Tsara ve ny misotro zavatra misy alkaola?
Toko faha-14
Tsara ve ny misotro zavatra misy alkaola?
1-4. a) Mahafantatra zatovo mampiasa zava-pisotro misy alkaola ve ianao? b) Manao ahoana ny fihetsiky ny olona ao amin’ny faritra misy anao manoloana ny alkaola? Mitovy avokoa ve izany fihetsika izany amin’ny faritra rehetra?
TOJO an’io fanontaniana io hatrany ireo tanora. Mitombo tokoa ny fampiasana zava-pisotro misy alkaola eo amin’ny laharan’izy ireo ary maro no manolo ny zava-mahadomelina amin’ny alkaola. Aoka àry isika handinika toe-javatra sasantsasany ary hojerentsika izany raha hanampy antsika hihevitra tsy misy fitompoan-teny fantatra ny olana momba ny alkaola mba hahasoa antsika tokoa.
2 Zavatra maro karazana tokoa no antsoina hoe “zava-pisotro misy alkaola”. Ao ny labiera izay manana fatrana alkaola malefaka amin’ny ankapobeny. Somary mahery kokoa ny zava-pisotro hafa, toy ny divay fisotro amin’ny sakafo. Farany, dia misy ireo zava-pisotro voasitily (distillées), toy ny “cognac”, ny “whisky”, ny “gin”, ny “vodka”, sns...
3 Mampiseho fahasamihafana lehibe koa ny fihetsika arahina sy ny fomba fanao isaky ny faritra. Any amin’ny tany sasany (Espaina, Frantsa, Gresy, Italia, sns.) dia mahazatra ny misotro divay eo am-pisakafoana. Angamba ny niandohan’izany fahazarana izany dia tany amin’ny vanim-potoana nisian’ny fahasahiranana teo amin’ny famatsiana rano fisotro raha tsy noho ny fomban-drazana fotsiny no nahatonga izany. Na any amin’ireo tany ireo aza dia miovaova ny fihetsika manoloana ny zavatra misy alkaola, toy ny fiovaovan’ireo vokatry ny fampiasana alkaola arakaraka ny tany sy ny olona tsirairay. Izany no tokony hotadidintsika tsara ao an-tsaina foana mba hitsarana amim-pahatoniana ny raharaha.
4 Noho izany fahasamihafana rehetra izany, moa ve misy fitsipika azo antoka, tsy miovaova izay azontsika atao mpitari-dalana amin’izany lafiny izany? Eny. Ao amin’ny Baiboly no misy an’io fitsipika io. Mariho tsara àry izay rehetra lazain’io boky io anao ary ianao ihany no aoka hijery ny maha-tsara ireo toroheviny.
NY FIHETSIKA METY
5-7. a) Ahoana no voalaza ao amin’ny Baiboly momba ny fampiasana ny divay teo amin’ireo vahoakan’Andriamanitra tamin’ny andro fahiny? b) Asehoy fa ny zavatra tsara iray dia mety hiteraka zava-manahirana lehibe raha anaranam-po na ampiasaina aloha loatra.
5 Fisotro niombonan’ny rehetra ny divay tamin’ny andron’ny Baiboly. Hita tao amin’ny sakafo izy io. Nisotro izany Abrahama, Isaka ary ny olona hafa maro be. Nanome divay an’ireo mpiara-misakafo taminy tamin’ny fanasana amin’ny fampakaram-bady i Jesosy. Raha ny apostoly Paoly kosa dia nanoro hevitra an’i Timoty izy mba ‘hisotro divay kely noho ny vava-fony sy ny fahosaosany matetika’. — 1 Timoty 5:23.
6 Ara-drariny ny andaharan’ny Baiboly ny divay ho anisan’ireo fanomezan’Andriamanitra izay mampifaly ny fon’ny olombelona. Izao no ambaran’ny andalan-teny iray ao amin’ny Baiboly: “Mampaniry ahitra ho an’ny biby fiompy Izy sy anana hahasoa ny olona, (...) ary divay izay mampifaly ny olona.” (Salamo 104:14, 15). Asehon’ny Baiboly fa nampiasa zava-pisotro misy alkaola hafa toy ny labiera indraindray ny vahoakan’Andriamanitra.
7 Tokony hotsoahina avy amin’izany ve fa tsy ilaina ny hisehoana ho malina amin’io lafiny io? Miharihary fa tsia. Misy ny “lafy ratsiny”, araka ny asehon’ny Baiboly antsika. Tsarovy fa zavatra maro be eo amin’ny fiainana no tsy tena ratsy nefa mety hisy fiantraikany lehibe raha atao mihoa-pampana na ampiasaina alohan’ny fotoana mety. Aoka horaisintsika, ohatra, ny fahafahana miteraka izay nomen’Andriamanitra ny olombelona. Tsy tokony hampiasaina io fahafahana io raha tsy ao anatin’ny faritra mendri-kajan’ny fanambadiana ary mety hitarika andraikitra ara-pianakaviana mavesatra ny fampiasana azy. Tena mahasoa ny olombelona ny afo, ny etona, ny herin’aratra ary fitaovana samy hafa, nefa raha ampiasaina tsy amim-pitandremana ireny dia mety hampidi-doza tokoa. Toy izany koa fa mety hisy vokany mampidi-doza ny fampiasana zava-pisotro misy alkaola raha tsy mitandrina ny tena.
IREO VOKATRY NY ALKAOLA
8-11. a) Manao ahoana ny fiasan’ny alkaola raha fatra malefaka no nampiasaina? Inona no vokany raha fatra mahery? b) Ahoana no teny ilazalazan’ny bokin’ny Ohabolana (23:29-35) ny vokatry ny fimamoana? Efa nahita olona toy izany ve ianao?
8 Aoka hojerentsika hoe manao ahoana ny asan’ny alkaola eo amin’ny tenan’olombelona. Tsy toy ny zavatra hafa rehetra ny alkaola fa tsy levona. Manomboka mandalo ao amin’ny ra izy raha vao tonga ao anaty vavony, nefa ao amin’ny tsinaikely vao miseho indrindra ny asa fandevonana. Mahatratra haingana ny atidoha, ny aty ary ireo faritra hafa amin’ny tena ny alkaola amin’izay. Koa satria misy hafanana ny alkaola dia ovan’ny vatana ho endrika simika azo dorana izy io. Ny aty no manatanteraka be indrindra an’io asa io. Ny avokavoka sy ny voa no manamaivana kely ny asany amin’ny famoahana alkaola any ivelany (amin’ny alalan’ny fisefo sy manaraka ny ditsaka na fivalanandrano)
9 Rehefa mandalo ao amin’ny ra ny alkaola, inona no vokany? Raha malefaka ny fatrana alkaola noraisina dia somary mampitony izy, ary miteraka fahatsapana ho sambatra izany. Raha betsaka no azo dia mampihena ny fiasan’ny atidoha ny alkaola. Izany no ahitana matetika ilay olona manjary basivava be, mitratrevatreva be ary mila ady mihitsy aza indraindray. Mbola tsy nahita olona toy izany ve ianao?
10 Raha lasa be loatra ny fihandroan’ny alkaola ao amin’ny tena dia mikorontana be ny fiasan’ny atidoha. Simba ny rafi-pitatitra afovoany. Sahirana ilay olona mampifanaraka ny fihetsehany. Mivembena ny fandehany, mifangaro ny fijeriny ary miambakavaka ny fiteniny. Manjary mikorontana ny sainy. Ary izay mbola manaratsy ihany ny toe-javatra dia satria ny alkaola misy vokany manokana mampino ilay olona efa varimbariny fa tsy mbola niasa tsara toy izany mihitsy ny fahafahany manao zavatra. Koa ny olona mamo iray amin’ny ankapobeny no farany mahatsapa ny toe-tenany. Rehefa tonga amin’izay izy dia ny fotoana no avela hampisava ny hamamoany.
11 Hovakina amim-pahalianana ity filazalazana marina momba ireo loza avy amin’ny hamamoana sy ny fahasahiranana ara-batana manaraka azy ity. Izao tokoa no voalaza ao amin’ny bokin’ny Ohabolana (23:29-35): “An’iza ny Indrisy? An’iza ny Endrey? An’iza ny fifandirana? An’iza ny fitolokoana? An’iza ny ratra tsy ahoan-tsy ahoana? An’iza ny maso mivoara-mena? An’izay mikikitra amin’ny divay, eny, an’izay mandeha hanandrana divay voaharoharo zavatra (...). Koa ny masonao dia hijery vehivavy jejo [hahita zavatra hafahafa ny masonao, MN], ary ny fonao hieritreri-dratsy. Eny, ho sahala amin’izay mandry ao amin’ny ranomasina hianao [ka amin’izay dia hahatsapa fahoriana sy tsy fananan-kery mitovy amin’ny maty an-drano] sady ho tahaka izay mandry eo an-tendron’ny andrin-tsambo [izay tena andrenesana indrindra ny fihevingevin’ny sambo). Nokapohiny aho, hoy ianao, fa tsy reko naharary ahy. Nandalasiny [noveleziny, MN] aho, fa tsy tsaroako [ny olona mamo iray tokoa dia tsy mahalala izay manjo azy ary tsy mahita hoe maratra izy amin’ny ankapobeny raha tsy afaka ny hamamoany].” Tsy mahafinaritra izany rehetra izany, sa tsy izany? Nefa izany no mitranga rehefa mamo ny tena.
OLANA MIHARATSY
12-17. a) Manao ahoana ny halehiben’ny zava-manahirana eo amin’ny tanora? Ahoana no nanombohan’ny sasany nisotro? b) Antony manosika inona no mety hanetsika an’ireo izay mitady hampisotro anao (Habakoka 2:15)?
12 Nefa tena tandindomin-doza marina tokoa ve ireo tanora amin’ny fibobohana zava-pisotro misy alkaola na manjary zatra an’izany mihitsy aza? Eny. Izao no nambaran’i Donald G. Phelps, talen’ny “Fikambanam-pirenena mandinika sy milaza ny amin’ny fanaranam-po amin’ny fisotro mahamamo sy ny vokany” (Washington):
“[Ny habetsahan’] ireo manaram-po amin’ny alkaola eo amin’ireo zatovo eto amintsika dia hita fa mitovy amin’ny eo amin’ireo olon-dehibe. Folo isan-jaton’ny zatovolahy telo ambin’ny folo taona (araka ny fanadihadiam-pirenena teo amin’ny zatovo) no mamo, indray mandeha isan-kerinandro fara fahakeliny. Izany hoe in-52 isan-taona.”
13 Efa hatramin’ny ela i Frantsa no nahitana aretin’ankizy vokatry ny alkaola, miaraka amin’ny aretin’aty (cirrhose du foie). Any Hongrie (tany be mpamono tena indrindra) dia efa hatramin’ny taona vitsivitsy ireo tobim-pitsaboana no mikarakara ankizy an’arivony maro isan-taona vokatry ny fanapoizinan’ny alkaola.
14 Nahoana ireo tanora no maka ho fahazarana ny misotro? Matetika no efa misy anankiray mpisotro ao amin’ny fianakavian’izy ireny. Matetika ihany koa izy no manaiky hotarihin’ireo namany mitovy taona aminy hisotro. Indraindray izany dia zatovolahy kely anankiray izay hisy hitaona hanaporofo fa tena lehilahy ny tenany amin’ny finiavana higoka toaka; indraindray ankizivavy iray izay holazaina fa tsy maharaka ny toetr’andro raha mandà tsy hisotro.
15 Nefa manontania tena ianao. Milaza inona marina ny fisotroana zavatra misy alkaola? Moa ve ny alkaola fitsapana ny maha-olon-dehibe na ny herin-tsaina? Miharihary fa tsia, satria azo atao ny mampisotro sy manamamo na dia ny biby aza. Etsy an-danin’izany, manontania tena ianao hoe antony inona marina no manosika ireo izay te hitarika anao hisotro. Mino ve ianao fa mitady ny hahasoa anao izy? Moa ve tsy ny hitarika anao hanao toy ny fanaony aza no tadiaviny? Raha tsy hoe te hihomehy anao fotsiny izy amin’ny fahitana anao tsy mahafehy ny ataonao sy tsy mitondra tena toy ny olon-dehibe fa toy ny zaza iray tsy mahay mandeha na miteny mazava na mijery amim-pahaiza-manavaka ary manao resaka fahadalana.
16 Izao no nolazain’ny manam-pahaizana iray momba izany, dia ny dokotera Giorgio Lolli:
“Mandao ny tontolon’ny olon-dehibe ny azon’aretina avy amin’ny alkaola ho any amin’ny an’ny ankizy, na ara-batana na ara-tsaina. Manjary mikorontana ny fahatsapany ara-tsaina sy ara-batana. Toy ny zaza mbola kely dia tsy maintsy mila ny fanampian’ny hafa sy ny fikarakarana atao amin’ny zazakely izy.”
Farany, ireo izay mitady hanao fitondrantena ratsy dia manasa olona tsy lehilahy na tsy vehivavy toa azy indraindray mba hisotro, amin’ny fanantenana hanalefaka ny finiavany sy ny fahaizany manavaka ny tsara sy ny ratsy.
17 Ilaina ve ny milaza fa tsy mampiseho velively ny herin-tsainy sy ireo toetra maha-olon-dehibe azy izay resin’ny karazana fitaomana toy izany fa mampiseho ny fahosany sy ny tsy fananany herin-tsaina kosa? Tsy hoe nataotao foana akory ny nilazana ao amin’ny bokin’ny Ohabolana (20:1) fa mety ho lasa “mpaniratsira ny divay, ary mpitabataba ny toaka, koa izay miraikiraiky azon’izany dia tsy hendry”. Tsy ilaina àry ny himamoana mba hahalalana hoe inona no vokatra mahatsiravina aterak’izany, toy ny tsy ilàna ny hanapahana ny ranjo mba hahafantarana hoe inona no vokany mampahory.
18, 19. Na dia tsy mpisotro za-dratsy aza ny tena, inona no mety hitranga rehefa eo ambany herin’ny alkaola, na dia indray mandeha monja aza?
18 Izay hitarika anao hitandrina dia tsy ny fahatahorana ny ho lasa “mpisotro mahita zava-manahirana”, izany hoe ho mpisotro za-dratsy, fotsiny. Eritrereto ihany koa izay rehetra mety hitranga rehefa mamo ny tena na eo ambany fangejan’ny toaka na dia indray mandeha monja aza. Eritrereto ny lozam-piarakodia izay mety hamoizanao aina, hamela anao hanan-takaitra lehibe na hahafaty olona tsy manan-tsiny. Mety hitarika anao hanao zavatra maloto ara-pitondrantena ny alkaola, fanaovan-javatra izay handoto ny fiainanao manontolo sady mety hiteraka izao karazana fahasahiranana rehetra izao. Mety hanjary mpila ady na hanana fiteny na fihetsika izay hanenenanao mandritra ny fotoana maharitra koa ianao eo ambanin’ny herin’ny alkaola. Nahoana no hisetra loza tsy amin’ny antony?
19 Ny amin’ny hoe zavatra mampihorohoro maro toy izany no mety hitranga, izany no ahariharin’ny zava-misy fa amin’ny olona 50 000 maty isan-taona eny amin’ny araben’i Etazonia, ohatra, dia antsasany mahery no matin’ny loza vokatry ny alkaola. Araka ny lahatsoratry ny New York times, dia “maherin’ny 80 isan-jaton’ny famonoana olona sy ny famelezana tsy misy antony no nataon’olona mamo”.
MIERITRERETA TSARA
20, 21. a) Nahoana ny sasany no mifidy ny hifady izay rehetra mety ho zava-pisotro misy alkaola (Hosea 4:11)? b) Nahoana no tsy fahendrena ny hampiasana alkaola ho toy ny fomba ialana amin’ireo zava-manahirana?
20 Amin’ny fieritreretana ilay raharaha, dia aza hadinoina fa tsy ilaina amin’ny fahavelomana toy ny maha-izany ny rivotra, ny sakafo ary ny rano akory ny zava-pisotro misy alkaola. Afaka ny tsy hampiasa izany àry ianao, toy ny ataon’olona maro. Aza hadinoina koa fa izay ta-hahazo ny fankasitrahan’i Jehovah Andriamanitra, ilay Mpanome ny fiainana, dia tokony hanompo azy ‘amin’ny fony rehetra sy ny fanahiny rehetra sy ny heriny rehetra ary ny sainy rehetra.’ (Lioka 10:27.) Ankoatra ny hoe manaisotra aminao ny fahazavan-tsainao sy mampihena ny herinao ny alkaola, dia tsapa ihany koa ny asany ao amin’ny fo: mampiteraka antony manosika ratsy ao izy.
21 Marina fa miresaka ny amin’ny fampiasana amin’ny antonony ny zava-pisotro toy ny divay ny Baiboly. Nefa inona no holazaina ny amin’ny olona iray izay manao ny alkaola ho fomba fanalana sorisory na fandosirana ireo zava-misy eo amin’ny fiainana? Na ny olona iray manao izany ho fanafody afaka manasitrana ny tsy fahampian-kerim-po, fanafody izay “hampahery anao” ary handresenao ny hasarotan-kenatra sy ny tahotra? Tena mety ho tsapan’izy ireo fa mampidi-doza noho ilay aretina ny fanafodiny. Hatao inona ny vola izay efa hita izao fa sandoka? Ary hatao inona ny fahatsapana fahafinaretana sy herim-po izay hita izao fa fitaka fotsiny?
22. Araka ny tatitra iray, ao anatin’ny toe-piainana manao ahoana no mety tsy hiseho indrindra ny fanaranam-po amin’izany lafiny izany?
22 Araka ny tatitra iray tena mampiharihary zavatra nataon’ny Fikambanam-pirenena momba ny fahasalaman-tsaina a, rehefa manjaka izao toe-piainana manaraka izao no ho azo inoana fa ho kely indrindra ny fanampoizana hisehoan’ny fanaranam-po: 1) Rehefa manomboka mampiasa voalohany indrindra zava-pisotro misy alkaola eo anivon’ny fianakaviana iray na ny fitambaran’olona mpivavaka tena hentitra amin’ny fotopoto-pitsipika ny olona iray ary tsy dia misy alkaola ny zavatra aroso (labiera sy divay) sady tsy fahita matetika raha tsy amin’ny sakafo. 2) Rehefa tsy heverina ho toy ny fahendrena na fahotana ny fandraisana zava-pisotro misy alkaola, ary tsy heverina koa ho toy ny marika ahafantarana ny maha-olon-dehibe, na ho toy ny porofo fa lasa “tena lehilahy” ny tena. 3) Rehefa tsy manery na iza na iza hisotro ny tena ary tsy mahamenatra toy ny mandà sombi-mofo kely iray ny mandà ny hisotro. 4) Rehefa melohina mafy izay mety ho fanaranam-po amin’ny zava-pisotro ary noho izany dia tsy heverina ho “mihaja” na zavatra mahatsikaiky na azo leferina. Ary indrindra, angamba, 5) Rehefa ny rehetra ao amin’ny fianakaviana no mifanaraka ny amin’izay tsara sy izay ratsy amin’io lafiny io ary mitondra tena araka izany, ka manome ohatra amin’ny fahalalana onony ireo ray aman-dreny.
23, 24. a) Inona avy no torohevitra omen’ny Baiboly anao momba izany (Ohabolana 23:20; 6:20; 1 Korintiana 6:9, 10)? b) Momba izany, ahoana no hampiharanao ny torohevitra omena ao amin’ny Romana 14:13-17, 21?
23 Ilaina indray ve ny milaza fa ny Tenin’Andriamanitra no mpitari-dalana tsara indrindra sy azo antoka indrindra ho anao? Araka ny nahitana azy, ny Baiboly dia mirakitra ohatra maro ny amin’ny fampiasana amin’ny fomba tsara ny zava-pisotro misy alkaola, nefa koa fampitandremana mba tsy hanaram-po aminy. Mampirisika ny tanora izy mba hanaja ny fomba fiheveran’ireo ray aman-dreniny. Anjaran’ireo ray aman-dreninao ny manapa-kevitra na tokony hisotro zavatra misy alkaola ianao na tsia, na manazava tsara koa hoe amin’ny toe-javatra manao ahoana ihany no ahafahanao mampiasa izany. Manehoa fahendrena àry: henoy izy ireo. Haneho fahendrena koa ianao amin’ny fifadiana izay mety ho zava-pisotro misy alkaola raha toa ireo izay miara-misotro aminao ka mbola zatovo avokoa ary tsy misy ray aman-dreny na mpikambana hafa ao amin’ny fianakaviana mihitsy eo hanara-maso na hanoro hevitra anao.
24 Tianao ve ny handray soa betsaka indrindra avy amin’ny fahatanoranao sy hahita fahasambarana maharitra? Aoka àry ianao hanaiky hotarihin’ny Tenin’Andriamanitra. “Koa amin’izany, na mihinana na misotro hianareo, na inona na inona ataonareo, dia ataovy ho voninahitr’Andriamanitra izany rehetra izany.” — 1 Korintiana 10:31.
[Fanamarihana ambany pejy]
a Navoakan’ny Departemanta amerikana momba ny Fahasalamana, ny Fanabeazana ary ny Raharaha ara-tsosialy.
[Fanontaniana]