Ny fanatanjahan-tena sy ny fialam-boly
Toko faha-16
Ny fanatanjahan-tena sy ny fialam-boly
1, 2. a) Fanatanjahan-tena na fialam-boly inona no tianao manokana? b) Ahoana no ampisehoan’ireo asan’i Jehovah fa iriny ny hananantsika fiainana sambatra (Salamo 104:14-24)?
MITANA toerana lehibe eo amin’ny fiainan’ireo olona izay mandany an-davitrisany ariary maro isan-taona mba hanaovana fanatanjahan-tena sy hialana voly ny fanatanjahan-tena sy ny fialam-boly. Ary ianao? Liana amin’ny fanatanjahan-tena sy ny fialam-boly ve ianao? Tianao ve ny manao korisarisa, mandeha amin’ny lakana, milomano na manao tenisy? Na tsy izany fa ho tianao kokoa ny hiala voly amin’ny fandehanana any amin’ny trano fijerena sarimihetsika na amin’ny fijerena televiziona?
2 Ny sasany milaza fa tsy natao ho an’ny kristiana ny fahafinaretana toy izany, ary melohin’ny Baiboly ny fanatanjahan-tena sy ny fialam-boly. Ahoana no fihevitrao momba izany? Raha ny marina, ireny olona ireny dia mampiseho ny Baiboly sy ny Mpamorona azy, Jehovah Andriamanitra, tsy araka ny tena izy. Tsy manakiana ny tanora mandray anjara amim-pahafinaretana amin’ny fialam-boly tokoa ny Baiboly. Araka izany, dia milaza toy izao ny Baiboly rehefa miresaka ny amin’ny vahoaka notahin’Andriamanitra: “Ary eny an-dàlambe any an-tanàna dia ho feno ankizilahy madinika sy ankizivavy madinika milalao.” Milaza koa izy fa misy “andro natao handihizana”. (Zakaria 8:5; Mpitoriteny 3:4, Jerosalema.) Miharihary tokoa fa nataon’Andriamanitra hahitantsika fahafinaretana ny fialam-boly madio. Ambonin’izany, moa ve ny “fifaliana” tsy anankiray amin’ireo vokatry ny fanahiny (Galatiana 5:22)? Ireo fialam-boly madio àry dia tena ara-dalàna sy voajanahary tanteraka.
TOROHEVITRA MBA HAMPITOMBOANA NY FAHAFINARETANAO
3-8. a) Torohevitra mety inona momba ny fialam-boly no hitantsika ao amin’ny 1 Timoty 4:7, 8? b) Inona no ilàna ny “fampiasan-tena”, nefa inona no mety hitranga amin’ny olona iray izay manao ny fanatanjahan-tena ho zava-dehibe loatra? d) Zava-manahirana inona no mety ho hitan’izay manao fanatanjahan-tena miaraka amin’ny ekipan’ny sekoly, ary inona no hanampy anao handray fanapahan-kevitra amim-pahendrena?
3 Noho ny fitiavany, Andriamanitra dia manome antsika torohevitra izay, raha arahintsika, dia hampitombo ny fahafinaretana entin’ny fialam-boly ho antsika. Ohatra, mampitandrina antsika ny Baiboly ny amin’ireo vokatra manimban’ny hatendan-kanina raha nilaza hoe: “Aza misakaiza amin’(...) izay fatra-pitia hena.” (Ohabolana 23:20). Inty misy torohevitr’Andriamanitra hafa koa momba ny fialam-boly: “Mampiasà ny tenanao ho amin’ny toe-panahy araka an’Andriamanitra. Fa mahasoa kely ihany ny fampiasana ny tena; fa ny toe-panahy araka an’Andriamanitra no mahasoa amin’ny zavatra rehetra ka manana ny teny fikasana ny amin’ny fiainana ankehitriny sy ny ho avy koa. — 1 Timoty 4:7, 8.
4 Araka ny voalazan’ny Baiboly, “ny fampiasana ny tena”, toy ny fanatanjahan-tena, dia manana ny toerany eo amin’ny fiainantsika. Mahasoa izy io satria mampisy fifandrindrana tsara eo amin’ny fihetsehana ataontsika ary mampitombo ny fahafahantsika sy ny hery ary ny fahafahan’ny siraka (muscles) ao amintsika mihetsika. Ambonin’izany, “ny fampiasana ny tena” dia manome fialan-tsasatra tsara ho an’ny saina, indrindra fa rehefa avy nanokana ora naharitra tamin’ny fianarana ny tena. Mariho anefa fa ‘mahasoa kely ihany ny fampiasana ny tena’. Nefa inona no mety hitranga amin’ny olona iray izay tsy dia miraharaha loatra io torohevitra ao amin’ny Baiboly io, ka manaiky ho voatana tanteraka amin’ny fanatanjahan-tena?
5 Voalohany indrindra, dia mety hanao izay hampihen-danja ny fahafinaretany izy satria tsy mijanona ho fialam-boly mahafinaritra fotsiny ny fanatanjahan-tena aminy fa manjary “raharaha tena izy”. Nanambara toy izao i Bruce Ogilvie, psikôlôgy voatokana ao amin’ny fanatanjahan-tena rehefa nanoritra ireo fihenjanana vokatry ny toe-tsaina tia fifaninanana: “Nanontany ireo mpikambana vaovao ao amin’ireo ekipa folo lehibe [amerikana] mpanao “base-ball” ny tenako indray andro. Ary dia ny 87 isan-jaton’ireo mpilalao no nilaza tamiko fa naniry tsy ho nanomboka nandray anjara tamin’ny fifaninanana amin’ny “base-ball” mihitsy izy satria izany dia nanaisotra tamin’izy ireo ny fifaliana ny amin’izay noheverin’izy ireo ho lalao mahafinaritra teo aloha.”
6 Etsy an-danin’izany, ny fanatanjahan-tena sasany dia mampidi-doza, indrindra ho an’ireo zatovo eo an-dalam-pitomboana ara-batana. Araka ny voalazan’ny Science Digest dia ankizy amerikana latsaka ny 18 taona eo amin’ny 12 000 000 no mijaly noho ny aretina maharitra azo tamin’ny fanaovana fanatanjahan-tena. Nandrara ireo zanany roa lahy tsy handray anjara amin’ny fifaninanana manao baolina kitra ny anankiray amin’ireo mpilalao baolina kitra malaza indrindra any Amerika. “Ireo ray aman-dreny, hoy izy, dia tsy mieritreritra ny amin’izay rehetra mety hitranga amin’ny zazalahy anankiray. Voalohany indrindra, dia mety hody ao an-trano miaraka amin’ny nify vitsivitsy ao an-tanany izy.” Matoa manjary mampidi-doza ny fanatanjahan-tena sasany dia satria ampirisihana ny hananana toe-tsaina tia fifaninanana, faniriana handresy amin’ny fomba rehetra.
7 Efa mba nieritreritra ihany koa an’ireo karazana zatovo hifaneraseranao ve ianao raha miditra ao amina fikambanana iray mba hanao fifaninanana ara-panatanjahan-tena? Ny resaka mandeha ao amin’ny trano fiakanjoana amin’ny ankapobeny dia mihodinkodina eo amin’ny lahy sy ny vavy indrindra. Etsy an-danin’izany, ny tanora kristiana izay anisan’ny ekipa ara-panatanjahan-tena ao amin’ny sekoliny dia hifindra toerana mba hihaonana amin’ny an’ny sekoly hafa iray ary hiaraka, mandritra ny fotoana maharitraritra ihany, amina tanora izay tsy miahy firy ny hahatoky eo anatrehan’Andriamanitra. Izany no tokony hampieritreritra anao satria manantitrantitra betsaka ny amin’ny ilàna ‘hampiasana ny tena ho amin’ny toe-panahy araka an’Andriamanitra’ ny Tenin’Andriamanitra. Hanao zavatra amim-pahendrena ve ianao raha mandray anjara amin’ny asa izay mety hahatonga anao hanadino mora foana ireo fotopoto-pitsipika tsara anananao ka hanimba ny fifandraisanao amin’ny Mpamorona anao?
8 Ny fanatanjahan-tena, toy ny asa maro hafa dia tsy ratsy amin’ny maha-izy azy, raha toa ka omena toerana mety izy, izany hoe raha mbola tsy mifehy ny fiainanao koa izy ka hoe hahatonga anao hanao tsirambina ny zavatra hafa lehibe kokoa na hitarika anao ho amin’ny toe-javatra mampidi-doza. Tena mampifalifaly ny mandray anjara amin’ny fanatanjahan-tena momba ny hafainganam-pandeha, ary tsy ho finaritra ve isika mahita ny tenantsika mora manaiky ny sitrapontsika sy mampiseho fahasahiana amim-pahakingana? Izany dia fifaliana izay tsy hohadinointsika vetivety. Ambonin’izany, ny fampiasana amin’ny fomba mety ny fanatanjahan-tena dia hahatonga anao ho tia bebe kokoa ny Mpamorona anao raha tahiny ekenao fa noho izy no ahafahanao manao izany zavatra rehetra izany.
NY SARIMIHETSIKA SY NY TELEVIZIONA
9-14. a) Inona no tokony hotandremana rehefa mifidy sarimihetsika na fandaharan’ny televiziona ny tena? b) Hery mitaona inona no mety hananan’ny fampisehoana tsy mendrika iray eo amin’izay mijery izany ary nahoana? Nahoana no tsy mety ny hiheverana izany hery mitaona izany ho tsy dia mampaninona na dia fantatsika tsara tokoa aza fa ratsy ny zavatra ataon’ireo olona mpilalao ao amin’ny sarimihetsika?
9 Mety hanan-kery eo amin’ny fifandraisantsika amin’Andriamanitra koa ny sarimihetsika sy ireo fandaharana alefa ao amin’ny televiziona. Ny sasany dia fialam-boly tena mahafinaritra izay mahatonga antsika hankasitraka kokoa ireo asa mahagagan’ny Mpamorona antsika indraindray. Nefa tsy isalasalana fa voamarikao fa sarimihetsika sy fandaharana alefa amin’ny televiziona maro be no mampiseho an-tsehatra ny fanitsakitsaham-bady, ny fijangajangana, ny fandrian’ny vehivavy amin’ny vehivavy, ny firaisan’ny samy lehilahy, ny herisetra ary ny vonoana olona. Ny sasany mahita izany ho manala voly, nefa karazana hery mitaona inona no ananan’ireny fialam-boly ireny eo amin’izy ireo?
10 Manontania tena àry hoe: “Inona no mahatonga ahy ho toy izao? Moa ve tsy ny faritra nahalehibe ahy sy ny fanabeazana azoko, izany hoe izay rehetra tafiditra ao an-tsaiko, indrindra amin’ny alalan’ny masoko sy ny sofiko?” Noho izany, ny maha-ianao anao amin’ny ankapobeny dia taratr’izay mameno ny sainao. Arakaraka ny iatrehanao hery mitaona iray no ahitana taratra an’izany ao amin’ny maha-ianao anao.
11 Tsy ho tonga ao an-tsainao mihitsy ny hoe handeha hihinana fakofakon-javatra. Nefa inona no hitranga raha toa ianao ka mamahana tsy tapaka ny sainao amin’ny zavatra maloto? Tsy maintsy hanan-kery eo amin’ny fisainanao izany. Rehefa mijery sarimihetsika ianao dia miaraka amin’ny mpandray anjara ao amin’ilay sary ianao amin’izay. Nefa aza hadinoina fa ny zava-kendren’ny mpanatontosa ny sarimihetsika dia ny hiombonanao hevitra amin’ireo olona ampilalaoviny. Matetika tokoa ny sarimihetsika no mampiteraka ao aminao fiombonan-kevitra amin’ilay fototry ny lazaina ao amin’ny tantara na dia mpijangajanga aza izy io, na lehilahy mpandry amin’ny lehilahy, eny fa na dia mpamono olona aza. Maniry hifanerasera akaiky toy izany amin’ny lehilahy mpandry amin’ny lehilahy, vehivavy mpandry amin’ny vehivavy, mpijangajanga, mpanitsakitsa-bady na mpamono olona ve ianao?
12 Marina fa rehefa misy fisehoan-javatra mahery setra na tsy madio ao amin’ny sarimihetsika jerenao dia tsy isalasalana fa hiteny anakampo ianao hoe: “Tsy izaho mihitsy no hanao zavatra toy izao.” Marina fa angamba ho tafintohina ianao raha izao no sendra misy olona mampirisika anao hangalatra amin’ny namanao, handainga amin’ireo sakaizanao na hijangajanga. Nefa inona no hitranga raha toa ianao ka manohy mifanerasera ao amin’ny sary amin’ny mpangalatra, mpijangajanga, sodomita ary mankasitraka ny toe-tsaina tsy mahitsy ananan’izy ireo? Rehefa mandeha ny fotoana dia mety hahatsapa fiombonan-kevitra amin’ny karazan’olona toy izany izay vao nankahalainao tsy ela akory izay ianao. Mieritrereta kely. Ahoana no nahatongavan’ny ankamaroan’ny sodomita ho toy izany? Tamin’ny fampifantohany ny sainy amin’ny sodomia sy tamin’ny fifaneraserana tamin’olona izay manaraka an’io fanao mahamenatra io.
13 Angamba hilaza ianao fa tsy ho resin’ny fahalotoam-pitondrantena. Nefa inona no hitranga raha mankany amin’ny trano fijerena sarimihetsika miaraka amin’olona iray tsy lehilahy na tsy vehivavy toa anao ianao mba hijery sarimihetsika misy olona tsy mitsahatra ny mifanoroka, mifanafosafo na mijangajanga mihitsy aza? Inona no hataonao rehefa mivoaka ny efitrano, indrindra raha misotro zavatra misy alkaola izay mandavo ny mahery indrindra ianao ambonin’izany? Fantatrao ny valiny. Hita fa mpanao sarimihetsika maro be no toa milaza toy izao amin’ny alalan’ny sarimihetsika vitan’izy ireo: “Andao isika hanota ary holavintsika izay mety ho lalàna rehetra, eny, fa na dia ny an’Andriamanitra aza.” Moa ve izany no karazana hery mitaona irinao hekena?
14 Mihevitra amim-pahatsorana ve ianao fa tsy azo hozongozonina? Aza hadinoina fa Eoropeana an-tapitrisany maro izay mba nanana fiainana mahitsy sady niasa mafy ihany no niharan’ny fanasana atidoha toy izany avy tamin’ny nazia ka lasa nanao na nankasitraka famonoana olona tsy tambo isaina sy mampihorohoro. Aoka àry mba tsy hoheverinao ho tsy dia mampaninona ny hery mitaona mety hampiharin’ny sarimihetsika tsy manjary eo aminao, izay manindrahindra ny maha-lahy sy maha-vavy ary ny herisetra.
NY FOMBA HANOMEZANA FAHAFAHAMPO NY FILANAO HIALA VOLY
15-19. Inona ny sasantsasany amin’ireo fialam-boly madio izay afaka manome fahafahampo ny filantsika hiala sasatra?
15 Andriamanitra no namorona ny filana hiala voly ao amintsika nefa tsy niriny mihitsy ny hialantsika voly amin’ny alalan’ny fahalotoana sy amin’ny herisetra na amin’ny fandikana ireo lalàny. Marina fa raha ariantsika ny sarimihetsika na ny fandaharan’ny televiziona izay manindrahindra ireo zavatra ireo dia tsy hisy zavatra betsaka intsony. Nefa afaka miala voly amin’ny fomba maro hafa tena madio isika.
16 Rehefa dinihina tokoa, inona no soa mety hoentin’ny fialam-boly iray na fotoam-pialan-tsasatra iray izay tsy mitondra fahasalamana ho anao fa mampisy fikorontanana ao aminao sady mamela tsirona fahadisoam-panantenana ao aminao? Raha misy manome anao sakafo mampazoto homana sady mampilendalenda ivelany, nefa hamparary anao, mbola handray izany fanindroany ve ianao? Ataovy àry izay hampiasana amin’ny fomba tsara ny fotoana atokanao hialana sasatra sy hialam-boly. Aza faly ny “handany andro” fotsiny amin’ny fanaovana izao karazam-pialam-boly rehetra izao. Rehefa manam-potoana hanaovana an’izany ianao, dia manaova asa iray izay hanala sasatra anao tokoa ary hamela fahatsiarovana mahafinaritra ho anao foana.
17 Azo atao ny manao ny karazana fanatanjahan-tena an-kalamanjana rehetra. Ny sasany tia aoka izany ny manao dia lavitra any an’ala, ary ny hafa kosa tia manao “badminton” (karazana tenisy) na izay rehetra mety ho lalao baolina. Azo atao koa ny manisy latabatra fanaovana pingipongy any an-trano na “billard” ary manasa namana ho tonga any hilalao. Nefa avelao ny ray aman-dreninao hanara-maso ny fialam-bolinao; hankasitrahan’izy ireo tokoa izany.
18 Manana fanalana andro ihany koa ianao amin’ny fitsidihana trano fitehirizana ny rakitry ny ela na toeran-kafa mahaliana, izay anisan’ny fomba iray hampianaranao tena sy hialanao voly koa. Efa mba nitsidika fiompiana akoho, fanamboarana ronono, fanontana printy na efitrano fanaovana lavanty ve ianao? Raha mipetraka ao amin’ny tanàn-dehibe ianao dia tsy maintsy misy birao afaka hampahafantatra anao ny amin’ireo toerana mahaliana sy hanondro anao koa ireo orinasa azo tsidihina ao. Azo atao ihany koa ny miala sasatra amin’ny fandehanana any amin’ny toerana manokana mahafinaritra sasany: eny amoron’ny farihy iray, any an-tendrombohitra na eny amin’ny torapasika. Tena hahafinaritra tokoa ny fitsangatsanganana toy izany, indrindra fa rehefa mandray anjara amin’izany avokoa ny fianakaviana manontolo.
19 Marina tokoa fa tokony hitandrina ianao mba tsy hahatonga ireny fialam-boly mahafinaritra ireny hanjary ho anton’asanao lehibe indrindra, satria raha izany dia tsy handray ireo soa antenainao ianao. Nefa afaka ny ho velom-pankasitrahana tsy tapaka ny Mpamorona antsika isika noho izy nanome antsika ny fahaizana miala voly toy izany sy hifaly amin’ny karazana fialam-boly rehetra izay mahatonga ny fiainana mbola ho mendrika ny hiainana kokoa ihany.
[Fanontaniana]
[Sary, pejy 121]
Manan-kery eo aminao ireo sarimihetsika izay jerenao