Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Nahoana no mianatra any an-tsekoly?

Nahoana no mianatra any an-tsekoly?

Toko faha-11

Nahoana no mianatra any an-tsekoly?

1-3. a) Ahoana no fiheveranao ny sekoly? b) Amin’ny ahoana no mihatra any an-tsekoly ny fotopoto-pitsipika voalaza ao amin’ny Galatiana 6:7.

 NAHOANA ianao no mankany an-tsekoly? Angamba ny toerana ipetrahanao mitaky ny handehananao any an-tsekoly mandritra ny fotoana sasantsasany; tsy misy azo isafidianana izany. Na angamba ianao mbola tsy ampy taona ka noho izany dia tsy maintsy manao izay takin’ny ray aman-dreninao.

2 Kanefa, moa ve ianao mahita antony hafa tokony hankanesana any an-tsekoly? Moa ve misy tombony hafa koa azo amin’ny fiasana tsara any an-tsekoly na ao an-tokantrano? Mety hahalala zatovo maro izay tsy mianatra afa-tsy izay ilaina mba hahombiazana angamba ianao, sa tsy izany? Kanefa ny tsy fanararaotana ny fahafahana atolotra mba hianarana dia lesoka lehibe ho azy ireo amin’ny andro sisa hiainany. Nahoana?

3 Satria izay ataon’ny olona mandritra ny fahatanorany dia misy vidiny lehibe eo amin’ny fiainany rehefa lehibe izy. Mihatra na dia any an-tsekoly aza ity fotopoto-pitsipika ara-baiboly ity: “Izay afafin’ny olona no hojinjany.” (Galatiana 6:7). Nefa mety hanontany tena ianao hoe inona no tombontsoa sasantsasany azo rehefa “mamafy” fotoana sy hery amin’ny fianarana ankehitriny?

FIOFANANA AZO AMPIHARINA

4-6. a) Nahoana moa no mahomby kokoa ny olona raha mampiasa tsara ny fahafahana hianatra any an-tsekoly (Ohabolana 21:5)? b) Amin’ireo fianarana atolotra any an-tsekoly inona, araka ny hevitrao, no mety hanampy anao indrindra amin’ny hoavy?

4 Tokony ho fantatrao fa rehefa afaka taona vitsivitsy dia tsy maintsy hamelon-tena ianao. Mety hiantsoroka ny adidin’ny lehilahy vady sady ray na ny an’ny vehivavy vady sady reny ianao? Irinao ve ny hiantsoroka izany moramora kokoa sy mahafinaritra kokoa? Azonao atao izany raha mandray soa amin’ireo taom-pianaranao ianao mba hahaizan-javatra izay hilaina rehefa lehibe.

5 Ao amin’ny sekoly maro dia misy fampianarana izay ampianarana anao ny fahalalana fototra ny amin’ny haitao samihafa. Ho an’ny zazalahy, dia mety hisy fampianarana ny amin’ny fandrafetana, ny aratra, ny tsingina (soudure), ny asa marika sns. Ny zazavavy dia afaka mianatra ny asan’ny mpitantsoratra, ny asa tokantrano toy ny fahandroana sakafo sy ny zaitra ary ny zavatra hafa misy vidiny.

6 Maro amin’ireo fiofanana ireo no mety tsy ho mora hita aorian’ny handaozanao ny sekoly. Raha mieritreritra ny any aoriana ianao dia mety ho lafo loatra aminao izany. Mety hianatra asa miaraka amin’olona izay angamba tsy ho rototra loatra amin’ny fampiofanana anao koa ianao. Noho izany, nahoana no tsy manararaotra ny fahafahana hianatra, dia fahafahana tsy maintsy atolotry ny taom-pianarana any an-tsekoly anao? Rehefa tonga ny fotoana hisafidianana ny asa hataonao, dia resaho amin’ny ray aman-dreninao izany. Azonao atao ny mandray soa amin’ny fanandraman-javatra hitan’izy ireo.

MIANARA MAMAKY TENY TSARA

7-11. a) Nahoana moa no misy vidiny manokana ny fahaizanao mamaky teny tsara? (1 Timoty 4:13; Josoa 1:8)? b) Inona moa no mety hanampy anao hanatsara ny fahaizanao mamaky teny?

7 Amin’ireo zavatra maro be ilaina izay azonao ianarana any an-tsekoly dia misy iray izay afaka hitondra fahafinaretana be ho anao. Izy io dia hanana heriny lehibe eo amin’ny fotoana sisa handehananao any an-tsekoly sy amin’ny fiainanao manontolo rehefa lehibe ianao. Izany dia ny fahaizana mamaky teny, indrindra ny mamaky teny TSARA. Ny famakian-teny tsara no fanalahidy hamahana ny karazam-pahalalana rehetra, ny hairaha ary ny fahafinaretana.

8 Isan’andro dia manoloana zavatra hovakina ianao toy ny: petadrindrina, filazana anarana na vidin-javatra, boky, gazetiboky, gazety, zavatra vita an-tsoratra ary taratasy. Ireo rehetra ireo dia mety hahasorena an’ireo tsy mahay mamaky teny tsara. Kanefa, raha mahay mamaky teny tsara ianao, dia hahita fomba mahafinaritra hanatsarana ny fiainanao.

9 Indrindra, raha toa ianao ka kristiana dia tena haniry hahay hamaky teny tsara mba hahazoana izay lazain’ny Tenin’Andriamanitra, dia ny Baiboly. Ho hitanao koa fa ny fahaizana mamaky teny tsara dia misy vidiny lehibe rehefa miresaka amin’ny hafa ny amin’ny fikasan’Andriamanitra ianao. Eny, ny fahaizana mamaky teny sy milaza hevitra tsara dia mifampiankina.

10 Aza kivy toy ny sasany anefa, raha mahita fahasahiranana eo amin’ny famakian-teny ianao. Izany dia raharaha miankina indrindra amin’ny fampiharana. Mariho amim-pitandremana ny tsipelin-tsoratra. Mamakia teny mafy matetika. Izany dia hanampy anao hahatakatra ny hevitra sy haneho ny fihetseham-ponao manokana rehefa mamaky teny ianao. Ary, raha azo atao, dia mangataha olona izay mahay mamaky teny tsara mba hihaino anao. Izany dia hanampy anao hanitsy ireo fahadisoana sy fahazaran-dratsy mitombo ao aminao.

11 Marina, fa mitaky fiezahana tokoa ny mamaky teny misosa sy tsy miakanakana. Kanefa ny fiezahanao handroso ankehitriny dia hisy valiny lehibe any aoriana. Hahita fahafahampo kokoa eo amin’ny fiainana ianao noho izany.

TOMBONTSOA HAFA AZO AVY AMIN’NY FIANARANA

12-14. a) Inona moa no vidiny azo ampiharina amin’ireo fianarana izay azonao any an-tsekoly? b) Nahoana moa ny fanerena ny tenanao hianatra no hahasoa anao any aoriana?

12 Mety tsy ho hitanao firy ny ilàna ny sasantsasany amin’ireo taranja ampianarina any antsekoly, nefa izy ireny dia hanampy anao hanitatra ny fahalalanao sady ilaina eo amin’ny sehatra hafa. Ny fianarana tantara, jeografia, tenim-pirenena maro dia hahatonga anao ho afaka hahafantatra ny amin’ny firenen-kafa sy ny toerana onenany. Ny asa marika izay heverin’ny maro ho sarotra dia tena ilaina eo amin’ny asa aman-draharaha maro. Izy io dia misy vidiny lehibe na dia ho an’ny renim-pianakaviana izay mitantana ny vola miditra sy mivoaka aza.

13 Na dia ny fianarana zavatra tsy tianao aza dia mitondra soa hafa koa. Manatanjaka ny sainao sy manatsara ny fahiratan-tsainao izany. Tsy misy hafa amin’ny siraka (muscle) amin’ny tenanao — arakaraka ny fampiasana azy no hahatonga azy ho tsaratsara kokoa. Ho hitanao hihamora tsikelikely ny fiezahana ara-tsaina ka hahavokatra kokoa. Kanefa, toy ny siraka dia mety “halemilemy” ny sainao raha tsy ampiasainao betsaka izy. Iza no maniry hanana saina donto toy izany?

14 Mety hisy vidiny manokana ho anao ve ny filofosana amin’ny fianarana? Eny, azonao atao ny mianatra mifehy tena. Mety tsy hahaliana anao izany amin’izao fotoana izao. Kanefa, toy ny efa fantatrao, dia tsy afaka hanao izay tianao hatao foana ianao. Ary marina indrindra izany rehefa tonga ny fotoana hiantsorohanao andraikitra lehibe kokoa, toy ny famelomanao ny tenanao sy ny ankohonanao. Raha toa tahaka ny mpanao fanatanjahan-tena kinga, ka azonao atao dieny izao ny mifehy ny tenanao, izany fahazarana tsara izany dia hanampy anao hahazo ny fifehezana ilainao mba hiatrehana ireo adidin’ny olon-dehibe. Ho hita mitombo amin’izany koa ny fahaizanao mampifantoka ny saina. Zavatra maro toy izany no irin’ny olona ho azo mandritra ny fahatanorany.

FIAROVANA NY FIANARANA

15-18. a) Amin’ny heviny ahoana moa ny fianarana amim-paharisihana no fiarovana ho anao (Ohabolana 13:20)? b) Nahoana no tokony haniry hanome ohatra tsara any an-tsekoly ny tanora kristiana iray (Titosy 2:6, 7, 10)? d) Fahatsinjovan-javatra inona atolotra ny kristiana moa no tokony hanosika anao hianatra sy hanangona fahalalana ampianarina any an-tsekoly (1 Jaona 2:15-17; 2 Petera 3:13)?

15 Raha ny amin’ny filofosanao amin’ny fianarana, dia misy tombontsoa hafa koa mendrika ny hosinganina manokana. Ny fianarana amim-paharisihana dia fiarovana ho anao. Amin’ny heviny ahoana?

16 Tsy isalasalana fa vavolombelona manatri-maso ny raharaha ny amin’ny fahalotoam-pitondrantena eo amin’ireo mpiara-mianatra aminao ianao. Fantatrao indrindra ny vokatra mampalahelo entin’ny faharatsiam-pitondrantena sy ny fampiasana zava-mahadomelina. Ny toe-tsaina tia fikomiana koa dia mandresy zatovo maro be.

17 Mety hanimba anao koa ny fiarahana amin’ny olona izay tsy manaja ny fotopoto-pitsipika ambony ampianarin’ny Tenin’Andriamanitra. Na dia tsy afaka misoroka tanteraka ny fiarahana amin’ireny olona ireny aza ianao dia azonao atao ny manalavitra azy aorian’ny fianaranao. Raha mihevitra amim-pitandremana ny fianaranao ianao, dia hanokana ny tapany lehibe amin’ny fotoananao malalaka ho amin’izany, ka hametra avy hatrany ny fiarahanao amin’ireny olona tsy manana fotopoto-pitsipika ireny izany. Rehefa mandeha ny fotoana, ny fahatsapan’izy ireo ny fanirianao haharitra amin’ny fianarana dia hahatonga azy hamela anao amin’ny farany. Izany dia ho fiarovana anao.

18 Fanampin’izany koa, raha fantatra ho kristiana marina ianao, ka manohy mianatra tsara, dia ho ohatra tsara ianao. Izany dia laza tsara ho anao sy ny ray aman-dreninao ary ho an’ilay Andriamanitra tompoinao. Amin’ny maha-tanora kristiana anao, dia hahita fampaherezana lehibe sy mampandroso ianao rehefa mieritreritra hoe ny fahaizana ampitomboinao sy ny fahakinganao ankehitriny dia hilaina any aorian’izao fandehan-javatra ankehitriny izao. Nahoana? Satria ahariharin’ny Baiboly fa madiva hifarana ity fandehan-javatra ratsy manontolo ity. Tsy ho ela izy io dia hosoloana ny fandehan-javatra vaovao sy marin’Andriamanitra izay hahafahan’ny olona tso-po hifaly amin’ny fiainana mandrakizay. Ao amin’io fandehan-javatra vaovao io dia ho voamarina ity fampanantenan’Andriamanitra ity: “Ary ireo voafidiko dia hanaram-po amin’ny asan’ny tànany.” (Isaia 65:22). Noho izany, ny fianarana tsara sy ny fahazarana miasa izay azonao amin’ny fahatanoranao dia hiharihary ho loharanom-pahafahampo sy fahafinaretana ho anao mandrakizay.

[Fanontaniana]

[Sary, pejy 80]

Fiofanana azo arahina mety hanomana anao ho amin’ny hoavy.