Ny filalaovana fitia sy ny fifaneraserana
Toko faha-19
Ny filalaovana fitia sy ny fifaneraserana
1-4. a) Ahoana no nahatonga ny filalaovana fitia ho fanaom-bahoaka? b) Any amin’izay tsy maha-fanaom-bahoaka ny filalaovana fitia, ahoana no andaminana ny fanambadiana? d) Rehefa dinihina, inona no mamaritra na tsara na ratsy ireo fanao ireo?
MANIRY tokoa hahazo fahafinaretana eo amin’ny fiainana ny olona ara-dalàna rehetra. Mampiseho ny Baiboly fa mety izany amin’ny filazana ny fifaliana ho iray amin’ny “vokatry” ny fanahin’Andriamanitra (Galatiana 5:22). Tanora maro be, indrindra any amin’ny tany tandrefana no mihevitra ny filalaovana fitia ho fomba voalohany hahazoana fahafinaretana. Matetika izy ireo no mandamina fotoana mba handany izany, hiarahana amin’ny olona tsy lahy na tsy vavy toy ny tenany tsy misy mpanara-maso. Inona no azo lazaina momba izany?
2 Mety hihevitra ny filalaovana fitia ho ara-dalàna na fomba fanao ianao, satria tonga fanao iraisana any amin’ny tany maro izy io. Kanefa tsy toy izany foana no izy araka ny anazavan’ny boky The Family in Social Context azy: “Ny filalaovana fitia toy ny hahalalantsika azy dia nirongatra taorian’ny Ady Lehibe voalohany”. Any amin’ny firenena maro anefa, dia tsy tonga fanao mahazatra mihitsy ny filalaovana fitia. Raha ny marina, ireo mpifamofo dia tsy mifankahita mandra-pahatongan’ny andro fampakaram-bady. Ny fandaminana ny fanambadian’izy ireo dia notanterahin’ny ray aman-dreniny na angamba olon-kafa iray.
3 Koa raha toa ka mipetraka any amin’ny tany anekena ho ara-dalàna ny fifaneraserana sy ny filalaovana fitia ianao, dia mety ho sarotra aminao ny hahatakatra ny antony tsy isian’izany any amin’ny tany sasany. Kanefa, ny tanora any amin’ireny tany ireny koa dia mety ho sanganehana amin’ny fanao ao amin’ny tany misy anao. Mety hihevitra ny filalaovana fitia sy ny fifaneraserana ho hadalana izy ireny, eny, zavatra manimba mihitsy aza. Nanazava toy izao tamin’ny mpanolo-tsaina momba ny fanambadiana fanta-bahoaka tandrefana iray ity zazavavy karana iray: “Ahoana no hahafahanay hitsara ny toetry ny zazalahy iray hifaneraseranay sy hisakaizanay? Tanora izahay sady tsy ampy fanandraman-javatra. Be taona kokoa sy hendry kokoa ka tsy mora voafitaka toa anay ny ray aman-dreninay. (...) Zava-dehibe ny hoe ny lehilahy izay ho vadiko dia tokony ho tsara. Mety hanao fahadisoana mora foana aho raha izaho ihany no hifidy azy.”
4 Noho izany, toy izay hanana fomba fijery tery sy hihevitra fa ny hany fomba tsara tokony hatao dia izay be mpanaraka eo amin’ny taninao, dia tsaratsara kokoa ny hanitarana ny fihevitrao. Ho fehin’izany, ny vokany no hitsarana ny fomba amam-panao iray. Ao amin’ny Baiboly, ao amin’ny Mpitoriteny 7:8, no amakiantsika toy izao: “Tsara ny iafaran’ny raharaha noho ny iandohany.” Ary tsy maintsy miaiky isika fa any amin’ny tany maro izay maha-fomba fanao ny filalaovana fitia sy ny fifaneraserana, dia fanambadiana maro be no tsy mahomby ary miafara amin’ny fisarahana.
NY FILALAOVANA FITIA
5-8. a) Ahoana no anampian’izay voalaza ao amin’ny Mpitoriteny 11:9, 10 antsika hijery lavidavitra kokoa ny ho vokatry ny fitondrantenantsika? b) Nahoana no maniry hilalao fitia ny tanora maro be?
5 Raha mino ny hasarobidin’ny fahendrena ianao, dia haniry hihevitra, tsy ny vokatry ny filalaovana fitia eo no ho eo ihany, fa ny ho vokany lavidavitra kokoa. Manampy antsika hanana fomba fijery toy izany ny Mpamorona antsika. Maniry ny hahitantsika fahasambarana marina sy maharitra izy. Noho izany no anoroany hevitra ao amin’ny Teniny hoe: “Mifalia, ry zatovo, dieny mbola tanora hianao; ary aoka ny fonao hampifalifaly anao amin’ny andro fahatanoranao; ka mandehana any amin’izay sitraky ny fonao sy izay jeren’ny masonao; nefa aoka ho fantatrao fa ho entin’Andriamanitra hotsaraina hianao amin’izany rehetra izany. Koa esory ao am-ponao ny alahelo, ary avilio tsy hikasika ny nofonao ny ratsy; fa ny fahatanorana sy ny fahatanjahana dia samy zava-poana.” (Mpitoriteny 11:9, 10). Milaza inona izany?
6 Midika izany fa irin’ny Mpamorona ny hifalianao amin’ny fahatanorana, saingy mandritra izany fotoana izany, dia tsy iriny ny hanarahanao fomba fiaina izay hanimba ny fiainanao any aoriana. Raha ny marina, izay manimba ny fahatanorany dia manimba ny fahanterany, ary mampalahelo fa matetika tokoa no mitranga izany, araka ny fandinihan’ny mpanoratra iray amin’ny andro ankehitriny azy. Izany ve no irinao ho tonga aminao? Azo antoka fa tsy izany ary Andriamanitra koa dia tsy maniry velively ny hitrangan’izany. Kanefa, ny Baiboly dia mampiseho koa ao amin’ny Mpitoriteny fa Andriamanitra dia mitana ny tanora ho tompon’andraikitra amin’izay ataony. Tsy fialan-tsiny ho azy ireny eo anoloan’ny vokatry ny fitondrantena nofidiny, ny fahatanorany.
7 Izany dia mamerina antsika amin’ny zava-manahirana momba ny filalaovana fitia. Ahoana izany? Eny, manontania tena hoe: “Nahoana aho no maniry hilalao fitia? Inona no antenaiko ho azo amin’ny filalaovana fitia fa tsy mety ho hitako eo amin’ny antokon-jatovo? Nahoana aho no maniry hiaraka irery amin’ny olona iray tsy lahy na tsy vavy toy ny tenako”? Moa ve tsy satria manintona anao bebe kokoa ny olona tsy lahy na tsy vavy toy ny tenanao? Izany dia mety ho antony iray satria ny fifanintonana ara-batana matetika dia betsaka rehefa miaraka amin’olona tiana “hilalaovana fitia” ny tena.
8 Tanora maro be izay milalao fitia no tsy mihevitra amim-pahamaotinana ny fanambadiana, na tsy voatery ho tia ny hanambady ilay olona ilalaovany fitia. Any amin’ny toerana maro izay iheverana ny filalaovana fitia ho fomba fanao, izy io dia heverina fotsiny ho toy ny karazana fialam-boly, fomba iray handaniana takariva na faran’ny herinandro. Ary milalao fitia ny hafa izay tsy maniry hoheverina ho “maningana” satria manao toy izany ireo mitovy taona aminy. Kanefa, izy ireo dia tsy miahy ny hoe mety hitarika “alahelo” eny, “loza” mihitsy aza ny filalaovana fitia. Andeha hojerentsika hoe nahoana no mety ho toy izany?
NY VOKATRY NY FIFAMPIKASOHANA ARA-BATANA
9-11. a) Fifampikasohana ara-batana inona no tafiditra ao amin’ny filalaovana fitia? Nahoana ireo tanora no mirona ho lasa lavidavitra kokoa? b) Nahoana izany no miteraka fihenjanan-kozatra eo amin’ireo tanora tsy manambady? d) Raha toa izany fifampikasohana ara-batana izany ka mitarika ho amin’ny fijangajangana, karazana “loza” inona no mety hoentiny?
9 Amin’ny ankapobeny, ny filalaovana fitia dia mahafaoka fifampikasohana ara-batana sasany toy ny mifampitantana, mifanoroka na mihoatra noho izany. Amin’ny voalohany, ny fikasihana fotsiny ny tanan’ilay olona iarahana dia mety hahafinaritra tokoa, mahatonga ny tena hahatsiaro fihetseham-po mivaivay. Fotoana fohy aorian’izany anefa dia mety ho very io fihetseham-po io ary mety tsy hitovy intsony ny heriny. Noho izany, dia mety hitady zavatra hafa, toy ny fifanorohana, ireo olon-droa. Kanefa, mety ho lasa fahazarana koa izany ary somary hahakamo mihitsy aza. Inona no anton’izany?
10 Satria rehefa taitra ny filana eo amin’ny maha-lahy sy maha-vavy, izany dia miteraka fitohitohizam-pisehoan-javatra izay mitondra ho amin’ny fiafarana voafaritra tsara. Ny fifampikasohana voalohany no mason-drojo voalohany. Ny farany amin’ny mason-drojo dia ny firaisan’ny lahy sy ny vavy izay ahariharin’ny Tenin’Andriamanitra fa voatokana ho an’ny mpivady. Ny fitohitohizan-javatra dia afaka hiafara amin’ny masony farany amin’ny rojo. Koa satria, mbola tsy manambady ianao, fahendrena ve ny hanombohana amin’ny masony voalohany na hafa amin’izy ireo? Ny fanaovana izany dia sahala amin’ny fitarihana ny tena ho amin’ny “alahelo”. Nahoana? Satria ho voaomana ho amin’izay tsy anananao amin’izao fotoana izao, dia ny masony farany amin’ny rojo ny tenanao. Ny fanairana ny filana eo amin’ny lahy sy vavy nefa tsy manome fahafahampo azy dia mety hiteraka fahadisoam-panantenana sy fihenjanan-kozatra.
11 Tsy hamarana ny “alahelo” akory ny fijangajangana. Mifanohitra amin’izany kosa, izy io dia mitarika ho amin’ny “loza”. Amin’ny ahoana izany? Amin’ny lafiny maro, toy ny aretina azo avy amin’ny firaisan’ny lahy sy ny vavy. Mety ho bevohoka ilay zazavavy, ka izany dia hanery ireo olon-droa hivady, na dia mbola tsy vonona amin’izany aza izy. Hanimba ny fahasambarana ho avin’izy ireo izany. Na mety handa ny hanambady ilay zazavavy ilay zazalahy, noho izany dia voatery hitaiza irery ilay zanany izy. Na, mety halaim-panahy hanala zaza koa izy, kanefa ahariharin’ny Baiboly ho toy ny famonoana olona izany. Moa ve tsy “loza” izany? Mety ho tapa-kevitra ianao hanao izay azonao atao mba tsy hitondra vokatra toy izany ho anao ny filalaovana fitia. Kanefa tanora maro be izay tapa-kevitra toa anao izany no tsy maintsy niafara tamin’ny fiatrehana zava-manahirana. Izany àry dia raharaha tsy azonao odian-tsy fantatra, na vonona ny hanambady ianao na tsia.
MANDROSOA HO AMIN’NY FAHAMATORANA
12, 13. Nahoana ny filalaovana fitia no mety hampihena ny fitomboanao ho amin’ny fahamasahana? Noho izany àry, karazana fifandraisana inona no mahasoa kokoa?
12 Na dia tsy mitarika anao avy hatrany ho amin’ny “loza” aza ny filalaovana fitia, dia miteraka voka-dratsy hafa izany. Voalohany, ny filalaovana fitia dia mametra ny fifaneraseranao ho amin’ny olona iray. Izao anefa no fotoana hitomboanao ho matotra ara-pihetseham-po izay azonao andraisan-tsoa betsaka avy amin’ny fiarahana amin’ny karazan’olona maro. Raha zazalahy ianao, nahoana no tsy mifantoka amin’ny hahatongavana ho tena lehilahy amin’ny fananana namana lehilahy hafa, indrindra ireo izay mampiseho fiheverana ny amin’izay mahitsy? Afaka mianatra mampitombo toetra mampiavaka ny lehilahy ianao ary manana fomba tsara amin’ny fiarahana amin’izy ireny. Raha zazavavy ianao, nahoana no tsy miezaka aloha, ho tonga tena vehivavy, amin’ny fanararaotana ny fiarahana amin’ireo izay afaka manampy anao hampitombo ny fahaizana tsara mampiavaka ny vehivavy sy ny fombany? Mampitsahatra tampoka na mampiadana izany fahamatorana izany tokoa ny filalaovana fitia.
13 Talohan’ny nahatongavan’ny filalaovana fitia ho fanaom-bahoaka, ny tanora dia nahay nanovo fifaliana tamin’ny karazan’asa maro. Afaka manahaka azy ireny ianao. Azonao atao tokoa ny mahita fifaliana amin’ny resaka mahafinaritra, fianarana, fampitomboana talenta, fanaovana volavolan-kevitra, fanaovana kilalao, fitsidihana toerana mahaliana sy fijerena zavatra maro be. Afaka mampitombo ny fahafinaretanao ianao amin’ny fanaovana ireo zavatra ireo miaraka amin’ny zatovo lahy na vavy toa anao na amin’ny antokon’olona. Ho hitanao matetika fa ho lehibe ny fifalianao raha samy hafa taona ny namanao.
RAHOVIANA NO HANAMBADY?
14, 15. a) Araka ny hevitrao, anoroana hevitra ve ny fanambadiana eo amin’ny samy zatovo? b) Inona no andraikitry ny ray aman-dreny manoloana ireo zanany maniry hanambady.
14 Ho tonga anefa ny fotoana izay ara-dalàna raha anirian’ny tanora hanambady. Fotoana inona no tsara indrindra ho amin’izany? Amin’ny fotoana mbola maha-zatovo anao ve? Amin’ny ankapobeny dia tsy amin’ny fotoana toy izany, satria antony maro no mampiseho fa ny fanambadiana eo amin’ny zatovo dia tsy mahita fahombiazana mitovy amin’izay hitan’ny mpivady matotra kokoa. Toy izao ny fanamarihana nataon’ny mpandinika fiaraha-monina iray: “Ny fikarohana natao dia mampiseho fa amin’ny ankapobeny, ny fanambadiana eo amin’ny zatovo dia voamariky ny fitomboan’ny fisaraham-panambadiana na ny fijaliana, raha ampitahaina amin’ny fanambadiana eo amin’ny olon-dehibe.”
15 Kanefa, tsy misy teny ao amin’ny Baiboly manakana amin’ny fomba hentitra izay rehetra fanambadiana eo amin’ny samy zatovo. Amin’ny ankapobeny, dia ny lalàna eo amin’ny tany no manome zo ny ray aman-dreny hampiasa ny fahaizany mitsara zavatra mba hanapahana hevitra ny amin’izay inoany fa ho tombontsoan-janany na izay hitondra fahasambarana lehibe sy fitahiana ho azy ireo. Azy ny hanapa-kevitra raha hampanambady ny zanany eo ambany fifehezany izy na tsia. Tokony hampirisika azy ireo hiseho hitandrina anefa ireo zava-manahirana maro mampiavaka izao androntsika izao sy ny habetsahan’ny ampahan’ny fanambadiana miafara amin’ny fisarahana. Ny zatovo dia hanao zavatra amim-pahamalinana noho ireo antony ireo koa, satria izay maimay ny hanambady no hanenina mora foana. Hadalana ny hidirana haingana eo amin’ny varavarana iray satria fotsiny hoe mivoha izy io, kanefa tsy mahalala izay miandry antsika ao ambadika akory.
NY FIFIDIANANA IZAY HO VADY
16-19. a) Any amin’izay amelana malalaka ny fifaneraserana, nahoana no mitondra soa ny hanarahana ny fotopoto-pitsipika ao amin’ny Galatiana 5:13? b) Inona moa no tokony ho zava-kendren’ny fifaneraserana? Amin’inona àry no tokony hahavonona izay manao toy izany? d) Nahoana no tsaratsara kokoa ho anao ny hifankahalalana amin’ny olona tsy lahy na tsy vavy toa anao eo anivon’ny antokon’olona?
16 Any amin’ny tany maro, ny zatovolahy iray dia tsy afaka miaraka irery amin’ny zatovovavy iray raha tsy eo anatrehan’ny iray amin’ireo ray aman-dreniny na olon-dehibe kokoa noho izy ireo. Any amin’ny tany tandrefana maro anefa, ny tanora dia miaraka tsy misy mpanara-maso amin’ny ankapobeny. Izao anefa no fanontaniana mitranga rehefa omena malalaka toy izany ny fahafahana: Inona no azon’ny tanora atao mba hahazoana antoka fa ny fifaneraserany dia hiafara amin’ny fanambadiana sambatra tokoa?
17 Tsy misaraka amin’ny andraikitra foana ny fahafahana. Noho izany, raha mahakasika anao io fanontaniana io, dia tsara ny hitadidianao ao an-tsaina ny fotopoto-pitsipika tsara voalaza ao amin’ny Baiboly, ao amin’ny Galatiana 5:13. Ao ny apostoly Paoly dia miresaka mazava ny amin’ny fahafahana ara-panahy ananan’ireo izay manaiky ny kristianisma. Kanefa, io fotopoto-pitsipika io dia mihatra amin’ny karazam-pahafahana rehetra, indrindra raha toa isika maniry hahazo vokatra tsara sy ny fankasitrahan’Andriamanitra. Nanoratra toy izao ilay apostoly: “Fa efa nantsoina ho amin’ny fahafahana hianareo, ry rahalahy; kanefa aoka tsy ho entinareo hanaraka ny nofo izany fahafahana izany, fa mifanompoa amin’ny fitiavana.” Ny fitiavana amim-pahatsorana an’Andriamanitra sy ny mpiara-belona amintsika, anisan’izany ilay olona mety hifaneraserantsika noho ny fikasana ny hivady, dia hanampy antsika hanalavitra ny fampiasana ny fahafahana rehetra ananantsika amim-pitiavan-tena sy amin’ny fomba mampidi-doza.
18 Raha mifanerasera ny tanora roa dia tokony ho noho ny fikasana hivady. Tsy tokony hanomboka alohan’ny hahavononan’ny tsirairay avy hiantsoroka ny andraikitra ara-panambadiana àry izany fifaneraserana izany. Miharihary fa tsy ho fantatrao tsara avy hatrany raha maniry hanambady azy ianao na tsia. Fahendrena àry ny tsy hiheverana aloha loatra, olona iray manokana. Izany anefa akory tsy antony tokony hanohizana “hila fitia” amin’ny zatovovavy maromaro, satria izany dia mitovy tsy misy hafa amin’ny filalaovana fitia ihany.
19 Na dia mahaliana anao manokana aza ny olona iray, dia fahendrena ho anao mandritra ny fotoana kelikely, ny miezaka hitana ny fiarahanareo miaraka amin’ny antokon’olona ao amin’ny asa iraisana. Nahoana? Satria ao amin’ny toe-javatra toy ireny, dia matetika ianao no afaka mahazo an-tsaina tsaratsara kokoa ny amin’ny hoe olona manao ahoana marina izy io. Izany dia satria isika rehetra dia mirona hiseho ho ny tena maha-isika antsika rehefa tsy mahatsapa fa mandinika antsika manokana ny hafa. Kanefa, rehefa mihataka amin’ny antokon’olona ny olon-droa, ny fironana voajanahary dia ny hitondra tena toy ny itiavan’ny andaniny na ny ankilany azy, ho tonga toy ny fitaratry ny fitiavan-javatra ho azy. Amin’ny fotoana sasany, izany dia mety hanafina ny tena maha-izy ny tena. Rehefa miaraka mitokana foana ny olon-droa, dia mety hisy heriny avy hatrany koa eo amin’ny fihetseham-pony izany, ka tsy hahita afa-tsy toetra tsara eo amin’ny andaniny ny ankilany. Raha mivady eo ambanin’ny herin’ny fihetseham-po ny tanora roa, dia matetika izy ireo no mety hanatrika fanairana tampoka.
20-22. a) Nahoana ianao no tokony hihevitra ny fifaneraserana amim-pahatsorana sy tsy misy fitiavan-tena? b) Inona no azonao fantarina ny amin’izay ho vadinao, mandritra ny fifaneraserana? Toetra inona indrindra no irinao ho hita eo amin’ilay ho vadinao?
20 Amin’ny ankapobeny, dia ny zazalahy no manomboka mila fitia amim-behivavy amin’ny fisehoana ho mihevitra azy amin’ny resaka ataony. Raha toa izy ka olo-marina sy maotina ny amin’izany raharaha izany dia zon’ilay zazavavy ny hino fa mihevitra ny haka vady azy ilay zazalahy any aoriana. Inona no tokony hataony amin’izay? Eny, andraikiny ny manontany tena raha afaka ny hanambady ilay zazalahy izy. Raha azony antoka tokoa fa tsy afaka ny hihevitra azy ho toy ny vady izy dia ho halozana ho azy ny hamelany ilay zazalahy hampitombo fitiavana lalina azy. Zazavavy maro no namela zazalahy hanadala azy fotsiny mba hampitombo ny fanamarihana azy ka hahatonga ny zazalahy hafa hihevitra bebe kokoa azy ireo. Zazalahy maro koa no mihevitra fa afaka “mitety voninkazo maro” izy ireo mba handany andro ary hihemotra avy hatrany raha vao mihasarotra ny tarehin-javatra. Kanefa, ny fampiasana amim-pitiavan-tena ny fahafahana dia mety hiteraka ratra lalina, izay mitaky volana na taona maro mihitsy aza vao ho sitrana.
21 Ny tsy fampiasana ny fahafahan’ny tena amim-pitiavan-tena ihany no ahazoan’ny fifaneraserana mitondra soa. Izany dia manome anao fahafahana hamantatra tsaratsara kokoa ny amin’ilay olona kasainao hiarahana amin’ny androm-piainanao rehetra. Miankina amin’ny fahamarinana asehonareo tsirairay avy no ahafahanao mahafantatra ny zavatra tiany sy tsy tiany, ohatra, ny fiheverany, ny fanaony sy ny fomba fijeriny, eny fa na dia ny toetrany sy ny fepetra raisiny ary ny fihetsiny manoloana ny zava-manahirana aza. Tsy isalasalana fa tianao ny hahafantatra karazan-javatra toy izao: Moa ve izy be hatsaram-po, malala-tanana sy mihevitra ny hafa? Manao ahoana ny fanajany ny ray aman-dreniny sy ny olon-dehibe amin’ny ankapobeny? Tena miharihary ho tsotra sy manetry tena ve izy sa kosa be rehaka sy kirina? Moa ve aho mahita fifehezan-tena sy fahaiza-mandanjalanja ao aminy sa mifanohitra amin’izany, fa izy dia kanosa sy mifanahin-jaza, ary angamba midongy na tezi-dava mihitsy aza? Koa satria mahafaoka tapany lehibe eo amin’ny fiainana ny asa, miseho ho kamo ve izy, tsy mendri-pitokiana na mpandanilany vola? Inona no volavolan-keviny ny amin’ny hoavy? Maniry hanana zanaka ve izy sa manan-javatra tiana manokana? Tao amin’ny lahatsoratra mitondra ny lohateny hoe “Famantarana fampitandremana mandritra ny fifaneraserana” dia hoy ny mpanoratra iray: “Ny fanadihadianay ny amin’ny fanambadiana sambatra na mijaly dia mampiharihary fa ny mijaly am-panambadiana dia ireo tsy mifanaraka eo amin’ny zava-kendrena sy ny hasarobidin’ny fiainana.”
22 Kanefa, dia tokony hahafantatra indrindra ianao hoe inona no toerana tanan’ny fikasan’Andriamanitra eo amin’ny fiainana sy ny volavolan-kevitry ny olona ho vadinao. Eny, rehefa voadinikao avokoa ny lafin-javatra rehetra, moa ve ianareo mifanentana? Raha toa ka misy tsy fifanarahana lehibe dia aza mamita-tena hieritreritra fa ny fanambadiana dia handamina izany avy hatrany. Mifanohitra amin’izany, ny tsy fifanarahana tsy misy farany dia hihamafy hatrany.
FIFANERASERANA MENDRI-KAJA
23-26. a) Ahoana no hiheverana ireo olon-droa mikasa hivady izay mifampitantana sy mifanoroka? b) Ahoana no mety hahatonga ny tena ho meloka noho ny “fahalotoam-pitondrantena” sy ny “fijejojejoana”? Nahoana no zava-dehibe ny hanalavirana fitondrantena toy izany (Galatiana 5:19-21)?
23 Any amin’ny toerana izay amelan’ny ray aman-dreny ny fiarahan’ny mpifamofo irery, izy ireo dia mampiseho matetika ny fitiavany amin’ny fifampitantanany sy ny fifanorohany mihitsy aza. Ekena tsotra izao, fa ny ray aman-dreny dia manana adidy hanoro ny zanany lahy na ny zanany vavy ny amin’ny fotopoto-pitsipika izay irin’izy ireo ny hitandremany azy. Azon’ny loholona ao amin’ny kongregasiona atao koa ny manintona ny sain’ny tanora ho amin’ny fotopoto-pitsipika tsara dia tsara hita ao amin’ny Tenin’Andriamanitra ary izay rehetra maniry marina hitondra tena amim-pahendrena eo amin’ny fiainany dia hanaraka an-tsitrapo sy amim-pifaliana izany torohevitra izany.
24 Tsy manameloka fotsiny ny fijangajangana, izany hoe ny firaisan’ny lahy sy ny vavy eo amin’ny olona tsy mpivady, na dia ny mpifamofo aza, ny Baiboly fa mampitandrina koa izy ny amin’ny faharatsiam-pitondrantena sy ny “fahalotoana” izay mety hatao mandritra ny fifaneraserana (Galatiana 5:19-21). Ireo olon-droa izay manaraka ireo fampitandremana ireo dia miaro tena amin’ny fahoriana maro ary tsy ho voatery hakorontan’ny fahatsiarovana ny fitondrantena ratsiny any aoriana. Kanefa inona, araka ny Baiboly, no atao hoe fitondrantena maloto? Mety hahafaoka inona izany?
25 Ny fifampitantanana dia mety ho fampisehoana madio ny fitiavana eo amin’ny olon-droa mikasa ny hivady. Marina fa misy hery manaitaitra izany, saingy ara-dalàna ary tsy voatery ho ratsy. Ny fahitana fotsiny ny olon-tiana dia mety hanaitaitra koa, ‘hampitepo haingana ny fo’ (Tonon-kiran’i Solomona 4:9, MN). Kanefa, aza hadinoina fa ny toe-tenan’olombelona dia natao hahatonga ny fifampikasohana ara-batana hampitombo “ny hery” manintona eo amin’ny lahy sy ny vavy. Noho izany, noho ny fahatsapana araka ny zava-misy ny mety ho vokatry ny fihetsika toy izany, dia naleon’ny mpifamofo maro nametra ho faran’izay kely ny fifampikasohana ara-batana eo amin’izy ireo mandritra ny fifaneraserana. Tsy misy mihitsy afaka hanakiana na hanamaivana ny fihetsika tarihin’ny fieritreretan’izy ireo.
26 Mety ho fampisehoana madio ny fitiavana eo amin’ny mpifamofo koa ny fifanorohana. Raha ny marina, ny zava-dehibe dia miankina amin’ny hoe manao ahoana ny halehiben’ny fahamaimaizana amin’izany? Ny fifanorohana dia mety ho fomba iray hanetsika ny fahamaimaizana ka hanaitra ireo olon-droa hanana firaisana. Ny fahataitairana eo amin’ny lahy sy ny vavy dia manomana ny olon-droa ho amin’izany, nefa io tombontsoa io dia voatokana ho an’ny mpivady ihany, araka ny voalazan’ny Baiboly. Raha toa ny olon-droa tsy miraharaha ny lalàn’Andriamanitra ka manao an-kitsirano izay hanairana ny filan’ny nofony, toy ny fifanafosafoana ny faritra miafina, dia meloka marina tokoa noho ny “fahalotoana” sy ny “fijejojejoana” izy ireo.
27-30. Nahoana no tsaratsara kokoa ny hanalavirana ny fihetsehana manaitra ny fahamaimaizana alohan’ny fanambadiana?
27 Aoka isika ho marina amin’ny tenantsika. Raha fantatsika fa tsy manana fifehezan-tena lehibe ny amin’izany isika, dia aza mampidi-doza ny hoavintsika sy ny an’ny ho vadintsika amin’ny fisetrana zavatra toy izany. Moa ve ianao hitondra fiarakodia eo amin’ny fidinana mitsatoka iray raha fantatrao fa ratsy ny fampijanonana azy (frein)? Alohan’ny hanombohana fa tsy aoriana no fotoana tokony hisaintsainana sy hitandremana ny fonao. Rehefa manomboka ho taitra ny faniriana ara-batana dia sarotra tokoa ny hampijanonana azy. Izay rehetra mamela hamaka ao aminy ny filan’ny nofo ka maniry hanana firaisana, kanefa tsy mbola mivady, dia mahita fihenjanana sy fahasorisorenana. Izany dia toy ny mamaky boky iray manaitaitra izay hita fa voaendaka ny toko farany.
28 Ireo izay mitandrina ny fifandraisany ho madio mandritra ny fifaneraserany dia manome fiaingana tsara lavitra ho an’ny fanambadiany noho ireo izay manana fifandraisana ara-batana mihamiafina loatra sy mihamahery loatra. Ahoana no mety hanajan’ny zazavavy iray ny zazalahy iray izay tsy maintsy “atosiny” foana? Kanefa ny zazalahy izay mampiseho fanajan-tena sy herin-tsaina dia mendrika hahazo fanajana avy aminy. Marina koa izany raha ny amin’ny zazavavy. Tokony hahatsapa indrindra ny zatovovavy fa raha mila fotoana izy mba hahataitra ny filany, dia mahalana no toy izany eo amin’ny zazalahy. Eo aminy dia mora kokoa sy haingana kokoa ny fahatairan’ny filana eo amin’ny lahy sy ny vavy.
29 Mitarika ho amin’ny fanambadiana haingana loatra ny fiarahana matetika sy ny fitomboan’ny fihetsika mampiseho fahamaimaizana. Ny boky hoe “Ny fotoana maha-zatovo sy ny fahatanorana” (anglisy) dia milaza hoe: “Ny fotoana voalohany eo amin’ny fifaneraserana dia matetika feno nofinofy. Ny fanambadiana amin’io fotoana io dia mety hitarika ilay olona hanantena zavatra betsaka avy amin’izany noho izay azon’ny fanambadiana omena marina tokoa. Ny fifaneraserana maharitraritra kokoa amin’ny ankapobeny dia manome antony tsara hifankahalalana mba hahazoana fanambadiana tsara fototra.” Marina fa ny fifaneraserana mitarazoka loatra dia miteraka fifehezan-tena be loatra, ka mahery vaika amin’izay ny faniriana hanana firaisana ary mety ho tonga loza mananontanona mihitsy.
30 Mety ho teraka ao amin’ireo mpivady vao koa ny fisalasalana lehibe sy ny fiahiahiana aorian’ny fanambadiana raha nibahan-toerana teo amin’izy ireo ny fahamaimaizana nandritra ny fifaneraserany. Mety hanontany tena izy ireo hoe: Nivady noho ny fitiavana tokoa ve izahay? Sa kosa azon’ny fahamaimaizana fotsiny izahay? Moa ve izany safidy natao tamim-pahendrena? Mety hirona hisalasala ny amin’ny fahatsoran’ny fitiavan’ny vadiny koa ny zazavavy ka hanontany tena raha toa ka noho ny vatany no nanambadiany azy fa tsy noho ny maha-izy azy.
31, 32. Inona no mety hanampy ireo olon-droa hanalavitra ny fanaitairana ny fahamaimaizana izay mety hanimba ny fifaneraserany?
31 Noho izany, mba hiarovana anao sy ny fahasambaranao ho avy, dia halaviro ny tarehin-javatra izay mitarika anareo ho amin’ny fahamaimaizana. Ny toerana mitokana sy maizimaizina dia tsy manampy anareo mba hitana fifaneraserana mendri-kaja. Halaviro koa ny tarehin-javatra izay hahitana fotoana tsy hanaovana na inona na inona afa-tsy ny fihetsika fampisehoam-pitiavana. Fahafinaretana madio maro no mety ho azo amin’ny fikorisana amin’ny ranomandry na fanaovana fanatanjahan-tena maro, ny fiaraha-misakafo any amin’ny hôtely, ny fitsidihana trano fitehirizana rakitry ny ela, ary ny toerana hafa mahaliana sy tsara tarehy. Na dia mahatsapa fahafinaretana amin’ny fitokanana noho ny tsy fiarahana amin’ny olom-pantatra aza ianareo, dia afaka ho voaro satria tsy misaraka tanteraka amin’ny olon-kafa.
32 Aza mihevitra fotsiny ny amin’izay tsy anananao amin’ny fifehezanao tena toy izany. Hevero kosa fa manomana ny hoavinao ianao. Noho izany, amin’ireo taona ho avy dia afaka ny hahatsiaro ny fifaneraseranareo tsy amin’alahelo na nenina ianao fa amim-pahafinaretana sy fahafahampo.
[Fanontaniana]
[Sary, pejy 153]
Raha manaiky hampitombo eo aminy fihetsehana manaitra ny fahamaimaizana ny mpifamofo, moa ve izany tsy hanimba ny fahasambaram-panambadiany amin’ny hoavy?
[Sary, pejy 155]
Afaka miara-manao asa tena madio maro ny tanora mpifamofo.