Rehefa tonga lehilahy lehibe ny zazalahikely iray
Toko faha-3
Rehefa tonga lehilahy lehibe ny zazalahikely iray
1-6. Inona avy ny sasantsasany amin’ireo zava-mahagaga miseho mandritra ny fitomboan’ny tsaika (zaza am-bohoka)? Ilaina ve ny manome voninahitra olona iray noho izany (Salamo 139:13-18)?
AOKA isika haka fotoana hieritreretana kely ny amin’ny fomba nahatongavantsika rehetra teo amin’ny fiainana, satria mety ho feno fampianarana izany. Saintsaino fa vao avy notorontoronina fotsiny ianao, ary tsy mihoatra an’izany, dia tsy nisy afa-tsy sela bitika iray kely noho ny teboka mamarana ity fehezanteny ity akory. Avy amin’io sela io no nitomboanao tao an-kibon-dreninao mandra-pahafenon’ny tenanao, miaraka amin’ny atidoha iray mba hisainana, maso roa mba hijerena, sofina mba hihainoana sy ireo taova hafa izay samy mahatalanjona koa. Nefa ahoana no nivelaran’izany fitomboana mahagaga izany?
2 Tsy voatery nanomana ireo planina nilaina tamin’ny famoronana anao ireo ray aman-dreninao. Tsia, fa voaomana tao anatin’ny sela izay vokatry ny firaisan’ny tsirilahy iray sy ny tsirivavy iray izany rehetra izany. Tao anatin’ny minitra vitsivitsy monja no nangalana ny planina avy ao anatin’io sela bitika io ihany, mba hamokarana zavaboary olombelona vaovao iray: dia ianao.
3 Voasoratra ao anatin’ny A.D.N. a an’io sela matoy io avokoa ireo zavatra rehetra nilaina tamin’ny famoronana anao. Ny A.D.N. dia ny raha tena ilain’ireo “gènes” (faritra amin’ny krômôzôma izay mamindra ny toetra lovana na tarazo) an’aliny maro izay misy ao amin’ny selanao tsirairay avy, ary voangona eo ambony krômôzôma enina amby efapolo izay mitambatra tsiroaroa. Ny sela tsirairay avy dia mirakitra toromarika maro be izay raha ilaina ny hanoratana azy amin’ny boky amin’ny fitenin’olombelona, dia hameno efitrano iray manontolo ireo boky ireo. Etsy an-danin’izany, ary mbola mahagaga kokoa ihany, ireo toromarika amin’ny an-tsipiriany rehetra ireo dia ampitaina amin’ny sela vaovao tsirairay avy ao amin’ny tenanao, izay samy mirakitra amin’izany, filazalazana mitovy amin’ny an’ny sela tany am-piaingana.
4 Nefa mety hanontany tena angamba ianao ny amin’ny fomba ahafahan’ny A.D.N. mifantina araka izay tiany ireo toromarika ilainy mba hampitomboana ny faritra toy izao na toy izao amin’ny tena. Ohatra, ahoana no ifantenan’ny A.D.N. ireo toromarika ilaina amin’ny fanamboarana maso iray? Ary raha manamboatra maso iray izy, ahoana no hanafoanany ireo toromarika ilaina amin’ny fanaovana sofina, voa na aty?
5 Zava-bitan’ilay Mpamorona lehibe izany, zava-miafina tsy hain’ny olombelona nofantarina. Nanambara toy izao momba an’Andriamanitra ny iray amin’ireo mpanoratra ny Baiboly indray andro, raha nifototra tamin’ny fahalalany ny amin’ny tenan’olombelona: “Hidera anao aho; fa mahatahotra sy mahatalanjona ny nanaovana ahy; mahagaga ny asanao; ary fantatry ny fanahiko marimarina izany.” (Salamo 139:14). Toy izany koa ve ny fihetseham-ponao?
6 Tao anatin’ny sivy volana monja, ilay sela tokana matoy tamin’ny fahatorontoronanao iny dia nihamaro mba hiteraka amin’ny farany, zazakely iray mitombo manontolo, dia tena iray be kojakojany mahagaga aoka izany misy sela an’arivo tapitrisany maromaro. Tsy ho haingam-pitombo be toy izany intsony mihitsy ianao. Nefa, telo ambin’ny folo na efatra ambin’ny folo taona aorian’ny fahaterahanao, dia mandalo tosi-pitomboana iray vaovao haingana be indray ianao eo amin’ny fotoana idiranao amin’ny vanim-potoana teteza-mitan’ny fiainanao ka haha-lehilahy lehibe anao b. Izany vanim-potoana izany dia ny taona maha-zatovo. Maharitra taona maromaro izany ary mifarana rehefa mahatratra ny fahamasahana ara-batana ianao, eo anelanelan’ny roapolo sy telo amby roapolo taona amin’ny ankapobeny. Ny taona maha-zatovo, izay tsy hoe ny vanim-potoana mora indrindra eo amin’ny fiainana, dia tena zava-dehibe indrindra, satria izany no mamaritra ny hoe ho karazan’olona hanao ahoana ianao tsy ho ela.
IREO FIOVANA EO AMIN’NY FAHAMAOTIANA
7-12. a) Fiovana inona avy no andalovan’ny zazalahikely iray amin’ny fotoana fahamaotiana? Tokony hanahy be loatra ny amin’izany ve izy? b) Ahoana no ahalalan’ny tovolahy iray fa ampy fitomboana ny taova maha-lahy azy mba hahafahany miteraka?
7 Ny fahamaotiana no dingana voalohany eo amin’ny taona maha-zatovo. Raha lazaina amin’ny fomba hentitra, dia izany no fiampitana avy eo amin’ny fahazazana mankamin’ny fahatanorana, izay isehoan’ny famantarana isan-karazany manambara ny fahamasahana eo amin’ny maha-lahy sy vavy. Amin’ny ankapobeny, ny taona maha-maoty dia noferana ho eo amin’ny fahefatra ambin’ny folo taona ho an’ny ankizilahy ary eo amin’ny faharoa ambin’ny folo taona ho an’ny ankizivavy, nefa tena miovaova be izany. Mety ho maoty tokoa ny zazalahy iray raha vao iraika ambin’ny folo na roa ambin’ny folo taona na, mifanohitra amin’izany indray fa mety tsy ho maoty alohan’ny fahadimy ambin’ny folo na fahenina ambin’ny folo taonany izy. Tsy misy tokony hampanahy anefa ny amin’izany, satria ny fahamaotiana aloha loatra na diso aoriana loatra dia fahita mazàna. Nefa, inona ny sasantsasany amin’ireo zava-manahirana hitan’ny ankizilahy eo amin’ny taona maha-maoty azy?
8 Mety hahatsiaro marisarisa avy hatrany ao amin’ny tenanao ianao ary mahatsapa tsy fifanarahana eo amin’ny fihetsehanao. Ny antony dia satria eo am-pihalavana ireo taolana sy ireo sirakao (muscles). Ambonin’izany, raha toa ka mitombo haingana ny faritra sasany amin’ny tenanao, ny hafa kosa mifanohitra amin’izany, dia mety hitombo miadana kokoa. Izany no mahatonga anao hikaviavia indraindray. Nefa hiserana ihany izany. Aoka àry ianao tsy dia hanahy be loatra. Mitandrema fotsiny mba tsy hiharan-doza na handratra ny tenanao.
9 Toy ireo taova hafa, dia mihalava ihany koa ny tadim-peonao, ka mahatonga ny feonao higoboka kokoa. Nefa mandritra izany fivoarana izany no mety haha-“vaky feo” anao ary hamoahanao feo maranitra tampoka. Anisan’ny “fikorontanana eo amin’ny fitomboana” mpahazo ny zatovo koa izany. Raha mitranga aminao izany ka ihomehezan’ireo namanao ianao dia mba mihomeheza koa miaraka aminy, ary dia hanjavona miaraka amin’izay ny sorisorinao rehetra.
10 Ireo fihary (glandes) toy ny tiroida (thyroïde), ny satroboa ary ny tsirinaina no mampisy ireo fiovana ireo sy ny maro hafa koa, toy ny volo eo ambany foitra sy ao ambany helika. Ny amin’izay, dia fantaro fa miovaova be arakaraka ny olona tsirairay avy ny fanirin’ny volo, ary tsy famantarana ny maha-lehilahy lehibe izany. Manomboka misy volombava ny ankizilahy avy eo. Volo malemilemy fotsiny aloha izy io eo am-boalohany, nefa tsy ela akory izany dia mila ny hoharatana.
11 Ny fiovana eo amin’ny taova maha-lahy angamba no manahirana indrindra ny ankizilahy iray. Na dia tsy mbola mifarana eo amin’ny fahamaotiana aza anefa ny fitomboany, dia afaka miasa izao izany taova izany. Miresaka ny amin’ny “firarahan’ny voanaina” ny Baiboly ao amin’ny Levitikosy 15:16, 17 MN. Raha toa ireo ray aman-dreninao tsy mbola niresaka taminao mialoha momba izany dia mety hahita fikorontanan-tsaina ianao raha vao ‘miraraka voanaina’ voalohany. Inona àry no mahatonga an’izany?
12 Rehefa tomombana ny fitomboan’ireo taova ao aminao ary afaka miteraka, dia manomboka mandefa ranoka fiziôlôjika antsoina hoe tsirinaina ny fihary tsirinao. Io ranoka marihitra noho ny rano ary miraraka tsikelikely io, dia misy tsirilahy an-tapitrisany maro faran’izay bitika tokoa. Tsirilahy iray monja dia ampy hampatoy tsirivavy iray ao an-kibon’ny vehivavy iray ka mba hiterahana zaza iray amin’izany. Mety hisy firarahana voanaina ara-potoana aminao, amin’ny ankapobeny ny alina rehefa matory ka manonofy ianao.
NY ASAN’NY MAHA-LAHY SY MAHA-VAVY
13-15. a) Inona no antony namoronan’Andriamanitra ny maha-lahy sy maha-vavy? Nahoana no noferany ny fampiasana izany (Hebreo 13:4)? b) Iza no tokony hohatonina mba hahazoana fanazavana mendrika inoana ny amin’ny raharaha momba ny lahy sy ny vavy (Ohabolana 6:20)?
13 Matoa ny Mpahary anao namorona ny maha-lahy sy ny maha-vavy, dia mba hamelana ny lehilahy sy ny vadiny hifaneho porofon’ny fitiavan’izy ireo lalina sy mba hiterahan’izy ireo. Nefa nanorina fitsipika izy, izay milaza fa ny lehilahy sy ny vehivavy manambady ihany no afaka manana firaisana ara-nofo. Nahoana? Satria ny zaza vao teraka tsirairay avy dia nataon’Andriamanitra hanana ray iray sy reny iray izay samy hanatanteraka amin’ny fomba feno ny andraikitr’izy ireo amin’ny fitaizana ny zanany. Tsy ankasitrahan’Andriamanitra àry ny fananan’ny mpitovo firaisana ara-nofo.
14 Mifanohitra amin’izany kosa, fa ho an’ny lehilahy iray sy ny vadiny izay nakamban’ny fatoram-panambadiana, ny firaisana ara-nofo dia porofon’ny fitiavana. Manatona ny vadiny ny lehilahy mba hamelana ny fikambanana voajanaharin’ny maha-lahy sy maha-vavy izay mety hanome fahafinaretana lehibe ho azy ireo. Mandritra ny firaisana, ny lehilahy dia mandefa kely amin’ny tsirinainy izay miditra ao amin’ny taovam-pananahan’ny vadiny. Raha vao tojo tsirivavy iray ireo tsirilahy, dia mety hampatoy izany ny iray amin’izy ireo ary hanomboka hitombo ilay tsirivavy mba hahatongavana amin’ny fahaterahan’ny zaza iray amin’ny farany. Araka ny ahitanao azy, dia nanao ny maha-lahy sy ny maha-vavy Andriamanitra mba hampaharitra ela ny fiainana, izany hoe ao anatin’ny fikasana masina iray. Noho izany no maha-mety ny hitandremana ireo fitsipik’Andriamanitra momba ny lahy sy ny vavy.
15 Mba hahazoana valiny amin’ireo fanontanianao momba ny fitomboanao eo amin’ny maha-lahy, dia tsara kokoa ny hiresahanao amin’ireo ray aman-dreninao, indrindra fa ny rainao. Marina tokoa fa efa avy nandalo tamin’ireo dingana misy anao izy ary efa manana fanandraman-javatra betsaka lavitra noho ny anao. Angamba ireo zatovo namanao izay ifaneraseranao tsy hilaza afa-tsy tapany kely amin’ny fahamarinana, — zavatra vitsivitsy marina miaraka amin’ny tantara valamaty maro be, — fa ny rainao kosa, dia izy no hanome fanazavana hahasoa anao sy hitondra fahasambarana ho anao. Mety tsy ho afaka hanome fanazavana na torohevitra miorina amin’ny Tenin’Andriamanitra ny rainao. Mampalahelo izany, satria tena hitondra soa ho anao ireny. Nefa, ireo loholon’ny kongregasionan’ny Vavolombelon’i Jehovah na aiza na aiza dia ho faly hatrany tokoa hanolotra ny fanampian’izy ireo anao.
AOKA IANAO HO MENDRI-PITOKIANA
16-18. a) Ahoana no azon’ireo ray aman-dreninao anomezana anao fahaleovan-tena sasany? Amin’ny ahoana àry ny fomba ampiasanao izany tombontsoa izany no mety hanan-kery eo amin’ny fihetsik’ireo ray aman-dreninao? b) Nahoana no tanora maro be no mikambana ho “andiany”? Mety hotarihin’izany ho amin’inona izy ireny (1 Korintiana 15:33)?
16 Arakaraka ny hanatonanao ny taona maha-olon-dehibe no hahatsapanao ny filana hampiseho ny maha-ianao anao. Haniry hanana fahaleovan-tena sasantsasany ihany koa ianao, ary tena voajanahary izany. Ambonin’izany, angamba ireo ray aman-dreninao hanomboka hanomana anao ho amin’ny fotoana hahafahanao hahaleo tena. Ahoana izany?
17 Eny, fa hamela anao tsikelikely hanatanteraka andraikitra bebe kokoa sy hifanakalo hevitra miaraka amin’izy ireo momba ny fanapahan-kevitra sasantsasany horaisina mahakasika ny hoavinao izy ireo. Ohatra, mety hanontany anao izay karazana fianarana tianao harahina izy na hamela anao hitady asa tapak’andro iray. Angamba hamela anao hividy irery ny sasantsasany amin’ireo zavatra ilainao izy ireo. Nefa, na inona na inona fanapahan-kevitra hitany fa mety horaisina, dia tokony hanaporofo ianao fa mendrika itokiana. Marina tokoa, fa raha sanatria ka mifanahin-jaza ianao rehefa manao zavatra na manao ny tenanao ho zavatra loatra, dia mety hanaisotra aminao tombontsoa sasany izy ireo mandra-pitondranao tena toy ny lehilahy tokoa.
18 Nefa tsy maniry fotsiny hampiseho ny maha-izy azy sy hanana fahaleovan-tena sasany ny zatovo iray. Tsapany ihany koa ny filana hohajain’ny hafa noho ny maha-izy azy sy izay hainy atao. Ny tanora sasany dia mitady hanome fahafahampo ny filany te-hiseho sy ho anisan’ny antoko iray amin’ny fananganana andian-tanora miaraka. Nefa izany koa amin’ny ankapobeny dia manana ny lalàny manokana, izay porofoin’ny zava-misy, fa saika mitarika hatrany ny tanora hanao fitondrantena ratsy sy hanao heloka bevava lehibe mihitsy aza indraindray. Tsy isalasalana fa, ambonin’ny zavatra rehetra, dia ny fifaneraserana ratsin’izy ireo no mitarika fahasahiranana ho an’ireo tanora.
19, 20. Nahoana no tena zava-dehibe ny tsy hisarahanao mihitsy amin’ireo ray aman-dreninao? Inona no mety hanimba ny fifandraisanao amin’izy ireo (Ohabolana 23:24, 25)?
19 Ianao mbola zatovo, dieny izao ianao dia afaka mahazo an-tsaina ny ho toe-batanao rahatrizay tonga olon-dehibe ianao. Nefa tokony hahinao bebe kokoa hatrany ihany koa ny hoe ho olona hanao ahoana ao anaty ianao, araka ny iantsoan’ny Baiboly azy hoe “toetra miafina ao am-po” (1 Petera 3:4.) Tsy izao àry no fotoana tokony hanalaviranao ny ray aman-dreninao na ny fianakavianao amin’ny ankapobeny noho ny faniriana fahaleovan-tena kokoa. Amin’ny fotoana maha-maoty anao indrindra, ka andalovanao fiovana ara-batana isan-karazany sy ahatsapanao hery manosika vaovao izay tokony hianaranao fehezina no tena ilànao tsy misy toy izany ny fitiavana sy ny hery fameran’ireo ray aman-dreninao.
20 Noho izany, amin’ny fanatonanao ny taona maha-olon-dehibe, dia aoka ianao tsy hanalavitra ireo ray aman-dreninao ary, indrindra, aza mamela hisian’ny hantsana manelanelana anao amin’izy ireo ary mianara aminy izay zavatra betsaka indrindra azo ianarana. Tsy hanenenanao mihitsy izany. Ambonin’izany, hahatonga azy ireo ho sambatra ianao ary ho faly izy manana anao ho zanaka.
[Fanamarihana ambany pejy]
a A.D.N., fanafohezana ny hoe “acide désoxyribonucléique”.
b Ny toko manaraka dia manazava ireo fiovana izay mahatonga ny zazavavikely iray ho vehivavy lehibe.
[Fanontaniana]
[Sary, pejy 19]
Sivy volana monja no ilaina mba hitomboan’ny sela tokana ka hiterahany zazakely iray