Ny fikasikasihana ny faritra maha-lahy sy maha-vavy (masturbation) sy ny fandrian’ny lehilahy amin’ny lehilahy (homosexualité)
Toko faha-5
Ny fikasikasihana ny faritra maha-lahy sy maha-vavy (masturbation) sy ny fandrian’ny lehilahy amin’ny lehilahy (homosexualité)
1-4. a) Inona no atao hoe “masturbation”? b) Nahoana ny fanao mahazatra iray no tsy voatery ho tsara? d) Nahoana isika no tokony hiahy ny amin’ny hevitr’Andriamanitra momba io raharaha io?
TENA mahagaga tokoa ny fomba itomboan’ny tenanao mandritra ny maha-zatovo anao mba hahafahanao miteraka. Nefa amin’ny fotoana itomboanao ara-batana no mampiova ihany koa ny fihetsikao manoloana ny olona iray tsy lehilahy na tsy vehivavy toa anao, izay mihamanintona anao hatrany. Manintona kokoa an’ireo ankizilahy ireo ankizivavy ary toy izany koa ireo ankizilahy amin’ireo ankizivavy. Nefa ny tenanao izay miova haingana dia mampiahiahy anao ary manaitra ny fahaliananao ta hahafanta-javatra. Ahoana no hataonao mba hanomezana fahafahampo izany? Ho tsara ve ny hanaovanao fanandranandramana amin’ny maha-lahy na maha-vavy anao na hanome fahafinaretana ny tenanao amin’ny fikasikasihana ny faritra fiterahana ao amin’ny tenanao?
2 Fantatra aoka izany io fanao io izay antsoina hoe “masturbation”. Nanambara toy izao ny manam-pahaizana manokana iray momba io raharaha io: “Ny fanazavana lalina rehetra eo am-pelatananay izao dia manondro mazava (...) fa dimy amby sivifolo isan-jaton’ny ankizilahy sy tovolahy eo amin’ny telo ambin’ny folo ka hatramin’ny dimy amby roapolo taona, fara fahakeliny, no mandalo vanim-potoana maharitraritra ihany anaovany “masturbation” tsy tapaka. Araka io loharanom-panazavana io ihany, dia ‘efapolo ka hatramin’ny dimy amby efapolo isan-jaton’ny ankizivavy no manao “masturbation”’. Ireo tarehimarika ireo, ho an’ny sasany, no manaporofo fa fanao tena “ara-dalàna” tokoa ny “masturbation” ary koa hoe ‘tokony hampanahy raha ankizilahy iray na ankizivavy iray salama tsara izao no tsy hanao “masturbation”’.
3 Ahoana no fiheveranao an’izany? Hihevitra ve ianao hoe satria ny “masturbation” fanao tena mahazatra amin’izao andro izao dia tsy maintsy fomba fiasa voajanaharin’ny vatana izany? Na dia tena mahazatra ihany koa aza ankehitriny ny halatra sy ny lainga dia tsy hanatsoaka avy amin’izany ianao fa mety ary voajanahary ireo fanao ireo. Lazaina koa fa tena mahazatra ny sery, nefa tsy maniry ho voan’ny sery mihitsy ianao na dia izany aza. Inona àry no tokony havaly an’ireo izay milaza fa tsy misy vokany manimba na dia kely aza ny “masturbation”?
4 Milaza ny ankamaroan’ireo mpitsabo fa raha eo amin’ny lafiny ara-batana fotsiny dia tsy tena ratsy ny fanaovana “masturbation” mahalankalana. Toy ny ankamaroan’ireo mpitsabo aretin-tsaina dia milaza izy ireny fa tsy mety hisy vokany io fanao io raha tsy hoe mampitombo fahatsiarovana ho meloka angaha izay manao izany ka izay no mety hampisy fikorontanana ara-tsaina sy ara-pihetseham-po ao aminy. Nefa ireo dokotera toy ireo mpitsabo aretin-tsaina dia samy tsy tanteraka, noho izany dia mety diso. Miovaova ny hevitr’izy ireo, ambonin’izany. Mifanohitra amin’izany kosa fa afaka mitady torohevitra amin’ny olona iray izay tsy miovaova, tsy mamitaka ary tsy manao fitsarana diso ireo zatovo. Miharihary fa Andriamanitra izay nanome antsika ny Teniny izany. Raha toa àry isika maniry, tsy ny hiaro ny fiainantsika ankehitriny ihany fa ny hahazo ny fiainana mandrakizay sy ireo fitahian’Andriamanitra koa, dia tokony hikatsaka ny fahendreny sy ireo toroheviny isika. Andriamanitra no afaka mahatonga antsika ho sambatra ary tsy vitan’ny olombelona izany.
IZAY HEVERIN’NY FAHEFANA TAMPONY MOMBA IZANY
5, 6. a) Nahoana ny torohevitra omena ao amin’ny Kolosiana 3:5 no mahakasika ny “masturbation”? b) Nahoana ny Baiboly no mampifandray ny “masturbation” amin’ny “fitsiriritana” sy ny “fieremana”?
5 Ny fanontaniana dia tsy ny hahalalana loatra hoe inona ireo vokatra manimban’ny “masturbation” eo amin’ny ara-batana fa hoe inona kosa ireo vokany ratsy eo amin’ny lafiny ara-panahy. Marina fa tsy hita ao amin’ny Baiboly ny teny hoe “masturbation”. Nefa ahoana no tokony handraisana izao torohevitra ara-tsindrimandrin’Andriamanitra omen’ny apostoly Paoly an’ireo izay tsy ta hamoy ny fankasitrahan’Andriamanitra izao: “Koa vonoy [aza manaitaitra] ny momba ny tenanareo izay etỳ an-tany, dia fijangajangana, fahalotoana, firehetam-po, fanirian-dratsy ary fieremana [fitsiriritana, MN]”. (Kolosiana 3:5). Mifanohitra amin’ny fijangajangana, ny “masturbation” dia fanao iray izay azon’ny tena irery atao. Nefa madio ve izy io na dia izany aza? Moa ve izay manao “masturbation” tsy resin’ny “firehetam-po”? Moa tsy andevozin’izany ve izy?
6 Miresaka ny amin’ireo izay “nanolo-tena ho amin’ny fijejojejoana hanao izay fahalotoana rehetra amin’ny fieremana” i Paoly ao amin’ny taratasiny iray hafa. (Efesiana 4:19.) Nanameloka ny “fitsiriritana” i Paoly ao amin’ny taratasiny ho an’ireo Kolosiana fa niresaka ny amin’ny “fieremana” izy tamin’ny Efesiana. Raha ny marina dia fitsiriritana sy fieremana ny “masturbation”. Ahoana izany? Maniry hahazo zavatra izay tsy nanomezan-dalana azy tokoa izay manao “masturbation” satria natokan’Andriamanitra ho ny mpivady ihany no hifaly amin’ny fahafinaretana eo amin’ny mahalahy sy maha-vavy. Izay manao “masturbation” àry dia mitady hahazo io fahafinaretana io nefa tsy handoa ny vidin’izany, izany hoe tsy hiantsoroka ny andraikitra avy amin’ny fanambadiana. Momba izany koa, dia mariho tsara fa rehefa nanoro hevitra ireo izay “maimay” ny apostoly Paoly dia nilaza tamin’izy ireo hanome fahafahampo ny filany, tsy amin’ny fanaovana “masturbation”, fa amin’ny fanambadiana, toy ny efa nanomanan’Andriamanitra azy. — 1 Korintiana 7:2, 9.
7, 8. a) Nahoana ny fanaovana “masturbation” tsy tapaka no mety hanafoana ny fahasambarana ho avin’ny fanambadian’ny olona iray? b) Nahoana moa no fahadisoana ny hiheverana fa mety ho fomba iray hisorohana ny fandikana lehibe kokoa ny lalàn’Andriamanitra ny “masturbation”?
7 Raha ny marina, dia manimba ny fahasambarany ho avy ao amin’ny fanambadiany ny zatovolahy na ny zatovovavy iray manao “masturbation”. Marina tokoa fa miafara amin’ny tsy fiheverana afa-tsy ny fahafinaretan’ny tenany ihany izay manao ho fahazarana ny manome fahafahampo ny faniriany amin’izany fomba izany. Nefa ny olona iray manambady, indrindra fa ny lehilahy, dia tokony hiahy koa ny hanomezana fahafinaretana sy fifaliana ny vadiny, raha tsy izany dia ho simba ny fifandraisan’izy ireo ary tsy hiteraka afa-tsy fahadisoam-panantenana sy fahoriana izany. Ny anankiray amin’ireo zava-manahirana momba ny fanambadiana lehibe indrindra dia tonga tokoa avy amin’ny hoe maro amin’ireo lehilahy no tsy mihevitra afa-tsy ny hanome fahafahampo ny filany fotsiny fa tsy miahy izay mba ilain’ny vadin’izy ireo. Ny fihetsika toy izany matetika dia vokatry ny nanaovan’ireo lehilahy “masturbation” tsy tapaka talohan’ny nanambadiany.
8 “Nefa, hoy angamba ny sasany hoe, ahoana no hatao raha toa ka mbola kely loatra ny olona iray ka tsy ho azo toroana hevitra hanambady? Mandra-pahatongan’izany, moa ve ny “masturbation” tsy fiarovana amin’ireo fahotana mbola ratsy lavitra, toy ny fijangajangana na ny fandrian’ny lehilahy amin’ny lehilahy?” Mety hisy hieritreritra izany. Nefa fiheverana tsara ve izany? Tsia, satria izay manao “masturbation” dia manimba ny fieritreretany sy ny fitiavany ny tsara, zavatra roa afaka misakana azy tsy hanao fahotana toy izany indrindra. Mitovy amin’ny fampiasana zava-mahadomelina ihany, ny “masturbation” dia mety ho lasa fanao iray hampiasaina isaky ny mahatsiaro ho sorena ny tena na tsy manana finiavana handamina ireo zava-manahirana izay mahatonga izany fihenjanana izany. Ho zava-manahirana sarotra ialana izay hahatonga ny tena ho andevo izany amin’ny farany. Nefa milaza Andriamanitra fa tokony hifehy ny tenantsika isika fa tsy hamela antsika hofeheziny.
NY FANDRIAN’NY LEHILAHY AMIN’NY LEHILAHY (L’HOMOSEXUALITÉ)
9-13. a) Nahoana moa ny fanaovana “masturbation” no mety hitarika ho amin’ny sodomia? Teraka ho sodomita ve ny olona iray? b) Ahoana no fiheveran’Andriamanitra ireny fanao ireny? d) Azo atao ve ny miala amin’ny sodomia (Romana 1:24-27; Levitikosy 18:22, 23; 1 Korintiana 6:9-11)?
9 Tsy amin’ny fanekena amim-pahalemena ho voan’ny fakam-panahy hanome fahafahampo ny fanirian’ny tena eo amin’ny maha-lahy sy maha-vavy amin’ny alalan’ny “masturbation” mihitsy akory no hahazoana ny hery ilaina hahatoherana ny fakam-panahy hijangajanga sy hanao sodomia (homosexualité). Mifanohitra lavitra amin’izany aza fa hampitombo fiheverana sy faniriana ratsy ny tena. Raha ny marina dia ny “masturbation” no mety ho dingana voalohany izay mitarika ho amin’ny sodomia. Hita tokoa fa tanora maro no nitady namana fa tsy afa-po tamin’ny fanaovana “masturbation” irery intsony.
10 Fahita matetika kokoa tsy araka ny anampoizanao azy izany. Mifanohitra amin’izay iheveran’ny olona maro azy fa tsy misy teraka ho sodomita akory fa lasa toy izany kosa. Ny lehilahy mpandry amin’ny lehilahy iray dia matetika no nanomboka tamin’ny fikasikasihana ny faritra maha-lahy niaraka tamin’ny namana iray raha mbola kely tokoa izy ka taorian’izany no nanaovan’izy ireo sodomia. Mitantara toy izao ny zatovolahy iray:
11 “Tsy niraharaha ahy firy ireo ray aman-dreniko fony aho mbola kely. Afaka nanao izay tiako hatao aho. Mbola vao valo taona monja aho rehefa nampianarin’ireo zanak’olo-mpiraitam-po amiko izay zokiko amin’ny taona hanaraka sodomia. Nahita fahafinaretana aho tamin’izany ka nanohy nanao izany niaraka tamin’izy ireo aloha ary tatỳ aoriana dia niaraka tamin’ankizilahy hafa. Vetivety foana dia nanjary fanao saika isan’andro izany. Tsy nahatsiaro ny tenako ho nanao ratsy aho tamin’ny voalohany satria tsy mba nampianatra fitsipi-pitondrantena ahy mihitsy ireo ray aman-dreniko, ary tsy namboraka ny tao am-poko tamin’izy ireo mihitsy aho.
12 “Nipetraka tany Amerika afovoany izahay tamin’izany. Tatỳ aoriana dia nonina tany New York izay namitako ny fianarako tao amin’ny ambaratonga faharoa izahay. Nanohy nanao sodomia ihany koa aho. Tany amin’ireo sekoly sy tao New York amin’ny ankapobeny dia maro be tokoa ny sodomita; nisy azo nanaovana izany foana àry. Tsapako rehefa nandeha ny fotoana fa tsy araka ny natiora ny zavatra nataoko, noho izany dia ratsy. Nefa nanohy ihany aho satria tiako ilay izy. Lasa andevon’izany fahazarana amin’ny maha-lahy sy maha-vavy izany aho.”
13 “Andevon’ny fahazarany amin’ny maha-lahy sy maha-vavy àry io tovolahy io ary tamin’ny fanaovana fiezahana mafy vao afa-niala tamin’izany izy. Inona no nanosika azy hanova fitondrantena? Ny faniriana ho tian’i Jehovah Andriamanitra. Rehefa takany fa fanao iray “tsy araka ny natiora” melohin’Andriamanitra ny fandrian’ny lehilahy amin’ny lehilahy, dia niady tamin’ny fanirian-dratsiny io tovolahy io mandra-pahafahany nifehy izany. Tena mazava tokoa ny Tenin’Andriamanitra raha ny amin’izany; hoy izy: “Aza mety hofitahina hianareo. Na ny mpijangajanga, na ny mpanompo sampy, na ireo nanjary meloka ho nanitsakitsa-bady na ireo sodomita (...) dia tsy hisy handova ny fanjakan’Andriamanitra.” — 1 Korintiana 6:9, 10, Nouvelle Bible anglaise.
NY FOMBA HIFEHEZANA IREO FANIRIAN-DRATSIN’NY TENA
14-16. a) Ahoana no ahafahana mifehy ireo fanirian-dratsin’ny tena (Filipiana 4:8; 1 Tesaloniana 4:3-5)? b) Inona no azo atao rehefa mahatsapa ianao fa misy fahaterahana faniriana momba ny lahy sy ny vavy ao aminao (Salamo 1:1, 2; 63:6, 7)?
14 Manan-kery lehibe eo amin’ny filan’ny nofonao sy eo amin’izay ataonao ny eritreritrao. Inona marina no tena irinao? Moa ve ianao maniry foana hokorontanin’ny faniriana momba ny lahy sy ny vavy ka hanao “masturbation” tsy tapaka ary angamba hanao sodomia mihitsy aza? Izany no mety hitranga aminao raha toa ianao ka mampifantoka ny sainao eo amin’ny maha-lahy sy maha-vavy foana. Mifanohitra amin’izany, raha tsy tianao hanakorontana ny fiainanao ny faniriana momba ny lahy sy ny vavy ka hanakana anao tsy hahatratra zava-kendrena tena mendrika hiezahana, dia aoka ianao hifehy tena ary hampifantoka ny sainao amin’ny zavatra hafa.
15 Raha sendra mijery sarimihetsika na mamaky boky iray misy andalan-teny manaitaitra ny filan’ny nofo ianao dia aoka tsy ho voatariky ny fakam-panahy noho ny fahalemena. Raha toa tokoa ianao ka mamela ny sainao hifantoka amin’izany zavatra izany na mandray anjara amin’ireo resadresaka mihodinkodina eo amin’ny maha-lahy sy maha-vavy dia hijinja ny vokany ianao satria hahita fikorontanana ary hitombo ny fahataitairana ao aminao. Nahoana? Satria arakaraka ny hijerenao sarimihetsika mihodinkodina eo amin’ny maha-lahy sy maha-vavy na arakaraka ny hiresahanao momba izany no hahavoatohina ny fonao. Nefa ny fonao indrindra no mametra izay hataonao.
16 Inona anefa no azonao atao raha toa, amin’ny toe-piainana mahazatra, ka mahatsapa fahaterahan’ny faniriana momba ny lahy sy ny vavy ao aminao ianao? Ahoana no ahafahanao mifehy izany? Tsy amin’ny fanaovanao “masturbation” mihitsy, fa amin’ny fanerenao ny sainao sy ny fonao ary ny tenanao kosa ho amin’ny lalana hafa iray. Ahoana izany? Amin’ny fanaovana raharaha sasantsasany, amin’ny fanaovana fampiasan-tena na fitsangantsanganana. Tsara ihany koa ny hiresahana amin’ny olona iray azonao itokiana na ny handefasanao telefaonina amin’ny olona toy izany, raha ilaina izany. Fanampiana sarobidy ihany koa ny famakiana mafy ny Baiboly na zavatra vita an-tsoratra momba ny Baiboly. Nefa ambonin’ny zavatra rehetra, dia mivavaha amin’i Jehovah Andriamanitra, Raintsika any an-danitra mba hampahafantarana azy ny zava-manahirana anao.
17-20. a) Fahazarana inona avy misy ifandraisany amin’ny torimaso, ny sakafo hariva ary ny fahadiovana ara-batana no hanampy anao? b) Nahoana no tsy tokony hihevitra ianao fa mampamoifo ny toe-javatra misy anao na dia tokony hanao ady mafy aza ianao mba hanaovana izay tsara (Salamo 103:13, 14)?
17 Miharihary fa misy zavatra maro hafa tsotra sy tsara izay mety hanampy anao hifehy ny fanirianao momba ny lahy sy ny vavy. Araka izany, dia fiarovana ny fiarahana amin’ny olona hafa raha toa ihany anefa izy ireny ka manana fitondrantena tsara. Raha toa ianao ka matory irery ao amin’ny efitrano iray ary matahotra ny ho voan’ny fakam-panahy hanao “masturbation” mandritra ny alina, dia angamba ho azonao atao ny hizara ny efitranonao amin’ny mpikambana hafa iray ao amin’ny fianakavianao. Ho tianao koa angamba ny hatory mihorirana fa tsy hitsilany na hihohoka.
18 Ilaina ihany koa ny hiahianao mba tsy hahatery loatra ny fitafianao ka hanaitra ireo faritra maha-lahy na maha-vavy ao amin’ny tenanao. Aoka ny vakiteny na ny resaka ataonao amin’ny hariva alohan’ny hatoriana mba tsy hanaitaitra fa mba hampitony kosa. Tandremo koa ny zavatra haninao amin’ny hariva. Nahamarika ny sasany fa raha kelikely ny zavatra haniny sy sotroiny dia mahita tory tsara izy ary tsy voahelingelina ny torimasony. Ambonin’izany, dia tena zava-dehibe manokana ny hiahian’ny ankizivavy sy ny ankizilahy ny fahadiovan’ny maha-lahy sy ny maha-vavy azy. Raha tsy madio izany dia mety hangidihidy ka ho voasinton’izany ny sainao. Raha ilaina dia mangataha torohevitra amin’ireo ray aman-dreninao momba izany.
19 Miharihary fa mikasika ny faritra maha-lahy na maha-vavy ny tena rehefa midio. Misy angamba hihevitra fa mety ho voan’ny fakam-panahy hanao fikasikasihana tsy ara-dalàna ny tena amin’izany. Nefa raha madio ny antony manosika anao ka maniry hisakana izay rehetra mety ho fahataitairana ara-nofo tsy ara-dalàna ianao dia ho hitanao fa hanampy anao kosa aza ny fanadiovan-tena toy izany mba hanaraka fihetsika mahasoa kokoa manoloana ny maha-lahy na maha-vavy. Ho fantatrao fa tsy noforonina mba hahatonga anao ho andevony izy ireny na mba hifehy ny fiainanao manontolo.
20 Raha ilainao izao ny miady mba tsy hanao “masturbation” intsony, dia aza hadinoina fa tsy ianao no voalohany na ianao irery no tokony hamaha izany olana izany. Angamba sarotra tokoa ny ady ataonao. Nefa aoka ianao tsy hieritreritra mihitsy fa nandao anao Jehovah sy Jesosy Kristy Zanany. Raha manao fiezahana amim-pahatsorana ianao mba handresena izany fahazarana izany dia hanampy anao amim-pahamoram-panahy sy faharetana izy ireo hahazo ny hery ilaina mba hivoahanao ho mpandresy amin’izany ady izany.
[Fanontaniana]
[Teny notsongaina, pejy 39]
Teraka sodomita ve ny tena sa manjary toy izany kosa?
[Sary, pejy 41]
Zava-dehibe ve ny hifidiananao izay vakinao?