Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Mampiditra anao ao amin’ny tena fiadanana ve ny zava-mahadomelina?

Mampiditra anao ao amin’ny tena fiadanana ve ny zava-mahadomelina?

Toko faha-15

Mampiditra anao ao amin’ny tena fiadanana ve ny zava-mahadomelina?

1, 2. a) Manao ahoana ny fampiasan’ireo olona fantatrao ny fanafody atao hoe “psychotropes”? b) Nahoana no mampiasa izany koa ny tanora?

 ANGAMBA ianao manana fanafody mampitony na fampatanjahana ao an-tranonao, izany dia karazan-javatra antsoina hoe “psychotropes” satria misy asany eo amin’ny saina. Isika tokoa, na fara faharatsiny ny ankamaroany amintsika, dia miaina ao amin’ny fiaraha-monina manjary fatra-pampiasa fanafody. Araka izany, ny taozava-baventy mpanamboatra fanafody any Etazonia dia nahita ny entana amidiny nitombo avo telopolo heny hatramin’ny Ady Lehibe faharoa. Araka ny voalazan’ny dokotera Mitchell S. Rosenthal dia tsy ela akory izay no nomena hampiasaina tany Etazonia, tao anatin’ny taona iray monja, ny “psychotropes” “ampy hampitonena, hanaitairana, na hampatoriana mandritra ny iray volana maninjitra ny lehilahy tsirairay, ny vehivavy tsirairay ary ny ankizy tsirairay [ao amin’ilay tany]”.

2 Natao ho an’ny olon-dehibe ny ankamaroan’ireo zavatra ireo. Nefa ny tanora no manao fandaniana lehibe amin’izany any amin’ny tany sasany, noho ny fahafinaretana andrasany avy aminy. Mampiasa zavatra hafa izay, amin’ny ankapobeny dia tsy natao hampiasaina ho fanafody koa ny tanora ary anisan’ireny ny “héroïne”, ny L.S.D. ary ny “marijuana”. Misy zatovo manana fironana hitana izao fiheverana manaraka izao: “Raha mihinam-panafody ny olon-dehibe, manaram-po amin’ny sigara na paraky sy ny toaka, dia tsy hitako izay antony handrarana ahy tsy hifoka “marijuana” na hampiasa zava-mahadomelina.” Ahoana no fiheveranao an’izany? Mino ve ianao fa hahatonga anao hahita tsirony kokoa eo amin’ny fiainana ny zava-mahadomelina?

IREO ZAVA-MAHADOMELINA BE MPITADY INDRINDRA

3-9. a) Manonòna zava-mahadomelina vitsivitsy izay tadiavin’ny olona noho ny fahafinaretana andrasany avy aminy. Inona avy no vokany? b) Moa ve ianao mahafantatra zavatra nitranga tamina mpampiasa zava-mahadomelina izay manamarina ny maha-ratsy an’ireny zavatra ireny?

3 Maro ary isan-karazany ireo zava-mahadomelina tadiavin’ny olona mba hahasambatsambatra azy, araka ny fanantenany. Tsy isalasalana fa efa nandre firesahana betsaka ny amin’izany ianao. Hojerentsika ny sasantsasany amin’ireny zavatra ireny.

4 Ao ny “barbiturique”. Izany dia fampitonena, izay omen’ny mpitsabo indraindray mba hampatoriana. Karazany roapolo mahery no fantatra amin’izany ary any Etazonia fotsiny dia 470 taonina no amboarina isan-taona, ka ny ankabetsahany dia hameno ny varo-maizina.

5 Ampisaina be dia be koa ny fanafody fanaitairana izay ny lehibe indrindra aminy dia ny “amphétamines”. Manome azy io ny mpitsabo sasany mba hampitsaharana ny fahazotoan-komana, hampihenana ny havizanana na hanasitranana ny fahaketrahana. Tombanana ho ny antsasaky ny fanafody amboarina ara-dalàna no mandeha any amin’ny varotra an-tsokosoko.

6 Amin’ireo zavatra am-polony maro mampahita zavatra tsy misy dia tsy isalasalana fa ny L.S.D. a no mahery indrindra. Labôratoara miafina maro no nikarakara ny fanamboarana izany tao anatin’izao taona faramparany izao. Hafahafa tokoa ny vokany. Aoka homarihina manokana ny fahasimban’ny fahitana. Miseho ny fiovan’ny fijery sy ny fahitan-javatra tsy misy indraindray rehefa afaka volana vitsivitsy atỳ aorian’ny nampiasana azy farany. Mety hahita zavatra mahatahotra ilay olona ao anatin’ny “dia ratsy” miaraka amin’ny L.S.D..

7 Ny “marijuana” zavatra nalaina avy amin’ny “cannabis” (rongony indiana) dia iray amin’ireo zava-mahadomelina be mpampiasa indrindra maneran-tany. Mahalala olona mifoka an’izany ve ianao? Kely kokoa noho ny an’ny L.S.D. ny heriny, nefa mampiova ny fomba fijery koa ny “marijuana”. Ny olona iray eo am-pifohana “marijuana” indraindray dia mahatsapa fa maharitra toy ny adiny iray ny dimy minitra. Toa mahery kokoa aminy ny feo sy ny loko.

8 Ny “héroïne” indray dia azo avy amin’ny “morphine” nalaina avy amin’ny opioma (zava-mahadomelina avy amin’ny “pavot” mampatory). Zava-mahadomelina mampidi-doza tokoa ny “héroïne”. Tsindrona vitsivitsy monja dia ampy mba hahatonga ny olona iray ho za-dratsy voatosika hitsindrona tsy tapaka, ka raha tsy manao an’izany izy dia tratran’ny horohoro ateraky ny tsy fahampiana. Tsapan’ny mpampiasa “héroïne” fa mihafoana ny fahasahiany sy ny fahaizany manao zavatra. Manjary andevon’ny fahazarana izay hanimba tsikelikely izy. Izao no nosoratan’ny olona ambony iray any New York, mpikambana ao amin’ny Kongresy amerikana: “Nanimba ny fiasan’ny rafi-pampianarana eto amintsika ny ‘héroïne’.”

9 Misy zavatra hafa maro be izay heverina hahatonga ny fiainanao hahasambatra kokoa. Aoka hotononintsika koa ny “cocaïne” sy ny “nicotine”. Azo atao ve ny mampiasa an’ireny zavatra ireny? Araka ny nahitana azy tao amin’ny toko teo aloha dia tsy manameloka ny fampiasana amin’ny antonony ny zava-pisotro misy alkaola ny Baiboly; somary mampitony sy ‘mampifaly ny fo’ izany amin’izay. Nefa fahendrena sy fahamalinana ve ny fampiasana ny anankiray amin’ireo zava-mahadomelina maro isan-karazany misy amin’ny androntsika, noho ny faniriana hahita fifaliana misimisy kokoa eo amin’ny fiainana fotsiny?

MISY ILÀNA AZY VE IREO ZAVATRA IREO?

10-12. a) Azo ampiasaina amin’ny antony ara-pitsaboana ve ireny zavatra ireny? b) Nefa ahoana no holazaina ny amin’ny fanaranam-po amin’ny zava-mahadomelina?

10 Misy ilàna azy ireo zavatra ireo. Mety hanoro hevitra anao hampiasa izany ny mpitsabo iray noho ny toe-pahasalamanao. Raha manaintaina mafy ianao dia angamba hotsindronina “morphine” mba hampitonena ny fanaintainana. Hita fa mandaitra ny “barbituriques” sy ny “amphétamines” amin’ny toe-javatra sasany. Ary any amin’ny tany sasany dia ampiasaina ny “héroïne” mba hampitonena ireo voan’ny homamiadana eo amin’ny ambaratonga farany amin’ny aretiny.

11 Nefa, etsy an-danin’izany, ny zava-mahadomelina dia mahatonga fandravana mahatsiravina. Araka ny fanombantombanana sasany, dia misy iray tapitrisa eo ho eo any Etazonia ny mpampiasa “barbituriques” ary maherin’ny telo arivo isan-taona no maty amin’izany noho ny fihoaran’ny fatra ampiasainy. Raha ny amin’ny fahazaran-dratsy amin’ny “héroïne” indray, izy io dia tsy hoe miteraka fahafatesana tampoka maro be isan’andro fotsiny noho ny vokatry ny fampiasana azy mihoa-pampana, fa nampivarilavo olona za-dratsy aminy an’aliny maro amin’ny heloka bevava koa. Mba hanomezana fahafahampo ny filan-dratsiny andaniam-bola be, ireo mpitia zava-mahadomelina any New York dia manao halatra tafakatra ho telo tapitrisa dôlara mahery isan’andro amin’ny antsalany.

12 Inona no fanatsoahan-kevitra avy amin’izany? Tokony hofoanana ve ireo zavatra ireo? Tsy izay loatra satria maro amin’izy ireny no misy ilàna azy. Ny olana lehibe dia ny fampiasana mihoa-pampana, ny fanaranam-po ataon’ny ankamaroan’ny olona aminy. Misy olona an-tapitrisany maro mampiasa izany nefa tsy manana aretina na inona na inona hanamarinana ny fampiasany azy akory. Mampiasa fatrany be loatra izay tsy ekena amin’ny fitsaboana mihitsy izy ireny. Matetika ny mpampiasa azy no maniry hahatsapa fanonofinofisana fotsiny na ho tonga amin’ny karazam-pahatorantoranana.

NY ASANY EO AMIN’NY TENAN’NY OLONA

13-17. a) Araka ny lazain’ireo boky momba ny fitsaboana, inona, raha ny marina, ny fanafody? b) Nahoana ny fampiasana azy no loza setraina fantatra mialoha? d) Asehoy fa mahatonga antsika hahita izay heverin’Andriamanitra momba ny fampiasana zava-mahadomelina ho fahafinaretana na hahavery dia ireto andinin-teny manaraka ireto: 2 Korintiana 7:1; Romana 13:13; 12:1.

13 Fantatrao tsara fa maro amin’ireny zavatra ireny no tsy azo raha tsy misy fanomezan-dalana avy amin’ny mpitsabo ary ny sasantsasany aminy dia voarara any amin’ny tany maro. Mba ho fiarovana antsika rehetra izany. Mety hampidi-doza tokoa ireny zavatra ireny ary mahafaty mihitsy aza indraindray. Toy ny sabatra roa lela izy ireny, izany hoe hanasitrana izy amin’ny toe-javatra sasany fa amin’ny hafa kosa, hanimba ary mety hamono hahafaty aza. Ao amin’ny boky iray navoaka amin’ny teny anglisy (Drugs) ary mpampianatra momba ny fanamboarana sy ny fampiasana fanafody ny anankiray amin’ireo mpanoratra azy, dia izao no azo vakina:

14 “Poizina avokoa ny fanafody rehetra ary fanafody avokoa ny poizina rehetra. Tsy noho ny kisendrasendra raha toa ny teny hoe ‘poison’ (poizina) sy ‘potion’ (fanafody) ka avy amin’ny fototeny latina iray ihany, na ny fototeny grika pharmakon, hita ao amin’ny teny hoe ‘pharmacie’ sy ‘pharmacologie’ dia nanondro ny zava-pisotro manasitrana sy mahafaty tany am-boalohany.

15 Araka izany, na dia marary aza ianao, isaky ny mampiasa fanafody anankiray ianao dia misetra loza voavinavina mialoha. Koa satria tianao ny fiainana dia tsy isalasalana fa hanaiky hanao vy very ianao ary hampiasa fanafody afaka mampitony anao na manatsara ny fahasalamanao. Nefa mino ve ianao fa manana zo hitelina, hifoka, hitroka na hitsindrona zavatra iray noho ny fikendrena fotsiny ny hahita fahafinaretana na hahatonga anao hanadino ny zava-misy na hitondra anao any amin’ny tontolon’ny nofinofy fotsiny? Nomen-dalana ve ianao hampiasa toy izany ny tenanao, dia io fitaovana mahagaga nomen’Andriamanitra anao io? Moa ve ny fampiasana ny vatana toy izany mifanaraka amin’izay tian’Andriamanitra?

16 Alao sary an-tsaina hoe manolotra fanomezana tsara dia tsara ho an’olona iray ianao, ohatra fiarakodia vaovao tanteraka. Hanao ahoana ny fihetsikao raha mahita io olona io minia manimba ilay fiara? Alao sary an-tsaina hoe entiny ilay izy nefa tsy soloany mihitsy ny menaka na ampiasainy koa izany mba hitaterana zezika. Tsy isalasalana kely akory fa ho tezitra mafy ianao mahita azy manimba toy izany ilay fiarakodia tsara tarehy. Ary Jehovah Andriamanitra? Inona no inoanao fa ho tsapany raha toa isika manimba ny tenantsika amin’ny poizina iray, tsy misy ilàna azy, mba hahitana fahafinaretana na hahazoana karazana fahasambarana tanteraka? Asehon’ny Teniny antsika ny fihetsiny, amin’ny alalan’izao torohevitra izao: “Aoka isika hanadio ny tenantsika ho afaka amin’ny fahalotoana rehetra, na amin’ny nofo na amin’ny fanahy, ka hahatanteraka ny fahamasinana amin’ny fahatahorana an’Andriamanitra.” (2 Korintiana 7:1). Araka izany àry, ny fiainantsika dia tsy hifanaraka amin’ny sitrapon’Andriamanitra raha toa, noho ny hetahetam-“pahafinaretana”, ka ampidirantsika poizina mandoto azy ny tenantsika.

17 Eritrereto ihany koa izao. Hitantsika tao amin’ny toko teo aloha fa melohin’ny Mpamorona ny fimamoana. Tena mazava tokoa ny Teniny amin’io lafiny io. Izay tsy mahafehy tena noho ny fisotroana tafahoatra dia manimba ny fahamendrehany. Matetika ny mpimamo no latsaka ao anatin’ny fahalotoam-pitondrantena ary mitondra tena toy ny adala ka manakorontana izay rehetra manodidina azy. Rariny àry raha manameloka ny fimamoana ny Mpamorona. Mino ve ianao fa ho hafa ny fihetsik’Andriamanitra rehefa tsy manana fifehezan-tena ny tena rehefa avy nampiasa “héroïne”, “marijuana” na zava-mahadomelina hafa? Na dia tsy mitovy tanteraka amin’izay ateraky ny alkaola aza ny toetoetra ateraky ny zava-mahadomelina dia mbola marina ihany fa mety tsy hanana fifehezan-tena mihitsy ny tena amin’ireo zavatra ireo, ary toy ny amin’ny fahamamoana amin’ny alkaola koa izany raha tsy mihoatra aza. Noho ireo torohevitra tsara dia tsara ao amin’ny Baiboly, araka izany, no ahatsapana hoe tena fahendrena sy fahamalinana tokoa ny hitandreman-tena tanteraka amin’ny “fahafinaretan’ny” zava-mahadomelina.

ARY NY SIGARA SY PARAKY?

18-21. a) Nahoana no olona maro be no mifoka, nefa efa mahafantatra tsara fa mampidi-doza ho an’ny fahasalamana ny fahazarany? b) Manomeza, fara faharatsiny, antony roa maha-ratsy ny ifohan’ny kristiana.

18 Nefa tsy isalasalana fa hanontany ianao hoe: “Ahoana àry no holazaina ny amin’ny fampiasana ny sigara sy paraky izay misy zavatra manimba antsoina hoe “nicotine”? Olon-dehibe am-polony tapitrisa maro no mifoka mba hahitana ‘fahafinaretana’, araka ny filazany. Tsara ve izany?” Tsia dia tsia tokoa, araka ny asehon’izao fampitandremana eo amin’ny fonon-tsigara amidy any Etazonia izao: MAMPIDI-DOZA HO AN’NY FAHASALAMANA NY FIFOHANA. Ary marina izany, na aiza na aiza tany onenanao. Nahoana amin’ny fanaranam-po amin’ny sigara sy paraky, no olon-dehibe maro no manome ohatra ratsy aoka izany ho an’ny zatovo sady manimba ny fahasalamany koa amin’izany? Ny antony lehibe indrindra dia noho izy ireny lasa za-dratsy (toscicomanes). Izao no nosoratan’ny zavatra vita an-tsoratra momba ny siansa (Science World) iray:

19 “Ny zavatra (...) izay mahatonga ny fahazaran-dratsy dia ny nicotine (...). Rehefa tsy mahazo ny anjara ‘nicotine’ ilainy ny vatana dia mitaky izany. Hitaky aoka izany izy ka rehefa tsy misy azy aza ny tenan’ilay olona dia manjary marary. Miseho ny fikorontanana, fambara tsy fahampiana (...). Ny sasantsasany amin’ireny fambara ireny dia ny fatoritoriana, ny aretin’andoha, ny maloiloy, ny fahatsembohana ary ny fidobodoboky ny fo tsy ara-dalàna.”

20 Mazava fa manimba ny vatana ny fahazarana mifoka. Anankiray amin’ireo ‘fahalotoan’ny nofo’ izay tokony hanadiovan’ny kristiana tena izany, araka ny nandidian’ny Mpamorona azy. Hiteny anakampo angamba ianao hoe tena tsy tsara toerana mihitsy ireo olon-dehibe mba hanameloka ny tanora izay manapoizina ny tenany amin’ny zava-mahadomelina. Marina ny voalazanao. Raha manimba tena amin’ny “nicotine” ireo ray aman-dreny, ahoana no ahafahany manantena ny handraisan’ireo tanora am-po izay rehetra mety holazainy aminy momba ny ilàna hifadiana ny zava-mahadomelina? Nefa, na inona na inona atao na lazain’ny sasany, dia Andriamanitra no hampamoaka ny tsirairay avy amintsika. Ary araka ny voalaza ao amin’ny Baiboly dia mbola misy antony iray hafa maha-ratsy ny mifoka ho an’ny kristiana iray.

21 Manome izao baiko izao ny Baiboly: “Tiava ny namanao tahaka ny tenanao.” (Matio 22:39). Nefa ny fitiava-namana ve azo ampifanarahina amin’ny fifohana eo anatrehany? Matoa milaza izany fanontaniana izany isika dia noho ireo fampitandremana raketin’ny zavatra vita an-tsoratra ara-pitsaboana sasany, toy ny Medical Tribune, ohatra, izay toy izao ny tapany aminy: “Tsy hoe misy vokany manimba eo amin’ny fahasalaman’ilay mpifoka fotsiny ny fifohana sigara fa eo amin’ny fahasalaman’izay rehetra eo akaikiny eo koa ka voapoizina tsy nahy.” Izao no nosoratan’ny revio ara-pitsaboana hafa iray: “Rehefa kely ny rivotra mivoivoy, tahaka ny fahita amin’ny ankapobeny, ny fisian’ny mpifoka anankiray dia fandrahonana tsy azo atao tsirambina ho an’ny fahasalaman’ny tsy mpifoka.” Koa satria manimba ny manodidina an’ilay mpifoka koa ny fahazarana mifoka, moa ve tsy mazava fa tsy hety ny hoe sady mpifoka no olona tia ny namany amin’ny fitiavana marina?

HAFA NOHO IZANY VE NY “MARIJUANA”?

22-25. a) Amin’ny ahoana ny fiasan’ny “marijuana” no hafa noho ny an’ny alkaola na dia ampiasaina amim-pandanjalanjana aza izy io? b) Amin’ny fampitandremana antsika amin’ireo fahazarana manimba, ahoana no anampian’Andriamanitra antsika mba handray soa be indrindra avy amin’ny fiainantsika (Isaia 48:17; Salamo 16:11; Ohabolana 3:1-7)?

22 Misy zatovo manana fironana hampitaha ny “marijuana” amin’ny alkaola. Indraindray dia hitany ireo ray aman-dreniny na olon-dehibe hafa manjary somary falifaly rehefa avy nisotro ka manatsoaka avy amin’izany izy fa tsy dia misy fahasamihafana firy eo amin’ny fisotroana alkaola sy ny fifohana “marijuana”, izay mitovitovy ihany ny vokany.

23 Aoka hotsahivintsika fa na dia tsy manameloka ny fampiasana amin’ny antonony ny zava-pisotro misy alkaola aza ny Baiboly dia mifanohitra amin’izany, fa manameloka izay rehetra mety ho fanaranam-po amin’io lafiny io izy, amin’ny filazana fa ny “mpimamo (...) dia tsy mba handova ny fanjakan’Andriamanitra.” (1 Korintiana 6:9, 10.) Nefa misy tanora maro milaza fa tsy mampiasa “marijuana” afa-tsy amin’ny antonony ihany izy ary tsy mbola nifoka an’izany hatramin’ny fahamamoana mitovy amin’ny fahamamoana amin’ny toaka. Nefa tsy azo atao ny mampitovy karazana ny “marijuana” sy ny alkaola. Ovan’ny vatana ho zavatra “mety mirehitra” izay mirehitra any anatin’ny tambatsela ny alkaola. Sakafo ny alkaola. Tsy misy ilàn’ny tenan’olombelona ny “marijuana” kosa anefa. Etsy an-danin’izany, ny alkaola dia tsy mijanona maharitra ao anatin’ny selan’ny vatana sy ny atidoha. Foana ao anatin’ny ora vitsivitsy izy. Mifanohitra amin’izany kosa fa ela vao levona ny zavatra manapoizina ao anatin’ny “marijuana” ary miteraka fahasimbana ao amin’ny tena. Misy tapany amin’ny taratasy ho an’ny tonian’ny fanoratana ny New York Times momba izany avy amin’ny dokotera enina ao amin’ny sampam-pianarana momba ny fitsaboana ao amin’ny oniversiten’i Columbia ity:

 “Ny marijuana dia misy zavatra manapoizina (...) izay tsy levona raha tsy ao anaty menaka ary lasa miangona ao anatin’ny tambatselan’ny vatana, anisan’izany ny atidoha, mandritra ny herinandro sy volana maro, toy ny D.D.T. Angonin’ny tambatsela amin’ny fatrany miavosa izany zavatra izany, — izany no antony mampiadana ny fiasany manimba eo amin’ny mpifoka za-dratsy. Na iza na iza mampiasa an’izany mihoatra ny indray mandeha isan-kerinandro dia tsy afa-miala amin’ny fahazoana poizina.”

24 Izany no nahatonga ny dokotera Robert Heath ao amin’ny Oniversiten’i Tulane hilaza ho “mahatsikaiky” ny fampitahana ny alkaola sy ny “marijuana”. Nambarany fa manana “vokany miserana ny alkaola. Ny marijuana kosa dia fantatra amin’ny vokany maharitra.” Mazava, araka izany, fa ny “marijuana” dia misy vokany manimba na dia ampiasaina amin’ny antonony aza nefa atao tsy tapaka, araka ny ahatsapan’ny gazety iray any Detroit (Free Press) azy, izay manoratra toy izao: “Misy mpanao fikarohana momba ny fitsaboana manamarika fahitan-javatra vaovao, izay mampiseho fa ny ‘marijuana’ sy ny zokibeny [ny ‘haschisch’] dia tena mampidi-doza ho an’ny fahasalamana ara-batana sy ara-tsaina tokoa rehefa ampiasaina tsy tapaka, na dia indray mandeha na indroa isan-kerinandro monja aza.”

25 Eny, afaka mankasitraka ny Mpamorona antsika isika noho ireo fotopoto-pitsipika tsara dia tsara nomeny antsika. Noho ny fitiavany antsika no nampitandreman’Andriamanitra antsika mba hifady izay rehetra mandoto ny tenantsika ary, ambonin’izany, manimba fa tsy manome fifaliana sy fahasambarana maharitra ho antsika. Raha misy zavatra mety hanamaivana ny marary, dia aza hadinoina fa tena hanimba an’ireo izay mampiasa izany noho ny fahafinaretana azony avy amin’izany fotsiny izy ireny. Tsy mampiditra ao amin’ny tena fiainana ireny zavatra ireny.

[Fanamarihana ambany pejy]

a Diéthylamide de l’acide lysergique.

[Fanontaniana]

[Sary, pejy 108]

[Sary, pejy 113]

Satria ve olon-dehibe an-tapitrisany maro no mifoka dia tsy maintsy mifoka koa ianao?