Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Mampiharihary ny maha-ianao anao ny fisehoanao ivelany

Mampiharihary ny maha-ianao anao ny fisehoanao ivelany

Toko faha-7

Mampiharihary ny maha-ianao anao ny fisehoanao ivelany

1-4. Nahoana ny fisehoantsika ivelany no mety hampiharihary ny maha-isika antsika? Manomeza ohatra.

 MBOLA tsy nankasitraka mihitsy ny loko samy hafa sy miramiran’ny tanety voatentina voninkazon-dohataona ve ianao na talanjona tamin’ny fahitana ny loko mahafinaritra isehoan’ny trondro vahiny? Ny fahitana zava-mahatalanjona maro toy izany dia mampiaiky antsika fa tia karazan-javatra sy hatsaran-tarehy ny Mpamorona antsika. Tsy iriny hanjombona na ho matroka na ho ranoiray ny zavatra rehetra. Ary mahaliana aoka izany ny mahita ny fahasamihafana lehibe eo amin’ny lamaody sy ny zavatra tiana eo amin’ny olona manerana izao tontolo izao! Nefa efa mba naka fotoana ve ianao hanontaniana tena hoe hatraiza ny fisehoanao ivelany no mety hampiharihary ny maha-ianao anao?

2 Fony ianao mbola kely dia azo inoana fa tsy nampiseho ny tena maha-ianao anao ny fisehoanao ivelany satria ireo ray aman-dreninao no nifidy ny fitafiana sy ny taovolonao. Nefa rehefa nandeha ny fotoana dia namela anao hanome ny hevitrao momba ny fisafidianana ny fitafianao sy ny fomba fanamboarana ny volonao izy ireo. Nanomboka nilaza izay tianao amin’izay àry ianao, ary nanjary nihanampiseho bebe kokoa ny taratry ny maha-ianao anao ny fisehoanao ivelany. Mampiseho inona àry ny fisehoanao ivelany?

AZA MIOVAOVA

3 Izay mirehareha loatra ny amin’ny tenany dia miahy ny fanarahana lamaody mihoa-pampana amin’ny ankapobeny. Mitady izay “hisongonana” ny hafa izy amin’ny fomba fiakanjony. Nefa mety hiseho amin’ny fitafiana tsy misy fotony ihany koa ny fisehosehoana sy ny fihamboana. Marina fa misy ny manao tsirambina ny fisehoany ivelany noho ny hakamoana fotsiny; nefa misy koa hafa manao izany noho ny fizahozahoana ka mampiseho amin’izany ny tsy firaharahan’izy ireo ny hevitry ny hafa. Soa ihany fa misy, eo anelanelan’ireo fihetsika roa mihoa-pampana ireo, ny antonony izay tsy mihevi-tena ho zavatra loatra sady mampiseho fiheverana ireo mpiara-belona aminy. Mitafy araka ny mety izany olona izany ary tsy manintona ny saina ny fiakanjony.

4 Mahatsiaro ho voatery hiakanjo mifanaraka amin’ny lamaody farany ny tanora sasany mba tsy ho hita hoe “nilaozan’ny toetr’andro”. Nefa misy azo idirana eo anelanelan’ny fisehoana ho “tsy te hiala mihitsy amin’ny mahazatra” sy ny fisehoana ho “mpanara-driandrano”. Raha mitoetra eo amin’io toerana antenatenany io ianao dia hahay hitafy amin’ny fomba mety tsy mila manavao ny akanjonao rehetra akory amin’izay fiovana kely eo amin’ny lamaody, toy ny sariolona iray izay mihetsika isaky ny sintonina ny iray amin’ireo kofehy mampihetsika azy.

5-7. a) Iza no tena mahazo tombontsoa amin’ny fanarahantsika akaiky ny lamaody? b) Na dia tsy manana afa-tsy vola kely ihany aza isika, amin’ny ahoana moa ny fitafiantsika no mety hampiseho fanajana ny tenantsika? d) Amin’ny ahoana ireo fotopoto-pitsipika voarakitra ao amin’ny Filipiana 2:3, 4 sy Romana 15:2 no azo ampiharina eo amin’ny fomba fitafy?

5 Eritrereto kely. Iza no mahazo tombontsoa amin’ny fanarahana akaiky dia akaiky ny lamaody? Ny mpanjaitra izay namorona ny modely sy ny mpivarotra izay mahalafo azy. Tombontsoa iray ihany no mitarika azy ireny: hanangona vola. Raha manaiky holalaovin’ireny olona tia vola ireny ianao dia hanan-karena amin’ny volanao izy ary tsy handray ny tena tombontsoa ianao na dia kely aza.

6 Nefa, hoy angamba ianao, misy tombony kokoa ny fitafiana tsy voakaly satria tsy dia lafo; koa aoka ianao hiova hevitra satria mety hovidinao lafo izany. Raha toa ka tsy mahafa-po tokoa ny fitafianao dia mety hamoy asa na ny fanajan’ny manodidina anao ianao. Na dia ny akanjo mora vidy aza ka madio sady tsotra dia hita fa manaja. Hahazoanao ny fanajana sy ny fatokian’ny mpiara-belona aminao koa ny fitafiana ara-dalàna.

7 Manome antsika fitsipi-pitondrantena tsara dia tsara, mety amin’ny toe-javatra rehetra, ny Baiboly ao amin’ny Romana 15:2. Toy izao izany: “Aoka isika rehetra samy hitady izay hahafaly ny namantsika amin’izay hahasoa sy hampandroso azy.” Aza hadinoina fa mahita antsika kokoa noho ny tenantsika ny hafa. Amin’izany, tsy aleo ve manao izay hahatonga ny tena ho olona maha-te-hijery? Hasehontsika fa manana fiheverana an’ireo mpiara-belona amintsika isika fa tsy isika indray no hanao izay hahasanganehana azy ireo amin’ny fomba fitafintsika.

FANTATRA TAMIN’NY FITAFIANY

8-11. a) Amin’ny ahoana ny karazan’olona sasany no fantatra amin’ny fitafiany? b) Noho izany, tonga amin’ny fanatsoahan-kevitra hoe ahoana ny olona noho ny fisehoantsika ivelany, ary mety hahita fahasahiranana inona isika amin’izany?

8 Mbola mampiseho zavatra hafa koa ny fomba fitafinao. Mampitovy anao amin’ny kilasin’olona toy izao na karazan’olona toy izao izy io. Efa marina izany tamin’ny fotoana nanoratana ny Baiboly, an’arivony taona maro lasa izay. Ohatra, ao amin’ny boky faharoan’ny Mpanjaka, dia misy firesahana ny amin’ny iraka nalefan’i Ahazia mpanjaka, iraka izay raha vao tafaverina teo amin’ny mpanjakan’izy ireo, dia niresaka taminy ny amin’ny nihaonany tamin’ny lehilahy iray izay nampitondra hafatra azy ireo. Nanontany azy ireo toy izao àry ilay mpanjaka: “Lehilahy toy inona izay niakatra nitsena anareo izay?” Raha vao nilazalaza ny amin’ny fitafiany izy ireo dia nihiaka toy izao ny mpanjaka: “Elia Tisbita izay”. Ahoana no nahafantarany azy? Noho ny akanjo fanaon’ny mpaminany izay nanaovan’i Elia. — 2 Mpanjaka 1:2, 5-8.

9 Tsy misy mahamenatra akory ny hoe fantatra ho mpaminany. Mifanohitra amin’izany, ny ohatra ara-baiboly hafa iray dia mampiseho fa mety hampitovy izay manao azy amin’ny olona iray tsy dia mendrika loatra ny fitafiana. Noho ny antony voafaritra tsara no nialan’i Tamara, vinantovavin’i Joda, tamin’ny akanjony tamin’ny naha-mpitondratena mba hanaovana salotra sy fisalobonana ka nandehanany nipetraka teo amoron-dalana. “Ary hitan’i Joda izy ka nataony fa vehivavy janga, satria efa nanarona ny tavany (tamin’ny fisalobonana) izy.” Nitovy tamin’ny mpivaro-tena tamin’izany andro izany ny fisehoany ivelany. — Genesisy 38:13-15.

10 Sahala amin’izany koa amin’izao andro izao; mety hampitovy antsika amin’ny kilasin’olona iray ny fitafiantsika na dia tsy manao ny fanaony sy tsy miombon-kevitra aminy aza isika. Ny fisehoantsika ivelany dia hampino fa mifanaraka amin’ireo izay manao fitafy toy izany isika fara fahakeliny. An’iza ny fahadisoana?

11 Tsy ny pôlisy, ny mpamonjy trano may ary ny mpanampy ny mpitsabo ihany akory no manao fitafiana miavaka amin’ny olon-kafa; manana ny fitafiana hamantarana azy koa ireo izay manao asa mahamenatra. Ankavitsiana amin’izao androntsika izao ny mpivaro-tena manao salotra na fisalobonana, toy ny nataon’ireo vehivavy ratsy fitondrantena tany Kanana, efa ho 3500 taona lasa izay. Kanefa ny fitafiana manara-tena sy mihantsy anaovan’izy ireny dia tsy mamela hisalasala mihitsy ny amin’ny “asa” fanaony. Miavaka amin’ny fitafiany koa ireo mpitolona sy ireo mirehitra fatratra amin’ny politika. Toy izany koa ny lehilahy mandry amin’ny lehilahy sasany. Tiantsika ve ny ho anisan’ny anankiray amin’ireny karazan’olona ireny? Nefa raha manao fitafiana mitovy amin’ireny olona ireny isika ka mahita fahasahiranana amin’ny fahitana asa na amin’ny fandraisana tombontsoa eo anivon’ny kongregasiona kristiana, inona no tokony hahagaga amin’izany?

ANTONY INONA AVY NO TOKONY HANAN-KERY EO AMIN’NY FIFIDIANANA TAOVOLO?

12-15. a) Ny taovolon’iza no manintona manokana ny saina amin’izao androntsika izao ary nahoana? b) Inona no zava-kendren’ny torohevitra omena ao amin’ny 1 Petera 3:3? d) Inona no hevitry ny 1 Korintiana 11:14, 15? Ahoana no hampiharanao an’izany amin’ireo fironana ankehitriny? e) Mety hoheverina ho karazan’olona manao ahoana moa ny lehilahy manana taovolo toy ny an’ny vehivavy?

12 Misy fomba maro hanaovana ny volo. Niova arakaraka ny tany sy ny fotoana ny taovolo nandritra ireo taonjato. Nefa, hoy angamba ianao, misy maha-zava-dehibe azy tokoa ve raha amboarina amin’ny fomba toy izao na amin’ny fomba hafa ny volontsika? Izany dia izany tokoa. Nanana taovolo hafahafa ny olona indraindray rehefa natosiky ny avonavona. Noho izany antony izany no niheveran’ny apostoly Paoly sy Petera fa mety ny hanoroana hevitra ireo vehivavy kristiana mba hitandrin-tena amin’izay mety ho fanao hafahafa sy tsy haneho fiheverana mihoa-pampana ny taovolon’izy ireo. Nanoratra toy izao i Petera: “Aoka ny firavahanareo tsy ho zavatra eny ivelany, toy ny firandranam-bolo sy ny firava-bolamena.” — 1 Petera 3:3.

13 Voamarika fa nandritra ny taona maromaro, ny taovolon’ny zatovolahy, — indrindra fa ny volo lava sy ny vaoka (favoris) — dia manintona aoka izany ny saina. Nefa tamin’ny andron’ny Baiboly, moa ve tsy fomban’ny lehilahy ny nanao volo lava kokoa tsy toy ny amin’ny andro ankehitriny any amin’ny ankamaroan’ny tany? Tsy isalasalana fa izany no izy, nefa ny marina ihany koa dia hoe fohy kokoa noho ny an’ny vehivavy foana ny volon’ny lehilahy hatramin’izay. Izany no nahafahan’ny apostoly Paoly nilaza toy izao, rehefa nanoratra ho an’ny kongregasiona tany Korinto izy: “Tsy mampianatra anareo va izao fomban’ny zavatra rehetra izao [ny natiora, MN] fa raha lava volo ny lehilahy, dia mahafa-boninahitra azy izany? Fa raha lava volo kosa ny vehivavy, dia voninahitra ho azy izany?” (1 Korintiana 11:14, 15). Ahoana no ampianaran’ny “natiora” antsika an’izany?

14 Voalohany indrindra, eo amin’ny olona manana volo olioly, toy ny Semita sy ny Eoropeana izay niresahan’i Paoly tao amin’ny taratasiny, dia tsapa fa misy tena fahasamihafana eo amin’ny halavana voajanaharin’ny volo eo amin’ny lehilahy sy ny vehivavy. Fohy kokoa ny volon’ny lehilahy matetika. Etsy an-danin’izany, ekena amin’ny ankapobeny fa “voajanahary”, mety ary sahaza ny lehilahy ny manapaka ny volo amin’ny halavana mety, izany hoe fohy kokoa noho ny an’ny vehivavy. Tsy ara-dalàna na voajanahary ho an’ny lehilahy na ny ankizilahy iray ny fananana volo lava mitovy amin’ny an’ny ankizivavy. Mifanohitra amin’izany, fa io lamaody io dia soritra iray mampiavaka ny fotoana (sy ny tany sasany) izay nampirongatra be ny sodomia. Kanefa asehon’ny Baiboly fa fanao “tsy araka ny natiora”, manafintohina ary fahavetavetana eo imason’Andriamanitra ny fandrian’ny lehilahy amin’ny lehilahy. — Romana 1:26, 27.

15 Hilaza ve isika fa fameperana mafy loatra izany? Tsy izany mihitsy, fa toy ny amin’ny lafin’ny fitafiana dia misy karazana taovolo mety sy mahafinaritra nefa tsy hafahafa na “tsy araka ny natiora”. Azo atao àry ny manao ny volo amim-pahaiza-mifidy zavatra sy amin’ny fomba samy hafa amin’ny fijanonana eo amin’ny fetra izay heverin’Andriamanitra fa mety.

IREO ZAVATRA FANATSARANA ENDRIKA

16-19. a) Ahoana no fiheveranao ny fampiasana ireo zavatra fanatsarana endrika? b) Inona indraindray no voka-dratsin’ny zavatra toy izany? d) Ahoana no hamelan’ny fotopoto-pitsipiky ny Baiboly ny zazavavy hanana fomba fijery tsara eo amin’izany lafiny izany?

16 Nampiasa zavatra fanatsarana endrika ny olona fahiny, araka ny Baiboly. Amin’ny ankapobeny, dia manao akanjo ny olombelona, tsy hoe mba hanaronana ny vatany fotsiny fa mba hanatsarana ny fisehoany ivelany koa sy hahatonga azy hanintona kokoa. Toy izany, ireo Hebreo fahiny dia nanana fahazarana nanao zavamanitra mba hahatonga ny fisiany hahafinaritra kokoa. Voaporofo ihany koa fa nampiasa zavatra fanatsarana endrika sasantsasany izy ireny, indrindra fa ny menaka fihosotra mba hanesorana ny komavoka amin’ny hoditra sy hampamiratra azy kokoa.

17 Inona àry no havelan’ny zazavavy amin’ny andro ankehitriny izay ta-hahazo ny fankasitrahan’Andriamanitra hitarika azy? Ny torohevitra tsara dia tsara ara-baiboly milaza fa tokony hatao ‘amim-pahamaotinana sy fahononan-tena’ ny zavatra rehetra, ka hiahy ny hahatonga ny firavahany ho “toetra miafina ao am-po, izay tsy mety ho lo, dia ny fanahy malemy sady miadana [saina tony sy malefaka, MN], izay soa indrindra eo imason’Andriamanitra” izy. — 1 Timoty 2:9, 10; 1 Petera 3:3, 4.

18 Tokony ho fantatry ny tovovavy fa matetika ireo zavatra fanatsarana endrika no mampidi-doza kokoa aza fa tsy mahasoa akory. Mety hanimba volon-koditra tsara na hoditra efa marefo izy ireny. Ivelan’izany, dia matetika kokoa ireo loko atentina no manafina ny hasoan’ny fahatanorana, izay hatsarana mihoatra noho ny hosokosoka ka manampy ho amin’ny tena fahatsaran-tarehy.

19 Tsy manao afa-tsy ny mampitombo ny tsy fahalavorarian’ny endriny ireo tovovavy tia hosotrosotra be loatra. Mbola ratsy kokoa fa amin’izany izy ireo dia mety hanao izay hanakonana ny hakanton’ny maha-izy azy izay manintona kokoa sady maharitra lavitra noho ny fisehoany ivelany raha ny tena marina. Mbola mety hamitaka ny manodidina anao ny amin’ny tena maha-ianao anao koa ny fampiasana be loatra ireo zavatra fanatsarana endrika, ary mety haka tahaka ny toetra ratsin’izay manana endrika tahaka ny nanaovanao ny tenanao ianao rehefa mandeha ny fotoana.

AOKA IANAO HANAIKY HOTARIHIN’NY FOTOPOTO-PITSIPIKA MARINA

20-22. a) Tsy fitsipika fa inona no lazain’ny Baiboly momba ny lamaody? Inona no tsy maintsy atao mba hampiharana izany rehetra izany (Ohabolana 2:10, 11)? b) Nahoana ny ray aman-dreny no manana zo hametra fotopoto-pitsipika fanampiny ho an’ireo zanany?

20 Tsy milaza fitsipika hentitra na iray aza momba ny lamaody ny Tenin’Andriamanitra, nefa kosa milaza fotopoto-pitsipika ara-pitondrantena fitarihan-dalana tsara dia tsara izy. Hanao tsara ireo tanora amin’ny fitadiavana izay hananana fihetsika tsara amin’izany lafiny izany. Hanampy azy ireo amin’izany ny Baiboly.

21 Heverina fa manana zo ara-dalàna hametra fotopoto-pitsipika fanampiny ireo ray aman-dreninao. Aoka kely ange hatao hoe nolalorina loko mahatafintohina ny tranonao na hafahafa ny fitambaran’izany loko izany; tsy hanontany tena ve ny olona amin’ny farany raha salama saina ireo ray aman-dreninao? Alao sary an-tsaina koa hoe tsy voakarakara ny tranonao ary manomboka ho rava; hohajaina ve ny tompony? Nefa, mbola mihoatra noho ny trano, ny tenanao dia misolo tena ireo ray aman-dreninao. Mitondra ny anaran’izy ireo ianao ary mety hanome voninahitra azy na hanala baraka azy ny ataonao sy izay teneninao, dia toy izany koa ny amin’ny fisehoanao ivelany. Mbola zava-dehibe kokoa ihany aza fa raha milaza ho anankiray amin’ireo mpanompon’Andriamanitra ianao, dia iray amin’ireo solontenany. Moa ve ny fisehoanao ivelany mifanaraka amin’izay lazainao?

22 Eritrereto ireto tenin’i Jesosy manaraka ireto: “Raha fantatrareo izany, dia sambatra hianareo, raha manao izany”. (Jaona 13:17). Takatrao ve ireo torohevitry ny Baiboly? Aoka àry ianao hampifanaraka ny fiainanao amin’ny fitsipiky ny Tenin’Andriamanitra, ary dia tena haneho fahiratana sy herin-tsaina ianao. Ho valin’izany, dia hahita fifaliana ianao amin’ny fahafantarana fa ankasitrahan’Andriamanitra sy ny Zanany ary izay rehetra tia sy manompo ny Mpamorona, ny fitondrantenanao.

[Fanontaniana]

[Teny notsongaina, pejy 53]

Inona no asehon’ny fitafianao momba ny maha-ianao anao?