Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Sorisorena ve ianao ao an-trano?

Sorisorena ve ianao ao an-trano?

Toko faha-9

Sorisorena ve ianao ao an-trano?

1-3. a) Araka ny hevitrao, nahoana no misy tanora maro be mahita fahasorisorena any an-tokantranony amin’izao andro izao? b) Tsy maintsy ratsy ve ny fitadiavana zavatra mahavariana any ivelan’ny tokantrano?

 NA dia tsy misy aza ny hoe tokantrano roa mitovy amin’ny lafin-javatra rehetra, dia zatovo maro be amin’ny androntsika no manana zava-manahirana iombonana: ny fahasorisorena. Toa tsy toy izany no izy taloha satria niara-niasa ny mpianakavy. Tafaray kokoa noho ny ankehitriny izy noho izany. Amin’izao andro izao anefa, ho an’ny ankamaroan’ny zatovo, dia toerana fihinanana sy fatoriana fotsiny ny “trano”.

2 Tratran’ny fahasorisorena ve ianao ary manjary zava-manahirana izany? Raha eny, dia mety hihena be dia be ny fifaliana ao an-tokantrano. Mety hahazo anao angamba indraindray ny faniriana hikopaka elatra mba hahitana fiainana mahaliana kokoa, araka izay tianao.

3 Toe-po mitombo amin’ny fomba voajanahary ao amin’ny zatovo izany amin’ny heviny iray. Arakaraka ny maha-lehibe sy mampitombo anao no isokafan’ny fahatsinjovan-javatra vaovao eo anoloanao. Mihamafy ny fahaliananao ta hahafanta-javatra. Liana amin’ny fanaovan-javatra vaovao ianao ary manandrankandrana. Ny fanontaniana hatramin’izay dia hoe: Ahoana no hisehoan’izany fivelarana izany? Tokony hampahatofoka anao amin’ny tokantrano ve izany na hanao izay hahatsapanao fa tsy tanty ny fanaraha-maso sy ny fahefan’ireo ray aman-dreninao? Inona no tena anton’ny fahasorisorena? Inona no fanafodin’izany?

MIANKINA AMIN’NY FIHETSIKA

4-6. a) Amin’ny heviny ahoana ny fihetsika arahin’ny tena no mahatonga ny fiainana ao an-tokantrano hahasorena na hahafinaritra? b) Aminao manokana, inona no azonao atao mba hanatsarana ny toe-tsaina manjaka eo anivon’ny tokantrano misy anao (Filipiana 2:3, 4)?

4 Marina fa misy tokantrano be zava-manahirana aoka izany hany ka tsy mora azo ny fiadanana sy ny fifaliana. Nefa ny fihetsikao, matetika kokoa, no hahatonga anao hahita fifaliana na fahasorisorena amin’ny fiainana ao an-trano. Nahoana no izany no izy? Satria na dia ao anatin’ny toe-piainana mitovy tanteraka aza, ny zatovo sasany dia mahay mitondra ny fiainany amim-pifaliana, fa ny hafa kosa lanin’ny fahasorisorena. Ny mahatonga ny fahasamihafana dia satria manana fihetsika tsara kokoa eo anoloan’ny fiainana ao an-tokantrano iretsy voalohany noho ny faharoa. Noho izany, ny fahaizana mandresy ny fahasorisorena sy ny famahana koa ireo olana maro hafa, amin’ny fomba malalaka, dia mahakasika ny fihetsika aseho.

5 Nahoana raha jerena amin’izao lafiny izao ny zavatra: manana ny maha-izy azy manokana ny fianakaviana tsirairay, maha-izy azy nafangaro, niforona tsy hoe avy amin’ny olona iray monja fa avy amin’ny mpikambana tsirairay izay mandray anjara amin’ny fampitomboana azy. Rivo-piainana manao ahoana no manjaka eo anivon’ny fianakavianao? Mafana ve ny tokantranonao? Tsara ve ny miaina ao? Mahita fahafinaretana ve ianareo rehefa tafahaona? Mba manao resadresaka mahaliana ve ianareo eo am-pisakafoana? Mahita fifaliana ve ianareo amin’ny fanaovana asa iombonana sy amin’ny fanaovan’ny sasany zavatra ho an’ny hafa? Sa kosa samy maka ho azy ny tsirairay, tsy maneho fiheverana afa-tsy kely fotsiny, na tsy maneho izany mihitsy amin’ny hafa? Karazan-tokantrano manao ahoana no irinao hananana?

6 Mora ny manome tsiny ny hafa rehefa tsy mandeha araka izay naniriana azy ny zavatra rehetra. Nefa alohan’ny hitarainanao dia manontania tena toy izao aloha: “Amin’inona no anampiako ny toe-tsaina sy ny maha-izy ny fianakaviako? Moa ve aho maneho fiezahana mba hanatsarana ny rivo-piainana ara-pianakaviana?” Raha mandreraka noho ny fisamboaravoaran’ny ranomasina ny sambo iray, ny fanomezan-tsiny ataon’ny tantsambo iray mipetraka eo an-jorony fotsiny tsy hanatsara ny toe-javatra akory. Mifanohitra amin’izany, fa tokony ho samy “eo an-tokotanin-tsambo” avokoa ny mpiara-miasa rehetra amin’izay fotoana izay ary hifanampy mba hitondra ny sambo any amin’ny seranana itodiana eo anivon’ny ranomasina misafotofoto.

7-9. Inona no mety hanampy antsika handresy ny fahasorisorena na inona na inona asa tanterahintsika?

7 Matetika ny tanora no sorena satria tsy heveriny ho zava-dehibe ny asa ampiandraiketina azy. Raha omena anjara raharaha ianao, na any an-tsekoly izany, na ao an-trano na eo amin’ny faritry ny asa tsy ara-pivavahana, aoka ianao hamantatra ny akon’izany eo amin’ny fiainanao ankehitriny sy amin’ny ho avy, ary eo amin’ny fiainan’ireo eo amin’ny manodidina anao. Raha vitanao izany dia hahatanteraka izany andraikitrao izany ianao amin’ny fahalalanao ny zava-kendrena nokatsahina. Hahita ny fifaliana miaina ianao amin’izay fa tsy ho sorena velively.

8 Raha ny marina, na dia ny raharaha hitanao ho manorisory aza dia hampitombo ao aminao toetra sy fahazarana izay hanampy be dia be amin’ny fahombiazan’ny fiainanao. Aoka hasehontsika amin’ny alalan’ny ohatra iray izany. Ry zatovolahy, efa mba nanamboatra fiaramanidina kely ve ianao? Raha eny, dia nila nanambatra tapatapany maro amin’ny rafitra anatiny aloha ianao, ary avy eo dia nanarona an’izany. Raha vao vita ny fandrakofana azy dia manjary tsy hita ny ao anatiny, nefa tsy hisy ilàna azy ilay izy raha tsy eo ny andriny sy ny tanjany. Ry zatovovavy, efa mba nanjaitra akanjo ve ianao? Raha vao vita ilay akanjo dia tsy misy hita afa-tsy ny vitrany, voafina ny tevi-panjaitra; nefa raha tsy nisy an’izany fitohitohizana loadoaka miafina izany dia tsy hisy akanjo eo.

9 Toy izany koa ny fahalalana azo any an-tsekoly na ao an-trano. Manampy anao hametraka fototra ho an’ny hoavy hahasambatra izany. Ny raharaha tsotra, sy mazàna tsy miovaova ary miverimberina mihitsy aza no hampianatra anao ny fahaiza-miaritra sy ny fahavononana amin’ny fanomezana hery anaty ho anao.

AOKA IANAO HANANA TOE-TSAINA TIA MANOMBO-JAVATRA

10-12. a) Rehefa misy miteny hoe: “Tsy manan-katao aho”, inona no tsy ampy ao aminy amin’ny ankapobeny? b) Karazam-pialam-boly inona no azo amenoana izany tsy ampy izany?

10 Amin’ireo fotoana mahalalaka, dia tsy mahalana no andrenesana olona mitaraina ary milaza hoe: “Tsy manan-katao aho.” Tsy ny asa mahaliana sy mahasoa akory no vitsy, fa matetika tokoa izany tsy fananan-katao izany no avy amin’ny tsy fisian’ny fahavononana hanombo-javatra, hamorona ao an-tsaina ary hieritreritra. Mety hidika ihany koa ny fitarainana toy izany fa tsy firy ny zavatra mahaliana izany olona izany.

11 Tsy manatsara ny toe-tsaina tia manombo-javatra ny fandehan-javatra ankehitriny, indrindra fa ao an-tokantrano. Na dia ireo zatovo aza dia naka ho fahazarana ny fanaovana ny tena ho mpitazana fotsiny fa tsy mpandray anjara marisika. Ahoana no amenoanao ny fotoananao? Moa ve ianao mijery sarimihetsika sy fandaharana ao amin’ny televiziona? Mihaino mozika noraisim-peo ve ianao? Sa kosa ianao manaraka fifaninanana ara-panatanjahan-tena izay andraisan’ny hafa anjara?

12 Marina fa mora kokoa ny mandany andro toy izany noho ny manao zavatra mihitsy na mianatra manao zavatra. Nefa hanjo anao ny fahasorisorena rehefa ela ny ela satria hiankina amin’ny hafa ianao raha ny amin’ny fialam-boly, tsy hahay hanao irery na inona na inona mba hahatonga ny fiainanao hahafinaritra kokoa. Izay mety tsara ho an’ny zazakely dia tsy sahaza ny zatovolahy na ny zatovovavy izay mandroso ho amin’ny fahamatorana.

13, 14. Tanisao izay asa tianao ka mitaky fahavononana sy fandraisana anjara avy aminao.

13 Manana saina mivelatra ve ianao? Saika tsy misy fetrany ireo zavatra mahasoa azo atao sy ireo karazam-pahalalana. Mitaky fiezahana kokoa ny mamaky teny noho ny mijery televiziona, nefa andraisan-tsoa be lavitra ny famakian-teny. Tsy misy asa, na raharaha na taozavatra na faritra na mponina ary biby izay tsy resahina ao anatin’ny boky. Arakaraka ny hamakianao no hahitanao fahafinaretana mamaky sy hanangonanao fahalalana. Nefa tsy ampy fotsiny ny mamaky teny mba “handaniana ny andro”. Tokony hifidy ny vakiteny izay hahasoa anao ianao. Hanao vakiteny misy zava-kendrena ianao amin’izay; ho feno fahalalana ny fiainanao na ny ankehitriny na ny ho avy ary ho ampy fitaovana ianao mba hanaovan-javatra.

14 Fantatra tsara fa tsy mitovy fitiavan-javatra avokoa isika. Ny sasany ho tia ny hianatra hanao asa momba ny hazo na ny vy, nefa ny hafa kosa ho tia haka sary na hambolimboly zavatra. Ho tian’ny zatovovavy sasany ny hanao sakafo na hanao mofomamy; ny hafa kosa ho tia ny hanjaitra na hanao volo. Nefa ny fianarana zavatra vaovao, ao an-tokantrano na any ivelany, sy ny fampitomboana ny fahaizan’ny tena amin’ny fanaovana asa tsara, izany no hitondra fahafahampo lehibe ho anao sy hanome endrika ny fiainanao.

15-18. a) Rehefa manana fahazarana miasa ho tombontsoan’ny hafa ny tena, ahoana no iovan’ny fiainana manokana (Asa 20:35)? b) Inona ny anankiray amin’ireo asa tena mahasoa azon’ny kristiana iray tanterahina ho an’ny mpiara-belona aminy (Matio 24:14; 1 Timoty 4:16)? d) Nahoana no zava-dehibe ny haharetana na inona na inona fahaizan-javatra nofidintsika hampitomboina?

15 Raha tsy mampazoto anao loatra ny hoe hiasa ho an’ny tenanao, nahoana no tsy manao zavatra hahasoa ny hafa amin’ny fanombohana izany eo amin’ireo anisan’ny fianakavianao? Ny asa iray izay mety ho toa tsy manintona anao ny manao azy ho anao dia hanjary hahaliana tokoa raha vao manao izany ho an’olon-kafa — iray ao amin’ny fianakavianao, namana iray na olona iray mila izany manokana — ianao. Tena hahafa-po anao tokoa izany; misy foana, ambonin’izany, ny fahafahana hanampy ny hafa. Aza miandry hiangaviana ianao vao hanao zavatra. Hampitombo ny hafalianao ny fanaovana fanomezana tsy nampoizina raha tsy mahafantatra izany mialoha ilay olona anaovanao zavatra. Manandrama manao izany.

16 Misy fomba iray hafa handraisan-tsoa amin’ny fanaovan-javatra ho an’ny hafa. Ireo zatovo izay manana finoana marina ny fampanantenan’Andriamanitra fandaharan-javatra vaovao dia mahalala fa manome heviny hafa ny fiainan’izy ireo ny fizarana izany vaovao tsara izany. Soa tsy hay tombanana ny fitadiavana olona izay noana ny fahamarinana sy ny fahafahana manampy azy ireny. Na dia tsy mifandanja amin’ny isan’ireo tsy mandray ny fahamarinana aza ny isan’ireo izay manaiky izany, dia tsy mampaharatsy mihitsy ny vokatra mampirisik’io asa io izany. Mifanohitra amin’izany kosa fa misetra zava-tsarotra ireo tanora kristiana ary mitaky finoana sy fahaiza-miaritra avy amin’izy ireo izany. Ireo anton-javatra mahery roa ireo no manampy mba handresena ny fahasorisorena.

17 Nanambara toy izao i Paoly rehefa niresaka ny amin’ny asan’Andriamanitra sy ireo izay manompo azy: “Ary aza mba ketraka amin’ny fanaovan-tsoa isika; fa amin’ny fotoan’andro no hijinjantsika, raha tsy reraka isika.” (Galatiana 6:9). Toy izany koa rehefa mikatsaka ny hampitomboana ny fahaizana izay tena misy vidiny ianao: tokony haharitra ianao mandra-panombokao mioty ny vokatry ny fisasaranao.

18 Amin’izany, rehefa mandeha ny fotoana dia ho afaka hanitatra ny sahan’asanao ianao amin’ny fampitomboana fahaizana hafa. Hihatsara kokoa ianao ka hanjary hahafinaritra ny toetranao. Ho faly handray anao ho anisany ireo ray aman-dreninao sy ny manodidina anao. Tsy ho sorena intsony ianao ao an-trano.

[Fanontaniana]

[Sary, pejy 68]

Rehefa tojo fahasahiranana ny sambo iray dia tokony hiara-miasa ny tantsambo rehetra. Rehefa mandalo fahasahiranana lehibe ny tokantranonao, moa ve ianao mandray anjara amin’ny fanorenana indray ny fiadanana?