotoana sasany.

2 Kanefa raha ny amin’ny faharetana amin’ny vinavinan’asa iray mandra-pahavitany, dia tokony hanafa-tena daholo amin’ny fironana sasany na hanindry izany isika rehetra.

IREO ZAVA-MANAHIRANA TAFIDITRA

3-8. a) Inona no mety hanampy ny olona iray tsy manam-paharetana? b) Alohan’ny hanombohanao volavolan-kevitra iray, inona moa no fahendrena ny hanaovana azy? Torohevitra inona no hanampy antsika hanao fanapahan-kevitra? d) Amin’ny toe-javatra manao ahoana moa no mety ho tsaratsara kokoa ny tsy hamitana izay natombokao?

3 Toy ny efa fantatrao, ny ankizy kely iray dia manana fifantohan-tsaina faran’izay kely. Na dia rehefa milalao aza izy ireny dia mora variana na tsy liana intsony amin’izany rehefa afaka fotoana fohy. Kanefa rehefa mihalehibe ny tena, dia mitombo ny fahaizana mampifantoka ny saina. Mety hahamarika izany eo aminao koa ianao. Tokony hamboly araka izay farany azo atao io fahaizana mampifantoka ny saina io àry ianao, kanefa azo antoka ny vidiny satria izany dia hanampy anao hahita fahafahampo bebe kokoa eo amin’ny fiainana.

4 Mba hampifantohana ny saina dia tsy maintsy mandresy toetra iombonana hafa iray ianao. Izany dia ny tsy faharetana. Tadidio izay nitranga fony ianao mbola kely. Araka ny tsaroanao, ny ankizy kely dia maniry hahazo zavatra EO NO HO EO. Matetika rehefa miezaka hanao zavatra sasany izy ireny ary tsy nahomby taorian’ny fanandramana vitsivitsy dia vonona avy hatrany hamela izany. Eny, mety hahalala zatovo maro izay mbola toy izany ianao. Kanefa raha takatrao fa ny ankamaroan’ny zava-dehibe eo amin’ny fiainana dia mitaky fotoana sy ezaka, izany dia hanampy anao tsy hamela mora foana izay natombokao.

5 Matetika ny olona tsy manam-paharetana dia manao zavatra ankamehana na tsy misy fiheverana. Milaza amintsika toy izao ny ohabolana mampiseho fahendrena iray: “Ny hevitry ny mazoto dia mampanan-karena, fa ny maimaika rehetra dia halahelo ihany.” (Ohabolana 21:5). Noho izany, alohan’ny hirotsahana amin’ny volavolan-kevitra iray na ny hanekenao andraikitra na asa sasany, voalohany indrindra dia ataovy izay hahazoana antoka fa mendrika ny hatao marina tokoa izy io.

6 Amin’ny toe-javatra sasany, ny fahendrena dia ny tsy mamita izay natombokao. Nahoana? Satria izany dia mety ho hevitra tsy tsara hatrany am-piandohana. Mety ho ratsy ny zava-kendrena, satria izany dia tsy mifanaraka amin’ny fotopoto-pitsipika marina. Na, mety tsy ho zava-kendrena tsara ho anao izany. Moa ve izany zava-kendrena izany mendrika ny handaniana hery sy fotoana? Moa ve ianao manana antony tsara hinoana fa afaka mahatratra izany ny tenanao?

7 Niresaka ny amin’ilay lehilahy izay nanomboka nanorina tilikambo tsy nisy fiheverana mialoha izay ho lany sy ny fomba hamitana izany na tsia, i Jesosy. Araka ny voalazany, io lehilahy io dia mety handatsaka ny fototra ary eo no hahitany fa tsy afaka hiroso lavidavitra kokoa izy. Izany dia nahatonga ireo mpitazana hihomehy sy hilaza hoe: “Io olona io dia nanomboka nanao trano, fa tsy nahavita.” (Lioka 14:28-30). Noho izany, raha maniry hamita izay natombokao ianao, dia tombàny mialoha izay ho lany.

8 Lanjalanjao tsara ny tombony sy ny fatiantoka. Anontanio ny hevitry ny hafa, indrindra ny an’ireo ray aman-dreninao. Mandraisa soa amin’ny fanandraman-javatra nataony; efa nanao fahadisoana izy ireo ary afaka mampanalavitra anao izany. Ny Baiboly dia loharano tsy hay tombanana eo amin’ny torohevitra feno fahendrena sy azo ampiharina. Avy amin’Andriamanitra izy io ary mamelabelatra ireo zavatra nianaran’ny olona nandritra ny an’arivony taona maro. Ohatra, Solomona mpanjaka dia nanao izay azo atao rehetra hikatsahana fahafinaretana eo amin’ny zavatra ara-nofo fotsiny. Miresaka amintsika ny vokany izy: izany rehetra izany dia toy ny “nisambo-drivotra” fotsiny. Noho izany, nahoana no hikatsaka zavatra tsy misy vidiny toy izany? — Mpitoriteny 2:3-11.

HALAVIRO NY MITSAHATRA

9-12. a) Rehefa nifidy zava-kendrena iray ianao, nahoana moa no tsara ny handinihina ny fomba hahatratraranao azy? b) Rehefa tojo fahasahiranana ianao, ahoana no tokony hiatrehana izany? d) Nahoana moa no zava-dehibe ny tsy hihemorana? (Lioka 9:62).

9 Rehefa niaiky ianao fa ny zava-kendrena noferanao dia misy vidiny, dia iankinan’ny aina koa ny fandaminana ny fomba hahatratrarana izany. Tanora maro be no tsy nahomby tamin’ny famitana izay natombony satria kivy izy ireo. Zava-manahirana na vato misakana tsy nampoizina sasany no mety nampiala azy ireo. Na hitan’izy ireo fa izay noheveriny ho vita dia sarotra kokoa tsy araka izay nampoiziny. Inona no hatao raha izany no mitranga?

10 Ny toe-javatra toy izany dia hampiharihary izay maha-ianao anao tokoa. Raha mamela ny zava-tsarotra hameno hevitra tsy manorina sy matroka ao aminao ianao dia tsy hanan-kery hoenti-manohy izay natombokao. Izany tokoa no voalazan’ny ohabolana iray ao amin’ny Baiboly: “Raha reraka amin’ny andro fahoriana ianao, dia kely ny herinao.” (Ohabolana 24:10). Noho izany, dia hevero ho toy ny fihaikana ny toe-javatra. Setrao ny zava-manahirana amin’ny fanaovana fiezahana lehibe, amin’ny fanokanana hery, tanjaka ary fotoana ho amin’izany. Ny fihaikana dia mety hahatonga ny fiainana hahaliana raha toa ka tsy mandositra azy ianao. Amin’ny fisetrana ny zava-manahirana dia hitombo fatokian-tena sy fahaiza-mampihatra zavatra ianao. Ho afaka hanatanteraka asa amin-toky sy fahafinaretana kokoa ianao amin’ny hoavy.

11 Noho izany, halaviro ny fitomboan’ny fahazarana hamela eo no ho eo izay natombokao satria toa hihasarotra ny tarehin-javatra. Raha tsy izany, amin’ny hoavy, rehefa hiharatsy ny zavatra dia hirona hanao toy izany ianao, izany hoe “hitsoa-pahana”, hiala. Amin’ny tsy famelana ny hitomboan’izany fahazarana izany no hisorohanao ny fahatongavan’ny fiainanao ho fitohitohizana tsy fahombiazana na ho volavolan-kevitra mihantona antenatenany.

12 Raha porofoinao fa tsy olona mora mitsahatra na manaiky ho resy avy hatrany ianao, dia ho azonao ny fatokiana sy ny fanajan’ny hafa. Fony izy mbola tanora, i Timoty, kristiana tamin’ny taonjato voalohany dia “tsara laza teo amin’ny rahalahy tany Lystra sy Ikonioma”. (Asan’ny apostoly 16:2). Izany no antony nifidianan’i Paoly azy ho namana nandritra ny dia nataony. Nanana tombontsoa manokana i Timoty, dia ny fandehanana hatraiza hatraiza niaraka tamin’ilay apostoly, tany amin’ny faritra maro tao amin’ny Empira romana. Taorian’ny roa ambin’ny folo taona nanompoana tamim-pahatokiana, indraindray tao anatin’ny toe-javatra sarotra, dia nanankinana andraikitra lehibe i Timoty ka niantsorohany izany na dia teo aza ny tsy fahasalamany. Eny azo natao ny natoky fa i Timoty dia nijanona teo amin’ny asa nankinina taminy ary nanao izany tamim-pitandremana izy. Lehilahy azo nitokiana izy. Kanefa nila fotoana sy faharetana i Timoty mba ho mendrika izany fitokiana izany.

IREO ANTONY TOKONY HAHARETANA

13, 14. a) Ahoana no handraisantsika soa noho ny faharetan’i Noa tamin’ny fanaovana ny sambo fiara? b) Inona no azontsika ianarana avy amin’ny oha-paharetan’ny apostoly Paoly (2 Timoty 4:16, 17).

13 Raha ta hanao asa iray ianao satria marina io na maniry hahazo sitraka amin’Andriamanitra ianao, dia hanampy anao hahavita izany i Jehovah. Hevero, ohatra, izay nitranga tamin’i Noa. Ilay sambo fiara izay namboariny niaraka tamin’ireo zanany dia mitovy amin’ny vatabe iray nisy rihana telo izay roapolo amby zato metatra teo ho eo ny lavany. Tsy hoe volavolan-kevitra ho amin’ny faran’ny herinandro izany. Kanefa, satria nahavita ilay asa hatramin’ny farany izy, i Noa sy ny fianakaviany dia tafita velona tamin’ny safodrano; ary isika izay taranany dia mbola velona foana ankehitriny.

14 Ary koa, hevero ny apostoly Paoly. Izy dia ohatra tonga lafatra ny amin’ireo izay tsy niato rehefa sarotra ny tarehin-javatra. Ho azy, ny asa manokana nankinina taminy, dia nisy vidiny lehibe aoka izany mendrika ny hiaretana ny zava-tsarotra rehetra mba hamitana azy. Niaritra an-tsitrapo ny kapoka, ny tora-bato, ny tranomaizina, ny asa mafy, ny tsy fahitan-tory, ny hetaheta, ny hanoanana, ny hatsiaka sy fitanjahana, ny loza noho ny fahavalon’ny fahamarinana, ny olon-dratsy ary koa ny biby dia sy ny herin’ny natiora i Paoly nandritra ny diany an-dranomasina sy an-tanety. Koa satria tsy nihemotra izy dia afaka nilaza ara-drariny ny tenany ho ‘niady ny ady tsara, nahatanteraka ny fihazakazahany, nitahiry ny finoana’. Noho ny antony inona? Tsy noho ny fatokian-tena, satria nilaza toy izao ny aminy i Paoly: “Mahay ny zavatra rehetra aho ao amin’Ilay mampahery ahy.” Ary nanoratra toy izao koa izy: “Kanefa amin’izany rehetra izany dia manoatra noho ny mpandresy isika amin’ny alalan’Ilay tia antsika.” (2 Timoty 4:6-8; Filipiana 4:13; Romana 8:35-39). Moa ve tsy tokony hilaza ianao fa lehilahy mendrika ny halain-tahaka i Paoly?

15. a) Nahoana moa isika rehetra no mila ny hahay hifandray amin’ny hafa? b) Inona no hanampy hisoroka ny “hahafoy” haingana ny hafa, rehefa mandiso fanantenana antsika izy ireny?

15 Mba hifaliana amin’ny fiainana, dia tokony hahay hifanaraka tsara amin’ny hafa koa ianao, hiara-hiasa aminy ary hahazo ny fanajany. Tsy afaka ny ho toy izany anefa ianao raha toa ka mailaka ny “hahafoy” ny olona, na mamatotra fisakaizana aminy ary mamarana izany haingana raha vao misy tsy fifanarahana kely. Mandiniha tena. Azo kianina ve indraindray ny fifandraisanao amin’ny hafa, hany ka sosotra noho izany izy? Eny, moa ve izany hahatonga anao hahafoy ny fiezahanao? Nahoana àry no malaky sosotra na tsy miraika amin’ny hafa satria matetika izy ireny no mandiso fanantenana anao? Makà kosa fotoana mety hamahana ny olana amim-paharetana. Iza no tsy afaka hahita fa mampiseho fahendrena ity ohabolana ity: “Be saina izay mahatsindry fo, fa ny malaky tezitra mampiseho ny fahadalany.” — Ohabolana 14:29.

16. Amin’ny ahoana moa ny fanatanterahana ny fanantenantsika kristiana no mifandray amin’ny fitomboan’ny faharetana?

16 Misy valisoa amin’ny faharetana ary mendrika tokoa ny hanaovana fiezahana. Ny fisehoanao ho olona izay mamita hatramin’ny farany izay natombokao dia ahazoana tombontsoa sy zava-tsoa maro. Nilaza toy izao tamin’ireo mpanara-dia azy i Jesosy: “Izay maharitra hatramin’ny farany no hovonjena.” (Matio 24:13). Toy ny kristiana rehetra dia ao anatin’ny fihazakazahana iray isika. Fiainana mandrakizay no loka lehibe. Hahazo io loka io ianao raha toa ka mampitombo ny fahaizana miaritra na dia eo aza ny zava-manahirana na ny fisedrana ary mamita izay natombokao.

[Fanontaniana]