Ny mozika sy ny dihy
Toko faha-17
Ny mozika sy ny dihy
1-3. a) Amin’ny heviny ahoana no marina ny hoe nataon’ny Mpamorona ho anisan’ireo singan-javatra mahaforona ny manodidina antsika ny mozika? b) Asehoy amin’ny alalan’ny ohatra fa tsy manameloka ny dihy ny Baiboly.
NATAON’NY Mpamorona ho anisan’ireo singan-javatra mahaforona ny tontolo iainan’ny olombelona ny mozika. Re ao tokoa, tsy ny kiririoka na ny siotsioka sy ny feo hafa alefan’ny vorona ihany fa ny feon’ny rano mikoriana, ny tsio-drivotra any anaty hazo, ny hiran’ny angely, ny rindram-peon’ny sahona, ary ny kiakiaka sy antso avy amin’ny feo an’arivony maro ihany koa. (Manana fomba faneno natokana ho azy avokoa ireo zavaboary rehetra ireo). Tsy mahagaga àry raha toa ny zavamaneno ka efa niseho teo am-piandohan’ny tantaran’olombelona.
2 Manana tantara lava koa ny dihy. Teo amin’ny Isiraely, i Miriama anabavin’i Mosesy dia nitarika vehivavy “nitondra ampongatapaka sady nandihy”. Rehefa avy nomen’Andriamanitra fandresena an’ireo fahavalo nanana fitondrantena ratsy i Davida mpanjaka dia “nivoaka ny vehivavy avy tamin’ny tanànan’Isiraely rehetra ka nihira sy nandihy”. Toa tsy nankahala ny dihy tokoa i Jesosy, satria niresaka an’izany ho toy ny iray amin’ireo fialam-boly nampiavaka ny fety nihaja izy ao amin’ny fanoharana nataony momba ilay zanaka adala. Ao amin’io fanoharana io tokoa i Jesosy dia niresaka ny amin’ny “zava-maneno sy dihy” izay nalamina mba hankalazana ny fiverenan’ilay zanaka adala. Araka ny voalazan’ny Baiboly dia nisy dihy nataon’olon-tokana sy hafa nataon’ny antokon-dehilahy na vehivavy. — Eksodosy 15:20; 1 Samoela 18:6; Lioka 15:25.
3 Tokony hotsoahina avy amin’izany ve fa tsy maintsy tsara avokoa ny mozika sy ny dihy rehetra? Sa kosa mety ny hanaovana fifantenana amin’ireo lafiny ireo? Inona no tokony hitarika ny fisafidianantsika? Tena zava-dehibe tokoa ve izany?
IREO DIHY ISAN-KARAZANY
4-6. a) Noho ny antony inona avy no andavan’ny kristiana tsy handray anjara amin’ny dihy sasany (Kolosiana 3:5, 6)? b) Nahoana ny dihy sasany amin’ny andro ankehitriny no nampitahaina tamin’ny dihy fahiny momba ny fahavokarana?
4 Maro karazana ny dihy. Ny sasany amin’izy ireny dia dihy malefaka toy ny “valse” ary ny hafa henjana sy tena mitsatotsatoka toy ny “polka”. Ao ny dihy latina amerikana toy ny “congas”, ny “rumbas” ary ny “sambas”, tsy hadino ny “merengues”, ny “biguines” ary ny “bossa novas”. Maro amin’ireto farany no manana fiandohana afrikana. Ao koa ny “rock and roll” sy ny dihy vao haingana kokoa. Mety hanana antony tsara tsy handraisana anjara amin’ny sasantsasany amin’ireo dihy ireo ve ianao?
5 Eny, raha toa izany dihy izany ka mahatonga anao hahatsapa fahataitairana ary mety hitarika anao amin’ny fahalotoam-pitondrantena eo amin’ny lahy sy ny vavy. Mety hitondra fahasahiranana be dia be ho anao izany.
6 Ireo dihy tranainy momba ny fahavokarana, ohatra, dia natao hanaitairana ny fahamaimaizana. Nefa mampahatsiahy an’ireny fombafomba tamin’ny lasa ireny ny sasany amin’ireo dihy amin’izao androntsika izao. Izao no azo novakina, taona vitsy lasa izay, tao amin’ny Time magazine:
“Dihy madio ny “twist” teo am-boalohany (...) Nefa nohavaozin’ireo zatovo [avy ao amin’ny trano fandihizana amin’ny alina iray any New York] ny “twist”, novany aoka izany ka tonga mitovy amin’ny dihim-poko tranainy anankiray momba ny fahamaotiana.”
7-10. a) Karazana fanintonana manao ahoana no hampiasaina raha mandray anjara amin’ny dihy toy izany ny tena? Ho tianao ve ny hahatongavan’ny olona anankiray eo aminao noho izany antony izany? b) Nahoana no mila mitandrina na dia amin’ireo dihy lazaina fa fanaom-bahoaka aza?
7 Maro amin’ireo dihy vao haingana no tsy inona fa “twist” namboarina ihany. Tsy mifampikasoka ireo mpandihy nefa manodina ny valahany sy ny sorony amin’ny fomba tena manintona izy ireny. Mety ho tena hanaitaitra ny mpijery tanora iray izany fihetsika izany. Ny zatovovavy iray, ohatra, dia mety hanetsiketsika ny vatany tsy hieritreri-dratsy, variana amin’ny fingadon’ny dihy. Nefa tsy tokony hodiany tsy fantatra ny vokatra mety hateraky ny fihetsehany eo amin’ireo mpijery sy ny ho fiheveran’izy ireo azy, araka ny nasain’ny taratasy iray ho an’ny talen’ny New York Times Magazine nomarihina hoe: “Antenaina fa hamitaka antsika ny vatana tanora [sy ny efa lehibe kokoa indraindray] an’ireo mpandihintsika ka tsy ho ao an-tsain’izy ireo ny hanao ao anatiny toy ny ataon’ny valahany sy ny tenany ambony eo ivelany.”
8 Na dia madio tokoa aza ny antony manosika anao, dia aza hadinoina fa raha mandray anjara amin’ny dihy toy izany ianao dia hampiasa fanintonana eo amin’ireo mpijery tanora. Eritrereto izany. Ohatra, moa ve voasintona ho aminao ireny zatovo ireny satria mampisy fahataitairana ara-batana ao aminy ianao, ny karazana fahataitairana avy amin’ireo olona manao akanjo manara-tena izay manetsiketsika valahana sy manao izao fihetsika manaitaitra ny filan’ny nofo rehetra izao? Tianao ve ny hironana aminao noho izany zavatra izany fotsiny? Sa irinao ny hotadiavin’ny olona iray izay tia anao noho ny maha-ianao anao, izay mankasitraka anao noho izay heverinao ho zava-dehibe eo amin’ny fiainana ary tia koa ny resadresaka ataonao? Iza no mahaliana anao? Izay mitady izay hahafaly anao sa izay tsy misaina afa-tsy ny hanararaotra anao?
9 Na dia ireo dihy fanaon’ny vahoaka aza, izay atao amin’ny alalan’ny famindra sy ny endrika mampiavaka azy ary ny fihetsika malefaka ataon’ny vatana ka ifampihazonan’ireo mpandihy, na izany dihy izany aza dia mety hiteraka vokany avy amin’ny fifampikasohana akaiky tsy maintsy atao. Raha toa àry ianao ka mandray anjara amin’ny dihy toy izany, dia tsarovy fa mety hanaitaitra ilay miara-mandihy aminao ianao, kanefa ianao tsy hahatsapa na inona na inona satria aminao ny fifampikasohana ara-batana tsy dia akaiky loatra ka hoe hanaitaitra anao.
10 Miharihary tokoa fa tsy azo alahatra ho sokajiny roa ny ankamaroan’ny dihy: ireo izay mety sy ny hafa. Dihy maro be tokoa no azo atao, na amim-pahamaotinana, na, arahin’ny fihetsehana sy fihetsika mifanohitra amin’ny fitsipika momba ny fahadiovana voalazan’ny Tenin’Andriamanitra.
IREO KARAZANA MOZIKA
11, 12. Inona no asan’ny mozika? Manomeza ohatra.
11 Sahala amin’ny dihy ihany, dia ilaina ny mitandrina sy mieritreritra tsara alohan’ny hifidianana izay karazana mozika hohenoinao. Manan-kery ny mozika ary toy ny hafa rehetra, ny asany dia mety hampiasaina amin’ny tsara na amin’ny ratsy.
12 Avy aiza ny herin’ny mozika? Avy amin’ny fahafahany mamolavola ny toe-tsainao na ny fikasanao. Misy mozika mampitony, malefaka, ny hafa manaitaitra sy mampirehitra anao. Iza no tsy mahatsapa ny fahasamihafana miharihary misy eo amin’ny famindrana mampientana sy ny kalo malefaka? Afaka mampaneno ny feon’ny fientanam-pon’olombelona isan-karazany ny mozika, dia ny: fitiavana, angolam-pitia, fanajana lalina, alahelo, hatezerana, fankahalana ary fahamaimaizana. Nandritra ny fotoana rehetra nisian’ny tantarany ny olombelona no efa nahatsapa ny herin’ny mozika ary nampiasainy izany mba hitarihana ny vahoaka. Jereo, ohatra, ny vokatra nateraky ny hiram-pirenena momba ny ady. Ary misy aza toeram-pianarana izay manana ny “hiram-panafihany” manokana, hira ventesiny eo am-piandohan’ny fifaninanana ara-panatanjahan-tena izay andraisany anjara.
13-16. a) Inona no fifandraisana misy eo amin’ny torohevitra omena ao amin’ny Ohabolana 4:23 sy ny fifidianana tokony hataontsika eo amin’ny lafin’ny mozika? b) Amin’ny heviny ahoana moa ny mozika no mety ho mpandrisikoto (catalyseur)?
13 Ao amin’ny Baiboly, ny fo dia mifamatotra akaiky amin’ny fientanam-po sy amin’ny antony manosika. Izany no nahatonga ity torohevitra ity: “Tandremo ny fonao mihoatra noho izay rehetra tokony hotandremana; fa avy ao aminy no ihavian’ny aina.” (Ohabolana 4:23). Tsy azo lavina ny hery mampihetsi-po ananan’ny mozika, ka raha te hitandrina ny fontsika tokoa isika dia ilaintsika ny mifantina eo amin’ireo mozika samy hafa hitantsika.
14 Raha marina fa mihelina tokoa ny herin’ny mozika miasa eo amin’ny fahatsapantsika zavatra dia marina koa fa ampy faharetana matetika io hery io mba hitarika antsika amin’ny lalana iray na hanalefaka ny fahaizantsika manohitra fanintonana na fakam-panahy sasany. Raha efa nanao simia ianao tany am-pianarana dia fantatrao ny mety ho anjara asan’ny mpandrisikoto (catalyseurs). Nampianarina anao fa ny fihin̈a (combinaison) atao amin’ny raha (substance) ara-tsimia roa na maromaro dia matetika no mety noho ny fanampiana zaka (corps) iray hafa, izay ny fisiany fotsiny dia mitarika an’io fihin̈a io. Mpandrisikoto io zaka io. Nefa iza amintsika no tsy manana fahalemena sy tsy manana fironana ratsy? Izany indraindray no mahatonga antsika hahatsapa ho voatosika hanao zavatra mahameloka. Aoka hataontsika hoe misy toe-javatra izay manosika anao hanana fitondrantena ratsy. Eny, ny mozika dia mety ho “mpandrisikoto”, ary ny heriny fotsiny dia mety hahatonga ny faniriana sy ny toe-javatra hikambana mba hiteraka zavatra mety hanenenanao mafy any aoriana. Izao no nambaran’ny vehivavy iray miasa ho an’ny vaomieram-panjakana natao handinihana ny sary na soratra maloto tao amin’ny faran’ny fanadihadiana nataony:
15 “Ny mozika izay miasa eo amin’ny fahataitairan’ny zatovovavy ka mety hanaitra ao aminy ny fitiavana sy firaiketam-po matetika dia natao ho mpandrisikoto amin’ny fitiavana ary miteraka fahataitairana ara-nofo ao amin’ilay zatovovavy amin’izany fomba izany (...). Izany fahataitairana izany dia ny mozika no mampiakatra azy avy any amin’ny lalina.”
16 Ny fahataitairana omen’ny mozika tokoa, na dia tsy maharitra aza ny fiasany, dia mety hanao toy ny fanosehana ka hampivarina anao ao amin’ny fomba fiaina izay mety haharitra na fara faharatsiny hanana fiantraikany maharitra. Tsy aleo àry ve mba misahirana mieritreritra ary mampiasa fahaiza-manavaka eo amin’ny lafin’ny mozika?
NY ZAVA-MANAHIRANA EO AMIN’NY FISAFIDIANANA
17, 18. Inona no tokony hataonao mba hamaritana na tsara na ratsy ho anao ny mozika iray?
17 Tsy misy mihitsy hahay hanome anao ny lisitra izay hamela anao hahita avy hatrany hoe inona no mozika tsara ary inona no ratsy. Ny antony dia satria saika eo amin’ny karazana mozika rehetra misy dia tsy misy azo lazaina hoe “tsara tanteraka” na “ratsy tanteraka”. Ilainao àry ny mampiasa ny fahaizanao sy ny fonao mba hahitana ny tena vidin’ny mozika toy izao na toy izao, sy manaiky hotarihin’ny fotopoto-pitsipika toy ny efa notsahivintsika teo aloha. Ary aza hadinoina fa avy amin’ny safidy ataonao no isehoanao amin’ny manodidina anao hoe karazan’olona manao ahoana ianao.
18 Efa ela be izay no nanontanian’i Joba hoe: “Moa tsy ny sofina va no mamantatra ny teny? Ary tsy ny vava va no manandrana ny hanina?” (Joba 12:11). Toy izany koa fa afaka mamantatra ny mozika ny sofinao. Na dia tsy misy tonony aza ny karazana mozika iray renao dia ho azonao atao matetika ny maminavina na amin’ny toe-tsaina manao ahoana na amin’ny toerana manao ahoana no tian’izany mozika izany hametrahana anao, na hoe fitondrantena manao ahoana no hindrahindraina araka ny feony. Tsapan’i Mosesy izay nironan’ny mozika reny rehefa nidina ny tendrombohitra Sinay ka nanakaiky ny tobin’ny Isiraelita izy. Hoy izy tamin’i Josoa: “Tsy feo fihobian’ny mahery [hira fandresena] na feo fitomanian’ny resy [hira fisaonana] no reko, fa feon’ny mihira.” Ny hira izay reny nanako tokoa dia manambara ny fihetseham-po nirehitra avy amin’ny firavoravoana namoafady sy feno fanompoan-tsampy. — Eksodosy 32:15-19, 25.
19-22. a) Ny amin’inona no tsara hotandreman’ireo mpitia mozika kilasika? b) Inona no holazaina raha ny amin’ireo vokatry ny feon-kira “jazz” sy “rock” sasany?
19 Andeha isika hijery ohatra akaiky antsika kokoa. Aoka horaisintsika ny mozika kilasika izay manana feo mendri-kaja amin’ny ankapobeny ary tena ambony indrindra aza indraindray. Raha marina fa mety hiteraka hevitra ambony ny ankamaroan’ny zava-bita antsoina hoe kilasika, ny foto-kevitry ny sasany aminy dia mampiseho tsy fahamendrehana sy faharatsian’ny fiainana ary manindrahindra an’izany mihitsy aza. Tsara ny hitadidiana fa mpamorona hira kilasika malaza maro no niaina tao anatin’ny fahalotoam-pitondrantena. Ary raha marina fa nanoratra ho an’ny mpihaino heverina ho manana fankafizan-javatra madio izy ireny, dia tena marina ihany koa fa ny sasantsasany amin’ny fomba fiheverany sy ny fihetseham-pony nateraky ny fomba fiainany tsy mendrika dia hita taratra ao amin’ny sasantsasany amin’ireo asa vitany. Raha toa àry isika ka miahy ny amin’ny hiarovana ny fontsika sy ny saintsika, dia ho malina isika, eny fa na dia amin’ireo mozika lazaina fa “maotina” aza.
20 Amin’ny lafiny hafa amin’ny fifangaroan’ireo mozika niseho nanaraka ny zava-bita kilasika dia hita koa ny “jazz” sy ny “rock”, izany hoe ireo mozika antsoina hoe mitsitapatapaka. Na dia eo amin’ny fingadon’ny hira aza dia misy ny mozika mahafinaritra sady malefaka, nefa ny hafa manana feo mahery sy mikiririoka. Izany no mahatonga ireo mpitendry hanao fanavahana eo amin’ny “jazz” sy ny “rock” izay “soft” (malefaka) sy ireo izay “hot” (mirehitra) ary eo amin’ny karazan-kira “hard” (mafy) sy ireo “acid”. Tokony ho hainao ny hamantatra hoe karazam-pitondrantena manao ahoana no hindrahindrain’ny mozika amin’izany filatro izany. Tokony hanambara izany aminao ny sofinao, ny sainao ary ny fonao. Mahalaza hevitra aoka izany indraindray ny tonony sy ny feon’ny hira sasantsasany hany ka tsy sarotra amin’ny mpihaino ny mampifandray azy amin’ny karazam-pitondrantena sasany na sokajin’olona sasany. Ny Baiboly, ohatra, dia miresaka ny amin’ny ‘hiran’ny mpisotro toaka’ sy ny “tononkalon’ny janga” (Salamo 69:12; Isaia 23:15, 16.) Nefa inona no holazaina ny amin’ny androntsika?
21 Moa ve ianao tsy mbola namaky mihitsy tao amin’ny gazety fa ny konseritra na ny lanonana toy izao na toy izao dia voamarik’izao karazana fisehoan-javatra tampoka rehetra izao toy ny: kiakiaka sy ngodongodon’ny mpijery, zatovovavy torana, fampiasana zava-mahadomelina, fandraisan’ny pôlisy anjara mba hisakanana ny fanimbana ireo toerana nanaovana izany? Araka ny hevitrao, karazana mozika manao ahoana no notendrena tao amin’izany fampisehoana izany? Rehefa nandre ianao fa matin’ny zava-mahadomelina tafahoatra ny zatovolahy mpihira iray na ny zatovolahy mpitendry zavamaneno malaza iray, filatron-kira na zavamaneno manao ahoana no inoanao fa nianarany manokana?
22 Tsy isalasalana fa fantatrao fa zatovo maro be no voasinton’ny mozika “rock” satria, araka ny voalazan’izy ireo, ny tonon-kira amin’izany dia milazalaza araka ny tena izy ny zava-misy sy ny zava-manahirana an’izao tontolo izao manodidina azy. Noho izy misy fanantitranterana kokoa noho izay mety ho mozika hafa angamba, ny “rock” dia manao izay hanekena ny filozofiany momba ireo zava-manahirana ny zatovo, ny hantsana mampisaraka ny ray aman-dreny sy ny zanaka, ny zava-mahadomelina, ny amin’ny lahy sy ny vavy, ny zon’olombelona, ny fiadian-kevitra, ny fahantrana, ny ady, sns... Manao izay hilazana ny fahasosoran’ny zatovo maro eo anoloan’ny tsy fahamarinan’ny mpiara-monina, ary koa ny hevitr’izy ireo momba ny tontolo iray tsaratsara kokoa io mozika io. Nefa inona no vokatr’izany amin’ny ankapobeny? Inona no fanampiana nentin’ny “rock” ho an’ny zatovo? Nitondra ny tena vahaolana ve ny foto-keviny? Raha toa io mozika io ka natao hampiseho ny zava-misy amin’ny maha-izy azy, nahoana no hira maro be no manova azy rehefa miorina amin’ny zava-mahadomelina ny foto-keviny, ary ambonin’izany, ny sasantsasany amin’ireo tonon-kirany dia tsy misy mahafantatra afa-tsy ireo mpampiasa zava-mahadomelina ihany? Ireo no fanontaniana mendrika ny hoeritreretina.
23-25. a) Amin’ny ahoana ny torohevitra ao amin’ny Mpitoriteny 7:5 no mihatra amin’ny mozika? b) Iza no tokony hoheverina rehefa mifidy mozika na dihy ny tena (1 Korintiana 10:31-33; Filipiana 1:9, 10)? d) Nahoana àry ny fifidianana ataontsika amin’izany lafiny izany no tsy hoe zavatra tsy dia misy antony?
23 Tsy zavatra tsy misy antony àry ny fifidianana ny mozika. Mety hamela ny hafa tsotra izao hieritreritra sy hanapa-kevitra eo amin’ny toeranao ianao: ampy anao fotsiny ny ‘hanaraka ny besinimaro’ amin’ny fifidianana izay mifanaraka amin’ny toetr’andro, izay tian’ny vahoaka. Nefa nahoana no tsy ianao ihany no mieritreritra sy mitandrina eo amin’ny fifidianana ataonao, amin’ny fanekena hotarihin’ireo fotopoto-pitsipiky ny fahendrena ambony sy mandrakizay izay hita ao amin’ny Tenin’Andriamanitra? Izao no voalaza ao amin’ny Mpitoriteny 7:5: “Tsara ny mihaino ny anatra mafy ataon’ny hendry noho ny mihaino ny hiran’ny adala.” Ny “fahadalana” resahin’ny Baiboly dia tsy ny hadalana araka ny heviny ahalalana an’io teny io fotsiny izay an’ny saina fa ny fahadalana eo amin’ny fitondrantena asehon’ny olona manaraka lalana iray izay tsy hanomana afa-tsy fahasahiranana ho azy.
24 Angamba ianao mihevitra fa raha ny momba anao dia afaka mihaino, tsy misy vokany ratsy, hira manohitra izay marina sy mahitsy na manana feo mahery sy manaitra ianao. Mety hieritreritra toy izany koa ianao momba ireo dihy mahafinaritra anao. Inona anefa no vokatry ny fihetsikao eo amin’ny hafa? Moa ve ianao mitovy hevitra amin’ny apostoly Paoly izay nilaza fa vonona ny hiala, eny fa na dia amin’ireo zavatra ara-dalàna toy ny hena aza, raha toa izany ka hanjary vato fanafintohinana? Mampitovy anao amin’ny karazan’olona manao ahoana ny mozika fidinao?
25 Araka ny ahitanao azy, ireo mozika sy dihy fidinao dia mampiseho na mikatsaka izay hahafinaritra ny tenanao fotsiny ianao na ny hahafinaritra an’Andriamanitra amin’ny fitondrantena izay hampitoetra anao amin’ny fankasitrahany sady hahazoanao ny fiainana mandrakizay.
[Fanontaniana]
[Sary, pejy 124]
Manan-tantara lava ny dihy